2010–2019
Ny Herim-panahy Hanao ny Tsara
Oktobra 2013


Ny Herim-panahy Hanao ny Tsara Ananan’ny Vehivavy

Ny zavatra manindry mandry anareo dia ny hanao ny tsara sy ny ho olona tsara ary rehefa manaraka ny Fanahy Masina ianareo dia hitombo ny herim-panahy mahefa sy mitaona hanao ny tsara anananareo.

Efa hatry ny ela be ny fiaraha-monina no niantehitra tamin’ny herim-panahy hanao ny tsara ananan’ny vehivavy. Na dia azo antoka aza fa tsy izany irery no hery mitaona amin’ny tsara eo anivon’ny fiaraha-monina dia voaporofo fa nitondra soa miavaka ho tombontsoan’ny fiaraha-monina iray manontolo ilay fototra ara-pitondrantena entin’ny vehivavy. Angamba noho izy io misongadina, dia matetika no tsy dia ankasitrahana loatra io anjara biriky entin’ny vehivavy io. Maniry aho ny haneho fankasitrahana ny fitarihana amin’ny tsara entin’ireo vehivavy tsara, sy ny hamariparitra ireo foto-pisainana sy fironana sasantsasany izay manambana ny hanimba ny herin’ny vehivavy sy ny foto-kevitra ijoroany ary ny hanandra-peo hiangavy ireo vehivavy mba hikolokolo ilay herim-panahy hanao ny tsara enti-teraka ao amin’izy ireo.

Ny vehivavy dia manana hatsaran-toetra sasantsasany hatrany am-bohoka izay fanomezana avy amin’Andriamanitra ka mahatonga azy ireo ho havanana amin’ny fitaomana ny hafa hanana toetra tsara toy ny finoana, ny herimpo, ny fanehoam-pitiavana ary ny fampivoarana ny fifandraisana sy ny kolontsaina. Rehefa nanome fankasitrahana ny “finoana tsy mihatsaravelatsihy” hitany tao amin’i Timoty i Paoly, dia nanamarika fa izany finoana izany dia “nitoetra taloha tao anatin’i Lois renibenao sy Eonika reninao.”1

Taona maro lasa izay, fony aho nipetraka tany Mexique, dia nanatri-maso mivantana ny dikan’ny zavatra notenenin’i Paoly. Tsaroako ny reny vao herotrerony iray, izay iray tamin’ireo vehivavy maron’ny Fiangonana any Mexique, izay manana fiainana voaravaky ny finoany an’Andriamanitra toy ny efa voajanahary hany ka tsy tsikaritr’izy ireo akory izany. Io vehivavy maha-te-ho tia io dia naneho herim-panahy mahefa avy amin’ny hatsaram-panahy, izay nitaona ireo nanodidina azy rehetra hanao ny tsara. Nafoin’izy mivady tsy tamim-pisalasalana akory ireo zava-mahafinaritra sy fananana maro mba hifantohan’izy ireo amin’ireo laharam-pahamehany ambony kokoa. Efa mila hihoatra ny herin’olombelona ny fahaizan’io vehivavy io manatanteraka ny andraikiny eo amin’ny fampitrakana sy fiondrehana ary fanitsiana ataony eo amin’ireo zanany. Nanana andraikitra maro izy ary matetika no miverimberina sy heverina ho mahazatra ireo zavatra sahaniny, kanefa nanana fahatoniana fatratra izy, ary fahatsapana ho manao ny asan’Andriamanitra. Toy ny Mpamonjy, dia henim-boninahitra izy noho ny fitondrany fitahiana ho an’ny hafa tamin’ny alalan’ny asa fanompoana sy ny fahafoizan-tena. Ohatra velon’ny fitiavana izy.

