2010–2019
Mahereza sy Matanjaha
Aprily 2014


Mahereza sy Matanjaha

Sary

Aoka isika—isika rehetra mihitsy—hanana herimpo hanohitra ny hevitra ironan’ny olona sy hanana herimpo hiaro ny fitsipika ijoroantsika.

Ry rahalahy malalako, tena mahafinaritra ny tafaraka aminareo indray. Mivavaka aho mba hahazo fanampiana avy any an-danitra amin’izao fahafahako miteny aminareo izao.

Ankoatra ny ato anatin’ity Ivontoeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana ity dia mpihazona ny fisoronana an’arivorivony fanampiny no tafavory any amin’ireo trano fiangonana sy toerana hafa saika manerana an’izao tontolo izao. Manana zavatra izay mampifamatotra antsika tsirairay isika satria nomena ilay andraikitra mba hihazona ilay fisoronan’Andriamanitra.

Tonga eto an-tany isika ao anatin’ny vanim-potoana iray miavaka eo amin’ny tantarany. Saika tsy misy fetra mihitsy ny zavatra mitondra soa azontsika atao, kanefa miatrika olana maro koa isika ary ny sasany amin’izany aza dia tsy mbola nisy raha tsy amin’izao fotoana iainantsika izao.

Isika dia miaina ao anatin’ny tontolo iray izay ahitana ny fandavana mihoa-pampana ireo soatoavina ara-pitondrantena, sy ny fampibaribariana ny fahotana ary ahitana ny fihodidinan’ny fakam-panahy eo amintsika mba hiala amin’ilay lalana ety sy tery. Miatrika faneriterena tsy tapaka isika sy fitarihana mifono fitaka izay manimba izay zavatra mendrika ary mitetika ny hanolo izany amin’ny filôzôfia sy ny fomba fanao tsy mari-pototra izay an’ny fiaraha-monina miaina ao anatin’ny zavatra ara-nofo.

Noho ireo olana ireo sy ny maro hafa dia miatrika fandraisana fanapahan-kevitra tsy tapaka isika izay hamaritra ny hoavintsika. Mba hahafahantsika mandray fanapahan-kevitra tsara dia ilaina ny herimpo—herimpo hiteny hoe tsia rehefa tokony hilaza izany, sy herimpo hiteny hoe eny rehefa mety ny ilazana izany, ary herimpo hanaovana izay zavatra tsara satria izay no tsara.

Noho ny fironan’ny fiaraha-monina ankehitriny haingana dia haingana any amin’ny fihatahana amin’ireo soatoavina sy fitsipika nomen’ny Tompo antsika dia saika azo antoka fa ho antsoina isika mba hiaro ny zavatra inoantsika. Moa ve isika hanana herimpo hanao izany?

Hoy ny Filoha J. Reuben Clark Jr., izay mpikambana tao amin’ny Fiadidiana Voalohany nandritra ny taona maro: “Efa nisy ny toe-javatra nahitana olona noheverina hoe nanana finoana … saingy nahatsapa izy ireo hoe noho izy ireo mety horabirabian’ireo tsy mpino mpiara-miasa amin’izy ireo raha toa ka manambara tanteraka ny finoany, dia voatery izy ireo na manovaova ny zavatra inoany na manome fanazavana tena manamaivana ny finoany na manarontsarona ny tena marina ka tena hanimba izany, na koa aza mody mampiseho hoe tsy miraharaha ny momba izany. Mpihatsaravelatsihy ny olona tahaka izany.”1 Tsy misy amintsika maniry ny ho antsoina hoe mpihatsaravelatsihy kanefa, moa ve isika misalasala ny hanambara ny finoantsika ao anatin’ny toe-javatra sasantsasany?

Afaka manampy ny tenantsika isika ao anatin’ilay faniriana mba hanao ny tsara raha toa ka mametraka ny tenantsika sy manao zavatra any amin’ny toerana izay hahavoatarika ny saina hanao ny tsara ary hampahazo aina ny Fanahin’ny Tompo.

Tsaroako taona maro lasa izay ny famakiako ny torohevitra nomen’ny ray anankiray ny zanany lahy izay handeha hifindra toerana satria hianatra: “Raha toa ianao ka tafiditra ao anatin’ny toerana iray izay tsy tokony hisy anao dia tonga dia mialà tao!” Atolotro ho anareo tsirairay avy koa izany torohevitra izany: “Raha toa ianareo ka tafiditra ao anatin’ny toerana iray izay tsy tokony hisy anareo dia tonga dia mialà tao!”

