2010–2019
Ireo Fotopampianarana sy Fitsipika Ao Anatin’ireo Fanekem-pinoana
Oktobra 2013


Ireo Fotopampianarana sy Fitsipika Ao Anatin’ireo Fanekem-pinoana

Ny fanekem-pinoana tsirairay dia manampy zavatra manan-danja miavaka ao amin’ny fahatakarantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Rehefa nomena andraikitra aho handray fitenenana mandritra ny fivorian’ny fisoronana ao anatin’ny fihaonamben’ny Fiangonana, dia nieritreritra avy hatrany ny mpampianatra iray tena mahafinaritra tao amin’ny Kilonga. Ny faniriany lehibe indrindra dia ny hanomana anay ho mendrika ny handray ny fisoronana. Nadininy anay imbetsaka ireo zavatra takiana tamin’izany fotoana izany mba hahazoana mari-pankasitrahana nahavitana ny Kilonga—fahaizana tsianjery ny anaran’ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Fanekem-pinoana. Nampanantena zavatra anay koa izy—raha toa izahay rehetra ka mahay tsianjery ireo Fanekem-pinoana miisa telo ambin’ny folo, dia afaka misafidy toerana iray izahay ary mandeha manao fiaraha-mientana any ho an’ny fotoam-pianaranay farany.

Nanapa-kevitra izahay ny hifidy toerana iray miavaka izay tianay hihanihana, dia tsy aiza izany fa eo amin’ny ilay faritra misy vato misolampy eo ambonin’ilay tohodrano voalohany vao miditra ny Logan Canyon, any Utah avaratra. Misy faritra kely lemaka eo amin’ireo hantsambato ireo ary ahitana toerana voajanahary azo anaovana toko hanamasahana hotdogs na hanatonoana pâte de guimauve. Rehefa nisafidy ilay toerana anefa izahay dia tsy mba nieritreritra ilay mpampianatra anay izay efa zokinjokiny ihany ary tsy olona manam-batana toy ny an’ny mpanao fanatanjahantena mihitsy. Raha mba nandinika tsara kokoa izahay dia mety ho tonga tao an-tsainay fa ho sahirana izy handeha hihanika izany. Tapa-kevitra ny hanaja ilay fampanantenany anefa izy ary nanaraka anay tamin-kerimpo.

Nihanika ilay havoana kely aloha izahay. Tamin’ny andronay dia tsy nisy tariby mitondra herinaratra nanakana anay tsy hihanika teny. Rehefa nampiana kely ilay mpampianatray dia tonga teny an-tampon’ny havoana. Raha vao tonga teny amin’ny tampony izahay dia nidina nanaraka faritra vatoana iray ary nankeo amin’ny toerana iray izay nantsoinay hoe: “Lamosin-tsokatra.”

Rehefa tonga izahay dia nila naka fotoana kely mihitsy aloha ilay mpampianatra anay vao afaka ny hasemporany. Rehefa niomana ny hipetraka sy ny hihinan-kanina iny izahay dia efa nahazo aina tsara izy ka afaka nampianatra ny lesonay farany. Nolazainy taminay fa tena nahafinaritra azy ny nampianatra anay tao amin’ny Kilonga nandritra izay roa taona lasa izay. Noderainy izahay noho ny fahaizanay tsianjery tsara ireo Fanekem-pinoana. Afaka miteny fotsiny ny laharan’ny iray amin’izy ireo izy ary avy hatrany izahay dia afaka mitanisa ilay izy. Avy teo dia nolazainy taminay fa ny fahaizana tsianjery ireo Fanekem-pinoana dia tsy misy dikany ankoatra ny teny marobe fotsiny raha tsy mahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika ao anatin’izany izahay. Namporisihany izahay mba handalina ny fotopampianaran’ny filazantsara ampianarina ao anatin’ny fanekem-pinoana tsirairay. Nohazavainy fa ny fotopampianarana hita ao amin’ireo Fanekem-pinoana dia misy fizarazarana.

