2010–2019
Ny Varavaran’ny Lanitra
Oktobra 2013


Ny Varavaran’ny Lanitra

Tonga eo amin’ny fiainantsika ny fitahiana ara-nofo sy ara-panahy rehefa manaja ny lalàn’ny fahafolonkarena isika.

Te hamaritra lesona roa manan-danja izay nianarako mikasika ny lalàn’ny fahafolonkarena aho. Ny lesona voalohany dia miompana amin’ireo fitahiana izay azon’ny olona tsirairay sy ny fianakaviana rehefa mankatò amim-pahatokiana izany didy izany izy ireo. Ny lesona faharoa dia manamafy ny maha-zava-dehibe ny fahafolonkarena eo amin’ny fampiroboroboana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany manerana an’izao tontolo izao. Mivavaka aho mba hanamafisan’ny Fanahy Masina amintsika tsirairay ny fahamarinan’ireo fitsipika izay horesahiko ireo.

Lesona # Laharana 1—Fitahiana Lehibe Saingy Misoko Mangina

Ny renin’ny Rahavavy Bednar dia vehivavy mahatoky sy mpikarakara tokantrano tena mahay. Nanao firaketana mikasika ny fandehan’ny vola ao an-tokantrano izy hatramin’ireo andro voalohany nanambadiany. Noraketiny am-polo taonany maro tao anatin’ny boky firaketana tsotra ny fitantanam-bola ny vola miditra sy mivoaka teo amin’ny fianakaviana. Feno tsara sy manome fahalalana ireo zavatra nangoniny nandritra izany taona maro izany.

Fony Rahavavy Bednar zatovovavy, dia nampiasain-dreniny ireo fampahalalana tao anatin’ilay boky firaketana ny fitantanam-bola mba hanamafisana ireo fitsipika fototra momba ny fiainana ao anatin’ny fitsitsiana sy ny fitantanana amim-pahendrena ny tokantrano. Indray andro rehefa niaraka namerina nijery sokajin-javatra samihafa nandaniana vola izy ireo dia nahatsikaritra toe-javatra iray nisarika ny saina ny reniny. Ny vola naloan’ny fianakaviana ho an’ny fizaham-pahasalamana tany amin’ny dokotera sy ho an’ny fanafody dia mora lavitra noho izay mety ho nieritreretany azy. Nampifandraisiny tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izany zavatra hitany izany avy eo ary nanazava fahamarinana mafonja iray tamin’ny zanany vavy izy hoe: rehefa manaja ny lalàn’ny fahafolonkarena isika dia mahazo fitahiana lehibe matetika saingy misoko mangina izay tsy voatery ho ilay zavatra nandrandraintsika hatrany, ka mora foana ny tsy miraharaha azy. Tsy mba nahazo vola fanampiny tampoka na hita niharihary teo amin’ny vola niditra tao amin’ny tokantrano ny fianakaviana. Fa ilay Ray any an-danitra be fitiavana kosa dia nanome fitahiana tsotra amin’ny fomba mahazatra rehefa jerena. Tsaroan’ny Rahavavy Bednar foana izany lesona manan-danja avy amin’ny reniny izany izay mikasika ny fanampiana azontsika amin’ny alalan’ny varavaran’ny lanitra araka ny nampanantenain’i Malakia ao amin’ny Testamenta Taloha (jereo ny Malakia 3:10).

Matetika isika rehefa mampianatra sy mijoro ho vavolombelona mikasika ny lalàn’ny fahafolonkarena dia manamafy ilay fitahiana ara-nofo mivantana sy misongadina ary mora hita izay azontsika. Ary azo antoka fa tena mitranga izany fitahiana izany. Saingy ny sasany amin’ireo fitahiana samihafa azontsika rehefa mankatò izany didy izany isika dia lehibe saingy misoko mangina. Ny fitahiana toy izany dia tsy ho tsikaritra raha tsy maneho fitandremana sy fandinihana ara-panahy isika (jereo ny 1 Korintiana 2:14).

