2010–2019
Ny Hery sy Fifaliana ary Fitiavana avy amin’ny Fitandremana ny Fanekempihavanana
Oktobra 2013


Ny Hery sy Fifaliana ary Fitiavana avy amin’ny Fitandremana ny Fanekempihavanana

Manasa antsika tsirairay hanombantombana hoe hatraiza ny fitiavantsika ny Mpamonjy, ka ny handrefesantsika izany dia ny fijerena hoe aiza ho aiza ny fitandremantsika amim-pifaliana ny fanekempihavanantsika.

Te hanomboka amin’ny alalan’ny fizarana tantara iray izay nanohina ny foko aho.

Indray hariva nisy lehilahy iray niantso ny ondriny dimy mba hody hitoetra ao amin’ny tranom-biby fiompy mandritra ny alina. Nijery azy tamim-pahalianana be tokoa ny fianakaviany rehefa niantso tsotra fotsiny izy hoe: “Avia,” ary tonga dia nitraka ny lohan’izy ireo anankidimy ary nitodika nankany amin’ny nisy azy. Niriotra mafy nankeny aminy ny ondry efatra. Nosafosafoiny moramora tamin-katsaram-panahy feno fitiavana teo aminy lohany izy efatra. Fantatr’ireo ondry ny feony ary tian’izy ireo izy.

Saingy tsy nihazakazaka nanatona ilay ondry fahadimy. Ondrivavy lehibe iray izany izay herinandro vitsivitsy talohan’izany dia nalefan’ny tompony, izay nilaza fa toy ny biby dia sy tsy mba mankatò izy ary mampivily lalana ireo ondry hafa foana. Nanaiky ny handray ilay ondry ilay tompony vaovao ary nofatorany teo amin’ny tsatokazo tao amin’ny sahany ilay ondry nandritra ny andro vitsivitsy mba hianarany hankatò. Nampianariny tamim-paharetana mba hitia azy sy ireo ondry hafa izy mandra-pananany tady fohy fotsiny sisa tamin’ny farany nanodidina ny tendany fa tsy nofatorana teo amin’ny tsatokazo intsony.

Tamin’io hariva io rehefa nijery azy ny fianakaviany dia nanatonan’ilay lehilahy ilay ondrivavy izay nijoro tery amin’ny sisin’ilay saha ary niverina niteny malefaka indray izy hoe: “Avia. Tsy voafatotra intsony ianao. Afaka ianao.” Dia nanatona izy ary nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ilay ondrivavy ary niara-niverina taminy sy ireo ondry hafa nankeny amin’ny tranom-biby fiompy.1

Ao anatin’izany toe-panahy avy amin’izany tantara izany no ivavahako mba hanampian’ny Fanahy Masina antsika hiara-hianatra momba ny fitandremana ny fanekempihavanana anio hariva. Ny manao sy mitandrina fanekempihavanana dia midika hoe misafidy ny hamatotra ny tenantsika amin’ny Raintsika any an-danitra sy i Jesoa Kristy. Manolo-tena hanaraka ny Mpamonjy izany. Matoky Azy ny dikan’izany ary maniry ny haneho Aminy ny fankasitrahantsika noho ny fanonerany ilay sarany mba hanafahana antsika tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana izay fanomezana tsy manam-pahataperana.

Nanazava ny Loholona Jeffrey R. Holland fa “ny fanekempihavanana dia fifanekena ara-panahy izay mamatotra, sy fampanantenana lehibe atao amin’Andriamanitra Raintsika fa hiaina sy hieritreritra ary hanao zavatra amin’ny fomba iray manokana isika—ilay fomban’ny Zanany Lahy, Jesoa Kristy Tompo. Ho valin’izany dia ampanantenain’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina antsika kosa ny hakanto sy ny voninahitra fenon’ny fiainana mandrakizay.”2 Ny Tompo no mametraka ny fepetra ao anatin’izany fifanekena mamatotra izany ary manaiky ny hitandrina azy ireo isika. Ny fanaovana sy fitandremana ny fanekempihavanantsika dia fanehoana ny fanoloran-tenantsika ho lasa tahaka ny Mpamonjy.3 Ny tena tsara indrindra dia ny miezaka hanana ilay toetra nambara tsara ao anatin’ny fehezan-teny vitsivitsy hita ao amin’ny fihirana be mpankafy iray: “Handeha any amin’izay halehanao aho. … Hilaza izay tianao holazaiko aho. … Ho tonga tahaka ilay olona tianao hahatongavako aho.”4

Nahoana isika no Tokony Hanao sy Hitandrina Fanekempihavanana?