Voatahy manokana aho noho ny herim-panahy hanao ny tsara nananan’ny vehivavy, indrindra indrindra fa ny reniko sy ny vadiko. Anisan’ireo vehivavy hafa izay anehoako fankasitrahana koa i Anna Daines. Isan’ireo mpamaky lain’ny Fiangonana tao New Jersey, Etazonia i Anna sy i Henry vadiny, ary ireo zanany efatra. Nanomboka ny taona 1930 sy ireo taona nanaraka izany, fony i Henry mpianatra haka ny mari-pahaizana doctorat tao amin’ny Oniversite Rutgers, dia tsy nety sasatra izy sy i Anna niara-niasa tamin’ireo fikambanana ara-panabeazana sy mpitaiza olom-pirenena tao Metuchen izay toerana nipetrahany, mba hanesorana ireo fitsara an-tendrony raiki-tampisaka mahakasika ny Môrmôna sy mba hanovàna ny fiaraha-monina iainana ho toerana tsaratsara kokoa hitaizan’ny ray aman-dreny rehetra ny zanany.

I Anna ohatra dia nilatsaka hanao asa an-tsitrapo tao amin’ny YMCA [Fikambanan’ny Zatovolahy Kristiana] tao Metuchen, ary nampiseho fa tena ilaina izy. Tao anatin’ny herintaona dia notendrena ho filohan’ny Fikambanan’ireo Reny izy ary avy eo dia nangatahina mba hirotsaka hofidiana hihazona ny iray amin’ny ireo toerana telo tazonin’ny vehivavy tao amin’ny filankevi-pitantanana tao amin’ny [Fikambanan’ny Zatovolahy Kristiana]. Azony tsy nisy fanoherana izany, ka dia lasa mpikambana tao amin’ilay filankevitra izy, izay vao taona vitsy monja talohan’io no nanda ny tsy hivorian’ny Olomasina ao amin’ny tranoben’izy ireo!”2

Nifindra tany amin’ny Paroasin’i New Brunswick ny fianakaviako fony aho zatovolahy. Nahatsikaritra ahy Rahavavy Daines ary matetika izy no naneho tamiko ny fahatokiany ny fahaiza-manao sy ny hery anaty nananako, izay nanosika ahy hanatratra tanjona ambony kokoa—ambony kokoa noho izay azoko tratrarina raha tsy teo ny famporisihany. Indray mandeha, noho ny fampitandremana tamim-pisainana sy ara-potoana nataony dia afaka nisoroka toe-javatra iray izay tena mety ho nanenenako aho. Na dia tsy eto intsony aza izy dia tsapa sy hita ny fitaoman’i Anna Daines hanao ny tsara, eo amin’ny fiainan’ireo taranany sy ireo hafa maro tsy voatanisa ary tafiditra ao anatin’izany ny tenako.

Nampianatra ahy hitandrina ny fanaovana ny asa fanompoan’ny fisoronana i Adena Warnick Swenson renibeko. Namporisika ahy izy hanao tsianjery ny vavaky ny fanasan’ny Tompo ho an’ny mofo sy ny rano, ary nanazava fa amin’izany fomba izany no ahafahako manonona azy ireo amim-pahatakarana an-tsaina sy amim-pihetseham-po lehibe kokoa. Ny fahitako ny fomba nanohanany ny raibeko, izay patriarika an’ny tsatòka, dia niteraka fanehoana fanajana tao anatiko ho an’ireo zava-masina. Tsy mba nianatra ny fomba familiana fiara i Bebe Swenson, saingy hainy ny fomba hanampiana ny ankizilahy mba ho tonga lehilahin’ny fisoronana.

Tsy misy toerana hafa izay ahatsapana mahery kokoa ny fitaomana entin’ny herim-panahy hanao ny tsara ananan’ny vehivavy na ampiasana izany hitondrana tombontsoa bebe kokoa mihoatra noho ny ao an-tokantrano. Tsy misy toerana na fomba tsara kokoa hitaizana ireo taranaka vao misondrotra mihoatra noho ilay rafitry ny fianakaviana mahazatra, izay ahitana ray sy reny miara-miasa mirindra tsara mba hamelona, sy hampianatra ary hikolokolo ireo zanany. Rehefa tsy misy io firafitry ny fianakaviana io dia miezaka ny olona haka tahaka ny tombontsoa avy amin’izany araka izay vitany eo anatrehan’ny toe-javatra iainany manokana.