Mila manana herimpo tsy tapaka isika tsirairay. Ilaina isan’andro eo amin’ny fiainantsika ny herimpo—tsy hoe ao anatin’ny toe-javatra lehibe miseho fotsiny akory fa matetika kokoa rehefa mandray fanapahan-kevitra isika na mandray andraikitra eo anatrehan’ny toe-javatra miseho manodidina antsika. Toy izao no nolazain’i Robert Louis Stevenson mpahaitononkalo sy mpanoratra tantara foronina iray hoe: “Vitsy ihany no mahita ireo fihetsika feno herimpo nataon’olona isan’andro. Saingy tena mendri-piderana koa ny herimpo asehonareo na dia tsy misy olona mamporisika anareo sy olona mandoka anareo aza.”2

Miseho amin’ny endriny maro ny herimpo. Nanoratra izao ilay mpanoratra Kristianina, Charles Swindoll: “Tsy voafetra ho any amin’ny sahan’ny ady ihany akory no miseho ny herimpo, … na rehefa misambotra amim-pahasahiana mpangalatra iray ao an-tranonao. Misoko mangina kokoa lavitra ny fitsapana ny tena fisian’ny herimpo. Any anaty no isehoan’izany, toy ny fijanonana ho mahatoky rehefa tsy misy olona mijery anao, … toy ny fijoroana irery hatrany rehefa tsy mahatakatra ny hevitrao ny olona.”3 Ankoatra izany, io herimpo any anaty io dia ahitana koa ny fanaovana ny tokony hatao na dia mety mahatahotra aza isika, sy ny fiarovana ny finoantsika na dia mety halaina baraka aza isika ary ny fitazonana ireo zavatra inoana ireo na dia mety hamoy ny namantsika sy ny toerantsika eo amin’ny fiaraha-monina aza isika. Izay mijoro ho mafy orina amin’ny zavatra marina dia tsy maintsy manaiky ny ho voakina ary ho halan’ny olona indraindray.

Rehefa nanompo tao amin’ny tafika an-dranomasin’i Etazonia aho tamin’ny Ady Lehibe Faharoa dia nahita izany hoe asa mendri-piderana, sy toe-javatra nisehoan’ny fahasahiana ary ohatra maneho herimpo izany. Ny iray tamin’izany izay tsy hohadinoiko velively dia ilay herimpo mangina nananan’ny tantsambo 18 taona iray—tsy mpikambana ato amin’ny Fiangonantsika—izay tsy mba menamenatra nivavaka. Tao anatin’ireo lehilahy miisa 250 tao anatin’ilay andian-tafika, dia izy irery ihany no nandohalika teo akaikin’ny fandriany isak’alina ary indraindray teo anivon’ny fandrabirabiana sy fananihaniana nataon’ireo tsy mpino. Nanondrika ny lohany izy ary nivavaka tamin’Andriamanitra. Tsy mba natahotra velively izy ary tsy nisalasala velively. Nanana herimpo izy.

Vao tsy ela akory izay aho no naheno ohatra nasehon’olona iray izay azo antoka fa toa tsy nanana io herimpo anaty io. Nisy vehivavy namana iray nitantara tamiko momba ny fivoriana fanasan’ny Tompo anankiray tena masina sy nampitombo finoana izay natrehan’izy sy ny vadiny tao amin’ny paroasiny. Nanohina ny fon’ny mpiangona iray manontolo ny zatovolahy iray mpihazona ny anjara fanompoan’ny mpisorona ao amin’ny Fisoronana Aharôna raha niresaka momba ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara sy ny fifaliana avy amin’ny fitandremana ny didy izy. Nizara fijoroana ho vavolombelona avy tany am-pony tokoa izy ary tena nanohina ny fo rehefa nijoro teny amin’ny polpitra ary hita fa toa nadio sy tsara izy tao anatin’ilay lobaka fotsy sy karavato nanaovany.

