2010–2019
Tena Mpiandry Ondry
Oktobra 2013


Tena Mpiandry Ondry

Mamaly vavaka maro ny fampianarana isan-tokantrano ary mamela antsika hahita ny fiovana izay afaka mitranga eo amin’ny fiainan’ny olona.

Izao hariva izao dia tafavory eto amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonambe eto Salt Lake City sy any amin’ireo toerana lavitra sy akaiky ireo mpihazona ny fisoronan’Andriamanitra. Ianareo dia “fanjakam-pisorona” marina—eny “taranaka voafidy” araka izay nambaran’ny Apôstôly Paoly.1 Voninahitra ho ahy ny ananako tombontsoa lehibe ahafahako miresaka aminareo.

Nanomboka tamin’ny fahazazako ka hatramin’ny nahalehibe ahy, isaky ny fahavaratra, dia mandeha fiara ny fianakavianay mankany amin’ny Provo Canyon tokotokony ho 72 km any atsimo somary atsinanan’i Salt Lake City, ary tany izahay dia nipetraka tao amin’ny trano fialan-tsasatry ny fianakaviana nandritra ny herinandro maromaro. Tsy andrinay ankizilahy foana izay handehanana manjono any amin’ny renirano, na izay handehanana milomano, ary mamporisika ny rainay izahay hitondra haingana kokoa ny fiara. Tamin’izany andro izany dia Oldsmobile 1928 no fiara nentin’ny rainay. Raha mandeha mihoatra ny 56 km isan’ora izy dia hoy ny reniko hoe: “Mandehana mora! Mandehana mora!” Dia hoy aho hoe: “Mandehana mafimafy kokoa Dada a! Mandehana Mafy!”

Dia entin’i Dada tokotokony ho teo amin’ny 56 km isan’ora teo ny fiara mandrapahatonga tany amin’ny Provo Canyon na mandrapahatonganay ao ambadiky ny fihodinana iray ka niato ny dianay fa voasakan’ny andian’ondry iray. Dia nijery ireo ondry an-jatony nandalo anay izahay, izay toa tsy nisy mpiandry, ary nisy alika vitsivitsy nivovo tamin’izy ireo teny am-pandehanany. Tazanay tery aoriana lavitra be an’ilay andian’ondry ilay mpiandry ondry nitaingina ny soavaliny izay tsy nisy lamboridy fa tadin-tsoavaly fotsiny. Indraindray izy dia mitanondrika resin-tory teo ambonin’ny laseliny, satria fantatr’ilay soavaly ny lalana haleha ary ireo alika mivovo no nanao ny asa.

Andeha izany ho ampitahaina amin’ny zavatra hitako tany Munich, any Alemana, taona maro lasa izay. Alahady maraina tamin’izay, ary teny an-dalana handeha hamonjy fihaonamben’ny misiônera izahay. Rehefa nitazana tamin’ny fitaratry ny fiaran’ny filohan’ny misiona aho dia nahita mpiandry ondry nitana hazo ary nitarika ireo ondry. Nanaraka azy tany amin’izay rehetra nalehany izy ireo. Raha nandeha niankavia izy dia nanaraka azy niankavia izy ireo. Raha nandeha niankavanana izy dia nanaraka azy tany amin’ny ankavanana izy ireo. Nataoko ny fampitahana an’ilay tena mpiandry ondry izay nitarika ny ondriny sy ilay mpiandry ondry tsy dia niraharaha nitaingin-tsoavaly lavitra ny ondriny.

Hoy i Jesoa hoe: “Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy.”2 Omeny antsika ny ohatra tonga lafatra maneho hoe tokony ho toy ny ahoana izany hoe tena mpiandry ondry izany.

Ry rahalahy isany, manana andraikitra hiandry ondry isika noho isika mihazona ny fisoronan’Andriamanitra. Ny fahendren’ny Tompo dia nanome torolalana izay ahafahantsika ho tonga mpiandry ondry ho an’ireo fianakaviana ato amin’ny Fiangonana, izay azontsika tompoina, azontsika ampianarina, ary azontsika ijoroana ho vavolombelona. Izany no antsoina hoe fampianarana isan-tokantrano, ary mikasika izany no tiako horesahana aminareo anio hariva.

Ny eveka ao amin’ny paroasy tsirairay no manara-maso ny fanendrena ireo mpihazona ny fisoronana ho mpampianatra isan-tokantrano mba hamangy ireo tokantranon’ny mpikambana isam-bolana. Mandeha tsiroaroa izy ireo. Raha azo atao dia miaraka amin’ny olon-dehibe iray mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ny zatovolahy iray izay mpisorona na mpampianatra ao amin’ny Fisoronana Aharôna. Rehefa mandeha any an-tokantranon’ireo izay iandraiketany izy ireo dia tokony handray anjara amin’ny fampianarana izay atao ilay mpihazona ny Fisoronana Aharôna. Ny andraikitra toy izany dia hanampy amin’ny fanomanana ireo zatovolahy ireo amin’ny asa fitoriana ary amin’ny fanompoana ao amin’ny fisoronana mandritra ny androm-piainana ihany koa.