Na inona na inona zava-mitranga, ny reny dia afaka mampihatra fitaomana izay tsy mitovy mihitsy amin’izay vitan’olon-kafa eo amin’izay mety ho fifandraisana hafa misy. Amin’ny alalan’ny herin’ny ohatra asehony sy ny fampianarana ataony no hianaran’ireo zanany lahy manaja ny vehivavy sy mampiditra fitsipi-pifehezana sy fitsipika ara-pitondrantena ambony eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mianatra mikolokolo ny hatsaran-toetrany manokana ireo zanany vavy sy mijoro amin’ny marina hatrany na dia tsy tian’ny olona aza izany. Ny fitiavan’ny reny iray sy ny zavatra avo lenta andrandrainy dia mitarika ireo zanany handray andraikitra fa tsy mitsoaka izany, ho matotra eo amin’ny fianarana sy ny fampivoaran-tena manokana ary handray anjara tsy tapaka eo amin’ny fanasoavana ny manodidina azy ireo. Nanontany ny Loholona Neal A. Maxwell indray mandeha hoe: “Rehefa ho velarina tanteraka ny tena tantara marin’ny zanak’olombelona, dia moa hampiseho ny fipoapoakan’ireo basy ve izany sa ireo feon’ny mpandrotsirotsy manentana ny fanahy? Hampiseho ireo fampitsaharan’ady lehibe nataon’ireo miaramila ve izany sa ny fampihavanana ataon’ny vehivavy ao an-tokantrano sy eo amin’ny manodidina? Moa ve ny zava-nitranga ao amin’ny fandrian-jaza sy ao an-dakozia ho hita fa mitaona amin’ny tsara kokoa noho ny zavatra nitranga ao anatin’ny fitondram-panjakana?”3

Ny tena masina indrindra dia ny anjara andraikitry ny vehivavy eo amin’ny famoronana aina. Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra4 ny vatantsika ary tsy maintsy mandalo fahaterahana ara-batana sy fahaterahana indray ara-panahy isika mba hahatongavana any amin’ilay ambaratonga ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialin’Andriamanitra.5 Araka izany dia mitana anjara toerana feno ny vehivavy (indraindray mety hamoizany ny ainy mihitsy) ao anatin’ny asa sy voninahitr’Andriamanitra mba “hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”6 Amin’ny maha-renibe, sy reny ary olona faka tahaka an’ireo vehivavy dia mpiambina ny loharanon’ny aina izy ireo ary mampianatra ny taranaka tsirairay ny lanjan’ny fahadiovana ara-pitondrantena—fahadiovam-pitondrantena alohan’ny fanambadiana ary tsy fanitsakitsaham-bady ao anatin’ny fanambadiana. Amin’izay lafiny izay izy ireo dia hery mpitaona ho amin’ny fivoarana eo amin’ny fiaraha-monina. Izy ireo no namoaka ny tsara indrindra teo amin’ny toetran’ireo lehilahy. Nikolokolo tontolo tsara izy ireo mba hitaizana zaza voaro sy salama.

Ranabavy isany, tsy te handokandoka be loatra anareo aho toy ny fanaontsika indraindray ao anatin’ny teny atao amin’ny Fetin’ny Reny ka mahatonga anareo ho tsy hahazo aina. Tsy voatery ho tonga lafatra akory ianareo.7 Tsy milaza aho hoe tonga lafatra ianareo (afa-tsy iray ihany angamba dia izay mipetraka tsy lavitra eto ankehitriny). Ny tiako holazaina dia hoe na tokan-tena ianareo na manambady, na manan-janaka ianareo na tsia, na antitra ianareo na tanora, na eo anelanelany, dia manan-danja ny herim-panahy mahefa hanao ny tsara anananareo ary angamba mety nanomboka nanao tsinontsinona izany sy nanao tsinontsinona anareo izahay. Marina fa misy fironana sy hery miasa izay mety hampihena na hanafoana mihitsy aza ny fitaomana hanao ny tsara avy aminareo, izay ho fatiantoka ho an’ny tsirairay sy ny fianakaviana ary ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny. Mamelà ahy ianareo hitanisa telo amin’izany ho fananarana sy fampitandremana.

