2010–2019
Vitanao io, izao dia izao!
Oktobra 2013


Vitanao io, izao dia izao!

Fa raha mbola te hiverina hijoro koa isika sy hanohy eo amin’ilay lalana, … dia afaka mianatra zavatra avy amin’ny tsy fahombiazana ary ho tonga tsara kokoa sy falifaly kokoa.

Fony aho mbola tanora dia toa haingana ery ny fomba fiarenako rehefa avy nianjera. Rehefa nandeha nefa ny taona dia nisintona izao lesona manahiran-tsaina izao aho dia ny hoe, niova ireo lalàn’ny fizika—ary tsy nanampy ahy izany.

Vao tsy ela akory izay dia niara-nanao ski tamin’ny zafikeliko lahy 12 taona aho. Teo am-pankafizana ny fotoana iarahana izahay no sendra vongan-dranomandry aho ary niafara tamin’ny fianjerana tsy misy ohatr’izany ka tafatontona teo amin’ny fidinana iray misolampy.

Niezaka nanao izay vitako aho hiarenana saingy tsy nahavita—lavo aho ary tsy afa-niarina.

Nahatsiaro ho tsy dia naninona aho tamin’ny lafiny ara-batana, saingy somary voadona ihany ny hambom-poko. Ka dia naka antoka aho hoe eo amin’ny toerany tsara ny aro-lohako sy ireo solomaso fiarovana satria naleoko lavitra tsy hisy hahafantatra ahy ireo mpanao ski hafa. Azoko sary an-tsaina aho tafatombina eo tsy afaka nanao na inona na inona raha izy ireo kosa misosa amin’ny ski tsy amim-pahasarotana, miantsoantso am-pitsikitsikiana hoe: “Manao ahoana, Rahalahy Uchtdorf!”

Nanomboka nanontany tena aho hoe ahoana no hahafahana mamonjy ahy. Izany dia tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zafikeliko teo anilako. Nolazaiko azy ny zava-nitranga, saingy toa tsy rototra akory izy tamin’izay fanazavako ny antony nahatonga ahy ho tsy afa-niarina. Nibanjina ny masoko izy, dia nanolotra ny tanany, ka nisintona ny tanako ary nilaza tamin’ny feo hentitra hoe: “Dadabe a! Vitanao io, izao dia izao!”

Poa toa izay aho dia nitsangana.

Mbola mihivingivin-doha ihany aho noho io zava-nitranga io. Ny zavatra izay toa tsy azo natao fotoana fohy taloha teo dia tonga dia lasa tanteraka, satria nanolo-tanana ahy ny zazalahy iray 12 taona ary nilaza hoe: “Vitanao io, izao dia izao!” Ho ahy izany dia nanome fahatokian-tena sy fientanana ary tanjaka fanampiny.

Ry rahalahy isany, mety hisy ny fotoana eo amin’ny fiainantsika hoe tsy tratry ny herintsika samirery izany hoe miarina sy manohy ny dia izany. Nianatra zavatra aho tamin’io andro io teny amin’ny fidinana iray misolampy rakotra ranomandry. Eny fa na dia mihevitra aza isika hoe tsy afa-miarina, dia mbola misy foana ny fanantenana. Ary indraindray eo amin’ny fiainantsika dia mila fotsiny isika olona iray mibanjina ny masontsika, misintona ny tanantsika, ary miteny hoe: “Vitanao io, izao dia izao!”

Ny Fiheveran-diso mikasika ny Fahasarotana

Mety hihevitra isika hoe ny vehivavy, raha oharina amin’ny lehilahy, dia mora manana kokoa fahatsapana ho tsy mahavita azy na fahakiviana—hoe mihatra kokoa amin’izy ireo ireo fahatsapana ireo toy izay amintsika. Tsy azoko antoka hoe marina izany. Mahatsapa fahamelohana, sy fahakiviana lalina, ary tsy fahombiazana ireo lehilahy. Mety hilokaloka isika hoe tsy mampihontsona antsika ireo fahatsapana ireo, kanefa dia mampihontsona tokoa. Mety hahatsiaro vesaran’ireo tsy fahombiazana sy tsy fahaizana loatra isika ka manomboka mihevitra hoe tsy ho afaka hahomby mihitsy. Mety hihevitra mihitsy aza isika hoe noho isika efa nianjera taloha, dia ny mianjera no mba anjarantsika. Toy izao no fomba nilazan’ny mpanoratra iray izany hoe: “Mbola manohy hatrany isika, toy ny lakana manohitra ny renirano, voatosika hatrany mankany amin’ny toerana nisy antsika teo aloha.”1