Tena mampanita-tsaina ilay sary hoe “varavaran’ny” lanitra nampiasain’i Malakia. Mamela ny fahazavana ara-boajanahary hiditra ao anatin’ny trano iray ny varavarana. Torak’izany koa ny fitaomana sy ny fivoarana ara-panahy izay arotsaka amin’ny alalan’ny varavaran’ny lanitra ary arotsaka eo amin’ny fiainantsika rehefa manaja ny lalàn’ny fahafolonkarena isika.

Ohatra, ny fitahiana iray lehibe saingy misoko mangina azontsika dia ny fanomezam-pahasoavana ara-panahin’ny fahaizana mankasitraka izay manome fahafahana ny fankasitrahantsika izay ananantsika hamolavola izay zavatra iriantsika. Ny olona iray mahay mankasitraka dia mahatsapa fahafahampo tanteraka. Ny olona iray tsy mahay mankasitraka dia ianjadian’ny tsy fahafahampo lava (jereo ny Lioka 12:15).

Mety mila fanampiana sy mila mivavaka isika mba hahitana asa tsara. Kanefa ilaina ny maso sy ny sofin’ny finoana (jereo ny Etera 12:19) mba hamantarana ilay fanomezam-pahasoavana ara-panahy, dia ny fahafahana mahita zavatra lalina izany izay afaka manome fahafahana antsika hahita asa izay mety tsy raharahian’ny olona hafa—na fitahiana iray, dia tsy inona fa ny fahavononan’ny tena manokana hikaroka mafy kokoa sy ela kokoa asa iray mety azon’ny olona hafa hatao na iriany hatao. Mety te hahazo tolotr’asa isika na miandrandra izany saingy ilay fitahiana azontsika amin’ny alalan’ny varavaran’ny lanitra dia mety ho fahaizana bebe kokoa mandray andraikitra sy manova ny toe-javatra iainantsika manokana fa tsy fanantenana ny mba hanovan’ny olona iray na zavatra iray ny toe-javatra iainantsika.

Mety maniry sy miasa araka ny tokony ho izy mba hahazo fampiakaran-karama isika eo amin’ny asantsika mba hananana amin’ny fomba tsara kokoa ireo zavatra ilaina amin’ny fiainana. Kanefa ilaina ny maso sy ny sofin’ny finoana mba hijerena ny fitomboan’ny hery anaty ara-panahy sy ara-nofo eo amintsika (jereo ny Lioka 2:52) mba hahatanteraka zavatra bebe kokoa amin’ny kely ananana, mba hanana fahaizana tsara kokoa amin’ny fandrindrana izay laharam-pahamehana sy amin’ny fanatsoran-javatra ary mba hanana fahaizana bebe kokoa eo amin’ny fitandroana araka ny tokony ho izy ireo fananana izay efa eo am-pelatanantsika. Mety maniry sy manantena karama bebe kokoa isika saingy ilay fitahiana azontsika avy amin’ny varavaran’ny lanitra dia mety hoe, fahaizana bebe kokoa manova ny toe-javatra iainantsika manokana fa tsy fanantenana ny mba hanovan’ny olona iray na zavatra iray ny toe-javatra iainantsika.

Ireo zatovo miaramila ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny Almà 53; 56–58) dia nivavaka mafy mba hanomezan’Andriamanitra tanjaka azy ireo sy hanavotany azy ireo eo amin’ny tanan’ireo fahavalony. Ny mahavariana dia tsy fitaovam-piadiana fanampiny na andian-tafika maro an’isa akory no valin’izany vavaka izany. Fa nomen’Andriamanitra toky kosa ireo miaramila mahatoky ireo fa hanavotra azy ireo Izy sy hanambara fiadanana ho an’ny fanahiny ary hanome finoana sy fanantenana fa hafahana ao Aminy izy ireo (jereo ny Almà 58:11). Noho izany ireo zanakalahin’i Helamàna dia nahazo hery ka nandray fanapahan-kevitra hentitra ny handresy ary nandeha tamin’ny heriny rehetra nanohitra ny Lamanita (jereo ny Almà 58:12–13). Ny fahatokiana, fiadanana, finoana ary fanantenana dia mety ho toy ny fitahiana tsy nilain’ireo miaramila ireo tany am-boalohany nandritra ny ady, saingy ireo fitahiana ireo anefa no tena nilain’ireo zavotolahy mahery fo ireo mba handrosoana sy handreseny ara-batana sy ara-panahy.

