2010–2019
Manohy ny Fandraisana Andraikitra
Aprily 2014


Manohy ny Fandraisana Andraikitra

Sary

Afaka mandray anjara tsy tapaka bebe kokoa ao anatin’ny asa fitoriana isika rehetra amin’ny alalan’ny fanoloana ny tahotra ao amintsika ho lasa finoana marina.

Ho feno efatra amby enimpolo taona amin’ny volana Septambra izao ny niverenako avy nanao asa fitoriana tany Angleterre. Telo andro taorian’ny nahatongavako dia nanatrika lanonam-pandihizana niaraka tamin’ny namako anankiray aho izay fanao amin’ny fiandohan’ny fotoam-pianarana tany amin’ny oniversite mba hifankafantarana. Noresahany ahy ny mikasika ny tovovavy iray tsara tarehy nantsoina hoe Barbara Bowen izay tao anatin’ny taona faharoa nianarany teny amin’ny oniversite, ary nieritreritra izy fa tokony hihaona amin’io tovovavy io aho. Nentiny nanatona ahy izy ary nampifankafantariny izahay ka dia nanomboka niara-nandihy.

Indrisy anefa fa ny fiantsoanay an’io dihy io dia hoe “tag dance,” izay midika hoe tsy afaka mandihy miaraka amin’ilay tovovavy intsony ianao rehefa misy olona hafa mipaipaika ny sorokao ka maka ny toeranao. Olona sariadriaka sy be mpahafantatra i Barbara ka dia iray minitra latsaka fotsiny no niarahako nandihy taminy dia nisy tovolahy iray hafa sahady nanala ahy teo amin’ny toerako.

Tena tsy neken’ny saiko tsotra fotsiny izao izany. Noho izaho nianatra ny maha-zava-dehibe ny fanohizana ny fandraisana andraikitra nandritra ny fanaovako asa fitoriana, dia azoko ny laharan-tariby iantsoana azy ka dia niantso azy aho ny ampitson’iny ihany mba hivoaka hiaraka amiko, saingy efa feno tamin’ny fianarana sy ny fiarahana tamin’ny namany ny fotoany. Soa ihany fa nampianatra ahy ny asa fitoriana nataoko mba hanana fikirizana na dia rehefa mitady ho kivy aza, ary dia afaka nampiaraka taminy ihany aho tamin’ny farany. Lasa nampiaraka matetitetika izahay taorian’io. Nandritra ireo fampiarahana ireo dia toa mba afaka nandresy lahatra azy ihany aho hoe izaho ihany no hany misiônera nahavita asa fitoriana mendrika ho azy—farafaharatsiny raha ny fahafantarako ny momba azy. Ankehitriny, 64 taona aty aoriana dia indreo ireo zanaka miisa fito ary zafikely sy zafiafy maro izay porofo maneho ilay fahamarinana lehibe hoe na tsara toy ny inona aza ny hafatra zarainao, dia mety tsy hanana fahafahana hizara izany ianao raha vao tsy misy ny fanohizana ny fandraisana andraikitra tsy tapaka ary amim-pikirizana.

Izany angamba no antony nahazoako fahatsapana anaty mazava mba hanohy hamelabelatra ny roa tamin’ireo hafatra nozaraiko nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana teo aloha.

Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny Ôktôbra 2011 aho dia namporisika antsika mba hahatsiaro ireto teny manan-danja nolazain’ny Tompo ireto: “Satria toy izany no hiantsoana ny fiangonako amin’ny andro farany, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.”1

Ataon’ny Tompo mazava tsara ao anatin’ireo teny ireo fa tsy hoe ananara ôfisialy fotsiny izany fa anarana tsy maintsy hiantsoana ny Fiangonany ihany koa. Noho izany fanambarana mazava nataony izany dia tsy tokony hiantso ny Fiangonana amin’ny anarana hafa isika toy ny hoe “Fiangonana Môrmôna” na “Fiangonan’ny Olomasin’ny Andro Farany.”

Ny teny hoe Môrmôna dia azo ampiasaina tsara ao anatin’ny toe-javatra sasantsasany mba hiantsoana ireo mpikamban’ny Fiangonana toy ny hoe mpisava lalana Môrmôna, na mba hiantsoana rafitra iray toy ny hoe Amboarampeon’ny Tabernakely Môrmôna. Môrmôna no tena ahafantarana ireo mpikamban’ny Fiangonana ary rehefa mifanerasera amin’ireo izay avy amin’ny finoana hafa isika dia azontsika atao tsara ny miantso ny tenantsika hoe Môrmôna raha toa ka ampiarahantsika amin’ny filazana ny anarana fenon’ny Fiangonana izany.