1. Mampatanjaka sy manome hery ary miaro ny fitandremana ny fanekempihavanana.

Hitan’i Nefia tao anatin’ny fahitana iray ireo fitahiana lehibe izay omen’ny Tompo an’ireo mpitandrina ny fanekempihavanana. “Ary ny zava-nitranga, izaho Nefia dia nahatazana ny herin’ny Zanakondrin’Andriamanitra fa izany dia nidina tamin’ny … vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo, … ary nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe.”5

Nihaona tamin’ny namana vaovao mahafinaritra iray aho vao haingana. Nijoro ho vavolombelona izy fa rehefa avy nandray ny fanafiana masina tany amin’ny tempoly izy dia nahatsapa ho nampahatanjahan’ny hery hanoherana ireo fakam-panahy izay nanahirana azy teo aloha.

Rehefa mitandrina ny fanekempihavanantsika isika dia mahazo herimpo sy tanjaka koa mba hanampiana antsika hifampitondra ny enta-mavesatra. Nisy rahavavy iray tao anaty fahoriana lehibe, nanan-janaka lahy nanana olana sarotra izay mety hanafaka ny ainy. Noho ny finoany an’ireo rahavavin’ny Fikambanana Ifanampiana ho mpitandrina fanekempihavanana dia nasainy tamin-kerimpo izy ireo mba hifady hanina sy hivavaka ho an’ny zanany lahy. Nisy rahavavy iray hafa izay naneho hoe, tahaka izay izy nangataka vavaka tahaka izany avy amin’ireo rahavaviny. Taona maro lasa talohan’izany dia nanana olana koa ny zanany lahy. Naniry mafy izy hoe raha izao mantsy mba nanasa ireo rahavavy hanampy ny fianakaviany hitondra izany enta-mavesatra izany izy. Hoy ny Mpamonjy hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.”6

Ry rahavavy! Manana enta-mavesatra lanjaina sy enta-mavesatra ifampizarana daholo isika rehetra. Ilay fanasana mba hifampitondra ny enta-mavesatra dia fanasana mba hitandrina ny fanekempihavanantsika. Manan-danja bebe kokoa noho ny hatramin’izay ankehitriny ny torohevitr’i Lucy Mack Smith ho an’ireo rahavavy voalohany tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana: “Isika dia tsy maintsy mifankatia, mifampikarakara, mifankahery sy mandray torolalana mba hahafahantsika rehetra hiaraka hipetraka any an-danitra.”7 Izany no endrika tsara indrindra isehoan’ny fitandremana ny fanekempihavanana sy ny famangiana isan-tokantrano!

Ny Bokin’i Môrmôna dia mampahatsiahy antsika fa na ny mpaminany Almà aza dia tsy maintsy nilanja ilay vesatry ny fananana zanaka lahy nikomy. Nanana rahalahy sy anabavy tao amin’ny filazantsara i Almà izay mpanaja fanekempihavanana ary niova tanteraka tao amin’ny Tompo ary nianatra ny dikan’izany hoe mifampitondra ny enta-mavesatra izany. Fantatsika tsara ilay andininy iray ao amin’ny Môsià izay miresaka momba ny finoana lehibe tao anatin’ny vavaka nataon’i Almà ho an’ny zanany lahy. Kanefa ilay rakitsoratra dia manambara fa “ny Tompo … dia nandre ny fivavaky ny olony ary koa ny fivavak’i Almà mpanompony.”8