Fotoana kely taty aoriana tamin’io andro io ihany, rehefa nitondra fiara nivoaka ny toerana nipetrahany io vehivavy io sy ny vadiny dia nahita ilay zatovolahy io ihany izay vao nanentana ny fanahin’izy ireo tokoa ora vitsy lasa teo alohan’io. Tamin’izay anefa dia tena niova ho hafa tanteraka mihitsy ny endriny raha nidina ny sisin-dalana ka nanao akanjo ratsiratsy—ary nifoka sigara. Tsy hoe tena diso fanantenana sy nalahelo fotsiny ilay namako sy ny vadiny fa sahiran-tsaina koa hoe ahoana no ahafahany ho tena maha-resy lahatra hoe olona manao ahoana izy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ary vetivety kely eo dia toa lasa olona iray hafa tanteraka.

Ry rahalahy, olona iray ihany ve ianareo na aiza na aiza misy anareo ary na inona na inona ataonareo—ilay olona izay tian’ny Rainareo any an-danitra hahatongavanareo ary ilay olona izay fantatrareo fa tokony ho hahatongavanareo?

Tao anatin’ny resadresaka natao tamin’ny mpanao gazety izay navoaka tao amin’ny gazetibokim-pirenena iray, dia nangatahana i Jabari Parker mpilalao basket fanta-daza avy any amin’ny oniversite, izay mpikamban’ny Fiangonana, mba hizara ny torohevitra tsara indrindra azony avy tamin’ny rainy. Namaly i Jabari hoe, “Izao no nolazain’ny [raiko], Aoka ianao hijanona ho ilay olona iray iny ihany na ao anatin’ny haizina na ao anatin’ny mazava.”4 Torohevitra manan-danja ho antsika rehetra izany ry rahalahy isany.

Ny soratra masintsika dia feno ohatra maneho ilay karazana herimpo ilaintsika tsirairay ankehitriny. Nampiseho herimpo tena lehibe i Daniela mpaminany tamin’ny niarovany tamim-pahasahiana ny zavatra fantany fa marina ary tamin’ny nampisehoany herimpo hivavaka na dia norahonana fa hovonoina aza raha toa manao izany.5

Nampiavaka ny fiainan’i Abinadia ny fananana herimpo izay hita tamin’ny fahavononany hanolotra ny ainy toy izay handa ny fahamarinana.6

Iza no tsy ho voakasiky ny Fanahy noho ny fiainan’ireo zatovo miaramila 2000 an’i Helamàna, izay nampianatra sy nampiseho ny filana ny herimpo mba hanarahana ny fampianarana nomen’ny ray aman-dreny mba hadio ara-pitondrantena?7

Ny ohatra nasehon’i Môrônia angamba no faratampony amin’ireo tantara ara-tsoratra masina tsirairay ireo satria izy dia nanana herimpo haharitra amim-pahamarinana hatrany am-piafaran’ny fiainany mihitsy.8

Nampiseho ohatra tsy hay isaina nahitana herimpo ny Mpaminany Joseph Smith nanditra ny androm-piainany. Anisan’ny tena nampivarahontsana indrindra ny nitranga tamin’ izy sy ireo rahalahy hafa nofatorana niaraka tamin’ny rojo vy—alaivo sary an-tsaina ange e, nofatorana niaraka— ary notazonina tao amin’ny trano kely tsy vita teo akaikin’ny lapan’ny fitsarana tany Richmond, Missouri. Nanoratra izao manaraka izao tao anatin’ny alina iray manokana i Parley P. Pratt, izay anisan’ireo nosamborina: “Nandry toa ireny hoe olona efa matory ireny izahay mandra-pahalasan’ny misasakalina ary narary ny sofinay sy ny fonay noho ny fihainoanay nandritra ny ora maro fandrabirabiana feno teny vetaveta sy faniratsirana mafy sy fanambanimbaniana mahatsiravina ary teny mirefarefa amin’ny tany nampiasain’ireo mpiambina anay.”

Notohizan’ny Loholona Pratt izany hoe:

“Nihaino izany aho mandra-pahatonga ahy ho rikoriko sy tafintohina sy nihoron-koditra ary tena feno fahatsapana hatezerana ara-drariny ka zavatra kely fotsiny sisa no nitazona ahy tsy hitsangana ka hanameloka ireo mpiambina. Saingy tsy niteny na inona na inona tamin’i Joseph na tamin’ny hafa aho na dia nandry teo akaikiny aza ary nahafantatra fa tsy natory izy. Tampotampoka teo dia nitsangana izy ary niteny tamin’ny feo tena mafy dia mafy toy ny feon’ny liona mitrerona ary nilaza an’izao teny manaraka izao araka ny fitadidiako azy:

“‘MANGINA. … Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy no hitenenako anareo ary mandidy anareo aho mba hangina; tsy afaka hiaina minitra iray hafa aho ao anatin’ny fihainoana fiteny toy izany. Atsaharo ny firesahana toy izany raha tsy izany dia ho faty IZAO DIA IZAO na ianareo, na izaho.’”