Ny fanamavoana ny fanambadiana sy ny maha-reny ary ny fikarakarana tokantrano dia foto-pisainana mampidi-doza izay mikiky ny herim-panahy mitaona hanao ny tsara ananan’ny vehivavy. Ny sasany dia mandray ny fikarakarana tokantrano amim-pankahalana tanteraka, ka milaza fa manambany ny vehivavy izany ary koa ireo zavatra takiana tsy tapaka ao anatin’ny fitaizana ny zanaka dia endrika irain’ny fanararaotana.8 Tebahan’izy ireo ilay anton’asa antsoina hoe: “reny tsy mahafoy tokantrano mihoatra ny asa mampidi-bola be”. Tsy rariny ary tsy mety izany. Tsy ambaniantsika ny hasin’ny zava-bitan’ny vehivavy na ny lehilahy ao anatin’izay mety ho ezaka na anton’asa mendrika—samy mahazo tombontsoa amin’izany isika rehetra—kanefa mbola manaiky isika fa tsy misy zavatra tsara kokoa mihoatra ny maha-reny sy ny maha-ray ao amin’ny fanambadiana. Tsy misy asa ambony, ary tsy misy vola, na fahefana na fandokafan’ny mpiara-belona mahatoraka ilay valisoa farany ambony indrindra dia ny fananana fianakaviana. Na inona na inona zavatra hafa mety ho vitan’ny vehivavy iray dia tsy afaka miasa amin’ny fomba tsara kokoa mihoatra noho ny ao amin’ny fianakaviana ilay herim-panahiny mitaona hanao ny tsara izay ananany.

Manambana ny hanimba ny herim-panahy mahefa hanao ny tsara ananan’ny vehivavy amin’ny lafiny maro ny fihetsiky ny olombelona ara-pitondrantena. Ny fanalan-jaza noho ny safidin’ny tena manokana na noho ny teritery ara-piaraha-monina dia mamely mivantana ireo hery masina indrindra ananan’ny vehivavy ary manimba ny herim-panahiny mahefa hanao ny tsara. Mitovy tsy misy hafa amin’izany koa ny fahalotoana ara-pitondrantena sy ny akanjo mampitanjaka izay tsy hoe manambany ny vehivavy fotsiny fa manamafy koa ilay lainga hoe ny fampisongadinan’ny vehivavy izay faritry ny vatany manokana mahavavy azy no mamaritra ny maha-izy azy.

Efa ela no nisian’ny foto-pisainana mitanila amin’ny lehilahy izay manantena ny vehivavy hitandrina ara-pitondrantena ary etsy ankilany tsy manameloka ny lehilahy maloto ara-pitondrantena. Miharihary ny fisian’ny tsy rariny eo anatrehan’izany fanaovana tombo sy hala izany, ary rariny loatra raha efa voatsikera sy nolavina izany. Nantenaina, tao anatin’izany fandavana izany, fa hiezaka hanatratra ilay fenitra tokana sy ambony kokoa ny lehilahy, kinanjo ny mifanohitra tamin’izany no nitranga—amporisihina ankehitriny ireo vehivavy sy ireo tovovavy hanana fitondrantena mamohehatra mitovy amin’izay nandrandraina tamin’ny lehilahy tao anatin’ilay foto-pisainana manao tombo sy hala. Raha toa teo aloha ka nitaky fanoloran-tena sy fandraisana andraikitra avy amin’ny lehilahy ny fenitra ara-pitondrantena ambony arahin’ireo vehivavy, ankehitriny kosa dia miharihary ny fanaovana firaisana ara-nofo tsy am-piheverana, ny fianakaviana tsy manan-dray ary ny fahantrana misavovona. Manaisotra tsotra izao ny herim-panahy mahefa hanao ny tsara ananan’ny vehivavy sy mampikororosy fahana ny fiaraha-monina ny fiarahana maneho fitondrantena mamohehatra.9 Ao anatin’izany fomba fanao mirefarefa amin’ny tany izany dia ny lehilahy no “mahazo vahana” ary ny vehivavy sy ny ankizy no tena mijaly.

