2010–2019
Zanakavavy ao amin’ny Fanekempihavanana
Aprily 2014


Zanakavavy ao amin’ny Fanekempihavanana

Sary

Ny lalana tsy maintsy hizorantsika hiverenana any amin’ny Raintsika any an-danitra … dia voamariky ny fanekempihavanana masina atao amin’Andriamanitra.

Nampianarina niaraka tamin’ny hery ara-panahy isika androany hariva. Antenaiko fa hipaka lalina ao am-ponareo tahaka ny nataon’izany tamiko ireo teny nolazain’ireo rahavavy mpitarika manana ny maha-izy azy ireo.

Manan-tantara ity fivoriana ity. Nasaina hiaraka amintsika eto izao hariva izao ny vehivavy rehetra valo taona no ho miakatra ato amin’ny Fiangonana. Maro tamintsika no nivavaka mba hiarahan’ny Fanahy Masina amintsika eto. Nomena antsika izany fitahiana izany rehefa nandre ireo rahavavy ireo nandray fitenenana sy nihaino ny hira nanentana fanahy isika. Mivavaka aho mba hiarahan’ny Fanahy amintsika mandrakariva eo am-pizarako teny fampaherezana sy fijoroana ho vavolombelona ho fanampin’izay efa voalaza—ary mba hijoroana ho vavolombelona indrindra indrindra fa ny zavatra nolazaina tamintsika no tian’ny Tompo ho rentsika.

Hiresaka mikasika ny lalana—nofariparitana tamintsika teto androany tamin’ny fomba tena tsara—izay tsy maintsy hizorantsika hiverenana any amin’ny Raintsika any an-danitra aho izao hariva izao. Voamariky ny fanekempihavanana masina atao amin’Andriamanitra izany lalana izany. Hiresaka aminareo mikasika ny fifaliana amin’ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana ireo aho ary ny fanampiana ny hafa hitandrina izany.

Maro aminareo no natao batisa vao haingana ary nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Mbola mazava tsara aminareo izay vao natao batisa izany fahatsiarovana izany. Ny hafa dia efa ela no vita batisa ka mety ho tsy dia mazava loatra ny fahatsiarovana ireo fahatsapana tamin’ny nanaovana izany fanekempihavanana izany, kanefa mitamberina indray ny sasany amin’ireo fahatsapana ireo isaky ny mihaino ireo vavaka ho an’ny fanasan’ny Tompo ianareo.

Tsy hisy olona hanana fahatsiarovana mitovy momba ilay andro izay nanaovantsika izany fanekempihavanana masin’ny batisa izany sy nandraisantsika ny fanomezana ny Fanahy Masina. Kanefa samy nahatsapa ny fankatoavan’Andriamanitra isika tsirairay avy. Dia nahatsapa faniriana hamela heloka sy ho voavela heloka isika ary nahatsapa ny fitomboan’ny fahavononana hanao ny tsara.

Ny fomba nanomanan’ireo olona feno fitiavana anareo no tena naha-latsa-paka be indrindra ireo fahatsapana ireo tao am-ponareo. Manantena aho fa ianareo izay natao batisa vao haingana tato amin’ny Fiangonana dia mahatsapa fifaliana fa mipetraka eo anilan’ny reninareo. Raha faly ianareo dia mitsikia aminy amin’izao fotoana izao mba hisaorana azy. Tadidiko ny fahatsapako fifaliana sy fankasitrahana rehefa nipetraka tao aorian’ny reniko aho rehefa nandeha nody tamin’ny fiara taorian’ny batisako tao Philadelphie, Pennsylvanie.

Ny reniko no nanomana tsara ahy tamin’ny fanaovana izany fanekempihavanana izany sy tamin’ireo zavatra maro hafa rehetra izay ho avy. Nahatoky tamin’ity andraikitra nasain’ny Tompo natao ity izy:

“Ary ankoatra izany, raha manan-janaka ao i Ziona na any amin’ireo tsatòkany izay voatsangana ny ray aman-dreny ka tsy mampianatra azy hahazoany ny fotopampianarana momba ny finoana an’i Kristy, ny Zanak’Ilay Andriamanitra velona, ary ny momba ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana, rehefa feno valo taona izy, dia mby eo amin’ny lohan’ny ray aman-dreny ny fahotana.