Ny fandaharan’asa fampianarana isan-tokantrano dia ho fanarahana ny fanambarana maoderina iray, izay manome andraikitra ireo izay notokanana ho amin’ny fisoronana dia “ny [h]ampianatra, ny [h]anazava, ny [h]anentana, ny [h]anao batisa … sy ny [h]amangy ny tranon’ny mpikambana tsirairay ary ny [h]anentana azy hanao tonom-bavaka sy hivavaka mangina ary hiatrika ny adidy rehetra ao amin’ny fianakaviana … [ny h]itandrina mandrakariva ireo mpikambana ao amin’ny fiangonana, ary ny miaraka amin’izy ireo sy ny [h]anatanjaka azy; ary ny [h]ijery mba tsy hisy heloka ao amin’ny fiangonana, na fifanamafisam-po, na fandaingana, na fifosana, na fitenenan-dratsy.”3

Nampitandrina ny Filoha David O. McKay hoe: “Ny fampianarana isan-tokantrano dia anisan’ny laharam-pahamehana indrindra sy mitondra valisoa indrindra amin’ireo fomba ahafahantsika mikolokolo sy manome hevitra, manoro hevitra sy mitarika ireo zanaky ny Raintsika. … Asa fanompoana masina [izany], antso masina. Adidintsika amin’ny maha-Mpampianatra Isan-tokantrano antsika ny mitondra ny … [Fanahy] ho ao amin’ny tokantrano sy ny fo tsirairay. Ny fitiavana ny fampianarana isan-tokantrano sy ny fanaovana izay tsara indrindra vitantsika dia hitondra fiadanana tsy misy fetra, sy fifaliana, ary fahafahampo ho an’ny [mpampianatra] iray [tsara toetra] sy mahafoy tena an’ireo zanak’Andriamanitra.”4

Hitantsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa i Almà dia “nanokana ny mpisorony rehetra sy ny mpampianany rehetra; ary tsy nisy notokanany afa-tsy izay olo-marina.

“Koa ireo dia niahy ny olony sy namahana azy tamin’ny zavatra mikasika ny fahitsiana.”5

Rehefa manatanteraka ny andraikitsika isika amin’ny fampianarana isan-tokantrano dia manam-pahendrena raha toa ka mianatra sy mahatakatra ireo zava-tsarotra atrehin’ireo olona ao amin’ny fianakaviana tsirairay mba hahafahantsika hahomby amin’ny fampianarana sy ny fanomezana ny fanampiana ilaina.

Ny famangiana iray hanatanterahana ny fampianarana isan-tokantrano ihany koa dia mahomby kokoa raha toa ka mamandrika fotoana mialoha. Mba hanehoana izany dia tiako ny hizara aminareo ny zavatra iray niainako taona maromaro lasa izay. Tamin’izany fotoana izany dia nahitana an’i Spencer W. Kimball, sy Gordon B. Hinckley ary Thomas S. Monson ny Kômity Mpitantana ny Asa Fitoriana. Indray alina dia nasain’ny Rahalahy sy Rahavavy Hinckley hisakafo tany an-tranony ireo mpikambana tao amin’ny kômity niaraka tamin’ny vadinay avy. Vao avy namarana ny sakafo iray tena fy mihitsy izahay no nisy nandondona tao am-baravarana. Namoha varavarana ny Filoha Hinckley ary ny iray tamin’ireo mpampianatra azy isan-tokantrano no hitany nijoro teo. Hoy ilay mpampianatra isan-tokantrano hoe: “Fantatro fa tsy naka fotoana mialoha aho hankanesako aty ary tsy miaraka amiko eto ny namako, saingy nahatsapa aho fa tokony hankaty izao alina izao. Tsy nahafantatra aho hoe hanam-bahiny sahady ianao amin’izao.”

Nasain’ny Filoha Hinckley tamin-katsaram-panahy ilay mpampianatra isan-tokantrano handroso sy hipetraka ary hampianatra Apôstôly telo miaraka amin’ireo vadinay avy mikasika ny adidintsika amin’ny maha-mpikambana antsika. Somary tamin-tahotra no nanaovan’ilay mpampianatra isan-tokantrano izay tsara indrindra vitany. Nisaotra azy ny Filoha Hinckley noho ny nahatongavany ary nandeha nivoaka haingana izy taorian’izay.