Efa nahita lehilahy feno hery anaty sy fahasoavana aho, izay nitsahatra ny handray anjara amin’ilay asa feno fanamby hanorenana ny fanjakan’Andriamanitra satria hoe tsy nahomby indray mandeha izy na in-droa. Lehilahy tokony ho nahavita azy izy ireo, izay tokony ho lasa mpihazona fisoronana sy mpanompon’Andriamanitra mamiratra tokoa. Saingy noho izy ireo solafaka sy lasa kivy dia niala tamin’ny fanoloran-tenan’izy ireo tao amin’ny fisoronana ary nikatsaka tanjona hafa saingy tsy mendrika kokoa.

Ary amin’izany izy ireo dia manohy hatrany, tsy manatanteraka afa-tsy ampahany kely monja amin’ny izay tokony ho vitan’izy ireo teo aloha, tsy manatratra velively ilay tokony ho tratran’izy ireo izay zon’izy ireo hatrany am-pahaterahany. Toy izao ny fitomanian’ilay poeta iray hoe, izy ireo no anisan’ireo fanahy mampalahelo izay “maty nefa mbola tsy tafavoaka ny [ankamaroan’ny] hira [mbola] ao anatiny.”2

Tsy misy olona tia izany hoe tsy mahomby izany. Ary tsy tiantsika mihitsy izany rehefa hitan’ny hafa—indrindra indrindra ireo olona tiantsika—hoe tsy mahomby isika. Samy te ho omen-kaja sy omem-boninahitra daholo isika rehetra. Te ho tompon-daka isika. Saingy isika olombelona dia tsy lasa tompon-daka raha tsy miezaka sy mifehy tena na raha tsy manao fahadisoana.

Ry rahalahy isany, tsy ny hoe impiry isika no nianjera no mamaritra ny hiafarantsika fa ny hoe impiry isika no niarina sy nanifika ny vovoka tamin’ny tenantsika ary nandroso.

Alahelo araka an’Andriamanitra

Fantatsika fa fitsapana ity fiainana an-tany ity. Kanefa noho ny Raintsika any An-danitra hoe tia antsika amin’ny fitiavana tonga lafatra, dia Izy no manoro antsika hoe aiza no ahitana ireo vahaolana. Nomeny antsika ny sarintany izay ahafahantsika mandeha amin’ilay tany tsy azo antoka sy ireo fitsapana tsy ampoizina izay mifanehatra amintsika tsirairay avy. Tafiditra ao anatin’io sarintany io ny tenin’ireo mpaminany.

Rehefa mania isika—rehefa lavo isika na miala amin’ny lalan’ny Raintsika any An-danitra—dia ny tenin’ireo mpaminany no manambara amintsika ny fomba hiarenana indray sy hiverenana eo amin’ny lalana.

Amin’ireo fitsipika rehetra izay ampianarin’ireo mpaminany nandritra ny taonjato maro, ny iray izay nantitranterina hatrany hatrany dia ilay hafatra feno fanantenana sy mankahery hoe afaka mibebaka ny zanak’olombelona, sy miova lalana, ary miverina eo amin’ilay tena lalana marin’ny maha mpanara-dia.

Tsy midika akory izany hoe tokony hahazo aina isika noho ireo fahalemena sy fahadisoana na fahotantsika. Saingy misy fahasamihafana lehibe eo amin’ny alahelo noho ny fahotana izay mitondra amin’ny fibebahana sy ny alahelo izay mitondra amin’ny fahakiviana.

Nampianatra i Paoly Apôstôly hoe: “ny alahelo araka an’Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena … fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon’izao tontolo izao.”3 Ny alahelo araka an’Andriamanitra dia mitaona amin’ny fiovana sy fanantenana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny alahelon’izao tontolo izao kosa dia misarika antsika hidina sy hamono ny fanantenana ary mandresy lahatra antsika hilefitra amin’ny fakam-panahy fanampiny.