“Fa izany dia ho lalàna ho an’ny mponin’ i Ziona, na any amin’ ireo tsatòkany izay voatsangana.

“Ary ny zanany dia hatao batisa ho famelana ny fahotany rehefa feno valo taona ary handray ny [Fanahy Masina].”1

Nanatontosa ny andraikiny ny reniko. Nanomana ireo zanany tamin’ny alalan’ny teny mitovy tokoa amin’ny an’i Almà izy, araka izay voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna:

“Ary ny zava-nitranga dia hoy izy taminy: Indro, inty no ranon’i Môrmôna (fa izany no niantsoana azy) ary ankehitriny, satria maniry ianareo ny ho tonga ao amin’ ny valan’ Andriamanitra sy hantsoina hoe vahoakany ary te hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany;

“Eny, ary te hiara-malahelo amin’izay malahelo; eny, ary hampionona ireo izay mila fampiononana sy hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ ny fotoana rehetra sy amin’ ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra izay mety hisy anareo, na dia hatramin’ ny fahafatesana aza, mba hahatonga anareo ho voavotr’Andriamanitra ary ho voaisa miaraka amin’ ireo ao amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany, ka hahazoanareo ny fiainana mandrakizay—

“Ankehitriny, lazaiko aminareo, raha izany no fanirian’ny fonareo, inona no misakana ny tsy anaovana batisa anareo amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona eo anoloany fa efa nanao fanekempihavanana Taminy ianareo, fa hanompo Azy sy hitandrina ny didiny mba hahazoany mampidina bebe kokoa ny Fanahiny aminareo?

“Ary ankehitriny, nony efa nandre izany teny izany ny vahoaka dia niteha-tànana noho ny fifaliana ary niantso hoe: Izany no fanirian’ ny fonay.”2

Mety tsy niteha-tanana angamba ianareo tamin’ny nandrenesanareo voalohany io fanasana hanao fanekempihavanana tamin’ny alalan’ny batisa io, kanefa tena inoako fa nahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy sy fanoloran-tena bebe kokoa mba hikarakara ny hafa ho Azy ianareo. Afaka miteny aho hoe “tena inoako” satria napetraka lalina ao am-pon’ny zanakavavin’ny Ray any an-danitra rehetra ireo fahatsapana ireo. Anisan’ny lova masinareo avy Aminy izany.

Nampianariny ianareo talohan’ny nahaterahanareo teto an-tany. Nampiany hahatakatra sy hanaiky ianareo fa handalo fizahan-toetra, fitsapana, ary hanana tombontsoa maro izay nofidiana tamin’ny fomba lavorary ho anareo fotsiny ihany. Nianatra ianareo fa nanana drafitry ny fahasambarana ny Ray mba hanampiana anareo handresy ireo fitsapana ireo ary hanampianareo ny hafa handresy ireo fitsapana mianjady amin’izy ireo. Io drafitra io dia voamarika amin’ny alalan’ny fanekempihavanana atao amin’Andriamanitra.

Manana safidy malalaka ianao ny hanao sy hitandrina an’ireo fanekempihavanana ireo na tsia. Vitsy amin’ireo zanany vavy ihany no mba manana tombontsoa eto an-tany hianatra momba ireo fanekempihavanana ireo. Iray amin’ireo vitsy nahazo tombony ianao. Ianareo ranabavy malala, ny tsirairay avy aminareo dia zanakavavy ao amin’ny fanekempihavanana.