Raha toa ka mianatra mampiasa ny anarana marin’ny Fiangonana ny mpikambana ka mampifandray izany amin’ilay teny hoe Môrmôna, dia hanamafy izany fa Kristianina isika ary mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy.

Ry rahalahy sy anabavy, ndeha isika hanohy handray andraikitra sy hampivoatra ny fahazarana manao izay hampazava foana fa mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany isika.

Ny hafatra faharoa izay tsapako fa tokony hotohizana ny famelabelarana azy dia ilay hafatra vao nozaraiko tamin’ny fihaonambe farany teo izay nanentanako ny mpikambana mba hivavaka mba ho voatarika handeha any amin’ny olona iray farafahakeliny izay azon’izy ireo asaina mba hianatra bebe kokoa momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny alohan’ny Krismasy. Mpikambana maro no nizara tamiko zavatra niainany manokana vokatry ny fangatahany ny mba hanomezan’ny Tompo azy ireo fahafahana hanao asa fitoriana.

Nisy misiônera iray efa nahavita ny asa fitoriany ohatra nivavaka manokana mba ho voatarika handeha any amin’ “ilay olona iray” azony asaina. Tonga tao an-tsainy ny anaran’ny mpiara-mianatra taminy taloha tany amin’ny oniversite. Nifandray taminy tamin’ny alalan’ny Facebook izy ary nahafantatra fa efa nivavaka foana izy io mba hahafantatra mikasika ny tanjona sy ny votoatin’ny fiainany. Tamin’ny fotoana nikarohan’ilay vehivavy namany ny fahamarinana io indrindra izy no nanohy nandray andraikitra ka dia natao batisa ilay tovovavy ny volana Desambra.

Fanasana maro mitovitovy amin’izany no notaterina tamiko, saingy olona vitsy ihany no nanohy nandray andraikitra toy ny nataon’ity rahalahy ity.

Izaho dia manam-pinoana tokoa an’ilay fitsipiky ny fanohizana ny fandraisana andraikitra. Toy izao no voalaza ao amin’ilay boky torolalana ho an’ny misiônera hoe Torio ny Filazantsarako: “ny fanolorana fanasana nefa tsy misy fanohizana ny fandraisana andraikitra dia toy ny manomboka dia iray nefa tsy tonga any amin’izay aleha akory na toy ny mividy tapakila iray hijerena fampisehoana nefa tsy mandeha any amin’ilay toerana hanaovana fampisehoana akory. Tsy misy dikany ilay fanoloran-tena natao raha toa ka tsy tanteraka akory ny asa tokony hatao.”2

Ny Torio ny Filazantsarako dia mampianatra ny olona rehetra tsy hoe ny fomba hanasana fotsiny fa mampianatra ihany koa ny fomba hanohizana ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ireo fanasana nataontsika. Ny tanjon’ny asa fitoriana dia faritana ho toy ny fanasana “ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo handray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, amin’ny alalan’ny fibebahana, sy ny batisa, sy ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ny faharetana hatramin’ny farany.”3

Tena tafiditra ao anatin’ny dingana arahana ny fanasana. Saingy diniho fa misy zavatra bebe kokoa tokony hataon’ny mpikambana ao anatin’ny asa fitoriana fa tsy vitan’ny hoe manasa tsotra fotsiny ny olona mba hihaino ny misiônera. Hita ao anatin’izany koa ny fanohizana ny fandraisana andraikitra miaraka amin’ny misiônera eo amin’ny fanampiana ny olona mba hampivelatra ny finoana, ho vonona hibebaka sy hiomana hanao fanekempihavanana ary haharitra hatramin’ny farany.

Io fitsipiky ny fanohizana ny fandraisana andraikitra io dia aseho ao anatin’ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly:

“Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan’ny tempoly. …

“Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan’andro teo anoloan’ny vavahadin’ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin’izay niditra ny kianjan’ny tempoly;

“Nony nahita an’i Petera sy Jaona efa hiditra eo an-kianjan’ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana.

“Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay.

“Dia nibanjina azy roalahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy.

“Fa hoy i Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.”

