2010–2019
Mandra-pihaonantsika Indray
Oktobra 2013


Mandra-pihaonantsika Indray

Enga anie isika hifaneho hatsaram-panahy bebe kokoa ary enga anie isika ho eo am-panaovana ny asan’ny Tompo hatrany.

Ry rahalahiko sy anabaviko, feno ny foko eto am-pamaranana ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany mahafinaritra ity. Novokisana ara-panahy isika teo am-pihainoana ireo torohevitra sy fijoroana ho vavolombelona avy tamin’ireo izay nandray anjara tamin’ny fivoriana tsirairay.

Voatahy isika afaka nihaona tato amin’ity Ivontoeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana manara-penitra ity tamim-pilaminana sy fahalemana. Tsy mbola nisy toy izany ny fampitana ny fihaonambe, namakivaky ireo kaontinanta ka nipaka tamin’ny olona na aiza na aiza. Na dia tsy manoloana ny maro aminareo mivantana aza izahay dia tsapanay ny fanahinareo.

Ho an’ireo Rahalahy izay vao nisaorana tamin’ity fihaonambe ity dia mamelà ahy haneho fisaorana eram-po eran-tsaina amin’ny anaran’ny Fiangonana manontolo noho ireo asa fanompoana feno fanoloran-tena an-taonany izay nataonareo. Tsy hita isa ireo izay voatahy noho ny anjara biriky nentinareo teo amin’ny asan’ny Tompo.

Maneho fankasitrahana ho an’ny Amboarampeon’ny Tabernakely aho sy ho an’ireo amboarampeo hafa izay nandray anjara tamin’ity fihaonambe ity. Kanto tokoa ny hira ary nanampy be dia be tokoa tamin’ny Fanahy izay tsapantsika tamin’ny fivoriana tsirairay.

Misaotra anareo aho noho ireo vavaka ataonareo ho ahy sy ho an’ireo Manampahefana Ambony rehetra sy mpiandraikitra ambony ato am-piangonana. Mankahery anay izy ireny.

Ho aminareo anie ny fitahian’ny lanitra. Ho heniky ny fitiavana sy ny fanajana ary amin’ny Fanahin’ny Tompo anie ny tokantranonareo. Hanolokolo tsy tapaka ny fijoroanareo ho vavolombelona amin’ny filazantsara anie ianareo ka hitondra fiarovana ho anareo hanoherana ny fampijalian’ny fahavalo.

Ankehitriny dia tapitra ny fihaonambe. Ho tafody soa aman-tsara any an-tokantranontsika anie isika. Enga anie ny Fanahy izay tsapantsika teto hiaraka sy hijanona anatintsika raha hiverina hisahana indray ireo zavatra fanaontsika isan’andro isika. Enga anie isika hifaneho hatsaram-panahy bebe kokoa ary enga anie isika ho eo am-panaovana ny asan’ny Tompo hatrany.

Ry rahalahiko sy anabaviko, hitahy anareo anie Andriamanitra. Hiaraka aminareo anio ka ho mandrakizay anie ny fiadanana nampanantenainy. Mametraka veloma aminareo aho mandra-pihaonantsika indray afaka enim-bolana. Amin’ny anaran’ny Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy, ilay Tompo, amena.