Nampianatra anareo mikasika ireo zavatra hiainanareo rehefa mandao Azy ka tonga ety an-tany ny Ray any an-danitra talohan’ny nahaterahanareo. Nampianarina ianareo fa tsy ho mora ny fomba hiverenana any Aminy. Fantany fa tena ho sarotra tokoa aminareo ny hanao ilay dia raha tsy misy fanampiana.

Notahiana ianareo, tsy hoe mba hahita ny lalana hanaovana ireo fanekempihavanana ireo eto an-tany fotsiny ihany fa mba ho voahodidinin’ireo zanakavavin’ny Ray any an-danitra nanao fanekempihavanana tahaka anareo koa, izay hanampy anareo.

Ianareo rehetra dia samy nahatsapa ny fahazoanareo tombony noho ny fiarahanareo amin’ireo zanakavavin’Andriamanitra eto izao hariva izao, zanakavavy izay manao fanekempihavanana ihany koa mba hanampy sy hitarika anareo satria nampanantena ny hanao izany izy ireo. Nahita izay hitanareo aho rehefa manaja izany fanoloran-tena izany ireo rahavavin’ny fanekempihavanana mba hampionona sy hanampy—ary manao izany am-pifaliana.

Tsaroako ny tsikin-drahavavy Ruby Haight. Vadin’ny Loholona David B. Haight izay mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy. Fony izy tovolahy dia filohan’ny tsatòkan’i Palo Alto tao Californie izy. Nivavaka sy niahiahy ny amin’ireo zazavavy tao amin’ny kilasin’ny Farimbona tao amin’ny paroasiny izy.

Noho izany dia notaomim-panahy ny Filoha Haight mba hangataka ny eveka hiantso an’i Ruby Haight hampianatra ireo zatovovavy ireo. Fantany fa ho vavolombelon’Andriamanitra ny vadiny, izay hitondra fahazavan-tsaina amam-panahy sy hampionona ary hitia an’ireo zazavavy tao amin’izany kilasy izany.

Zokin’ireo zazavavy nampianariny farafahakeliny 30 taona Rahavavy Haight. Kanefa 40 taona taorian’ny nampianarany azy ireo, isak’izay nihaona tamin’ny vadiko izy, izay iray tamin’ireo zazavavy tao amin’ny kilasiny, dia ahinjiny ny tanany dia mitsiky izy, ary miteny amin’i Kathy hoe “Ndry! Ilay Farimbona keliko marina!” Nahita zavatra hafa ankoatra ilay tsikiny aho. Tsapako ny fitiavany lalina izay nambarany tamin’ny rahavavy iray mbola nifantohan’ny eritreriny toy ny hoe zanany vavy mihitsy. Ny tsikiny sy ny fiarahabany tamim-pitiavana dia avy amin’ny fahitany fa ny rahavavy iray sy zanakavavin’Andriamanitra iray dia mbola eo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana mankany an-trano.

Faly noho ny aminareo ihany koa ny Ray any an-danitra rehefa mahita anareo manampy zanany vavy iray mandeha eo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Ary faly Izy isak’izay misafidy ny tsara ianareo. Tsy ny maha-ianareo anareo amin’izao fotoana izao fotsiny no hitany fa izay mety hahatongavanareo koa.

Mety nanana ray na reny tety an-tany ianareo, izay nieritreritra fa ianareo dia afaka ny ho tonga tsaratsara kokoa noho izay heverinareo fa azonareo hahatongavana. Nanana reny toy izany aho.

Ny zavatra tsy fantatro tamin’ny fahatanorako dia ny hoe ny Raiko any an-danitra, ny Rainareo any an-danitra dia mahita hery anaty lehibe kokoa enti-manao zavatra ao amin’ireo zanany mihoatra noho izay hitantsika ao anatintsika na hitan’ireo renintsika ety an-tany aza. Ary rehefa mandroso amin’izany lalana mankany amin’ny hery anaty hahafahanareo manao zavatra izany ianareo dia mitondra fahasambarana ho Azy izany. Dia afaka mahatsapa ny fankatoavany ianareo.

