2010–2019
Tsy Vahiny Intsony Ianareo
Oktobra 2013


Tsy Mba Vahiny Intsony Ianareo

Ato amin’ity Fiangonana ity dia tsy misy ny vahiny na ny voailika. Tsy misy afa-tsy mpirahalahy sy mpirahavavy no ao.

Efa niaina toe-javatra iray izay toa vaovao tamintsika ny ankamaroantsika tamin’ny fotoana iray, izay nahatsapantsika ho vahiny sy tsy nananantsika fahatokian-tena. Nitranga tamin’ny fianakavianay ny toe-javatra toy izany raha niantso ahy hanompo ho Manampahefana Ambonin’ny Fiangonana ny Filoha Thomas S. Monson teo amin’ny dimy taona lasa izay. Io antso io dia nila ny fifindran’ny fianakavianay hiala tao amin’ny toerana mahafinaritra iray izay nankafizinay tokoa nandritra ny roapolo taona mahery. Mbola tsaroanay mivady ny fihetsik’ireo zanakay tamin’io fotoana io rehefa nandre mikasika ilay fiovana izy ireo. Nihoraka ny zanakay lahy 16 taona hoe: “Tsy misy olana mihitsy ny amin’izany. Afaka mandeha ianareo fa izaho hijanona!”

Avy eo izy dia nanaiky vetivety teo ny hiaraka aminay ary nanaiky tamim-pahatokiana io fotoana vaovao eo amin’ny fiainany io. Ny fiainana teo amin’ireo tontolo vaovao tao anatin’ny taona vitsy lasa dia nanjary traikefa nianarana sy nahafinaritra ho an’ny fianakavianay, indrindra noho ny fandraisana sy ny hatsaram-panahin’ireo Olomasin’ny Andro Farany. Koa satria izahay efa nipetraka tamina firenena maro samihafa, dia lasa nahatsapa izahay fa zavatra azo tsapain-tanana sy tena misy ny firaisan-kinan’ny vahoakan’Andriamanitra maneran-tany.

Nahafahako nitety firenena maro ny antsoko ary nanome tombontsoa manokana nahafahako hiahy fivoriana maro. Ary rehefa nandinika ireo mpiangona maro samihafa aho dia matetika aho no mahita ireo mpikambana izay misolo tena firenena sy fiteny ary kolontsaina maro. Ny endrika iray mahagaga amin’ny fotoam-pitantanan’ny filazantsarantsika dia noho izy tsy voafetran’ny faritra ara-jeôgrafika iray na ny vondrona firenena maromaro. Manenika sy manerana ny tany izany. Mampiomana amin’ny fiverenan’ny Zanak’Andriamanitra am-boninahitra izany, amin’ny alalan’ny fanangonana ny “zanany avy amin’ny vazan-tany efatra.”1

Na dia mitombo aza ny fahasamihafana eo amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana, dia resin’ny lova masina ananantsika ny fahasamihafana misy eo amintsika. Lasa isan’ny vahoakan’i Isiraely isika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika. Ary tonga mpirahalahy sy mpirahavavy, samy mpandova firazanana ara-panahy iray ihany. Nampanantena an’i Abrahama Andriamanitra fa “izay rehetra mandray ity Filazantsara ity dia hantsoina araka ny anara[ny], ary hisaina ho isan’ny tarana[ny], ka hitsangana sy hitso-drano [azy], ho toy ny rain’ izy ireo.”2

Nisy fampanantenana iray natao ho an’ny olona tsirairay izay lasa mpikamban’ny Fiangonana dia hoe: “Koa dia tsy vahiny sy mpivahiny intsony hianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra.”3

Ny teny hoe vahiny dia avy amin’ny teny Latina hoe extraneus, izay midika hoe “ivelany” na “avy any ivelany.” Amin’ny ankapobeny izany dia milaza olona iray izay “vahiny” noho ny antony isan-karazany, na noho ny fiaviana izany na ny kolon-tsaina, na ny hevitra na ny fivavahana. Amin’ny maha-mpanaradia an’i Jesoa Kristy antsika izay miezaka mba ho eo amin’izao tontolo izao fa tsy ho isan’izao tontolo izao, dia indraindray isika mahatsapa ho toy ny vahiny. Isika dia mahafantatra bebe kokoa noho ny hafa fa ny varavarana sasany dia mety mikatona ho an’ireo izay heverina ho olon-kafa.

