2010–2019
Lovam-panantenana tsy Hay Sandaina
Aprily 2014


Lovam-panantenana tsy Hay Sandaina

Sary

Rehefa misafidy ny hanao na hitandrina fanekempihavanana amin’Andriamanitra ianareo na tsia dia misafidy ny hamela na tsia lovam-panantenana ho an’ireo izay mety hanaraka ny ohatra asehonareo.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, ny sasany aminareo dia nasain’ny misiôneran’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho tonga eto amin’ity fivoriana ity. Ireo misiônera ireo dia mety efa nanasa anareo hisafidy ny hanao fanekempihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanaovana batisa anareo.

Ny sasany aminareo dia mihaino amin’izao satria nekenareo ny fanasana nataon’ny ray aman-dreny, na vady, na ny ankizy iray izay manantena anareo hisafidy ny hametraka ny fanekempihavanana izay efa nataonareo tamin’Andriamanitra ho ivon’ny fiainanareo indray. Ny sasany aminareo izay mihaino amin’izao dia efa nisafidy ny hiverina hanaraka ny Mpamonjy ary mahatsapa ankehitriny ny fifaliana avy amin’ny fanekeny amim-pifaliana ny fiverenanareo.

Na iza ianareo na iza ary na aiza na aiza no misy anareo dia eo am-pelatananareo ny fahasambaran’ny olona maro mihoatra izay azonareo eritreretina amin’izao fotoana izao. Afaka misafidy ny hanao fanekempihavanana amin’Andriamanitra na hitandrina izany ianareo isan’andro sy isan’ora.

Na aiza na aiza no misy anareo eo amin’ilay lalana handovana ny fanomezana ny fiainana mandrakizay dia manana fahafahana ianareo haneho amin’ny olona marobe ny lalana mankany amin’ny fahasambarana lehibe kokoa. Rehefa misafidy ny hanao na hitandrina fanekempihavanana amin’Andriamanitra ianareo na tsia dia misafidy ny hamela na tsia lovam-panantenana ho an’ireo izay mety hanaraka ny ohatra asehonareo.

Samy nomena fampanantenana ny amin’izany lova izany izaho sy ianao. Ny ankamaroan’ny fifaliana azoko teo amin’ny fiainako dia avy amin’ny lehilahy iray izay tsy mbola nihaona tamiko mihitsy teto an-tany. Zaza kamboty izy, izay lasa iray tamin’ireo rain’ny ray aman-drenibeko. Namela lovam-panantenana tsy hay sandaina ho ahy izy. Mamelà ahy ianareo hitantara ny anjara toerana notanany tao anatin’ny fanangonana izany lova izany ho ahy.

I Heinrich Eyring no anarany. Teraka tao anatin’ny fianakaviana mpanankarena izy. Nanana fananana be tao Coburg i Edward rainy, tao amin’ny faritra izay antsoina hoe Allemagne ankehitriny. Ny reniny dia andriambavy nantsoina hoe Vicomtesse Charlotte Von Blomberg. Ny rain’i Charlotte no mpiandraikitra ny tanin’ny mpanjakan’i Prusse.

Zanaka lahimatoan’i Charlotte sy i Edward i Heinrich. Nodimandry teo amin’ny faha-31 taonany i Charlotte taorian’ny nahaterahan’ny zanany fahatelo. Nodimandry afaka fotoana fohy taorian’izay i Edward ary very tamin’ny fampiasam-bola tsy nahitana fahombiazana avokoa ny fananany sy ny hareny rehetra. Vao 40 taona izy tamin’izay. Namela zaza kamboty telo izy.

I Heinrich izay rain’ny ray aman-drenibeko dia namoy ireo ray aman-dreniny sy fananana maro tokony ho lovany. Tsy nanam-bola izy na dia kely aza. Noraketiny tao amin’ny diariny fa ny fandehanany aty Amerika no tsapany fa ho fanantenana tsara indrindra mba hananany hoavy mamiratra. Na dia tsy nanana na fianakaviana na namana aza izy teto dia nahatsapa fanantenana mikasika ny fandehanana aty Amerika. Tao New York City no nalehany voalohany. Nifindra tany St. Louis, Missouri izy taty aoriana.