Fantatsika fa ny Tompo dia mifaly foana amin’ireo “olona izay mibebaka,”9 saingy isika dia maniry ambonin’ny zavatra rehetra ny mba hanarahan’ny zanatsika ilay torohevitra nomen’ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “manomboka aloha ary tsy miovaova” eo amin’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana.10 Vao tsy ela akory izay dia nisy fanontaniana nanaitra ny saina sy nivantana napetraka tao anatin’ny filankevitra irain’ny fisoronana sy ireo mpitarika ao amin’ny vondrona fanampiny: moa ve isika tena manantena ankizy valo taona hitandrina ny fanekempihavanana nataony? Rehefa niaraka nifanakalo hevitra izahay dia natolotra ny hoe, ny fomba iray hanomanana ny ankizy hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanana masin’ny batisa dia ny fanampiana azy ireo hianatra hanao sy hanaja fampanantenana tsotra.

Ny ray aman-dreny mahatoky dia tokony hahafantatra ny fomba tsara indrindra ahafahana mampianatra mba hanomezana izay ilain’ny zanany. Rehefa mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana sy mandray andraikitra eo anatrehan’izany ny ray aman-dreny ary miaraka mifanakalo hevitra sy manompo ary mampianatra ireo fitsipika tsotra ao amin’ny filazantsara dia hanana hery hanamafisana orina sy hiarovana ny fianakaviany izy ireo. Afaka manampy koa ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana. Ilay dadabeko mahafinaritra ahy izay dia nampianatra anay ny maha zava-dehibe ny fanajana ny fampanantenana tamin’ny alalan’ny hira tsotra iray izay toy izao manaraka izao: “Alohan’ny hanaovana fampanantenana dia diniho tsara ny lanjany. Ary rehefa natao izany dia soraty ao am-ponao.” Nampianarina tamim-pitiavana sy tamim-pinoana ary tamin-kery izany hira kely izany satria efa nosoratan’i Dadabe tao am-pony ireo fampanantenana nataony.

Nisy reny hendry iray fantatro izay nampandray anjara tamim-panahy iniana ny zanany tao anatin’ny ezaka nataony mba hitandremana ny fanekempihavanany. Nolanjainy tamim-pifaliana ny enta-mavesatry ny mpifanolobodirindrina sy ny namana ary ireo mpikambana tao amin’ny paroasy—ary nampahereziny ireo izay nila fankaherezana. Tsy nahagaga raha toa ka tonga ny zanany vavy mbola tanora iray tsy ela akory izay mba hangataka fanampiana hahafantarana ny fomba hanampiana tsara ilay namany iray izay vao maty ny rainy. Fotoana tena tsara nampianarana azy izany fa ilay faniriana nasehony mba hankahery ilay namany dia fomba iray hitandremana ny fanekempihavanan’ny batisa nataony. Ahoana no ahafahantsika manantena ny zanaka hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanan’ny tempoly raha toa ka tsy manantena azy ireo hitandrina ilay fanekempihavanana voalohany nataony isika—dia ny fanekempihavanan’ny batisa nataony izany?

Nilaza ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Ny iray amin’ireo fitahiana azontsika atolotra an’izao tontolo izao dia ny herin’ny tokantrano iray mifototra amin’i Kristy ka ao anatin’izany dia ampianarina ny filazantsara, hajaina ny fanekempihavanana ary miavosa ny fitiavana.”11 Inona avy ireo fomba ahafahantsika manorina tokantrano tahaka izany mba hanomanana ny zanatsika hanao sy hitandrina fanekempihavanan’ny tempoly?

  • Afaka miaraka mikaroka isika hoe inona no dikan’izany hoe mendrika ny hanana fahazoan-dalana hiditra ny tempoly.

  • Afaka miaraka mikaroka isika hoe ahoana no fomba fihainoana ny Fanahy Masina. Mila mianatra izany fahaiza-manao tena manan-danja izany isika satria ny fanafiana masin’ny tempoly dia azo avy amin’ny fanambarana.

  • Afaka miaraka mikaroka ny fomba fianaran-javatra amin’ny alalan’ny fampiasana tandindona isika ka manomboka amin’ireo tandindona masin’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo izany.

  • Afaka miaraka mikaroka isika hoe nahoana no masina ny vatana, nahoana indraindray no lazaina fa tempoly izany ary inona no fifandraisan’ny fitafy sy bika aman’endrika maotina amin’ny fahamasinan’ny fitafian’ny tempoly.