Tiako ny hilaza aminareo ohatra tsy mety iray hafa eo amin’ny fanantanterahana ny fampianarana isan-tokantrano. Ny Filoha Marion G. Romney, izay mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidiana Voalohany taona maromaro lasa izay, dia niresaka matetika mikasika ny mpampianatra azy isan-tokantrano izay nandeha tany an-tranon-dry Romney indray alina mamirifirin’ny ririnina. Notazoniny teny an-tanany ny satrony ary naneho fihetsika feno tahotra izy rehefa nasaina hipetraka sy hizara ny hafany. Teo am-pitsanganana ihany no nilazany hoe: “Ry rahalahy Romney ô! Te hilaza aminao aho hoe mangatsiaka ao ivelany ao ary tsy novonoiko ny môteran’ny fiarako mba tsy hahafatesany. Nandalo fotsiny aho mba hahafahako milaza amin’ny eveka hoe nahavita ny fampianarako isan-tokantrano.”6

Ny Filoha Ezra Taft Benson, rehefa avy nitantara ny zavatra niainan’ny Filoha Romney nandritra ny fivorian’ny mpihazona fisoronana, dia nilaza avy teo hoe: “Afaka manao tsaratsara kokoa noho izany isika ry rahalahy isany—tsara lavitra kokoa!”7 Manaiky aho.

Mihoatra noho ny famangiana atao fahazarana fotsiny indray mandeha isam-bolana ny fampianarana isan-tokantrano. Manana andraikitra isika hampianatra, hanome hevitra, hamporisika ary hamerina ho amin’ny fahavitrihana ireo malaindaina vangiantsika, ary hitondra ireo zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra ho amin’ny fisandratana amin’ny farany.

Mba hanampiana antsika amin’ny ezaka ataontsika dia zaraiko ity torohevitra feno fahendrena ity, izay azo antoka fa azo ampiharina amin’ireo mpampianatra isan-tokantrano. Avy amin’i Abraham Lincoln izany, izay nilaza hoe: “Raha tianao hiombon-kevitra aminao ny olona iray dia reseo lahatra izy aloha hoe namany marina ianao.”8 Nanentana ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Aoka ianao indrindra indrindra ho namana marina ho an’ireo olona sy fianakaviana ampianarinao. … Ny namana iray dia manao mihoatra noho ny fanaovana adidy amin’ny famangiana isam-bolana. Ny namana dia mieritreritra kokoa ny hanampy olona toy izay ny hahazo fankasitrahana. Miraharaha ny namana. [Maneho fitiavana] ny namana. Mihaino ny namana, ary manolo-tanana ny namana.”9

Mamaly vavaka maro ny fampianarana isan-tokantrano ary mamela antsika hahita ny fiovana izay afaka mitranga eo amin’ny fiainan’ny olona.

Ohatra iray amin’izany i Dick Hammer, izay nankaty Utah niaraka tamin’ilay fandaharana fampiasana olona mba hanatsarana ny tany manerana ny firenena nandritra ny Krizy tamin’ny 1929. Nifankafantatra tamin’ny zatovovavy Olomasin’ny Andro Farany iray izy ary nanambady azy. Nanokatra ny toeram-pisakafoanana hoe Dick’s Café izy tao St. George, Utah, izay nanjary toerana malaza fihaonan’ny olona.

Nampandraiketina ho mpampianatra isan-tokantrano ho an’ny fianakavian-dry Hammer i Willard Milne, izay namako. Koa satria nahafantatra an’i Dick Hammer koa aho, noho izaho nanonta ho printy ireo taratasin-karazan-tsakafo ho an’ny toeram-pisakafoanany, dia nanontany an-dRahalahy Milne namako aho rehefa nitsidika tao St. George hoe: “Manao ahoana i Dick Hammer namantsika ao?”

Amin’ny ankapobeny ny valiny dia hoe: “Mandroso izy, fa tsikelikely.”

Rehefa namangy isam-bolana ny tokantranon-dry Hammer i Willard Milne sy ny namany dia nahita fomba foana izy ireo hizarana hafatry ny filazantsara sy hizarana ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona amin’i Dick sy ilay fianakaviana.

Taona maro no lasa, ary indray andro dia niantso ahy i Willard nilaza vaovao tsara. Natombony tamin’ny hoe: “Ry Rahalahy Monson a! Niova fo i Dick Hammer ary ho atao batisa. Efa ho 90 taona izy izao ary mpinamana foana izahay hatramin’ny naha lehibe anay. Mahafaly ny foko ny fanapahan-kevitra noraisiny. Mpampianatra azy isan-tokantrano aho nandritra ny taona maro.” Reko tamin’ny feony fa niontam-po tokoa i Willard rehefa nampita ity hafany nahafaly ahy ity.

Natao batisa tokoa Rahalahy Hammer, ary niditra tao amin’ny Tempoly tsara tarehin’i St. George izy herintaona taty aoriana ka nandray ny fanafiana masina sy ireo tsodranon’ny famehezana.