Mety mangataka amin’Andriamanitra mba hanome antsika fahombiazana isika indraindray, kanefa tanjaka ara-batana sy ara-tsaina no omeny. Mety mitalaho mba handroso harena isika nefa fomba fijery mivelatra sy fananana faharetana bebe kokoa no azontsika, na mety mangataka fivoarana isika nefa omena fanomezana dia ny fahasoavana. Mety omeny finoana mafy orina sy fahatokian-tena isika rehefa miezaka manatanteraka tanjona tsara. Ary rehefa mangataka fanamaivanana ireo olana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy isika dia mety hampitomboany ny tsy fihambahambantsika sy ny faharetantsika.

Mampanantena aho fa rehefa manaja sy mitandrina ny lalàn’ny fahafolonkarena izaho sy ianao dia tena hisokatra ny varavaran’ny lanitra ary harotsaka ireo fitahiana ara-panahy sy ara-nofo izay manana amby ampy (jereo ny Malakia 3:10). Hahatsiaro ilay fanambaran’ny Tompo koa isika izay manao hoe:

“Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.

“Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo” (Isaia 55:8–9).

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa maneho fitandremana sy fandinihana ara-panahy isika dia hanana maso izay mahita mazava kokoa sy sofina izay mahare maharitra kokoa ary fo mahatakatra feno kokoa ny maha-zava-dehibe ny fombany sy ny eritreriny ary ny fitahiany eo amin’ny fiainantsika ary ny fisokon’izany mangina.

Lesona #Laharana 2—ny Fahatsoran’ny Fomban’ny Tompo

Talohan’ny niantsoana ahy ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy dia namaky imbetsaka tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana mikasika ilay filankevitra voatendry hanara-maso sy hizara ny ao anatin’ilay kitapom-bola masina misy ny fahafolonkarena aho. Ny Filankevitra Mandrindra ny Fahafolonkarena dia naorina tamin’ny alalan’ny fanambarana ary ahitana ny Fiadidiana Voalohany, ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Episkôpà Mpiahy (jereo ny F&F 120). Rehefa niomana ny hanatrika ny fivoriako voalohany niaraka tamin’io filankevitra io aho tamin’ny Desambra 2004 dia nanantena mafy aho hoe ho fotoana iray tena hianaran-javatra izany.

Mbola tsaroako foana ireo zavatra niainako sy tsapako nandritra izany filankevitra izany. Nankasitraka sy naneho fanajana bebe kokoa ny lalàn’ny Tompo mikasika ny fandrindrana ny vola ho an’ny olona tsirairay sy ny fianakaviana ary ny Fiangonany aho. Ny lamina fototry ny fitantanam-bolan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany—sady ho an’ny vola miditra no ho an’ny vola mivoaka—dia voafaritra ao amin’ny fizarana 119 sy 120 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Misy fanambarana roa hita ao amin’ireo fanambarana ireo izay maneho ny fototra hitantanana ny raharaha ara-bolan’ny Fiangonana.

Ny Fizarana 119 dia milaza tsotra izao fa ny mpikambana rehetra dia “handoa ny iray ampahafolon’izay rehetra miditra aminy isan-taona; ary izany dia ho lalàna raikitra ho azy ireo mandrakizay, … hoy ny Tompo” (andininy 4).