  • Afaka mikaroka ny drafitry ny fahasambarana ao anatin’ny soratra masina isika. Rehefa mahafantatra tsara kokoa ny drafitry ny Ray any an-danitra sy ny Sorompanavotana ao amin’ny soratra masina isika dia hanan-danja bebe kokoa ny fitsaohana any amin’ny tempoly.

  • Afaka miaraka mianatra ny tantan’ireo razambentsika isika sy manao fikarohana momba ny tantaran’ny fianakaviana sy mandamina anarana ary manatanteraka asa isoloana tena any amin’ny tempoly ho an’ireo olon-tiantsika efa nodimandry.

  • Afaka miaraka mikaroka ny dikan’ny voambolana vitsivitsy isika toy ny hoe fanafiana masina, ôrdônansy, famehezana, fisoronana, fanalahidy sy ireo teny hafa izay mifandray amin’ny fitsaohana any amin’ny tempoly.

  • Afaka mampianatra isika hoe, mandeha any amin’ny tempoly isika mba hanao fanekempihavanana miaraka amin’ny Ray any an-danitra—ary mandeha mody any an-trano isika mba hitandrina azy ireo!12

Aoka isika hahatsiaro ny hevitry ny hoe “tsara, tsara kokoa ary tena tsara” rehefa mampianatra.13 Tsara ny mampianatra ny zanatsika momba ny tempoly. Tsara kokoa ny manomana sy manantena azy ireo hanao sy hitandrina fanekempihavanana. Tena tsara ny mampiseho azy ireo amin’ny alalan’ny ohatra fa mifikitra amim-pifaliana amin’ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa sy tany amin’ny tempoly isika! Ry rahavavy! Moa ve fantatsika ny anjara asantsika lehibe ao anatin’ny asa famonjena rehefa mikarakara sy mampianatra ary manomana ny zanaka handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika? Ho tonga ny hery hanaovana izany rehefa manaja sy mitandrina ny fanekempihavanantsika isika.

2. Tena ilaina mba hahazoana fifaliana marina ny fitandremana ny fanekempihavanana.

Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Tokony hajaintsika ireo fanekempihavanana masina ary ny fahatokiana asehontsika eo anatrehan’izy ireo dia zavatra takiana mba hahazoana fifaliana.”14 Ny ao amin’ny 2 Nefia dia milaza tsotra izao hoe: “Ary ny zava-nitranga dia niaina tao anatin’ny toetry ny fahasambarana izahay.”15 Any amin’ny voalohandohan’ity toko ity dia mianatra isika fa vao avy nanorina tempoly i Nefia sy ny olony. Azo antoka fa mpitandrina fanekempihavanana amin-kafaliana izy ireo! Ary hitantsika ao amin’ny Almà ny hoe: “Nefa indro, tsy nisy na oviana na oviana teo anivon’ny vahoakan’i Nefia fotoana sambatra kokoa, hatramin’ny andron’i Nefia, noho ny tamin’ny andron’i Môrônia.”16 Nahoana? Mbola mianatra indray isika ao anatin’ny andininy iray mialohan’izany fa izy ireo dia “nahatoky tamin’ny fitandremana ny didin’ny Tompo.”17 Ny mpitandrina fanekempihavanana dia mpitandrina didy!

Tiako ilay soratra masina manao hoe: “Ary ankehitriny, nony efa nandre izany teny izany [izay midika hoe ireo teny mamaritra ny fanekempihavanan’ny batisa] ny vahoaka dia niteha-tanana noho ny fifaliana ary niantso hoe: Izany no fanirian’ny fonay.”18 Tiako ny fanirian’ny fon’izy ireo. Naniry tamim-pifaliana ny hanao sy hitandrina ny fanekempihavanany izy ireo!