Hitany izany hery anaty lehibe ao amin’ireo zanany vavy rehetra izany na aiza na aiza misy azy ireo. Izany dia manome andraikitra lehibe hotanterahanareo tsirairay avy. Miandry anareo Izy handray ny olona rehetra mifanena aminareo ho toy ny zanak’Andriamanitra. Izay no antony handidiany antsika ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika sy hamela azy ireo. Tonga tahaka ny lova masina avy Aminy ny fahatsapanareo hatsaram-panahy sy famelan-keloka amin’ny maha-zanany vavy anareo. Zanany ara-panahy izay tiany ny tsirairay avy amin’ireo olona mifanena aminareo.

Rehefa mahatsapa izany maha-mpirahavavy izany ianareo dia foana ireo zavatra heverintsika fa mampisaraka antsika. Ohatra, mizara ny zavatra tsapany ireo rahavavy tanora sy zokinjokiny ary manantena ny mba hahatakaran’ny olona izany sy ny hanekena azy ireo. Tsy dia manan-danja ny fahasamihafana eo aminareo raha ampitahaina amin’ny zavatra itovianareo amin’ny maha-zanakavavin’Andriamanitra anareo.

Miaraka amin’izany fahatakarana izany, ireo zatovovavy dia tokony hiandrandra ny fidirany ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ho toy ny fahafahana mampitombo ny isan’ireo rahavaviny izay ho fantatr’izy ireo sy hankamamiany ary hotiaviny.

Izany fahafahana hahita izay azontsika hahatongavana izany dia mihamitombo ao amin’ny fianakaviana sy ny Kilonga. Mitranga mandritra ny takarivan’ny mpianakavy sy ao anatin’ireo fandaharam-pianaran’ny Kilonga izany. Taomin’ny Fanahy ny ankizy madinika mba hilaza zavatra lehibe sy mahatalanjona, tahaka ny nataon’izy ireo rehefa novahan’ny Mpamonjy ny lelan’izy ireo tamin’ny fotoana nampianarany azy ireo taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty.3

Raha mety manafika ireo rahavavy amin’ny fahatanorany i Satana, ny Tompo kosa dia manentana ireo rahavavy ho amin’ny hery ara-panahy ambonimbony kokoa hatrany. Ohatra, ny zatovovavy dia mampianatra ireo reniny ny fomba ampiasana ny Fikarohana Tantaram-pianakaviana mba hitadiavana sy hamonjena ireo razambe. Ny rahavavy tanora sasany izay fantatro dia misafidy ny handeha vao maraina hanao batisa hisoloan-tena ny maty any amin’ny tempoly ary tsy misy zavatra mahamaika azy ireo ankoatra ny fanahin’i Elia.

Rahavavy maro any amin’ireo misiona maneran-tany no antsoina mba hanompo mba ho lasa mpitarika. Nataon’ny Tompo izay hahatsapan’izy ireo fa ilaina ny fanaovany asa fanompoana tamin’ny alalan’ny fikasihana ny fon’ireo rahavavy maro be mba hanompo. Maro ireo filohan’ny misiona nahita ireo misiônera vehivavy izay lasa matanjaka kokoa aza amin’ny maha-mpitory ny filazantsara azy ireo ary indrindra fa amin’ny maha-mpitarika mpikolokolo azy.

Na misiônera amin’ny fotoana feno ianareo na tsia, dia afaka mahazo fahafahana mitovy mba hikolokolo tsara ny fanambadianareo sy ny fahaiza-manao hitaizana zanaka mendrika amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra nasehon’ireo vehivavy mahatalanjona.