Olomasin’ny Andro Farany ny iray tamin’ireo mpiara-miasa taminy tao St Louis. Ka avy tamin’izy io no nahazoany boky kely nosoratan’ny Loholona Parley P. Pratt. Novakiny ilay izy dia nohalalininy avy eo ny boky rehetra izay azony mikasika ny Olomasin’ny Andro Farany. Nivavaka izy mba hahafantarany raha tena nisy marina ireo anjely niseho tamin’ny olona, raha toa ka nisy mpaminany velona na tsia ary raha toa ka fivavahana marina izay nampahafantarin’Andriamanitra no hitany sa tsia.

Taorian’ny roa volana nanaovany fandalinana sy vavaka matotra dia nanofy i Heinrich hoe nasaina izy mba ho atao batisa. Ny Loholona William Brown, izay lehilahy iray nanana ny fahefan’ny fisoronana ary hajaiko fatratra no nanatanteraka ny ôrdônansy. Natao batisa tao amin’ny dobo feno ranon’orana i Heinrich tamin’ny 11 Martsa 1855, tamin’ny 7:30 maraina.

Mino aho fa fantatr’i Heinrich Eyring tamin’izany fotoana izany fa marina ny zavatra ampianariko anareo androany. Fantany fa ny fahasambarana amin’ny fiainana mandrakizay dia tonga amin’ny alalan’ny fifandraisan’ny fianakaviana izay mitohy mandrakizay. Na dia vao haingana aza izy no nahita ny drafitry ny Tompo ho an’ny fahasambarana dia fantany fa ny fanantenany ny fifaliana mandrakizay dia niankina tamin’ny safidy malalaka ataon’ny hafa hanaraka ny ohatra nasehony. Niankina tamin’ny olona izay tsy mbola teraka akory ny fanantenany fahasambarana mandrakizay.

Namela rakitsoratra ho an’ny taranany izy ho isan’ny lovam-panantenana ho an’ny fianakavianay.

Afaka mahatsapa ny fitiavany anay izay hanara-dia azy aho ao anatin’io diary io. Tsapako ao amin’ireo teniny ny fanantenany fa mety hisafidy ny hanara-dia azy eo amin’ny lalana miverina any amin’ny fonenantsika any an-danitra ireo taranany. Fantany fa izany safidin’ny taranany izany dia tsy ho vokatry ny safidy lehibe tokana fa ho vokatry ny safidy kely maromaro. Izao no voalaza ao amin’ny diariny:

“Hatramin’ny fotoana nandrenesako voalohany ny lahatenin’ny Loholona Andrus … dia nanatrika hatrany ny fivorian’ny Olomasin’ny Andro Farany aho ary marina tokoa fa vitsy dia vitsy ny fotoana tsy nahafahako namonjy fivoriana satria adidiko ihany koa ny manatrika izany.

“Soratako ato anatin’ny diariko izany mba hanarahan’ny zanako ny ohatra nasehoko ka tsy hanao tsinontsinona mihitsy ity adidy manan-danja mba hiara-hivory amin’ny Olomasina ity.”1

Fantatr’i Heinrich fa isika dia afaka manavao mandritra ireo fivoriana fanasan’ny Tompo ny fampanantenana nataontsika ny mba hahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy ka hanana ny Fanahiny miaraka amintsika.

Io Fanahy io no nanampy azy tamin’ny asa fitoriana izay niantsoana azy volana vitsy monja taorian’ny nanekeny ny fanekempihavanan’ny batisa. Navelany ho lova ny ohatra nasehony tamin’ny fijanonana ho mahatoky tamin’ny asa nanirahana azy nandritra ny enin-taona tany amin’ny toerana iray nantsoina hoe Faritry ny Indiana tamin’izany fotoana izany. Mba hahazoany mandray ny fisaorana azy tamin’ny iraka nataony dia nandeha an-tongotra izy sy nandray fiaran-dalamby avy any Oklahoma nankany Salt Lake City, izay elanelan-tany tokotokony ho teo amin’ny 1.770 km teo.