Efa hatramin’izay ny vahoakan’Andriamanitra no nodidiana mba hikarakara ny tsirairay izay vahiny na izay azo heverina ho olona miavaka. Fahiny, ny vahiny iray dia nanana tombontsoa tahaka ny tsy maintsy hampiantranoana ny kamboty na ny mpitondratena. Toa azy ireo, ilay vahiny koa dia niaina tao anatin’ny toe-javatra sarotra, ary niankina tamin’ny fiarovana izay azony avy amin’ny fiaraha-monina eo an-toerana ny hahavelona na hahafaty azy. Ny zanak’i Isiraely dia nandray torolalana mazava mikasika io lohahevitra io hoe: “Ny vahiny eo aminareo dia ataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany, ka ho tianao tahaka ny tenanao; fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Egypta ianareo.”4

Nandritra ny asany teto an-tany i Jesoa Kristy dia ohatra irain’ny olona izay nanao mihoatra lavitra noho ny fampiantranoana sy famindram-po fotsiny. Ireo izay nailiky ny fiarahamonina, ireo izay noroahin’ireo izay mihevi-tena ho marina sy noheverin’izy ireo ho tsy madio no nanolorany ny Fangorahany sy ny Fanajany. Nahazo anjara mitovy tamin’ny fampianarany sy ny asany izy ireo.

Ohatra, ny Mpamonjy dia nanohitra ny fomban-drazana nisy tamin’ny androny, raha nandeha niresaka tamin’ilay vehivavy Samaritana, ka niangavy rano kely taminy. Niara-nihinana tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra Izy. Tsy mba niahotra akory Izy nanatona ilay boka, sy nikasika ary nanasitrana azy. Talanjona tamin’ny finoan’ilay kapiteny Romana Izy raha niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: “Lazaiko marina aminareo tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany aho na dia tamin’ny Isiraely aza.”5

Nangataka antsika i Jesoa mba hankatò ny lalanan’ny fitiavana tanteraka, izay fanomezana tsy misy tambiny sy ho an’ny rehetra. Hoy Izy:

“Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?

“Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy manao toy izany ihany va?

“Koa amin’izany, aoka ho tanteraka ianareo, Toy ny fahatanterahan’ny Rainareo izay any an-danitra.”6

Ato amin’ity Fiangonana ity dia tsy misy ny vahiny na ny voailika. Tsy misy afa-tsy mpirahalahy sy mpirahavavy no ao. Ny fahalalana izay ananantsika mikasika ny Ray Mandrakizay no manampy antsika ho mora hampihatra kokoa ilay firahalahiana sy firahavaviana izay tokony hisy eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra maneran-tany.

Misy ampahany ao amin’ilay boky tantara Les misérables izay maneho ny fomba tokony ho fitondran’ireo mpihazona ny fisoronana ireo olona izay heverina ho vahiny. Vao avy nivoaka ny fonja i Jean Valjean. Rehefa reraky ny dia lavitra sy matin’ny hanoanana sy ny hetaheta izy dia tonga tao amin’ny tanàna kely iray, ary nitady toerana ahitana sakafo sy fialofana amin’ny alina. Rehefa niparitaka ny vaovao mikasika ny fahatongavany, dia nanomboka nandrindrim-baravarana tsirairay ny mponina rehetra. Na ilay trano fandriam-bahiny, na ilay hôtely, eny fa na dia ilay fonja aza dia tsy mba nampandroso azy. nailika izy, noroahina, ary nosaziana. Ary nony farany, rehefa tsy nanana hery intsony izy dia potraka teo antokonam-baravaran’ny eveka teo amin’ilay tanàna.

Ilay pretra tsara fanahy dia tena nahalala tanteraka ny tantaran’i Valjean, kanefa dia nampandroso ity mpirenireny ity tao an-tranony izy sady niteny tamim-pangorahana hoe:

“‘Tsy tranoko ity; fa tranon’i Jesoa Kristy. Tsy mba manontany ny anaran’izay miditra ato ity varavarana ity fa manontany raha toa manan-java-maha-ory izy. Ary ianao dia mijaly, sy noana ary mangetaheta; noho izany dia tonga soa ianao. … Inona moa no ilaiko ahafantarana ny anaranao? Etsy an-danin’izany, alohan’ny ilazanao amiko [ny anaranao] dia anisan’ny olona iray efa fantatro ianao.’

“Nanokatra ny masony tamim-pahagagana i [Valjean].

“‘Marina ve? Efa fantatrao ve ny fiantsoana ahy?’

“‘Eny,’ hoy ilay Eveka namaly, ‘rahalahiko no fiantsoana anao.’”7

Ato amin’ity Fiangonana ity, ny paroasy sy ny kôlejy misy antsika dia tsy antsika. An’i Jesoa Kristy izy ireo. Na iza na iza miditra ato amin’ny trano fivavahantsika dia tokony hahatsapa ho ao an-tranony. Mitombo lanja hatrany ny andraikitra amin’ny fandraisana ny tsirairay. Ny tontolo izay hitoerantsika dia mandalo vanim-potoanam-pikorontanana lehibe. Noho ny fivoaran’ny fitaterana, ny hafainganan’ny fifandraisana, ary ny fanatontoloana ny toe-karena dia lasa tanàna iray lehibe ny tany, izay ahafahan’ny olona sy ny firenena mihaona sy mifandray ary mifangaroharo toy izay tsy mbola nisy hatrizay.

