2010–2019
Mitondra Mora Foana ny Enta-mavesany
Aprily 2014


Mitondra Mora Foana ny Enta-mavesany

Sary

Ireo enta-mavesatra miavaka eo amin’ny fiainantsika tsirairay dia manampy antsika hiantehitra amin’ny fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina.

Manana namana akaiky iray aho izay resy lahatra, taona vitsivitsy taorian’ny nanambadiany, fa nila fiara tsy mataho-dalana izy sy ny fianakaviany. Azon’ilay vadiny antoka fa tsy nila ilay fiara vaovao izy fa te hanana izany fotsiny. Ny resaka miharo vazivazy nifanaovan’izy mivady no niantombohan’ny fieritreretan’izy ireo ny tombontsoa sy ny fatiantoka amin’ny fividianana ilay fiara.

“Malala a! mila fiara tsy mataho-dalana isika.”

Nanontany ramatoa hoe: “Nahoana ianao no mieritreritra fa mila fiara vaovao isika?”

Nanome valinteny izay ninoany fa tena mahavaly tsara ilay fanontaniana ilay rangahy: “Ahoana moa raha mila mividy ronono ho an’ireo zanatsika isika ao anatin’ny oram-baratra iray mahery vaika, ka ny hany fomba ahafahako mandeha mankany amin’ny mpivarotra dia ny mandeha fiara tsy mataho-dalana?”

Namaly tamim-pitsikiana ilay vadiny hoe: “Raha mividy fiara tsy mataho-dalana vaovao isika dia tsy hanam-bola hividianana ronono—ka inona ary no hiasana saina hoe handeha ho any amin’ny toeram-pivarotana rehefa misy zavatra maika ilaina!”

Rehefa nandeha ny fotoana dia mbola nifampidinika izy ireo ary nony farany dia nanapa-kevitra ny hividy ilay fiara. Fotoana fohy taorian’ny nahazoany ilay fitaovam-pitaterana vaovao, dia nanam-paniriana ilay namako mba hampiseho fa tena ilaina ilay fiara sady hanamarina ireo antony nahatonga azy haniry hividy izany. Noho izany dia nanapa-kevitra izy fa hanapaka sy hibata kitay ho entiny any an-trano. Fararano tamin’izay, ary efa nanomboka nirotsaka teny amin’ny tendrombohitra izay nokasainy hakana ireo kitay ny ranomandry. Rehefa niakatra ilay tendrombohitra ny fiara nentiny, dia nihanatevina tsikelikely hatrany ny ranomandry. Nahatsapa ilay namako fa mampidi-doza ny mandeha amin’ilay lalana malama, kanefa nanohy ny diany izy noho ny fahatokisany ilay fiara vaovao.

Indrisy anefa, fa lasa lavitra loatra tao anaty lalana feno ranomandry ilay namako. Rehefa namily ilay fiara hivoaka ilay lalana ho any amin’ilay toerana saika hakàny kitay izy, dia tsy afa-nihetsika ilay fiara. Nihodikondina tao anaty ranomandry ireo kodiarana efatra tamin’ilay fiara. Niaiky avy hatrany izy fa tsy hainy izay tokony hatao mba hivoahana amin’ilay toe-javatra mampidi-doza. Sadaikatra sy sahiran-tsaina izy.

Nanapa-kevitra ilay namako nanao hoe: “Eny ary, tsy hijanona fotsiny eto aho.” Nivoaka ilay fiara izy ary nanomboka nikapa kitay. Nofenoiny tamin’ireo entana mavesatra ny tao aorian’ilay fiara. Ary nanapa-kevitra ilay namako rehefa avy teo fa mbola hanandrana indray ny hamoaka ilay fiara avy ao amin’ilay ranomandry. Rehefa novelominy ilay fiara ka nampandehaniny dia nanomboka nandroso kely izany. Niala tsimoramora avy ao amin’ilay ranomandry ilay fiara ka niverina teo amin’ny lalana. Afaka nody izy nony farany, feno fifaliana sy fanetren-tena.

Ny Enta-mavesatra Entintsika Tsirairay

Mivavaka aho mba hahazo ny fanampian’ny Fanahy Masina mandritra ny fanantitranterako ireo lesona manan-danja izay azo tsoahina avy amin’ny tantaran’ilay namako sy ilay fiara ary ny kitay. Ilay entana mavesatra no nahatonga izany. Ny havesaran’ireo kitay teo ambonin’ilay fiara no nahazoana ny hery nilaina mba hanaisorany ilay fiara tao amin’ny ranomandry, ka hiverina eo amin’ny lalana, ary handroso. Ilay entana mavesatra no nahafahany niverina ho any amin’ny fianakaviany sy ny tokantranony.