Indray Alahady nisy rahavavy tanora iray nihiaka tamim-pifaliana hoe: “Nandray ny fanasan’ny Tompo aho androany!” Oviana isika no nifaly farany noho izany tombontsoa izany? Ary ahoana no fomba hanehoantsika izany? Ataontsika izany amin’ny alalan’ny fahatsiarovana lalandava ny Mpamonjy sy ny fitandremana lalandava ny didiny ka ao anatin’izany ny fihazonana ny andro Sabata ho masina. Ataontsika izany amin’ny alalan’ny fahatsiarovantsika Azy lalandava rehefa manao lalandava ny vavaky ny tena manokana sy ny vavaky ny mpianakavy isika, sy manao ny fandalinana soratra masina isan’andro ary ny takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro. Ary rehefa varimbariana isika na mahalana vao manao ireo zavatra manan-danja ireo dia mibebaka ary manomboka indray.

Ny fanaovana sy fitandremana amim-pifaliana ny fanekempihavanantsika dia maneho ny fahamarinana sy ny lanjan’ireo ôrdônansy masina sy mitondra famonjena izay ilaintsika raisina mba hahazoana “izay rehetra ananan’ny Ray.”19 Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana no “zava-miseho ara-panahy tena manan-danja” araka ny Filoha Henry B. Eyring rehefa nampianatra izy hoe: “Ny Olomasin’ny Andro Farany dia olon’ny fanekempihavanana. Nanomboka tany amin’ny andron’ny batisa hatrany amin’ireo zava-niseho ara-panahy teo amin’ny fiainantsika dia manao fampanantenana amin’Andriamanitra isika ary manao fampanantenana amintsika Izy. Mitandrina lalandava ny fampanantenany Izy izay atao amin’ny alalan’ireo mpanompony nomena alalana, saingy ny fitsapana lehibe eo amin’ny fiainantsika dia ny mijery raha toa ka hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanana natao niaraka Taminy isika.”20

3. Maneho ny fitiavantsika ny Mpamonjy sy ny Ray any an-danitra ny fitandremantsika ny fanekempihavanantsika.

Ankoatra ireo antony hafa rehetra mahatonga antsika ho tokony hazoto bebe kokoa eo amin’ny fitandremana ny fanekempihavanantsika dia ity antony iray ity no mavesa-danja kokoa noho ny hafa rehetra—fitiavana. Misy andinin-tsoratra masina iray ao amin’ny Testamenta Taloha izay manohina ny foko tokoa rehefa miresaka mikasika ny fitsipiky ny fitiavana isika. Iza amintsika moa no tsy mba mihetsi-po amin’ny tantaram-pitiavan’i Jakoba sy i Rahely ao amin’ny Baiboly rehefa mamaky isika hoe: “Dia nanompo an’i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy”?21 Ry rahavavy! Moa ve isika mitandrina ny fanekempihavanantsika amin’ny alalan’izany karazana fitiavana lalina sy feno fahafoizan-tena izany?

Nahoana ny Mpamonjy no vonona ny hitandrina ny fanekempihavanana nataony niaraka tamin’ny Rainy ary nanatanteraka ny asa masina nanirahana Azy mba hanonitra ny fahotan’izao tontolo izao? Noho ny fitiavany ny Rainy sy ny fitiavany antsika izany. Nahoana ny Ray no vonona ny hamela ilay Zanany Lahitokana sy Zanany Lahy tonga lafatra hizaka fijaliana izay tsy hay faritana sy hizaka ny fahotana, fahoriana, aretina sy ny fahalemen’izao tontolo izao ary ireo zavatra tsy ara-drariny rehetra eto amin’ity fiainana ity? Hitantsika ao anatin’ireto teny ireto ny valiny: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: Nomeny ny Zanany Lahitokana.”22

“Raha toa isika ka mankasitraka feno ireo fitahiana maro azontsika tamin’ny alalan’ny fanavotana natao ho antsika, dia tsy tokony hisy zavatra izay angatahan’ny Tompo amintsika ka tsy ho ataontsika amim-pientanentanana sy amim-pahavononana.”23 Araka io teny nambaran’ny Filoha Joseph Fielding Smith io, ny fitandremana ny fanekempihavanana dia fomba iray hanehoana ny fitiavantsika noho ilay Sorompanavotana tsy takatry ny saina sy tsy manam-piafarana izay nataon’ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika sy ilay fitiavana lavorary avy amin’ny Raintsika any an-danitra.