Ny sehatra mampiahiahy fahatelo dia avy amin’ireo izay maniry, amin’ny anaran’ny fitoviana, ny hanafoana ny fahasamihafana rehetra misy eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Matetika izany no miseho amin’ny famporisihana ireo vehivavy haka toetoetran-dehilahy bebe kokoa—ho mahery setra sy mafy loha ary tia fifandirana kokoa. Efa mahazatra ankehitriny ny mahita ao anatin’ireo horonan-tsary sy jeux vidéos, vehivavy mihazona anjara milalao olona tena mahery setra izay mamono olona maro sy manimba zavatra maro noho ny ataony. Manimba ny fanahy ny mahita lehilahy milalao izany anjara izany ary azo antoka fa tsy latsa-danja amin’izany koa rehefa vehivavy no manatanteraka ilay herisetra sy ianjadian’izany.

Nampianatra ny filohan’ny Zatovovavy maneran-tany teo aloha, Margaret D. Nadauld, hoe: “Efa ampy vehivavy mafy loha eto amin’izao tontolo izao, fa mila vehivavy malefaka isika. Efa ampy ny vehivavy ratsy toetra, fa mila vehivavy tsara fanahy isika. Efa ampy ny vehivavy tsy mahalala fomba, fa mila vehivavy hendry isika. Efa ampy ny vehivavy malaza sy manan-karena, fa mila vehivavy manam-pinoana bebe kokoa isika. Efa ampy ny fitiavan-karena sy ny fitsiriritana; fa mila fiantrana bebe kokoa isika. Efa ampy ny fieboeboana hita, fa mila hatsaran-toetra bebe kokoa isika. Efa ampy ny fitiavana laza, fa mila fahadiovana ara-pitondrantena bebe kokoa isika.”10 Rehefa manarona ny fahasamihafana misy eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy isika dia manjavona eo anoloantsika ireo fanomezam-pahasoavana miavaka nefa mifameno ananan’ny vehivavy sy ny lehilahy izay miteraka zava-mahasoa kokoa rehefa tafaraka.

Ny fangatahana ataoko amin’ireo vehivavy sy zazavavy androany dia ny mba hiarovanareo sy hikolokoloanareo ilay herim-panahy hanao ny tsara izay ao anatinareo. Arovy izany hatsaran-toetra voajanahary izany sy ilay fanomezam-pahasoavana miavaka izay nentinareo teto an-tany. Ny zavatra manindry mandry anareo dia ny hanao ny tsara sy ny ho olona tsara ary rehefa manaraka ny Fanahy Masina ianareo dia hitombo ny herim-panahy mahefa sy mitaona hanao ny tsara anananareo. Izao no lazaiko amin’ireo zatovovavy, aza avela handeha izany herim-panahy hanao ny tsara izany na dia alohan’ny hanananareo izany amin’ny endriny feno aza. Tandrovy manokana mba ho madio ny fiteninareo, fa tsy hirefarefa amin’ny tany, ary mba haneho fahamaotinana ny fitafinareo fa tsy fieboeboana, ary mba haneho fahadiovana ara-pitondrantena ny fihetsikareo fa tsy fahavetavetana. Tsy afaka hanampy ny hafa ho tsara toetra ianareo etsy ankilany raha toa ianareo ka miaina ao anatin’ny faharatsian-toetra etsy andaniny.

