2010–2019
Sondrian-tory Ve Ianareo mandritra ny Famerenana amin’ny Laoniny?
Aprily 2014


Sondrian-tory Ve Ianareo mandritra ny Famerenana amin’ny Laoniny?

Sary

Zava-dehibe loatra izany ho antsika, amin’ny maha-olona tsirairay manokana, na amin’ny maha-fianakaviana, na amin’ny maha-Fiangonan’i Kristy antsika, ka tsy azo hanaovana hoe ezaka amin’ny ampahany fotsiny no atolotra ho an’ity asa masina ity.

Saika ho 200 taona lasa izay dia lasa tantara malaza avy hatrany ilay tantara fohy Amerikana hoe “Rip Van Winkle.” Ny mpilalao fototra izay antsoina hoe Rip dia lehilahy tsy mba manana faniriana ary tena havanana amin’ny fanalavirana zavatra roa: dia ny asa sy ny vadiny.

Indray andro raha nandeha nirenireny teny an-tendrombohitra niaraka tamin’ny alikany izy, dia nahita vondrona lehilahy hafahafa fiakanjo izay nisotrosotro sy nilalao. Rehefa avy nanaiky nisotro tamin’ny zava-pisotro tany amin’izy ireo i Rip dia te hatory ary nakimpiny fotoana fohy ny masony. Rehefa nosokafany indray ny masony dia gaga izy nahita fa tsy teo ny alikany, lasa harafesina ny basiny ary lasa lavabe ny volombavany.

Niverina tany an-tananany i Rip ary nahita fa niova ny zava-drehetra. Efa maty ny vadiny, lasa ireo namany, ary ny sarin’ny Mpanjaka George faha III tao amin’ny trano fisotroana dia efa nosoloina sarin’olon-kafa izay tsy fantany akory—dia ny Jeneraly George Washington.

Natory nandritra ny 20 taona i Rip Van Winkle! Ary nandritra izany fotoana izany dia tsy nahita ny iray tamin’ireo vanim-potoana nampientanentana indrindra teo amin’ny tantaran’ny fireneny izy—natory izy nandritra ny Revôlisiona Amerikana.

Tamin’ny volana Mey 1966, dia nampiasa io tantara io ny Dr. Martin Luther King Zanany nandravahana ny lahateniny mitondra ny lohateny hoe: “Aza Matory Mandritra ny Revôlisiona.”1

Anio aho dia te handray an’io lohahevitra io ihany ary hanolotra fanontaniana ho antsika rehetra izay mihazona ny fisoronan’Andriamanitra manao hoe: moa ve ianareo sondrian-tory mandritra ny asa Famerenana amin’ny laoniny?

Miaina ao anatin’ny Fotoan’ny Famerenana amin’ny Laoniny Isika Izao

Indraindray isika mihevitra ny Famerenana ny Filazantsara amin’ny laonin’ny ho toy ny efa vita, sy efa nitranga tany aloha—Nandika ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith, nahazo ireo fanalahidin’ny fisoronana izy, najoro ny Fiangonana. Kanefa raha ny marina dia zavatra mitohy ny Famerenana amin’ny laoniny, ary miaina ao anatiny mihitsy isika amin’izao fotoana izao. Izany dia ahitana ny “zava-drehetra izay efa nambaran’Andriamanitra, izay hambarany ankehitriny,” ary ny “zavatra lehibe sy manan-danja maro” izay “mbola hambarany.”2 Ry Rahalahy isany, ny fandrosoana mampientanentana amin’izao andro izao dia tafiditra ao anatin’ilay fotoana fiomanana efa nambara fahiny elabe, izay hiafara amin’ilay Fiaviana Fanindroan’i Jesoa Kristy Mpamonjy amim-boninahitra lehibe.

Izao no anisan’ireo vanim-potoana miavaka indrindra eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao! Naniry ny hahita izao androntsika izao ireo Mpaminany fahiny.