Manatanteraka ny fikasan’ilay Andriamanitra Tsitoha izany fiovana goavana maneran-tany izany. Tsy amin’ny alalan’ny fandefasana misiônera any amin’ny firenena lavitra ihany no hanatanterahana ny fanangonana ny voafidiny avy any amin’ireo vazan-tany efatra fa amin’ny alalan’ny fahatongavan’ireo olona avy any amin’ny faritra hafa ihany koa ho ao amin’ny tananantsika sy ny manodidina antsika. Maro ny olona, izay tsy mahafantatra akory hoe tarihin’ny Tompo izy ireo ho any amin’ny toerana izay ahafahany mandre ny filazantsara sy ho tonga ao am-balany.

Tena mety hitranga mihitsy ny hoe ny olona manaraka hiova fo ho amin’ny filazantsara ao amin’ny paroasinao dia mety ho olona tsy isan’ny mpinamana na olom-pantatra mahazatra anao. Mety voamarikao amin’ny endriny ivelany izany, na ny fiteny, na ny fomba fitafy, na ny fihodirany. Mety lehibe tao amin’ny finoana hafa io olona io, sady hafa fiaviana na hafa fomba fiainana.

Ny finamanana dia andraikitra iray manan-danja ao amin’ny fisoronana. Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka dia tokony hiara-hiasa amin’ireo rahavavy eo ambany fitarihan’ny eveka mba hahatonga ny olona tsirairay ho voaray tsara amim-pitiavana sy hatsaram-panahy. Ny mpampianatra sy ny mpamangy isan-tokantrano no ho malina mba hahazoana antoka fa tsy hisy olona hadino na tsy noraharahiana.

Mila miara-miasa isika rehetra mba hanangana firaisan-kina ara-panahy ao amin’ny paroasy sy ny sampana misy antsika. Nisy ohatra amin’ny firaisan-kina tonga lafatra teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra taorian’ny namangian’i Jesoa Kristy an’i Amerika. Ny rakitsoratra dia manamarika fa tsy “nisy koa Lamanita, na izay mety ho fombafomban’ny –ita, fa izy kosa dia iray, zanak’i Kristy ary mpandovan’ny fanjakan’Andriamanitra.”8

Tsy amin’ny alalan’ny tsy firaharahiana sy famelana ho irery ireo mpikambana izay toa hafa na malemy kokoa no hanatratrarana ny firaisan-kina na amin’ny tsy fiarahana afa-tsy amin’ireo olona izay mitovy amintsika ihany. Ny mifanohatra amin’izany indray, ho tratra izany firaisan-kina izany amin’ny fandraisana sy fanompoana ireo izay vaovao sy mila fanampiana manokana. Fitahiana ho an’ny Fiangonana ireo mpikambana ireo ary manome fahafahana antsika hanompo ny namantsika sy hanadio ny fontsika manokana koa avy eo.

Noho izany ry rahalahiko, dia adidinareo ny manolotra ny tananareo an’ireo olona izay mipoitra eo am-baravaran’ny trano Fiangonanareo. Raiso amim-pankasitrahana izy ireo fa tsy amin’ny fitsaratsarana. Raha misy olona tsy fantatrareo manatrika ny iray amin’ireo fivorianareo, dia arahabao amin-kafanana izy ireo ary asao mba hiara-hipetraka aminareo. Miangavy aho, ataovy ny dingana voalohany mba hanampiana azy ireo ahatsapa ho voaray tsara sy ho tiana fa aza miandry azy ireo hanatona anareo.

Aorian’ny fandraisanareo voalohany, dia mandiniha fomba azonareo hanohizana ny fanompoana azy ireo. Indray mandeha nandre mikasika ny paroasy iray aho fa taorian’ny batisan’ny rahavavy marenina roa, dia nisy rahavavy mahafinaritra roa avy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana nanapa-kevitra hianatra fiteny tanana mba hahafahan’izy ireo mifampiresaka tsara amin’ireo olona vao niova fo ireo. Endrey izany hatsaran’ny ohatry ny fitiavana rahalahy sy rahavavy ao amin’ny filazantsara!

Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy misy vahiny na dia iray aza ho an’ny Raintsika any An-danitra. Ary tsy misy fanahy iray izay tsy sarobidy Aminy. Mijoro ho vavolombelona miaraka amin’i Petera aho fa “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra: fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”9

Mivavaka aho mba ho afaka hiteny amintsika ny Tompo rehefa hanangona ny ondriny Izy amin’ny andro farany manao hoe: “Nivahiny aho dia nampiantranoinareo.”

Ary hamaly Azy isika avy eo hanao hoe: “Ary oviana no hitanay nivahiny ianao ka nampiantranoinay?”

Ary hamaly antsika izy manao hoe: “Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko koa.”10

Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.