Ny alahelo araka an’Andriamanitra dia mitondra amin’ny fiovam-po4 sy fiovana ho olom-baovao.5 Mahatonga antsika hankahala ny fahotana izany sy hitia ny soa.6 Mamporisika antsika izany hijoro sy handeha ao amin’ny fahazavan’ny fitiavan’i Kristy. Ny fibebahana marina dia resaka fiovana, fa tsy fampijaliana na fahoriana. Eny, ny nenina avy ao am-po sy ny fanenenana marina noho ny tsy fankatoavana dia matetika manaintaina ary dingana tena manan-danja eo amin’ireo dingana masin’ny fibebahana izy ireo. Saingy rehefa ny fahamelohana no mitarika amin’ny fankahalana ny tena na manakana antsika tsy hiarina dia manakana ny fibebahantsika izany fa tsy mamporisika azy.

Ry rahalahy isany, misy lalana tsaratsara kokoa. Aoka isika hiarina ary ho tonga lehilahin’Andriamanitra. Manana tompon-daka isika, manana Mpamonjy, izay nandeha namaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana teo amin’ny toerantsika. Nanolotra ny tenany Izy mba hanonerana ny saran’ny fahotantsika. Tsy misy manana fitiavana mihoatra noho izany—dia i Jesoa Kristy ilay zanakondry tsy misy kilema, izay nanaiky nankeo amin’ny alitara fanaovana sorona ary nanefa ny saran’ny fahotantsika hatramin’ny variraiventy farany indrindra.”7 Nandray ny fahoriantsika ho eo Aminy Izy. Nandray ny enta-mavesatsika sy ny fahamelohantsika ho eo an-tsorony Izy. Ry namako malala isany, rehefa manapa-kevitra ny hanatona Azy isika, rehefa mitondra ny Anarany ho eo amintsika, ary mandeha amim-pahasahiana eo amin’ny lalan’ny maha-mpanara-dia, dia amin’ny alalan’ny Sorompanavotana no hampanantenana antsika tsy fahasambarana sy “fiadanana eo amin’ity izao tontolo izao ity” fotsiny ihany fa “fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy”8 ihany koa.

Rehefa manao hadisoana isika, rehefa manota ka lavo, dia aoka isika hieritreritra ny dikan’ny hoe mibebaka marina. Izany dia midika hoe fampitodihana ny fontsika sy ny faniriantsika ho any amin’Andriamanitra sy fialana amin’ny fahotana. Ny fibebahana marina avy ao am-po dia mitondra miaraka aminy ny fanomezan-toky avy any an-danitra hoe “mahavita izany isika izao.”

Iza Moa Ianao?

Iray amin’ireo fomban’ny fahavalo hanakanana antsika tsy hivoatra ny manakorontana ny saintsika mikasika ny hoe iza marina moa isika ary inona marina moa no iriantsika.

Te handany fotoana miaraka amin’ny zanatsika isika, saingy te hanao ihany koa ilay fialam-bolin-dehilahy tiantsika indrindra. Te hanena tena isika saingy te hankafy ihany koa ireo sakafo izay tiantsika. Te ho tonga tahaka an’i Kristy isika saingy te haneho ihany koa amin’ilay olona nisisika an-tery teo anoloantsika eo am-pitondrana fiarakodia hoe hatraiza ny tsy fankasitrahantsika azy.

Ny tanjon’i Satana dia ny haka fanahy antsika hanakalo ireo voahangy sarobidy dia ny fahasambarana marina sy ireo hasina mandrakizay ho soloina kojakoja plastika sandoka izay tsy inona fa hosoka sy fakana tahaka an’ilay tena fifaliana sy fahasambarana.

Fomba iray hafa ampiasain’ny fahavalo ihany koa hanakiviana antsika mba tsy hiarina ny manao izay hiheverantsika ny didy ho toy ny zavatra izay noterena arahintsika. Heveriko fa fomban’ny olombelona ny manohitra ny zavatra rehetra izay toa tsy hevitsika amin’ny voalohany.

Raha toa isika mihevitra ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy ny fampiasam-batana ho toy ny zavatra takian’ny dokotera amintsika fotsiny ihany dia mety tsy hahomby isika. Fa raha heverintsika ireo safidy ireo hoe izany mihitsy isika ary izany no tiantsika hahatongavana, dia hanana erijika kokoa isika hamitana izay natombotsika sy hahombiazana.

Raha toa isika mihevitra ny fampianarana isan-tokantrano ho toy ny tanjon’ny filohan’ny tsatòka fotsiny ihany, dia mety tsy dia asiantsika lanjany ny fanaovana izany. Fa raha mihevitra izany ho toy ny tanjontsika isika—zavatra izay iriantsika hatao mba hitovizana kokoa amin’i Kristy sy hanompoana ny hafa—dia tsy vitan’ny hoe hahatanteraka ny fanoloran-tenantsika fotsiny isika fa hamita izany ihany koa amin’ny fomba izay mitahy ireo fianakaviana izay vangiantsika sy ny fianakaviantsika ihany koa.