I. Ny Andriamanitra sy ny Fotopampianaran’i Kristy

Hianarantsika ao amin’ny fanekem-pinoana voalohany fa ny Andriamanitra dia ahitana olona telo: Andriamanitra Ray, Jesoa ilay Kristy, ary ny Fanahy Masina.

Ny fanekem-pinoana faharoa dia mampianatra antsika fa tompon’andraikitra amin’ny zavatra ataontsika isika eto an-tany.

Ny fahatelo dia mamaritra ny asa nanirahana ny Mpamonjy mba hamonjena ireo zanaky ny Ray any an-danitra.

Ny fahefatra dia mampianatra ny maha zava-dehibe ireo fitsipika sy ôrdônansy fototra.

Ny herin’ny teny nozarain’ilay mpampianatra anay dia lasa loharano hahazoana fitaomam-panahy ho ahy noho ny fanantitranterany ny fandalinana ny filazantsara. Ny soratra masina dia mitondra antsika eo anatrehan’ny fahamarinana napetraka izay ahafahantsika mitsara izay fahalalana raisintsika na marina izany na diso. Ny fotopampianarana marina dia avy amin’Andriamanitra, izay loharanon’ny fahamarinana rehetra sy fototra iorenan’izany. Hita ao amin’ny filazantsaran’ny Tompontsika sy Mpamonjy antsika ireo fampianarana sy hevitra mikasika ny hoe fotopampianarana marina. Ny fampianarana diso dia avy amin’i Satana izay rain’ny lainga rehetra. Ny hamily sy hanova ireo fahamarinana nambara no faniriany. Te hamitaka antsika izy mba hahatonga ny sasany amintsika ho very eny amin’ilay lalana miverina any amin’ilay fonenantsika any an-danitra.

Ny soratra masina dia mampianatra antsika ny fomba hisorohana ireo fampianarana diso. Ohatra, hitantsika ao anatin’ny taratasy nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty ny hoe:

“Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana:

“Mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra” (2 Timoty 3:16–17).

Tsy misy hafa amin’ny filan’ny finday batterie ny filan’ny Fiangonana an’io fotopampianarana io. Rehefa esorinao ao anatin’ny finday anao ilay batterie dia tsy misy ilana azy intsony ilay finday. Dia tsy misy ilana azy mitovy amin’izany koa ny fiangonana iray izay tsy ahitana fampianarana fotopampianarana marina intsony. Tsy afaka mitondra antsika miverina any amin’ny Raintsika any an-danitra sy any amin’ilay fonenantsika mandrakizay izany.

II. Rafitra sy Lamin’ny Fisoronana

Rehefa nanomboka nahatakatra ny fotopampianarana fototra momba an’i Kristy isika dia mampianatra antsika mikasika ny rafitra sy ny lamin’ny fisoronana ny fanekem-pinoana fahadimy sy fahenina. Naorin’i Joseph Smith teo ambany fitarihan’ny Tompo ny Fiangonan’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fampiasana ny fahefan’ny fisoronana—ilay herin’Andriamanitra. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia ilay rafitra naorin’i Kristy sy notantanany ihany fony Izy teto an-tany.

Tena andro lehibe ho an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny volana Mey 1829 rehefa nandeha tany an’ala izy ireo mba hivavaka momba ny fotopampianaran’ny batisa ho famelana ny fahotana, izay novakiany rehefa nandika ny Bokin’i Môrmôna izy ireo. Maro ireo fampianarana nozarain’ireo fiangonana samihafa nanomboka ny taona 1800 sy ireo taona nanaraka azy ary fantatr’i Joseph sy i Oliver fa tsy afaka ny ho marina daholo izy rehetra. Tian’izy ireo ho fantatra ny fomba marina fanaovana batisa ary koa izay olona nanana ny fahefana hanaovana ny batisa.