Fotoana fohy taorian’izay dia nantsoin’ny mpaminanin’Andriamanitra izy hifindra tany atsimon’i Utah. Tao amin’io toerana io no nanekeny antso hafa hanao asa fitoriana tany Allemagne izay toerana nahaterahany. Taorian’izay dia nekeny ny fanasan’ny Apôstôly iray an’i Jesoa Kristy Tompo azy mba hanampy tamin’ny fananganana vondron’Olomasin’ny Andro Farany maromaro tany avaratr’i Mexique. Tany izy no nantsoina ho any Mexico hanao misiônera amin’ny fotoana feno indray. Notanterahany ireo antso ireo. Ao amin’ny fasana kely ao Colonia Juárez, Chihuahua, any Mexique izy no milevina.

Raha mitanisa ireo zavatra ireo aho dia tsy hoe te hilaza fa lehilahy niavaka izy, na niavaka ny zavatra nataony na miavaka ny taranany. Mitanisa ireo zavatra ireo aho mba hanomezako voninahitra azy noho ny ohatra maneho finoana sy fanantenana tao am-pony.

Nanaiky ireo antso ireo izy noho ny finoany fa niseho tamin’i Joseph Smith tao amin’ny ala kely iray tao amin’ny Fanjakan’i New York ilay Kristy efa nitsangana tamin’ny maty sy ny Raintsika any an-danitra. Nanaiky ireo antso ireo izy satria nanam-pinoana fa naverina tamin’ny laoniny ato amin’ny Fiangonan’ny Tompo ireo fanalahidin’ny fisoronana niaraka tamin’ny fahefana hamehezana ny fianakaviana ho mandrakizay, raha toa izy ireo ka manana finoana ampy hitandremana ny fanekempihavanana nataon’izy ireo.

Tahaka an’i Heinrich Eyring razambeko dia mety ho ianareo no olona voalohany ao amin’ny fianakavianareo izay hitarika ny lalana ho any amin’ny fiainana mandrakizay eo amin’ilay lalana misy fanekempihavanana masina izay natao sy notandremana tamim-pahazotoana sy tamim-pinoana. Ny fanekempihavanana tsirairay dia omban’ny andraikitra sy fampanantenana. Ho antsika rehetra, ary toy izany koa ho an’i Heinrich, dia tsotra ireo andraikitra ireo indraindray fa sarotra kosa izany matetika. Kanefa tadidio fa tsy maintsy sarotra ireo andraikitra indraindray satria ny tanjon’izy ireo dia ny hampandroso antsika amin’ilay lalana mba hiarahana miaina mandrakizay amin’ny Ray any an-danitra sy Jesoa Kristy Zanany Malala, ao anatin’ny fianakaviana.

Tadidinareo ireo teny avy ao amin’ny bokin’i Abrahama hoe:

“Ary nisy anankiray nijoro teo anivony, izay nitovy tamin’ Andriamanitra, ary hoy Izy tamin’ ireo izay niaraka taminy: Hidina isika fa misy toerana eny, ary haka amin’ ireto akora ireto isika dia hanao tany iray izay hahazoan’ ireto mitoetra;

“Dia hosedraintsika amin’ izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ ny Tompo Andriamaniny azy ireo;

“Ary ireo izay mitana ny toetrany voalohany no homena fanampiny; ary ireo izay tsy mitana ny toetrany voalohany dia tsy hanana voninahitra ao amin’ ny fanjakana iraisana amin’ ireo izay mitana ny toetrany voalohany; ary ireo izay mitana ny toetrany faharoa dia hanana voninahitra anampy eo ambony lohany mandrakizay mandrakizay.”2

Ny fihazonana ny toetrantsika faharoa dia miankina amin’ny fanaovantsika fanekempihavanana amin’Andriamanitra sy ny fanatanterahantsika amim-pahatokiana ireo andraikitra takian’ireo fanekempihavanana ireo amintsika. Ny fitandremana ireo fanekempihavanana mandritra ny androm-piainana manontolo dia ilàna finoana an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy antsika.