Ranabavy isany, amin’ireo fifandraisana rehetra anananareo amin’ny hafa, dia ny fifandraisanareo amin’Andriamanitra, ilay Rainareo any An-danitra, no loharanon’ny herim-panahy hanao ny tsara anananareo, ka tsy maintsy ataonareo laharam-pahamehana eo amin’ny fiainanareo. Tsarovy fa ny herin’i Jesoa dia avy tamin’ny fanoloran-tenany hentitra hanao ny sitrapon’ny Ray. Tsy niova na oviana na oviana tamin’ny zavatra izay nankasitrahan’ny Rainy Izy.11 Miezaha ny ho tonga mpanara-dian’ny Ray sy ny Zanaka tahaka izany, ary dia tsy hihen-danja velively ny hery fitaomana hanao ny tsara anananareo.

Ary aza matahotra ny hampiasa izany hery fitaomana hanao ny tsara izany, tsy am-pihambahambana na amin’ny fanehoana fialan-tsiny. “Aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay [lehilahy, sy vehivavy ary ankizy] manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo.”12 “Mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.”13 “[Taizao] ao amin’ ny fahazavana sy ny fahamarinana … [ny] zanakareo.”14 “[Ampianaro] hivavaka sy [h]andeha araka ny hitsiny eo anoloan’ny Tompo [izy ireo].”15

Aoka tsy hisy diso fihevitra amin’izany fanentanana nataoko ho an’ny vehivavy izany. Raha maneho fankasitrahana ny herim-panahy hanao ny tsara ananan’ny vehivavy aho sy manentana ny hananany izany foana, dia tsy midika akory izany hoe dia toy ny afa-miala tsotra izao ireo lehilahy sy zatovolahy amin’ireo adidiny manokana dia ny hijoro ho an’ny fahamarinana, ary koa tsy midika akory izany hoe latsa-danja noho ny an’ny vehivavy na azo avela ho an’ireo vehivavy ny andraikitr’izy ireo hanompo, sy hahafoy tena ary hikarakara. Ry rahalahy isany, andeha isika hiara-hijoro amin’ireo vehivavy, hifampizara ny enta-mavesatra entin’izy ireo ary hikolokolo ny herim-panahy mahefa hanao ny tsara ananan’ilay mpiara-dia amintsika.

Ry anabavy malala, izahay dia miantehitra amin’ny herim-panahy hanao ny tsara entinareo ho an’izao tontolo izao, sy ho an’ny fanambadiana ary ho an’ny Fiangonana. Miantehitra amin’ireo fitahiana izay mirotsaka avy any an-danitra amin’ny alalan’ny vavaka ataonareo sy ny finoanareo izahay. Mivavaka izahay mba hahazoanareo fiarovana sy zava-mahasoa ary fahasambarana ary mba hanohanana ilay hery mitaona hanao ny tsara anananareo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. 2 Timoty 1:5.

  2. Orson Scott Card, “Neighborliness: Daines Style,” Ensign, Apr. 1977, 19.

  3. Neal A. Maxwell, “The Women of God,” Ensign, Mey 1978, 10–11.

  4. Jereo ny Mosesy 2:27.

  5. Jereo ny Mosesy 6:57–60.

  6. Mosesy 1:39.

  7. “Zato taona lasa izay, i John Bowlby izay manam-pahaizana momba ny firaiketam-po dia nahita fa ny firaiketam-po ateraky ny fifandraisana tsy hita isa mifono fitiavana eo amin’ny reny sy ny zanaka no fototra tena lehibe iorenan’ny fivoarana ara-piontanampon’ny fiaraha-monina. … Ary ilay manam-pahaizana miaro ny zon’ny vehivavy Sara Ruddick dia nahita fa ny ‘fitiavana mamy’ asehon’ny vehivavy no fitsipika fototra mba hahatongavana ho ray aman-dreny mahomby. Amin’ny alalan’ilay ‘toetra maharitry ny fitiavana,” dia manomboka manana fahalalana manokana ny zanany ireo reny—fahalalana iray izay manome azy ireo hevi-baovao miavaka mikasika ny hoe, inona marina no tokony ho ‘fomba fanao tsara indrindra’ azo ampiharina amin’ny zanaka tsirairay” (Jenet Jacob Erickson, “Love, Not Perfection, Root of Good Mothering,” Deseret News, Mey 12, 2013, G3).