Dia hoy ny Tompo mikasika ny famoahana fahafolonkarena nahazoana lalana hoe: “Halamin’ny Filankevitra izay ahitana ny Fiadidiana Voalohan’ny Fiangonako sy ny eveka mbamin’ny filankeviny ary ny filankevitro avo [izany]; ary amin’ny alalan’ny feoko ho azy ireo” (F&F 120:1). Ny hoe “eveka sy ny filankeviny” ary “ny filankevitro avo” lazaina ao anatin’io fanambarana io ankehitriny dia fantatra amin’ny hoe Episkôpà Mpiahy sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo isany avy. Io kitapom-bola masina io dia ampiasaina ao anatin’ilay fiangonana miroborobo haingana mba hitahiana ara-panahy ny olona tsirairay sy ny fianakaviana amin’ny alalan’ny fanorenana sy fikojakojana tempoly sy trano fivavahana ary amin’ny alalan’ny fanohanana ny asa fitoriana, ny fandikana sy famoahana soratra masina, ny fanatontosana ny fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana, ny famatsiana vola ny sekoly sy fianarana momba ny finoana ary amin’ny alalan’ny fanatanterahana ireo tanjona hafa an’ny Fiangonana izay tarihin’ireo mpanompo notendren’ny Tompo.

Talanjona aho mahita ny fahazavana sy ny fahafohezan’ireo fanambarana roa ireo raha oharina amin’ireo torolalana ara-bola sy dingan’ny fitantanan-draharaha manahirana izay ampiasaina ao amin’ireo fikambanana sy governemanta maro manerana an’izao tontolo izao. Ahoana no ahafahan’ny rafitra misahana ny raharaha ara-nofon’ny fikambanana iray lehibe toy ny an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny miasa manerana an’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fampiasana torolalana fohy toy izany? Tonga dia mahitsy ny valiny ho ahy: asan’ny Tompo ity ary afaka mahavita ny asany Izy (jereo ny 2 Nefia 27:20), ary ny Mpamonjy dia manentana ny fanahin’ny mpanompony sy mitantana azy ireo rehefa mampihatra ny torolalany sy miasa ho Azy izy ireo.

Tao anatin’izany fivoriana voalohany an’ny filankevitra izany dia gaga tamin’ny fahatsoran’ireo fitsipika aho izay nitantana ny fiadian-kevitray sy ny fanapahan-kevitray. Misy fitsipika hentitra roa hajaina ao amin’ny fitantanam-bolan’ny Fiangonana. Voalohany, ny Fiangonana dia miaina amin’izay ananany ary tsy manao fandaniana mihoatra noho izay miditra ao aminy. Faharoa, ny ampahany amin’ilay vola miditra isan-taona dia atokana mba ho tehirizina ho an’ny toe-javatra miseho tampoka sy zavatra tsy ampoizina ilaina. Am-polo taonany maro no nampianaran’ny Fiangonana ny mpikambana tao aminy ilay fitsipika momba ny fitehirizana sakafo, sy lasantsy ary vola mba hiatrehana izay zavatra mety mitranga tampoka. Ny Fiangonana amin’ny maha-rafitra iray azy dia manaraka tsotra fotsiny ireo fitsipika ireo ihany, izay naverimberina nampianarina ny mpikambana.

Rehefa nandeha ilay fivoriana dia lasa naniry aho ny mba hahafahan’ny mpikambana rehetra ato amin’ny Fiangonana manaja ilay fomban’ny Tompo (jereo ny F&F 104:16) hitantanana ny raharaha ara-nofon’ny Fiangonany, izay fomba tsotra, mazava, mirindra ary mifono fiantrana sy manana hery. Efa nandritra ny taona maro izay no nanatrehako ny Filankevitra Mandrindra ny Fahafolonkarena. Nitombo isan-taona ny fankasitrahako sy ny fanajako ny lamin’ny Tompo ary lasa nihalalina kokoa aza ny lesona nianarana.