Rehefa tapitra ny fotoana iainantsika eto an-tany, dia traikefa manao ahoana no azontsika hozaraina mikasika ny anjara biriky nentintsika tao anatin’ity vanim-potoana manan-danja teo amin’ny fiainantsika ity sy teo amin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra? Ho afaka hilaza ve isika fa namoritra tanan’akanjo isika ka niasa tamin’ny fo manontolo, tamin’ny hery sy ny saina ary ny tanjatsika manontolo? Sa ve isika ho voatery hibaboka fa ny anjara asantsika raha bangoina dia mpitazana fotsiny?

Mihevitra aho fa maro ny antony mahatonga ny hoe mora lasa somary matoritory eo am-pananganana ny fanjakan’Andriamanitra. Mamelà ahy hitanisa telo isan’ny lehibe indrindra amin’izy ireny. Eo am-panaovako izany dia manasa anareo aho mba hisaintsaina raha toa ka misy amin’izy ireo mpahazo anareo. Raha toa hitanareo fa ilaina ny fanaovana fiezahana, dia miangavy anareo aho mba hieritreritra izay azonareo atao mba hiovana ho tsaratsara kokoa.

Ny fitiavan-tena

Voalohany, ny fitiavan-tena.

Ireo izay tia tena dia mikatsaka ny tombontsoany manokana sy ny fahafinaretany ambonin’ny zavatra hafa rehetra. Ny fanontaniana manan-danja indrindra ho an’ny olona tia tena dia ny hoe “Inona no tombony azoko amin’io?”

Ry Rahalahy isany, azoko antoka hoe hitanareo fa io toetra io dia mifanipaka tanteraka amin’ny toe-panahy izay takiana amin’ny fananganana ny fanjakan’Andriamanitra.

Rehefa mikatsaka ny hanome fahahafam-po ny filantsika isika mihoatra noho ny asa fanompoana tsy misy tambiny dia lasa mifantoka amin’ny filana sitraka sy ny fahafaham-pontsika manokana ireo laharampahamehantsika.

Ireo taranaka teo aloha dia niady tamin’ny karazana endriky ny fitiavan-tena sy fanindrahindran-tena samihafa, saingy mieritreritra aho fa ankehitriny isika dia manana karazana fitiavan-tena maro tsy misy hafa amin’izany na maro kokoa mihitsy aza. Moa ve kisendrasendra raha toa ny rakibolana Oxford Dictionary vao tsy ela akory izay no nanambara fa ny teny malaza indrindra ho an’iny taona iny dia ny hoe “selfie”?3 [sarin’olona nalain’ny tenany ihany]

Mazava ho azy fa manana faniriana mba ho ankasitrahana avokoa isika rehetra, ary tsy misy maharatsy ny fakana aina sy ny fanomezana fifaliana ho an’ny tenantsika. Kanefa raha ny fikatsahana ny “harena sy lazan’izao tontolo izao”4 no fototry ny anton’ny fahavitrihantsika dia tsy ho azontsika ireo traikefa manavotra sy mampifaly izay tonga rehefa atolotsika amin-kahalalahan-tanana ny tenantsika mba hanao ny asan’ny Tompo.

Inona no vahaolana?

Ny valiny, toy ny mahazatra, dia hita ao amin’ny tenin’i Kristy:

“Raha misy ta hanaraka Ahy, dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.

“Fa na iza na iza no ta hamonjy ny ainy, dia hahavery azy, ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.”5