Mitondra enta-mavesatra ihany koa ny tsirairay amintsika. Tafiditra ao anatin’ny enta-mavesatry ny tenantsika manokana ireo zavatra takiana amintsika sy ireo lalana mahasoa misokatra ho antsika, ireo andraikitra sy ireo tombontsoa, ireo fahoriana sy ireo fitahiana, ary ireo safidy sy ireo faneriterena. Misy fanontaniana roa izay mety hanampy antsika rehefa mamerimberina manombantombana ny enta-mavesatsika amim-bavaka isika: “Moa ve ny enta-mavesatra izay entiko mitondra hery ara-panahy izay ahafahako mibosesika handroso amin’ny finoana an’i Kristy eo amin’ilay lalana ety sy tery ka hisoroka ny tsy fahafahana mihetsika? Moa ve ny enta-mavesatra entiko mampisy ny hery ara-panahy ampy mba hahafahako miverina any amin’ny Ray any an-danitra any aoriana any?”

Indraindray isika dia mety hanana eritreritra diso fa ny fahasambarana dia ny tsy fisian’ny enta-mavesatra. Ny fitondrana enta-mavesatra anefa dia ampahany tena ilaina sy manan-danja ao amin’ny drafitry ny fahasambarana. Koa satria ny enta-mavesatry ny tenantsika manokana dia tokony hitondra hery ara-panahy, dia tokony hitandrina isika mba tsy hamela ireo zavatra izay kanto nefa tsy ilaina mba hibahana eo amin’ny fiainantsika ka hahatonga antsika ho variana dia tsy hifantoka amin’ireo zavatra izay tena manan-danja indrindra.

Ny Hery Mampatanjaky ny Sorompanavotana

Hoy ny Mpamonjy hoe:

“Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”

“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho: dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.”

“Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako” (Matio 11:28–30).

Ny zioga dia vatan-kazo lehibe iray, izay atao eo anelanelan’ny omby na biby hafa anankiroa raha ny tokony ho izy mba hahafahan’izy ireo miara-mitarika enta-mavesatra iray. Mampifanakaiky ny biby roa ny zioga iray ka afaka miara-mikisaka izy ireo mba hahavitana asa iray.

Eritrereto ilay fanasana manokana tena miavaka nataon’ny Tompo hoe “ento ny ziogako.” Ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana masina dia mampifandray antsika sy mahatonga antsika ho tafaray amin’i Jesoa Kristy Tompo. Ny zava-dehibe indrindra dia manasa antsika hiantehitra Aminy sy hiara-mitondra ny enta-mavesatra Aminy ny Mpamonjy, na dia tsy mitovy sy tsy azo ampitahaina amin’ny Azy aza ny ezaka lehibe indrindra vitantsika. Rehefa matoky Azy isika sy mitondra ny enta-mavesatsika miaraka Aminy mandritra ny fiainana ety an-tany, dia marina tokoa fa mora ny ziogany, ary maivana ny entany.

Tsy irery isika ary tsy mila ny ho irery mihitsy. Afaka mibosesika mandroso isika amin’ny fiainantsika andavanandro noho ny fanampiana avy any an-danitra izay azontsika. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia afaka hahazo fahaiza-manao sy hery “mihoatra noho izay ananantsika amin’izao” isika (“Seigneur Je Te Suivrai,” Cantiques, no. 141). Nanambara ny Tompo hoe: “Koa tohizo ny dianareo ary aoka hiravoravo ny fonareo; fa indro ka jereo, fa Izaho momba anareo hatramin’ny farany” (F&F 100:12).

Saintsaino ilay ohatra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna raha nanenjika an’i Almà sy ny vahoakany i Amiolôna. Tonga teo amin’ireo mpianatra ireo tao anatin’ny fahorian’izy ireo ny feon’ny Tompo nanao hoe: “Atrakao ny lohanareo ary manàna fahatokiana, satria fantatro ny fanekempihavanana izay efa nataonareo Tamiko: ary Izaho hanao fanekempihavanana amin’ny oloko sy hanafaka azy hiala amin’ny famatorana” (Môsià 24:13).

Jereo fa ny fanekempihavanana dia manana toerana lehibe ao amin’ilay fampanantenana hanome fanafahana. Ireo fanekempihavanana noraisina sy nohajaina tamim-pahamarinana tanteraka sy ireo ôrdônansy izay notanterahina tamin’ny fahefan’ny fisoronana marina dia ilaina mba handraisana ireo fitahiana izay afaka ny ho azo noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Fa amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana, ny herin’ny toetra araka an’Andriamanitra dia miharihary amin’ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny nofo, anisan’izany ireo fitahian’ny Sorompanavotana (jereo ny F&F 84:20–21).

Tadidio ny teny nambaran’ny Mpamonjy hoe “Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako” (Matio 11:30) eo am-pijerentsika ny andininy manaraka ao anatin’ilay tantaran’i Almà sy ny vahoakany.