Ny Loholona Holland dia naneho tamim-pangorahana izao hevitra izao: “Tsy dia fantatro tsara ny zavatra hitranga amintsika amin’ny Andro Fitsarana, fa ho gaga ihany aho raha toa mandritra ilay fifampiresahana ka tsy mametraka amintsika ilay fanontaniana napetrak’i Kristy tamin’i Petera Andriamanitra hoe: ‘Nitia Ahy ve ianao?’”24 Anio hariva aho dia manasa antsika tsirairay hanombantombana hoe hatraiza ny fitiavantsika ny Mpamonjy, ka ny handrefesantsika izany dia ny fijerena hoe aiza ho aiza ny fitandremantsika amim-pifaliana ny fanekempihavanantsika. Hoy ny Mpamonjy hoe: “Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia Azy ka hiseho aminy.”25 Tena mila tokoa ny fisehoan’ny Mpamonjy tsy tapaka eo amin’ny fiainantsika isan’andro isika!

Aoka isika hahatsiaro fa na dia ireo nivily lalana taloha aza na ireo izay manana olana amin’izao fotoana izao dia afaka mahatsapa ilay safosafon’ny tanan’ilay Mpiandry Tsara eo amin’ny lohantsika sy maheno ny feony milaza hoe: “Avia. Tsy voafatotra intsony ianao. Afaka ianao.” Nilaza ny Mpamonjy hoe: “Izaho no Mpiandry Tsara. Ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.”26 Afaka milaza izany Izy satria nitandrina ny fanekempihavanany tamim-pitiavana Izy. Ny fanontaniana mipetraka izany dia izao, moa va hanao izany koa isika? Enga anie isika handroso amim-pinoana, miaraka amin’ny fo falifaly sy faniriana lehibe mba ho mpitandrina fanekempihavanana. Izany no fomba hanehoantsika ny fitiavantsika ny Raintsika any an-danitra sy ny Mpamonjy antsika, ary ijoroako ho vavolombelona amim-pitiavana ny amin’izy roa ireo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny D. Todd Christofferson, “You Are Free,” Liahona, Mar. 2013, 16, 18.

  2. Jeffrey R. Holland, “Keeping Covenants: A Message for Those Who Will Serve a Mission,” Liahona, Jan. 2012, 49.

  3. Jereo ny “Understanding Our Covenants with God,” Liahona, Jolay 2012, 23.

  4. “Ny Lalanao no Lalako,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 44, nampiana fanamafisana.

  5. 1 Nefia 14:14.

  6. Jaona 13:35.

  7. Lucy Mack Smith, in Filles dans mon royaume: L’histoire et l’oeuvre de la Société de Secours (2011), 25.

  8. Môsià 27:14; nampiana fanamafisana.

  9. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:13.

  10. Jereo ny Henry B. Eyring, “Spiritual Preparedness: Start Early and Be Steady,” Liahona, Nôv. 2005, 37–40.

  11. Richard G. Scott, “Mba Hahazo Fiadanana ao An-tokantrano,” Liahona, Mey 2013, 30.

  12. Jereo ny D. Todd Christofferson, “The Gospel Answers Life’s Problems and Challenges” (worldwide leadership training meeting, Feb. 2012); lds.org/broadcasts.

  13. Jereo ny Dallin H. Oaks, “Good, Better, Best,” Liahona, Nôv. 2007, 104.

  14. Thomas S. Monson, “Happiness—the Universal Quest,” Liahona, Mar. 1996, 5.

  15. 2 Nefia 5:27.

  16. Almà 50:23.

  17. Almà 50:22.

  18. Môsià 18:11.

  19. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:38.

  20. Henry B. Eyring, “Witnesses for God,” Ensign, Nôv. 1996, 30; nampiana fanamafisana.

  21. Genesisy 29:20.

  22. Jaona 3:16.

  23. Joseph Fielding Smith, “Importance of the Sacrament Meeting,” Relief Society Magazine, Ôkt. 1943, 592.

  24. Jeffrey R. Holland, “Ny Didy Lehibe Voalohany,” Liahona, Nôv. 2012, 84.

  25. Jaona 14:21.

  26. Jaona 10:11.