Tiako sy mahafinaritra ny foko tokoa ireo mpikambana mahatoky sy mpankatò ato amin’ity Fiangonana ity izay avy amin’ny firenena, foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra. Rehefa mitety izao tontolo izao aho dia mianatra mikasika ny fanantenanareo sy ny nofinofinareo, ireo toe-piainana sy toe-javatra samihafa iainanareo ary ny olanareo. Nanatrika fivoriam-piangonana niaraka taminareo aho ary nitsidika tao amin’ny tokantranonareo sasantsasany. Nanamafy orina ny finoako ny finoanareo. Manosika ahy hahafoy tena bebe kokoa ny fahafoizan-tenanareo. Ary ny hatsaranareo sy ny fahavononanareo hankatò ny lalàn’ny fahafolonkarena dia mitaona ahy ho lasa lehilahy, vady sy raim-pianakaviana ary mpitarika ny Fiangonana tsara kokoa. Mahatsiaro sy mieritreritra anareo aho isaky ny mandray anjara amin’ilay Filankevitra Mandrindra ny Fahafolonkarena. Misaotra noho ny hatsaran-toetranareo sy ny fahatokianareo ao anatin’ny fanajanareo ny fanekempihavananareo.

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny dia mahatsapa ho manana andraikitra goavana amin’ny fandrindrana araka ny tokony ho izy ireo fanatitra masina avy amin’ny mpikamban’ny Fiangonana. Tena tsapanay ny maha-masina ny farantsakelin’ilay mpitondratena.

“Ary raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra Jesoa, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka vola tao Izy; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao.

“Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo ka nandatsaka farantsakely roa ankevitry ny variroaventy avy.

“Ary Jesoa niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra:

“Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ny haben’ny fananany no nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin’ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany dia ny fivelomany rehetra” (Marka 12:41–44).

Fantatro avy tamin’ny zavatra niainako manokana fa ny Filankevitra Mandrindra ny Fahafolonkarena dia mitandrina amin’ny fitehirizana ny farantsakelin’ilay mpitondratena. Maneho fankasitrahana ny Filoha Thomas S. Monson sy ny mpanolotsainy aho noho ny fahombiazan’ny fitarihan’izy ireo ny fanatanterahana izany andraikitra masina izany. Ary fantatro fa ny feo (jereo ny F&F 120:1) sy ny tanan’ny Tompo no manohana ireo mpanompony voatendry mba hanatanteraka ilay andraikitra hisolo tena Azy.

Fanasana sy Fijoroana ho Vavolombelona

Ny fandoavana amin-kitsimpo ny fahafolonkarena dia mihoatra kokoa noho ny hoe adidy. Dingana manan-danja iray ao amin’ny lamin’ny fanamasinana ny tena manokana izany. Midera anareo izay mandoa ny fahafolonkarenanareo aho.

Ho an’ireo izay tsy manaja ny lalàn’ny fahafolonkarena amin’izao fotoana izao dia manasa anareo aho mba handinika ny lalanareo ary hibebaka. Mijoro ho vavolombelona aho fa hisokatra ho anareo ny varavaran’ny lanitra rehefa mankatò io lalàn’ny Tompo io ianareo. Aoka ianareo tsy hanemotra ny andron’ny fibebahanareo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa tonga eo amin’ny fiainantsika ny fitahiana ara-nofo sy ara-panahy rehefa manaja ny lalàn’ny fahafolonkarena isika. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fitahiana toy izany dia lehibe saingy misoko mangina. Ambarako koa fa ny fahatsoran’ny fomban’ny Tompo izay tena miharihary eo amin’ny raharaha ara-nofon’ny Fiangonany dia manolotra lamina izay afaka mitarika antsika tsirairay sy ny fianakaviana. Mivavaka aho mba ho afaka ny hianatra sy hahazo tombontsoa avy amin’ireo lesona manan-danja ireo isika tsirairay. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo, amena.