Nanontany an’i Willard aho hoe: “Efa nisy fotoana nahakivy anao ve tamin’ny naha mpampianatra isan-tokantranony anao nandritra ny fotoana lava be toy izany?”

Namaly izy hoe: “Tsia, mendrika ny ezaka rehetra izany. Rehefa nahita ny fifaliana tonga teo amin’ny olona tao amin’ny fianakavian-dry Hammer aho dia feno fankasitrahana ny foko noho ireo fitahiana nentin’ny filazantsara teo amin’ny fiainan’izy ireo sy noho ny tombontsoa lehibe nananako nahafahako nitondra fanampiana kely. Lehilahy sambatra aho.”

Ry rahalahy isany, ho tombontsoa lehibe ho antsika mandritra ny taona maro ny hamangy sy hampianatra olona maro—ireo malaindaina sy ireo manolo-tena tanteraka ihany koa. Raha tia miahy isika amin’ny antsontsika dia hanana fahafahana maro hitahy fiainana maro. Mety ho ny famangiantsika ireo izay nampanalavitra ny tenany tamin’ny fahazotoana tao am-piangonana no ho fanalahidy ilaina hanampiana azy ireo hiverina hazoto any aoriana any.

Miaraka amin’izany eritreritra izany, dia andeha isika hanampy ireo izay iandraiketantsika sy hitondra azy ireo ho amin’ny filazantsara mba hivokisan’izy ireo amin’ny tenin’ny Tompo ary hanana ny Fanahiny miaraka aminy sy “tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony … fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra.”10

Raha misy aminareo no lasa tsy miraharaha mikasika ny fampianaranareo isan-tokantrano dia tiako ny milaza aminareo fa izao no fotoana hanoloranareo tena indray hanatanteraka ny adidinareo amin’ny fampianarana isan-tokantrano. Manapaha hevitra amin’izao fotoana izao ny hanao izay ezaka rehetra ilaina mba hanampiana ireo izay nasaina iandraiketanareo. Ao ireo fotoana izay mety ilàna famporisihana bebe kokoa, ary ny fanampiana ihany koa ny mpiara-mampianatra isan-tokantrano aminareo mba hanana fotoana handehanana miaraka aminareo, kanefa raha misisika ianareo dia hahomby.

Ry rahalahy isany, mitohy ny ezaka ataontsika eo amin’ny fampianarana isan-tokantrano. Tsy ho tapitra mihitsy ny asa mandra-pitenin’ny Tompo hoe: “Ampy izay.” Ao ireo fiainana izay tokony hatsaraina. Ao ireo fo tokony hokasihina. Ao ireo fanahy tokony hovonjena. Manana tombontsoa masina lehibe isika ny hanatsara, sy hikasika, ary hamonjy ireo fanahy sarobidy nankinina mba hokarakaraintsika ireo. Tokony hanao izany amim-pahatokiana tanteraka isika ary amin’ny fo feno fifaliana.

Eto am-pamaranana dia mampiasa ohatra iray miavaka aho hamaritana ny karazana mpampianatra isan-tokantrano tokony hahatongavantsika. Misy Mpampianatra iray izay manana fiainana tsara mihoatra noho ny an’ny hafa rehetra. Nampianatra momba ny fiainana sy ny fahafatesana Izy, ary momba ny adidy sy izay hiafarana. Niaina Izy mba hanompo fa tsy hotompoina, tsy handray fa hanome, tsy hanavotra ny ainy fa hahafoy izany ho an’ny hafa. Niresaka fitiavana tsara kokoa noho ny fitsiriritana Izy, fahantrana sarobidy kokoa noho ny harena. Voalaza mikasika io Mpampianatra io hoe nampianatra tamin’ny fahefana Izy fa tsy tahaka izay nataon’ireo mpanora-dalàna.11 Tsy voasokitra tamin’ny vato ny lalàny fa voasoratra ao am-pon’ny olona.

Momba ilay Mpampianatra Lehibe Indrindra no resahiko, dia i Jesoa Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra ny olombelona rehetra. Hoy ny tantara ao amin’ny Baiboly mikasika Azy hoe “nandehandeha nanao soa”12 Izy. Raha toa isika ka miaraka Aminy, izay mpitarika sy ohatra tonga lafatra hatrany hatrany, dia ho mendrika ny fanampiany masina eo amin’ny fampianarantsika isan-tokantrano. Fiainana maro no ho voatahy. Fo maro no hahazo fampiononana. Fanahy maro no ho voavonjy. Ho lasa tena mpiandry ondry isika. Mivavaka aho mba ho tanteraka izany, amin’ny anaran’io Mpiandry Ondry Lehibe io, dia i Jesoa Kristy, amena.