Ho valin’ny fangatahan’izy ireo tamin’ny Tompo dia nisy iraka avy tany an-danitra niseho tamin’izy ireo dia i Jaona Mpanao Batisa izany. Nametra-tanana teo ambony lohan’izy ireo izy ary nomeny azy ireo tamin’ny alalan’ireto teny ireto ny fahefana hanaovana batisa: “Ianareo ry mpiara-manompo amiko, amin’ny anaran’ny Mesia no tolorako ny Fisoronan’i Aharôna” (F&F 13:1).

Tena andro lehibe teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao izany! Naverina teto an-tany indray ny fisoronana.

Rehefa mandray ny fisoronana isika dia mandray ny fahefana hanaovana asa amin’ny anaran’Andriamanitra sy hitarihana araka ny lalan’ny fahamarinana. Io fahefana io dia loharano tena ilaina hahazoana hery sy fitarihana marina ho tombontsoan’ny zanak’Andriamanitra eto an-tany ary hiaraka amintsika na dia aorian’ny fahafatesana aza. Nilaina ny namerenana ny fisoronana tamin’ny laoniny talohan’ny nanorenana ilay Fiangonan’i Jesoa Kristy marina. Izany no lesona lehibe ianarantsika avy ao amin’ny fanekem-pinoana fahadimy sy fahenina.

III. Fanampiana Mitoetra Mandrakizay mandritra ny Dia eto An-tany

Ny fanekem-pinoana telo manaraka—fahafito, sy fahavalo, ary fahasivy—dia mamaritra ireo fanampiana misy mba hampianatra antsika mandritra ny diantsika eto an-tany. Omena fanomezam-pahasoavana ara-panahy isika mba hitarika antsika rehefa manaraka ny fampianaran’ny Tompo ary mba hiaro antsika amin’ny ratsy. Mpitarika anankiray hafa koa ny soratra masina; raha mamaky ny tenin’Andriamanitra amim-pitandremana isika dia ho ambarany amintsika ilay lalana hiverenantsika any amin’ny fiainana mandrakizay.

Ny fanekem-pinoana fahasivy dia mampianatra antsika fa Andriamanitra dia nanambara sy manambara ary hanambara amin’ny hoavy fahamarinana maro izay lehibe sy manan-danja amin’ireo mpaminaniny sy mpahita ary mpanambara. Mianatra isika fa ankoatra ny fihainoana ilay feon’ny Fanahy izay tony sy malefaka ary ankoatra ny famakiana ny soratra masina dia ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana no loharano iray hafa hahazoana fitarihana, izay nantsoina sy nofinidy, ary natokana mba hitahy ny fiainantsika amin’ny alalan’ireo lesona ampianarin’izy ireo.

IV. Mpikambana Manao Asa Fitoriana

Ny fanekem-pinoana fahafolo, sy fahairaika ambin’ny folo ary faharoa ambin’ny folo dia mampianatra antsika ny fomba tokony hanatanterahana ny asa fitoriana sy fizarana ny filazantsara ao anatin’ny tontolo iray izay ahitana firenena maro sy lalàna isan-karazany. Mianatra momba ny fanangonana an’i Isiraely isika ao anatin’ny fiomanana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Ampianarina isika fa ny lehilahy sy ny vehivavy dia manao zavatra araka izay safidiny, ary afaka manaiky na mandà ny tenin’Andriamanitra araka ny fisainany manokana. Farany dia mianatra isika fa rehefa mampiely ny filazantsaran’i Jesoa Kristy manerana an’izao tontolo izao isika dia tsy maintsy manaja ny fitondram-panjakana any amin’ny firenena tsirairay hidirantsika. Isika dia mino marina ny tokony hankatoavana sy hanajana ary hanohanana ny lalàna any amin’ny firenena tsirairay.