Satria lavo i Adama sy i Eva dia misedra fakam-panahy sy ny fitsapana ary fahafatesana isika tsirairay. Kanefa ny Raintsika any an-danitra izay tia antsika dia nanome an’i Jesoa Kristy, ilay Zanakalahiny Malalany, mba ho Mpamonjy antsika. Mitondra lova ho an’ny olon-drehetra izany fanomezana sy fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izany: dia ilay fampanantenana ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny fahafahan’ny rehetra izay teraka hahazo ny fiainana mandrakizay.

Ny fiainana mandrakizay, izay lehibe indrindra amin’ireo fitahiana rehetra avy amin’Andriamanitra, dia tsy ho tonga eo amintsika raha tsy manao ireo fanekempihavanana hita ao amin’ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy isika, tanterahan’ireo mpanompony nahazo lalana. Noho ny fahalavoana dia ilaintsika rehetra ny fanadiovana entin ’ny batisa sy ny fametrahan-tanana mba handraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ireo ôrdônansy ireo dia tsy maintsy tanterahan’ireo olona manana ny fahefan’ny fisoronana mifanaraka amin’izany. Avy eo isika miaraka amin’ny fanampian’ny Fahazavan’i Kristy sy ny Fanahy Masina, dia afaka mitandrina ireo fanekempihavanana rehetra ataontsika amin’Andriamanitra, indrindra fa ireo izay tanterahana any amin’ireo tempoliny. Amin’io fomba io ihany, ary miaraka amin’izany fanampiana izany, no hahafahan’ny olona na iza na iza mangataka ny lova tokony ho azony amin’ny maha-zanak’Andriamanitra azy ao anatin’ny fianakaviana iray mandrakizay.

Ho an’ny sasany izay mihaino ahy dia mety ho toy ny faniriana tsy dia antenaina loatra ho tanteraka izany.

Efa nahita ray aman-dreny nalahelo ianareo noho ny zanany izay nandà na nisafidy ny hanapaka ny fanekempihavanany tamin’Andriamanitra. Kanefa afaka mahazo fampiononana sy fanantenana avy amin’ny traikefan’ny ray aman-dreny hafa ireo ray aman-dreny ireo.

Nibebaka tamin’ny fikomiana lehibe tamin’ny fanekempihavanana sy ireo didin’Andriamanitra ny zanak’i Almà sy ireo zanakalahin’ny Mpanjaka Môsià. I Almà Zanany dia nahita an’i Kôriantôna zanany lahy niova raha toa ka nanao fahotana lehibe teo aloha dia lasa nanompo tamim-pahatokiana. Ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra ihany koa ny fahagagana momba ireo Lamanita izay niala tamin’ireo fomban-drazana nankahala ny fahamarinana ka nanao fanekempihavanana ny ho faty mba hihazonana ny fandriampahalemana.

Nirahina ho any amin’i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môsià ny anjely iray. Tonga ilay anjely noho ny finoana sy ireo vavaka nataon’ny rain’izy ireo sy ny vahoakan’Andriamanitra. Afaka mahazo risi-po sy fampiononana ianareo avy amin’ireo ohatra ireo izay maneho ny herin’ny Sorompanavotana izay miasa ao am-pon’ny olona.

Nomen’ny Tompo antsika ny loharanom-panantenana rehetra ilaina amin’ny tolona ataontsika mba hanampiana ireo olon-tiantsika hanaiky ny lovan’izy ireo mandrakizay. Nanome fampanantenana antsika Izy rehefa manohy ny ezaka hanangona ny olona ho any Aminy isika, eny fa na dia manohitra ny fanasany hanao izany aza izy ireo. Mampalahelo Azy ny fanoheran’izy ireo saingy tsy milavo lefona Izy, dia tsy tokony hilavo lefona koa isika. Nampiseho ny ohatra tonga lafatra ho antsika Izy niaraka tamin’ny fitiavany maharitra manao hoe: “Ary koa, impiry Aho no efa ta hanangona anareo toy ny reniakoho manangona ny zanany eo ambany elany, eny, ô ianareo vahoakan’ ny mpianakavin’ i Isiraely, izay efa lavo; eny, ô ianareo vahoakan’ ny mpianakavin’ i Isiraely, ianareo izay mitoetra ao Jerosalema, toa anareo izay efa lavo; eny, impiry Aho no ta hanangona anareo toy ny reniakoho manangona ny zanany ary tsy nety ianareo.”3