Jereo i Eva, ilay renin’ny olombelona rehetra. Hoy ny Loholona Russell M. Nelson mikasika an’i Eva hoe: “Tahiana mandrakizay isika sy ny olombelona rehetra noho ny herimpo sy fahendrena lehibe nananan’i Eva. Nanao izay tokony ho natao izy tamin’ny alalan’ny fihinanana voalohany ilay voankazo. Ampy fahendrena koa i Adama tamin’ny fihinanany izany.”4

Manana hery anaty hitondra fitahiana toy izany ho an’ny fianakaviany ny zanakavavin’i Eva rehetra, tahaka ny nitondran’i Eva fitahiana ho an’ny fianakaviany. Nanan-danja tokoa izy tamin’ny fananganana ny fianakaviana ka izany no nahazoantsika ity tatitra mikasika ny nahariana azy ity: “Ary hoy ireo Andriamanitra: Aoka isika hanao mpanampy sahaza ho an-dralehilahy, fa tsy tsara raha irery ralehilahy, koa hanaovantsika mpanampy sahaza ho azy izy.”5

Tsy fantatsika ny fanampiana rehetra nentin’i Eva ho an’i Adama sy ny fianakavian’izy ireo. Kanefa fantatsika ny fanomezana lehibe iray nomeny, izay azon’ny tsirairay aminareo omena ihany koa: Nanampy ny fianakaviany hahita ny lalana mody izy rehefa hita fa toy ny sarotra ilay lalana. “Ary nandre izany zavatra rehetra izany i Eva vadiny ka faly, nanao hoe: Raha tsy nandika lalàna isika dia tsy ho nanana taranaka na oviana na oviana, ary tsy ho nahafantatra ny tsara sy ny ratsy na oviana na oviana, sy ny fifaliana noho ny fanavotana antsika ary ny fiainana mandrakizay izay omen’Andriamanitra ho an’ny mpankatò rehetra.”6

Afaka manaraka ny ohatra nasehony ianareo.

Fantatr’i Eva tamin’ny alalan’ny fanambarana ny lalana miverina any amin’Andriamanitra. Fantany fa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no nahatonga ny fiainana mandrakizay ho tanteraka ao amin’ny fianakaviana. Azony antoka, ary afaka mahazo antoka ihany koa ianareo, fa rehefa nitandrina ny fanekempihavanana nataony tamin’ny Rainy any an-danitra izy dia hanampy azy sy ny fianakaviany ilay Mpanavotra sy ny Fanahy Masina na inona na inona alahelo sy fahadisoam-panantenana ho avy. Fantany fa afaka matoky Azy ireo izy.

“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao;

“Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra.”7

Fantatro fa nahatsapa alahelo sy fahadisoam-panantenana i Eva, kanefa fantatro ihany koa fa nahita fifaliana izy tamin’ny fahafantarana fa afaka ny hiverina hiara-hiaina amin’Andriamanitra izy sy ny fianakaviany. Fantatro fa maro aminareo izay manatrika eto no mahatsapa alahelo sy fahadisoam-panantenana. Mitsodrano anareo aho mba hahatsapanareo tahaka an’i Eva ny fifaliana izay tsapany rehefa miverina mody any an-trano ianareo.

Manana fijororana ho vavolombelona azo antoka aho fa mitsinjo anareo am-pitiavana Andriamanitra Ray. Tiany ny tsirairay aminareo. Zanany vavy ao amin’ny fanekempihavanana ianareo. Satria tiany ianareo dia hanome anareo ny fanampiana ilainareo Izy mba handrosoanareo sy ny hafa eo amin’ilay lalana miverina eo anatrehany.

Fantatro fa nijaly noho ny fahotana rehetra nataontsika ny Mpamonjy ary mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana ny Fanahy Masina. Nahatsapa izany fampaherezana izany ianareo tamin’ity fivoriana ity. Manana fijoroana ho vavolombelona aho fa naverina tamin’ny laoniny ireo fanalahidy rehetra izay mamatotra ireo fanekempihavanana masina. Ny Filoha Thomas S. Monson, izay mpaminanintsika velona no mihazona sy mampiasa azy ireo amin’izao fotoana izao. Apetrako aminareo zanakavaviny ao amin’ny fanekempihavanana izay tiany ireo teny mampahery sy mitondra fanantenana ireo, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.