Izany ka fanasana mahery vaika avy amin’ny mpanompon’ny Tompo, sa tsy izany? Saingy tsy nionona tamin’ilay fanasana i Petera. Milaza amintsika ny tantara ao amin’ny soratra masina fa avy eo dia “noraisiny tamin’ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany: dia nantanjaka niaraka tamin’izay ny tongony sy ny kitrokeliny.

“Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan’ny tempoly, nitsangantsangana sy niantsambotsambotra sady nidera an’Andriamanitra.”4

Amin’ny teny hafa dia tsy hoe nampiasa ny fahefan’ny fisoronany sy nanasa ilay lehilahy hitsangana sy handeha fotsiny i Petera. Fa nanohy nandray andraikitra ihany koa izy teo anatrehan’ilay fanasana nataony tamin’ny alalan’ny fanampiana an’ilay lehilahy izay noraisiny tamin’ny tanany ankavanana dia natsangany, ary avy eo izy dia niaraka nandeha taminy tany amin’ny tempoly.

Rehefa jerena ny ohatra nasehon’i Petera dia te hilaza aho hoe afaka mandray anjara tsy tapaka bebe kokoa ao anatin’ny asa fitoriana isika rehetra amin’ny alalan’ny fanoloana ny tahotra ao amintsika ho lasa finoana marina ka hanasa olona farafaharatsiny indray mandeha isaky ny telo volana—na inefatra isan-taona—mba hampianarin’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno. Voaomana hampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy izy ireo, miaraka amin’ny fitaomam-panahy marina avy amin’ny Tompo. Afaka miaraka manohy mandray andraikitra eo anatrehan’ny fanasana nataontsika isika ka mandray ny hafa amin’ny alalan’ny tanana sy mampitsangana azy ireo ary miaraka amin’izy ireo eo amin’ilay diany ara-panahy.

Mba hanampiana anareo ao anatin’izany dingana hotanterahina izany dia manasa ny mpikambana rehetra aho na inona na inona antsonareo amin’izao fotoana izao ary na manao ahoana na manao ahoana ny fahazotoanareo ao am-piangonana, mba hanao izay hananana ny boky Torio ny Filazantsarako. Hita ao amin’ny foibe fanapariahana any amin’ny toerana misy anareo izany ary hita ao amin’ny Internet ihany koa. Ilay ao amin’ny Internet dia azo vakiana na alaina maimaim-poana. Boky torolalana ho an’ny asa fitoriana izy io—izany hoe boky torolalana ho antsika rehetra. Vakio izany dia halalino ary ampiharo avy eo ny zavatra nianaranareo mba hanampiana anareo hahatakatra ny fomba hitondrana fanahy ho eo amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fanasana sy ny fanohizana ny fandraisana andraikitra. Hoy ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Izao no fotoana tokony hiarahan’ny mpikambana sy ny misiônera mifanome tanana, miara-miasa ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo mba hitondrana fanahy ho eo Aminy.”5

Izao no nampianarin’i Jesoa Kristy ireo mpianany:

“Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy;

“Koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.”6

Novalian’ny Tompo izany vavaka izany amin’izao androntsika izao amin’ny alalan’ireo misiônera faran’izay maro indrindra nisy hatramin’izay tao anatin’ny tantaran’izao tontolo izao. Amin’izao fitomboana vaovaon’ireo mpiasa mahatoky izao dia nomen’ny Tompo fahafahana hafa indray isika hanampy Azy ao anatin’ity fijinjana fanahy lehibe ity.

Misy fomba mora ampiharina ahafahan’ireo mpikambana manampy sy manohana ireo misiônerantsika miavaka ireo. Ohatra, azonao lazaina amin’ny misiônera hoe ianao dia eo am-pandalinana ny Torio ny Filazantsarako, dia asaivo asehony anao ny zavatra ianarany eo amin’ny fandalinana ataon’izy ireo. Rehefa mifampizara ianareo dia azo antoka fa hitombo ny fifampahatokiana eo amin’ny mpikambana sy ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno toy izao nandidian’ny Tompo azy izao mihitsy:

“Fa mba hahazoan’ny [lehilahy sy vehivavy] tsirairay miteny amin’ny anaran’ny Tompo Andriamanitra, dia ilay Mpamonjy izao tontolo izao.”7

Ary koa hoe “Indro, naniraka anareo Aho ho vavolombelona manambara sy hampitandrina ny olona, ary ilaina ny olona nampitandremana mba hampitandrina ny namany.”8