Afaka miantehitra amin’io fanirian’ny Mpamonjy tsy mety lefy io isika mba hitondrana ireo fanahy rehetra zanaky ny Ray any an-danitra hiverina any amin’ny fonenany miaraka Aminy. Ny ray na reny mahatoky tsirairay, ny raibe na ny renibe, ary ny ray na renin’ny ray aman-drenibe dia manana izany faniriana izany. Ohatra tonga lafatra ho antsika ny Raintsika any an-danitra sy ny Mpamonjy eo amin’ny zavatra azontsika atao sy tsy maintsy ataontsika. Tsy manery antsika hanao safidy tsara mihitsy Izy Ireo satria tokony hosafidiana ny fahamarinana. Ataon’Izy Ireo izay hamantarantsika ny tsara ary avelan’Izy Ireo isika hahita ny fifaliana azo avy amin’ny fanaovana safidy tsara.

Ny olona tsirairay izay teraka eto an-tany dia mandray ny Fahazavan’i Kristy, izay manampy antsika hahita sy hahatsapa ny tsara sy ny ratsy. Naniraka olombelona mpanompo Andriamanitra, izay afaka manampy antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina hamantatra ny zavatra tian’ny Ray hataontsika sy ny zavatra handrarany antsika. Ataon’Andriamanitra mahasarika ny fisafidianana ny tsara amin’ny alalan’ny famelana antsika hahatsapa ny vokatry ny safidintsika. Raha mifidy ny tsara isika dia hahita fahasambarana—amin’ny farany. Raha mifidy ny ratsy isika dia ho avy ny alahelo sy ny nenina—amin’ny farany. Azo antoka fa hitranga ireo vokatra ireo. Matetika anefa izy ireny no ampiandrasana fotoana noho ny tanjona iray. Raha azo eo no eo ireo fitahiana dia tsy hampiorina ny finoana ny fisafidianana ny tsara. Ary satria koa ny alahelo indraindray dia ampiandrasana fotoana maharitra, dia ilàna finoana ny mahatsapa ny filàna ny fikatsahana famelan-keloka alohaloha noho ny fahotana toy izay aorian’ny hahatsapantsika ny vokatr’izany izay mitondra alahelo sy fanaintainana.

Nalahelo noho ny safidy nataon’ny sasany tamin’ireo zanany lahy sy ny fianakavian’izy ireo i Lehia Rainy. Lehilahy tsara sady marina izy—mpaminanin’Andriamanitra. Matetika izy no nijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika tamin’izy ireo. Ohatry ny fankatoavana sy ny asa fanompoana izy rehefa niantso azy ny Tompo mba hamoy ireo fananany mba hanavotana ny fianakaviany tamin’ny fandringanana. Teo am-pialany aina dia mbola nijoro ho vavolombelona tamin’ireo zanany izy. Na dia nanana fahefana tahaka ny Mpamonjy aza izy hamantatra izay tao am-pon’izy ireo sy hahita ny ho avy izay sady nampalahelo no nahavariana—dia nanohy nanampy ny fianakaviany i Lehia mba hitondrana azy ireo ho amin’ny famonjena.

Ankehitriny dia taranak’i Lehia Rainy an-tapitrisany no manatanteraka ny zavatra nantenainy tamin’izy ireo.

Inona no azontsika sy ianao atao mba hisintonana lesona avy amin’ny ohatra nasehon’i Lehia? Afaka misintona lesona avy amin’ny ohatra nasehony isika amin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina ombam-bavaka sy amin’ny alalan’ny fampiharana izany.

Manoro hevitra aho ny mba hieritreretanareo izay zavatra tsy maharitra sy izay maharitra rehefa miezaka mamela lovam-panantenana ho an’ny fianakavianareo ianareo. Ao amin’ilay tsy maharitra dia hisy olana maro ary hampiasa ny heriny i Satana hakana fanahy antsika. Ary misy ny zavatra izay tokony handrasana amim-paharetana sy amim-pinoana, ao anatin’ny fahafantarana fa miasa amin’ny fotoany sy ny fombany ny Tompo.