  8. Marina tokoa fa nampiasaina tsy ara-drariny na novesarana adidy mavesatra tsy ara-drariny teo amin’ny fianakaviana sy teo amin’ny asa ireo vehivavy maro tao anatin’ny taranaka maro nifandimby, kanefa tsy tokony ho lasa fanararaotana ny fanehoana fitiavana ny hafa sy ny fahafoizan-tena. Nanamarika ny Loholona Bruce C. Hafen hoe: “Raha toa ilay hoe ‘fitiavana ny hafa’ ka midika hoe tsy maintsy manadino ny maha-izy azy ny vehivavy iray sy manajanona ny fampivoarana ny tenany manokana, dia diso izany fahatakarana ny fitiavana ny hafa izany. … Kanefa ankehitriny ny foto-pisainan’ireo tia fahalalahana dia diso lasa mivaona loatra, ary mametraka ny vehivavy ho diso mahaleo tena loatra tsy miankina amin’ny fianakaviany. Fomba fijery iray mety kokoa ny hoe mifampiankin-doha ny mpivady. … Ireo mpitsikera izay nanala ireo reny avy amin’ny fiankinan-doha ho amin’ny fahaleovan-tena dia nandingana ilay toe-javatra mahasoa ny roa tonta ao amin’ny fifampiankinan-doha. Ireo izay nanaisotra ny reny avy tamin’ny fitiavana ny hafa mba ho lasa tia tena dia nandingana ilay toe-javatra mahasoa ny roa tonta avy amin’ny fisafidianana hanompo, izay mitondra anjara biriky eo amin’ny fivoaran’ny tenan’ny vehivavy manokana. Vokatr’ireo fihoaram-pefy ireo, ny fifampidinihina mikasika ny maha-reny dia nahatonga ny olon’ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny, hanao tsinontsinona, amin’ny fomba manaraby, tsy ny reny fotsiny ihany fa ny vehivavy amin’ny ankapobeny rehetra” (“Motherhood and the Moral Influence of Women” [lahateny natao nandritra ny World Congress of Families II, Geneva, Plenary Session IV, 16 Nôv. 1999], http://worldcongress.org/wcf2_spkrs/wcf2_hafen.htm).

  9. Nanao izao fanamarihana izao tao anatin’ny lahatsoratra an-gazetin’ny Wall Street Journal ny reny iray: “Maro amintsika no tsy mahalala ny fomba entina hampianarana ny zanakalahintsika sy ny zanakavavintsika, ankoatra ireo Môrmôna sy evanjelisita ary Jiosy Ôrtôdôksa sasantsasany, tsy hanolotra ny vatany mora foana. … Misy ao anatin’ny vondrom-behivavy namako aza maniry mafy mihitsy ny hiverina ho madio ara-pitondrantena. Tsy mahafantatra iray amin’izy ireo aho izay tsy arahin’ireo fahatsapana ho tsy mahazo aina noho ny fanaram-batana natao taloha. Ary tsy nisy na dia iray aza vehivavy nanontaniako momba izany lohahevitra izany hatramin’izay ka tsy niteny hoe tahaka izay izy tsy ‘niaina’ trangan-javatra toy izany” (Jennifer Moses, “Why Do We Let Them Dress Like That?” Wall Street Journal, 19 Martsa 2011, C3).

  10. Margaret D. Nadauld, “The Joy of Womanhood,” Liahona, Jan. 2001, 18.

  11. Jereo ny Jaona 8:29.

  12. 1 Petera 3:15.

  13. 2 Timoty 4:2.

  14. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:40.

  15. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:28.