“Ary hohamaivaniko koa ny enta-mavesatra izay apetraka eo an-tsorokareo, ka tsy hahatsapa izany ny lamosinareo” (Môsià 24:14).

Maro amintsika no mety hieritreritra fa io soratra masina io dia midika fa ny enta-mavesatra iray dia hoesorina tampoka ka tsy haverina intsony. Ilay andininy manaraka anefa, dia milaza ny fomba nanamaivanana ilay enta-mavesatra.

“Ary ankehitriny ny zava-nitranga dia nohamaivanina ny enta-mavesatra izay nampitondraina an’i Almà sy ny rahalahiny; eny, nampahatanjaka azy ny Tompo mba hahafahany mitondra mora foana ny enta-mavesany, ary izy dia nanaiky tamim-pifaliana sy tamim-paharetana ny sitrapon’ny Tompo rehetra” (Môsià 24:15; nampiana fanamafisana).

Ireo olana sy fahasahiranana dia tsy nesorina avy hatrany tamin’ireo vahoaka. Fa i Almà sy ireo mpanara-dia azy dia nampahatanjahana, ary ny fahaiza-manaony izay nitombo dia nanamaivana ny enta-mavesany. Ireo olo-marina ireo dia nahazo hery tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana mba hanao zavatra amin’ny fahafahany manao safidy ho an’ny tenany (jereo ny F&F 58:26–29) sy hanova zavatra amin’izay toe-javatra misy azy ireo. Ary “tamin’ny herin’ny Tompo” (Tenin’i Môrmôna 1:14; Môsià 9:17; 10:10; Almà 20:4), dia nentina ho any amin’ny fiarovana any amin’ny tanin’i Zarahemlà i Almà sy ny vahoakany.

Tsy mandresy ireo vokatry ny Fahalavoan’i Adama sy mampisy ny famelana ny fahotantsika sy ny fandikan-dalantsika tsirairay fotsiny ihany ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, fa ny Sorompanavotany koa dia mahatonga antsika ho afaka manao ny tsara sy ho lasa olona tsaratsara kokoa mihoatra lavitra noho izay vitantsika amin’ny maha-mety maty antsika. Maro amintsika no mahafantatra fa rehefa manao zavatra ratsy isika dia mila fanampiana mba handresena ny vokatry ny fahotana eo amin’ny fiainantsika, ny Mpamonjy dia nanao izay hahatonga antsika ho madio amin’ny alalan’ilay heriny manavotra. Kanefa moa ve isika mahatakatra fa ny Sorompanavotana dia natao koa ho an’ireo lehilahy sy vehivavy mahatoky izay mankatò, mendrika sy tena mitandrina tokoa ireo didy ary miezaka ny ho lasa tsara kokoa sy hanompo amim-pahatokiana kokoa? Manontany tena aho raha toa isika ka tsy manaiky tanteraka io lafiny mampaherin’ny Sorompanavotana io eo amin’ny fiainantsika kanefa manana fihevitra diso hoe tsy maintsy mitondra samirery ny enta-mavesatsika—amin’ny alalan’ny herintsaina sy herimpo ary fahasahiana sy fitsipi-pifehezantena miaraka amin’ilay fahaiza-manaontsika izay mazava ho azy fa voafetra.

Zavatra iray tsara ho fantatra ny hoe i Jesoa Kristy dia tonga teto an-tany mba ho faty ho antsika. Saingy isika koa dia mila mankasitraka ilay hoe, ny Tompo dia maniry, amin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina mba hiaina ao anatintsika—tsy hoe hitarika antsika fotsiny fa mba hanome hery sy hanasitrana antsika koa.

Manampy ny vahoakany ny Mpamonjy

I Almà dia manazava hoe inona no antony hanampian’ny Mpamonjy antsika ary amin’ny fomba ahoana:

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany; ary izany dia ny mba hahatanteraka ny teny izay milaza fa hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony Izy.

Ary haka ny fahafatesana ho eo Aminy Izy, mba hahazoany mamaha ny famatoran’ny fahafatesana izay mamatotra ny olony; ary haka ny rofiny ho eo Aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:11–12).

Araka izany dia tsy ho an’ny fahotantsika sy ny faharatsiantsika ihany no nijalian’ny Mpamonjy—fa ho an’ireo aretintsika sy ny fangirifiriantsika ara-batana ihany koa, ho an’ireo fahalementsika sy ireo tsy fahalavorariantsika, ireo tahotra sy fanakantsakanana mihatra amintsika, ireo fahadisoam-panantenantsika sy ireo fahakiviantsika, ireo nenina sy alahelo lalina tsapantsika, ny famoizam-po sy ny fanarian-tokintsika, ny tsy fahamarinana sy ny tsy rariny izay iainantsika, ary ireo alahelo ara-pihetsehampo izay manahirana antsika.