Misy ny zavatra izay azonao atao mialoha dieny mbola kely ireo olon-tianao. Tadidio fa mora kokoa ary mahomby kokoa ny vavaky ny mpianakavy isan’andro sy ny fandalinan’ny fianakaviana soratra masina ary ny fizarana fijoroana ho vavolombelona mandritra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo raha mbola kely ny zanaka. Matetika ny ankizy madinika no mora mahatsapa kokoa ny Fanahy mihoatra noho izay heverintsika.

Rehefa lehibe kokoa izy ireo dia hotsaroany ireo hira nohirainy niaraka taminareo. Hahatsiaro ireo teny soratra masina sy fijoroana ho vavolombelona mihitsy aza izy ireo mihoatra noho ny fahatsiarovana ny hira. Afaka mampahatsiahy azy ireo ny zava-drehetra ny Fanahy Masina, fa ny teny ao amin’ny soratra masina sy ny tonon-kira no haharitra ela indrindra ao amin’ny fitadidiany. Ireo fahatsiarovana ireo no hitaona azy ireo hiverina rehefa miala amin’ny lalana mody any amin’ny fiainana mandrakizay izy ireo ao anatin’ny fotoana iray, na mety ho mandritra ny taona maro.

Mila mieritreritra lavitra isika rehefa mahatsapa ny fitaoman’izao tontolo izao ireo olon-tiantsika ary toa manafotra ny finoan’izy ireo ny rahon’ny ahiahy. Manana finoana sy fanantenana ary fiantrana isika hitarika antsika sy hampahery azy ireo.

Nahita izany aho tamin’ny naha-mpanolotsaina ahy an’ny mpaminany velon’Andriamanitra miisa roa. Olona samy manana ny maha-izy azy izy ireo. Kanefa dia toa itovizan’izy ireo ny fananana fomba fisainana tsara tsy miovaova. Rehefa misy olona manaparitaka olana iray mikasika ny Fiangonana dia toy izao ny valinteny omen’izy ireo matetika indrindra hoe “hilamina ny amin’izany ka!” Amin’ny ankapobeny dia mahafantatra bebe kokoa mikasika ilay olana izy ireo noho ireo olona manaparitaka azy.

Fantatr’izy ireo ihany koa ny fomba fiasan’ny Tompo, ka noho izany dia manana fanantenana momba ny fanjakan’ny Tompo foana izy ireo. Fantatr’izy ireo fa Izy no mitarika ity Fiangonana ity. Tsitoha Izy kanefa miahy. Raha omenareo lalana Izy ho mpitarika ny fianakavianareo dia hilamina ny zava-drehetra.

Ny sasany tamin’ny taranak’i Heinrich Eyring dia toa nania. Saingy maro amin’ireo zafindohaliny no mandeha any amin’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny 6:00 maraina mba hanatanteraka ôrdônansy ho an’ny razambe izay tsy mbola nihaona tamin’izy ireo. Mandeha any izy ireo noho ilay lovam-panantenana navelany. Namela lova izy izay takian’ny maro amin’ireo taranany.

Rehefa manao ny zavatra rehetra azontsika atao amim-pinoana isika dia hohamarinin’ny Tompo ny fanantenantsika ireo fitahiana lehibe kokoa noho izay azontsika heverina ho an’ny fianakaviantsika. Maniry ny tsara indrindra ho azy ireo sy ho antsika Izy amin’ny maha-Zanany antsika rehetra.

Zanak’ilay Andriamanitra velona isika rehetra. I Jesoa Kristy avy any Nazareta no Zanakalahiny Malalany sy Mpamonjy antsika nitsangana tamin’ny maty. Fiangonany ity. Hita ato amin’ity Fiangonana ity ireo fanalahidin’ny fisoronana ka noho izany dia afaka ny hiaraka mandrakizay ny fianakaviana. Izany no lovam-panantenana tsy hay sandaina ho antsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa marina izany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo, amena.