Ry rahalahy sy rahavavy, azonareo an-tsaina ve ny ho fiantraikany raha toa ny fianakaviana sy ny namana ka mampiditra ireo zavatra ianarany avy amin’ny fandalinana ny Torio ny Filazantsarako ao anatin’ny taratasy sy email alefa ho an’ireo misiônerany manompo amin’ny fotoana feno? Azonareo alaina sary an-tsaina ve ireo fitahiana izay ho tonga eo amin’ny fianakaviana rehefa fantatr’izy ireo sy takatr’izy ireo kokoa ny zavatra hianaran’ny zanany lahy sy ny zanany vavy ary ny zavatra hampianaran’izy ireo mandritra ny fanaovany asa fitoriana? Azonareo eritreretina ve ireo fitahiana avy amin’ilay famindram-po mifono fanavotana izay ho azontsika tsirairay sy ho azon’ny rehetra araka ny fampanantenana nataon’ny Mpamonjy ho an’ireo rehetra izay mijoro ho vavolombelona ao anatin’ilay dingana fanasana fanahy hanatona Azy—ary avy eo manohy mandray andraikitra eo anatrehan’ireo fanasana natao ireo?

“Sambatra ianareo,” hoy ny Tompo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith, “fa ny teninvavolombelona izay efa nambaranareo dia voasoratra any an-danitra mba hojeren’ireo anjely; ary mifaly aminareo ireo, ary voavela ny fahotanareo.”9

“Fa Izaho hamela anareo amin’ny fahotanareo miaraka amin’izao didy izao—dia ny hamaharanareo ao amin’ny faharetana … amin’ny fijoroana ho vavolombelona eran’izao tontolo izao ny amin’ireo zavatra izay ampitaina aminareo ireo.”10

Raha manohy mandray andraikitra isika dia hanampy antsika koa Andriamanitra. Efa hitako ny fifaliana tsy hay faritana azo avy amin’ny fanasana natosiky ny fijoroana ho vavolombelona ary ny fanohizana ny fandraisana andraikitra tamim-pahatokiana teo anivon’ireo mpikamban’ny Fiangonana manerana an’izao tontolo izao. Nandritra ny diako vao haingana tany Argentine dia namporisika ny mpikambana aho mba hanasa olona ho any am-piangonana alohan’ity fihaonamben’ny Fiangonana ity. Nihaino an’izany i Joshua izay valo taona ka nanasa ilay namany akaiky sy ny fianakaviany hanatrika varavarana misokatra tao amin’ny paroasiny tao Buenos Aires. Mamelà ahy ianareo hamaky taratasy vao azoko izay manazava ny fanasana nataon’i Joshua sy ny fanohizana ny fandraisana andraikitra nataony tamim-pahatokiana:

“Nihazakazaka nankeny amin’ny vavahady matetitetika i [Joshua] mba hijery raha efa tamy any ry zareo. Nilaza izy fa hoe fantany fa tsy maintsy [ho avy] izy ireo.

“Nandeha ny fotoana ary tsy tonga ilay naman’i Joshua, kanefa tsy nilavo lefona izy. Mbola nandeha nijery matetitetika tamim-pahatokiana teny am-bavahady izy. Raha efa tonga ny fotoana hanombohana ny fampiriman’entana dia indro i Joshua nanomboka nitsambikimbikina sy nilaza hoe: ‘Ireny izy ireny! Ireny izy ireny!’ Nitraka aho ary nahita fianakaviana iray manontolo nanatona ny fiangonana. Nihazakazaka nivoaka i Joshua hiarahaba azy ireo ary hamihina ilay namany. Niditra daholo izy ireo ary toa tena nankafy ilay varavarana misokatra. Naka bokikely vitsivitsy izy ireo ary nandany fotoana betsaka nifankafantarana tamin’ny namana vaovao sasantsasany. Nahafinaritra ny nahita ny finoan’ity ankizilahy kely ity sy ny nahafantatra fa afaka ny ho misiônera koa ny ankizy ao amin’ny Kilonga.”11

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa miara-miasa isika ka mitady ilay iray, sy manasa ary manohy mandray andraikitra amim-pahatokiana sy amim-pinoana, dia hitsiky amintsika ny Tompo ary zanak’Andriamanitra an’hetsiny no hahita ny anton’ny fiainana sy fiadanana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Enga anie ny Tompo hitahy antsika rehetra ao amin’ny ezaka ataontsika mba hanafainganana ny asa famonjena. Izany no vavaka ataoko amim-panentren-tena amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.