“Nijoro nahitsy tamin’ny fomba nihaminkamina izay nahavariana tokoa” i Joseph araka ny fitantaran’ny Loholona Pratt azy. Voafatotra tamin’ny rojo vy izy ary tsy nanana fitaovam-piadiana saingy tony izy ary naneho fahambonian-toetra. Niondrika nijery ireo mpiambina matin’ny tahotra izy izay nitampify teny an-joron-trano na nitorovoka teo an-tongony. Niangavy azy ireto lehilahy izay toa tsy hay ahitsy ireto mba hamela azy ireo ary dia nangina.9

Tsy hoe mitondra vokany mahatalanjona sy eo noho eo toy izany daholo akory ny fihetsika rehetra maneho herimpo, saingy izy rehetra kosa dia tena mitondra filaminan-tsaina sy fahafantarana fa voaro ny rariny sy ny fahamarinana.

Tsy vita ny mitoetra ho mahatoky raha toa ny zavatra atao ka mifototra amin’ireo hevitry ny olona sy ny zavatra ekena izay miovaova foana. Ilaina ny fananana herimpo tahaka ny an’i Daniela, na Abinadia, na Môrônia, na ny an’i Joseph Smith mba hahafahantsika mifikitra mafy dia mafy amin’izay fantatsika fa marina. Nanana herimpo izy ireo hanao izay tsara fa tsy izay mora atao.

Hiatrika tahotra ary hiaina fanalam-baraka sy fanoherana avokoa isika. Aoka isika—isika rehetra mihitsy—hanana herimpo hanohitra ny hevitra ironan’ny olona sy hanana herimpo hiaro ny fitsipika ijoroantsika. Ny herimpo, fa tsy ny fanekena fahatany no ahazoantsika ilay fankasitrahan’Andriamanitra. Ny herimpo dia lasa toetra tsara mahery vaika sy manaitra rehefa tsy raisina ho toy ny fahavononana ho faty amim-pahamendrehana fotsiny ihany fa raisina ho fahavononana hiaina amim-pahamendrehana koa. Rehefa mandroso isika sady miezaka miaina araka ny fomba tokony hiainantsika dia azo antoka fa hahazo fanampiana avy amin’ny Tompo ary hahita fampaherezana ao anatin’ny teniny. Tiako ilay fampanantenany voarakitra ao amin’ny bokin’i Josoa:

“Tsy handao anao na hahafoy anao aho. …

“… Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao.”10

Ry rahalahiko malala, aoka isika hanambara miaraka amin’i Paoly Apôstôly ao anatin’ny fananana herimpo hijoro amin’ny finoantsika manao hoe, “Fa tsy menatra ny filazantsara[n’i Kristy] aho.”11 Ary miaraka amin’izay herimpo izay ihany dia enga anie isika ka hanaraka ny torohevitr’i Paoly hoe: “Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.”12

Mandalo ihany ireo ady miteraka fandravana saingy ilay ady atao mba hifehezana ny fanahin’ny olona dia mitohy tsy an-kijanona. Manambara mazava tsara izao teny izao amiko sy aminao ary aminareo mpihazona ny fisoronana rehetra ny Tompo manao hoe: “Koa ankehitriny, aoka ny olona tsirairay hianatra ny andraikiny ary hiasa amin’ny zotom-po rehetra ao amin’ny anjara fanompoana izay anendrena azy.”13 Amin’izay isika dia ho lasa araka ny filazan’i Petera Apôstôly azy hoe “fanjakà-mpisorona”14 iray tanjona ary voatafy hery avy any amin’ny avo.15

Enga anie isika tsirairay ka hiala eto anio hariva miaraka amin’ny fahavononana sy ny herimpo hilaza hiaraka amin’i Joba fahiny hoe, “[Raha] mbola ato anatiko ihany ny aiko, … dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.”16 Mivavaka amim-panetren-tena aho mba ho tanteraka izany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika, amena.