V. Toetra Tsara Tokony Hananana

Ny fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo dia manolotra fanazavana manokana mikasika ny fomba tokony hitondrantsika ny fiainantsika sy hifaneraserantsika amin’ny hafa. Mivaky toy izao izany: “Mino isika fa tokony ho marina, ho mahatoky, ho madio fitondrantena, ho antra olona, ho mendrika ary hanao soa amin’ny olon-drehetra; afaka milaza marina tokoa isika fa manaraka ny fananaran’i Paoly manao hoe—Isika dia mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, efa niaritra zavatra maro ary manantena ny ho afaka hiaritra ny zavatra rehetra. Raha toa ka misy zavatra mendrika, maha-te hotia, tsara na mendrim-piderana dia mikatsaka ireny zavatra ireny isika.”

Isika rehetra dia tokony hiezaka ny hanana ireo toetra tsara ireo ary hanana fiainana izay mampiseho izany. Ireo fahamarinana ampianarina ao anatin’ireo Fanekem-pinoana ireo dia mifameno toy ny hifamenoan’ireo kojakoja rehetra hita ao anatin’ny finday iray. Toy ny fampidirana kojakoja mirindra tsara sy atao tohivakana mandritra ny fanamboarana finday, no ampidiran’ ireo Fanekem-pinoana ao amintsika koa ireo fotopampianarana manan-danja momba ny Famerenana amin’ny laoniny. Ny fanekem-pinoana tsirairay dia manampy zavatra manan-danja miavaka ao amin’ny fahatakarantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Nampidirin’ilay mpampianatra ahy tao amin’ny Kilonga tato anatiko ny fanapahan-kevitra handalina ireo fotopampianaran’ny fanjakana. Nampianatra ahy izy mba hitady ireo hevitra lalina kokoa fonosin’ireo Fanekem-pinoana tsotra ireo. Nampanantena ahy izy fa raha toa aho ka mirotsaka mandalina ireo fahamarinana masina ireo dia hanova ny fiainako ho tsara kokoa ny fahalalana azoko. Ary mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa tena tanteraka izany.

Taorian’izany lesona tena tsara nomen’ilay mpampianatra ahy izany teny amin’ny tendrombohitra iray tany Logan Canyon, dia tsikaritray fa nijanona teny naharitra ela kely kokoa noho ny nieritreretanay azy izahay. Nanakaiky ny hariva ary tsapanay fa nanana olana izahay.

Efa sahirana ilay mpampianatra anay vao tonga teny amin’ilay toerana miavaka, saingy mbola ho olana iray lehibe ho anay koa ny fiverenana mody. Vao mainka izany nampiharihary ny tsy naha hevitra tsara ny nisafidiananay io toerana io mba hiarahana mivoaka. Sarotra ho anay ilay fihanihana rehefa niverina, mainka moa ho an’ny olona iray zokinjokiny tahaka azy.

Rehefa sahirana izahay nanampy azy hiverina hihanika indray ilay havoana dia indreny nisy pôlisy roa tamy. Nirahin’ny filohan’ny Kilonga izy ireo mba hitady anay, noho ny fahatahorany sao very izahay. Ilay zavatra nanahirana tamin’io fotoana io sy ireo lesona nampianarina dia nahatonga izany ho zava-niseho iray tsy hay hadinoana teo amin’ny fiainako.

Ianareo zatovolahy—Mamporisika anareo aho hampiasa ny sainareo mahiratra mba handalina sy hianatra ireo Fanekem-pinoana sy ireo fotopampianarana ampianariny. Anisan’ny fanambarana manan-danja indrindra izy ireo ary azo antoka fa fanambarana tsara fintina indrindra mikasika ny fotopampianarana ato amin’ny Fiangonana. Raha mampiasa azy ireo ianareo ho toy ny torolalana hitantanana ny fandalinanareo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ho hitanareo fa ho vonona ianareo hanambara amin’izao tontolo izao ny fijoroanareo ho vavolombelona momba ny fahamarinana naverina amin’ny laoniny. Ho vitanareo ny hanambara amin’ny fomba tsotra sy mivantana ary lalina ireo zavatra fototra inoanareo mafy amin’ny maha mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anareo.

Zaraiko koa ny fijoroako ho vavolombelona fa marina ireo Fanekem-pinoana telo ambin’ny folo ireo. Amin’ny anaran’ilay Tompo sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy, amena.