Matetika tokoa, isika no mahazo ny fanampiana avy amin’ireo namana na fianakaviana. Fa raha mijery manodidina isika amin’ny maso mandinika tsara ary atosiky ny fo te hikarakara, dia ho fantatsika ireo zavatra aroson’ny Tompo eo anoloantsika hanampiana ny hafa hiarina indray sy handroso mankany amin’ny tena tokony hahatongavan’izy ireo. Mandroso hevitra ny soratra masina hoe: “Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona.”9

Loharano lehibe ahitana hery ara-panahy ny fananana fiainana feno fahamarinan-toetra sy fahitsiana sy ny mampifantoka ny masontsika amin’ny toerana izay tiantsika hisy antsika any amin’ny mandrakizay. Na dia tsy afaka mahita io toerana masina ahatongavana io aza isika raha tsy amin’ny alalan’ny masom-pinoana, dia hanampy antsika izany hijanonantsika amin’ilay lalana hizorana.

Rehefa amin’ny fahombiazantsika na ny tsy fahombiazantsika isan’andro no tena ifantohan’ny saintsika, dia mety ho diso lalana isika sy hirenireny ary hianjera. Ny fampifantohantsika ny masontsika amin’ny tarigetra ambony kokoa dia afaka hanampy antsika ho tonga zanakalahy sy rahalahy tsara kokoa, sy ray tsara fanahy kokoa ary vady be fitiavana kokoa.

Na dia ireo izay mampifantoka ny fony amin’ny tanjona masina aza dia mbola solafaka ihany indraindray, saingy tsy ho resy izy ireo. Matoky an’Andriamanitra izy ireo ary miantehitra amin’ireo fampanantenana nataony. Hijoro indray izy ireo miaraka amin’ny fanantenana mamirapiratra ananany momba ny Andriamanitra marina iray sy ny fahitana feno fitaomam-panahy mikasika ny hoavy iray tena tsara. Fantatr’izy ireo fa mahavita izany izy ireo izao.

Vitanao io, izao dia izao

Ny olona rehetra, na tanora na antitra, dia efa nanana ny traikefany amin’ny fianjerana. Ny mianjera no fanaontsika olona mety maty. Fa raha mbola te hiverina hijoro koa isika sy hanohy eo amin’ilay lalana mankany amin’ireo tanjona ara-panahy izay nomen’Andriamanitra antsika, dia afaka mianatra zavatra avy amin’ny tsy fahombiazana ary ho tonga tsara kokoa sy falifaly kokoa ho vokatr’izany.

Ry rahalahiko malala isany, ry namako isany, hisy ireo fotoana hiheveranao hoe tsy afaka ny hanohy ianao. Matokia ny Mpamonjy sy ny Fitiavany. Rehefa miaraka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, sy ny hery sy fanantenana ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, dia ho afaka hiarina ianao ary hanohy ny dia.

Ry rahalahy isany, tianay ianareo. Mivavaka ho anareo izahay. Faniriako ny hoe afaka maheno ny Filoha Monson mivavaka ho anareo ianareo. Na raim-pianakaviana vao herotrerony ianareo, na mpihazona fisoronana efa zokiolona, na diakona vao notendrena, dia mahatsiaro anareo izahay. Mahatsiaro anareo ny Tompo!

Ekenay fa ho sarotra ny lalanareo indraindray. Saingy omeko izao fampanantenana izao ianareo, amin’ny anaran’ny Tompo, hoe: miarena ary manaraha ny dian’ilay Mpanavotra sy Mpamonjy antsika, ary dia indray andro any ianareo hanao jery todika ary ho heniky ny fankasitrahana mandrakizay fa nisafidy ny hiantehitra amin’ny Sorompanavotana sy ny hery ananany ahafahany mampiarina sy manome hery anareo.

Ry namako sy rahalahiko malala isany, tsy mampaninona na impiry ianareo no nanao hadisoana na nianjera, mitsangana! Feno voninahitra ny fiafaranareo! Mijoroa tsara ary mandehana ao amin’ny fahazavan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny! Matanjaka noho izay heverinareo ianareo. Mahavita be mihoatra noho izay azonareo an-tsaina ianareo. Vitanareo io, izao dia izao! Ny amin’izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’ilay Tompontsika sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy, amena.