Ireo izay tena mahafoy ny ainy amin’ny fo manontolo ho an’ny Mpamonjy antsika ary manompo an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy dia hahita harena sy fahafenoana eo amin’ny fiainana, izay tsy mba ho hitan’ireo izay tia tena sy tsy mijery afa-tsy ny tenany ihany velively. Ireo tsy tia tena dia manolotra ny tenany. Mety ho fihetsika kely feno fiantrana izany, izay misy fiantraikany lehibe ho amin’ny tsara: tsikitsiky, kopa-tanana, famihinana, fotoana natokana mba hihainoana, teny mamy mankahery, na fihetsika maneho fikarakarana. Ireo fihetsika feno hatsaram-panahy rehetra ireo dia afaka manova fo sy manova fiainana. Raha toa isika ka manararaotra mampiasa ireo fotoana tsy voafetra hitiavana sy hanompoana ireo mpiara-belona amintsika, anisan’izany ny vadintsika sy ny ankohonantsika, dia hitombo be dia be ny fahafahantsika mitia an’Andriamanitra sy manompo ny hafa.

Ireo izay manompo ny hafa dia tsy ho sondrian-tory mandritra ny Famerenana amin’ny laoniny.

Ny fiankinan-doha

Ny zavatra iray hafa izay mahatonga antsika ho sodrian-tory mandritra ity vanim-potoana manan-danja ity dia ny fiankinan-doha.

Matetika ny fiankinan-doha dia manomboka tsimoramora. Ny fiankinan-doha dia fihetsika kely miverimberina toy ny kofehy kely madinika izay mifamatotra ho azy ka lasa fahazarana izay mamatotra antsika amin’ny tady mahazaka. Ireo fahazaran-dratsy dia mety ho tonga fiankinan-doha tena manimba.

Ireo rojo mamatotry ny fiankinan-doha ireo dia manana endrika maro, toy ny pôrnôgrafia, ny toaka, ny filàna ara-nofo, ny zava-mahadomelina, ny paraky sy sigara, ny filokana, ny hanina, ny asa, ny Internet, na tontolo tsy tena misy. I Satana izay fahavalo iraisantsika dia manana fomba maro tena tiany izay ampiasainy handrobana amintsika ilay hery masina ananantsika mba hanatanterahana ny asa nanirahana antsika ao amin’ny fanjakan’ny Tompo.

Mampalahelo ny Raintsika any An-danitra ny mahita ny fanoloran’ireo zanany lahy sarobidy sasany an-tsitrapo ny hatotanan’izy ireo mba hanaiky hofatorana amin’ireo rojon’ny fiankinan-doha izay mamotika.

Ry Rahalahy isany, mihazona ny fisoronana mandrakizain’ilay Andriamanitra Tsitoha isika. Tena zanakalahin’Ilay Avo Indrindra isika ary notafiana hery anaty tsy hay lazaina. Natao mba hizotra hiakatra amin-kalalahana mankany an-danitra isika. Tsy natao ho voafatotra hiraikitra amin’ny tany isika, voageja anatin’ny akanjo manery izay isika ihany no nanjaitra azy.

Inona no vahaolana?

Ny zavatra voalohany tokony ho takatsika dia ny hoe mora lavitra kokoa ny misoroka ny fiankinan-doha toy izay ny mitsabo azy. Araka ny tenin’ny Mpamonjy hoe, “Mba tsy hisy amin’ireo zavatra ireo avelanareo hiditra ao am-ponareo.”6

Taona maro lasa izay, Izaho sy ny Filoha Thomas S. Monson dia nanana fahafahana hitsidika ny tao anatin’ny Air Force One—ilay fiaramanidina raitra dia raitra izay mpitondra ny filoham-pirenenan’i Etazonia. Nisy fisavana henjana nataon’ireo tompon’andraikitry ny fiarovana, nitsiky kely aho rehefa nosavain’ireo mpitandro filaminana ny mpaminany malalantsika mialohan’ny fiondranana.

Nasain’ny mpanamory hipetraka teo amin’ny sezan’ny kapiteny aho avy eo. Tena traikefa niavaka ny nipetraka indray teo amin’ny faritra fanamoriana an’ilay fiaramanidina mahatalanjona iray tahaka ireo izay efa nentiko nandritra ny taona maro tokoa. Nanenika ny foko sy ny saiko ny fahatsiarovana ny sidina namakivaky ireo ranomasimbe sy ireo kaontinanta. Nalaiko sary an-tsaina ny fiaingana sy ny fipetrahana mampientanentana tamin’ireo seranam-piaramanidina manerana izao tontolo izao.