Tsy misy fanaintainana ara-nofo, tsy misy ratra ara-panahy, tsy misy fangirifirian’ny fanahy na aretim-po, tsy misy kilema na fahalemena izay mety hatrehako sy hatrehanao ety an-tany ka tsy efa niainan’ny Mpamonjy aloha. Ao anatin’ny fotoana mampahalemy antsika dia mety hiantsoantso isika hoe: “Tsy misy mahafantatra hoe manao ahoana izany. Tsy misy afaka mahatakatra izany.” Kanefa ny Zanakalahin’Andriamanitra dia mahafantatra tanteraka sy mahatakatra tsara, satria efa nahatsapa sy nitondra ny enta-mavesatsika tsirairay Izy. Ary noho ny sorona tsy manam-petra sy mandrakizay nataony (jereo ny Almà 34:14), dia manana fangorahana tanteraka Izy ary afaka manolotra amintsika ny sandrin’ny famindram-pony. Afaka manolo-tanana Izy, mikasika, manampy, manasitrana ary mampahatanjaka antsika mba hahatonga antsika ho lehibe kokoa noho izay azontsika ahatongavana ary hanampy antsika hanao izay tsy ho vitantsika mihitsy raha ny herintsika manokana no ianteherantsika. Marina tokoa fa mora ny ziogany ary maivana ny entany.

Fanasana sy Fampanantenana ary Fijoroana ho vavolombelona

Manasa anareo aho handalina, hivavaka, hisaintsaina ary hiezaka ny hianatra bebe kokoa momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy rehefa manombantombana ny enta-mavesatry ny tenanareo manokana ianareo. Maro ireo zavatra mikasika ny Sorompanavotana izay tsy azontsika ho takarina amin’ny saina maha-olombelona. Kanefa maro ireo lafin’ny Sorompanavotana izay azontsika sy ilaintsika takarina.

Ho an’ilay namako dia nitondra hery nahavonjy ny havesaran’ireo kitay. Tsy afaka nihetsika tao anaty ranomandry ilay fiara izay tsy nisy na inona na inona, na dia fiara tsy mataho-dalana aza. Nilaina ny enta-mavesatra mba hampisy hery entina nitarika ilay fiara.

Ilay entana mavesatra no nahatonga izany. Ilay enta-mavesatra no nitondra hery enti-mitarika izay nahafahan’ilay namako ho afaka nihetsika, hiverina eny amin’ny lalana, hibosesika handroso, ary hiverina any amin’ny fianakaviany.

Ireo enta-mavesatra miavaka eo amin’ny fiainantsika tsirairay dia manampy antsika hiantehitra amin’ny fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina (jereo ny 2 Nefia 2:8). Mijoro ho vavolombelona aho ary mampanantena fa ny Mpamonjy dia hanampy antsika hitondra mora foana ireo enta-mavesatsika (jereo ny Môsià 24:15). Rehefa miara-mitondra zioga Aminy isika amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana masina ary mandray ilay hery manampin’ny Sorompanavotany eo amin’ny fiainantsika, dia hikatsaka hatrany isika ny hahatakatra sy hiaina araka ny sitrapony. Hivavaka ihany koa isika mba hanana hery entina maka lesona sy manova ary manaiky ireo toe-javatra misy antsika fa tsy hivavaka tsy an-kiato amin’Andriamanitra mba hanova ny toe-javatra misy antsika araka ny sitrapontsika. Ho tonga olona mihetsika isika fa tsy zavatra izay hetsehana (jereo ny 2 Nefia 2:14). Hahazo hery ara-panahy izay mitarika antsika isika.

Enga anie ny tsirairay amintsika hanao tsaratsara kokoa sy ho tonga olona tsaratsara kokoa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. 6 Aprily androany. Fantatsika amin’ny alalan’ny fanambarana fa anio no daty marina nahaterahan’ny Mpamonjy. Ny 6 Aprily ihany koa no andro nananganana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. (Jereo ny F&F 20:1; Harold B. Lee, “Strengthen the Stakes of Zion,” Ensign, Jolay 1973, 2; Spencer W. Kimball, “Why Call Me Lord, Lord, and Do Not the Things Which I Say?” Ensign, Mey 1975, 4; Spencer W. Kimball, “Remarks and Dedication of the Fayette, New York, Buildings,” Ensign, Mey 1980, 54; Discourses of President Gordon B. Hinckley, Boky 1: 1995–1999 [2005], 409.) Amin’izao andro Sabata miavaka sy masina izao, dia manambara ny fijoroako ho vavolombelona aho fa i Jesoa Ilay Kristy no Mpanavotra antsika. Velona Izy ary hanadio, hanasitrana, hitarika, hiaro, sy hampahery antsika. Izany no ijoroako ho vavolombelona amim-pifaliana amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.