Tsy tonga saina akory aho fa nametraka ny tanako teo amin’ireo manettes efatra an’ilay 747. Teo indrindra no nisy feo ankafiziko sy mazava avy tao aoriako—ny feon’i Thomas S. Monson.

“Dieter,” hoy izy, “aza mieritreritra ny hanao izany akory.”

Tsy mihevitra ny hanao na inona na inona akory aho, kanefa mety ho fantatry ny Filoha Monson tsotra izao ny tao an-tsaiko.

Rehefa alaim-panahy hanao zavatra tsy tokony hatao isika, dia aoka hihaino ny fampitandremana feno fitiavana ataon’ny fianakaviana sy namana mahatoky, sy ny mpaminany malalantsika, ary indrindra indrindra ny Mpamonjy.

Ny fiarovana tsara indrindra hanoherana ny fiankinan-doha dia ny tsy fanombohana izany mihitsy.

Ary ahoana ny momba ireo izay efa voafatotry ny fiankinan-doha?

Fantaro aloha voalohany indrindra fa misy ny fanantenana. Mitadiava fanampiana avy amin’ireo olon-tiantsika, sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ary ireo mpanolotsaina matihanina. Manolotra fanampiana amin’ny fialana amin’ny fiankinan-doha ny Fiangonana amin’ny alalan’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana eo an-toerana, sy ny Internet,7 ary any amin’ny faritra sasantsasany, ny LDS Family Services (sampan-draharahan’ny OAF misahana ny fianakaviana).

Tsarovy lalandava fa afaka mandresy ny fiankinan-doha ianao miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy. Mety ho lalana lava sy sarotra izany kanefa tsy hilavo lefona aminao ny Tompo. Tia anao Izy. Niaritra ny Sorompanavotana i Jesoa Kristy mba hanampiana anao hiova, sy hanafahana anao amin’ny fanandevozan’ny fahotana.

Ny zavatra manan-danja indrindra dia ny manohy miezaka hatrany—indraindray dia mila fanandramana maromaro ny olona mialohan’ny hahitany fahombiazana. Noho izany, aza milavo lefona. Aza manary finoana. Tazony hanakaiky ny Tompo ny fonao, ary Izy no hanome anao ny herin’ny fanafahana. Hanafaka anao Izy.

Ry rahalahiko malala, halaviro lalandava ireo fahazarana izay mety mitondra mankany amin’ny fiankinan-doha. Ireo izay manao izany dia ho afaka hanokana ny fony, ny heriny sy ny sainy ary ny tanjany ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.

Tsy ho sondrian-tory izy ireo mandritra ny Famerenana amin’ny Laoniny.

Laharampahamehana Mifanotona

Ny sakana fahatelo izay manakana antsika tsy hirotsaka tanteraka amin’ity asa ity dia ireo laharampahamehana maro mifanotona izay atrehantsika. Ny sasantsasany amintsika dia be atao loatra ka mahatsiaro ho toy ny sarety tarihin’ny omby roa ambin’ny folo—ny tsirairay amin’izy ireo dia samy mitarika mankany amin’ny lalana samihafa. Betsaka ny hery lany, saingy tsy mandeha na mankaiza na mankaiza akory ilay sarety.

Matetika isika dia manolotra ny ezaka tsara indrindra avy amintsika amin’ny fialamboly iray, sy lalao ara-panatanjahantena iray, sy ireo talenta mahaliana, ary ireo olana ara-pôlitika na ara-piaraha-monina. Mety ho tsara sy mendri-piderana avokoa ireo zavatra rehetra ireo, fa moa ve izy ireny mamela fotoana sy hery ho antsika hanaovana ireo izay tokony ho tena laharampahamehantsika ambony indrindra?

Inona no vahaolana?

Eto indray dia mbola hita ao amin’ny tenin’ny Mpamonjy ihany izany:

“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.

“Izany no didy lehibe sady voalohany.

“Ary ny faharoa izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”8

Ny zavatra hafa rehetra eo amin’ny fiainana dia tokony ho aorian’ireo laharampahamehana roa lehibe ireo.

Na dia eo amin’ny asa fanompoana ato am-piangonana aza dia mora ny mandany fotoana betsaka hanaovana zavatra tsy amin’ny fo na amin’ny toetra maha-mpianatry ny Tompo.

Ry rahalahy, amin’ny maha-mpihazona fisoronana antsika dia nanolo-tena isika ho vahoaka tia an’Andriamanitra sy ny namantsika ary vonona haneho izany fitiavana izany amin’ny alalan’ny teny sy ny asa atao. Izany no mampiavaka antsika amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika.

Ireo izay miaina mifanaraka amin’ireo fitsipika ireo dia tsy ho sondrian-tory mandritra ny Famerenana amin’ny laoniny.

Antso mba Hifoha

Nanoratra toy izao ny Apôstôly Paoly, “Mifohaza ianao izay matory, ary mitsangàna amin’ny maty, dia hampahazava anao Kristy.”9

Ry namana malalako isany, fantaro fa zanakalahin’ny fahazavana ianareo.

Aza manome vahana ny fitiavan-tena! Aza manome vahana ny fahazarana izay mitondra mankany amin’ny fiankinan-doha! Aoka ireo laharampahamehana mifanotona tsy hitarika anareo ho amin’ny tsy firaharahiana na ny fihatahana amin’ny maha-mpianatra voatahy sy amin’ny asa fanompoan’ny fisoronana izay mahatonga anareo ho olo-mendrika!

Zava-dehibe loatra izany ho antsika, amin’ny maha-olona tsirairay manokana, na amin’ny maha-fianakaviana, na amin’ny maha-Fiangonan’i Kristy antsika, ka tsy azo hanaovana hoe ezaka amin’ny ampahany fotsiny no atolotra ho an’ity asa masina ity.

Ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy dia tsy fiezahana indray mandeha isan-kerinandro, na indray mandeha isan’andro. Ezaka tokony hatao mandrakariva izany.

Tena lehibe loatra ka tsy hay takarina ny fampanantenan’ny Tompo ho an’ireo mpihazona fisoronana marina.

Fa na zovy na zovy no mahatoky amin’ny fisoronana Aharôna sy Melkizedeka sy milofo amin’ny antso ananany “dia hamasin’ny Fanahy ho fanavaozana ny vatany.” Koa izay rehetra ananan’ny Raintsika dia homena azy.10

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny hery manadion’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny hery afaka manova ananan’ny Fanahy Masina dia afaka manasitrana sy mamonjy ny olombelona. Tombontsoa sy adidy masina, ary fifaliana ho antsika ny mihaino ny antson’ny Mpamonjy mba hanaraka Azy amin’ny fanahy mazoto sy ny finiavan’ny fo manontolo. Andeha “[hanifika] ny gadra izay ifatoran[tsika] [isika] ary [hivoaka] avy ao amin’ ny haizina sy [hiarina] avy eo amin’ ny vovoka.”11

Aoka isika hifoha ary aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa, fa isika dia “mandatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe [iray],”12 dia ny fanomanana ny fiverenan’ny Mpamonjy. Ry rahalahy, raha ampiantsika amin’ny fahazavan’ny ohatra asehontsika amin’ny maha-vavolombelona antsika ny hatsaran’ny fahamarinana naverina tamin’ny laoniny sy ny heriny, dia tsy ho sondrian-tory isika mandritra ny Famerenana amin’ny laoniny. Izany no ijoroako ho vavolombelona ary avelako aminareo ny tsodranoko amin’ny anarana masin’ilay Tompontsika, dia i Jesoa Kristy, amena.