2010–2019
Mahay Mankasitraka na inona na inona Toe-javatra Misy
Aprily 2014


Mahay Mankasitraka na inona na inona Toe-javatra Misy

Sary

Moa ve isika tsy manana antony tokony hahafeno fankasitrahana antsika na inona na inona toe-javatra iainantsika?

Tao anatin’izay taona maro lasa izay dia nanana fahafahana miavaka aho nihaonana tamin’olona izay toa niaina fahoriana efa tena lalim-paka tokoa. Nihaino ireo rahalahy sy anabavy malalako ireo aho tao anatin’ireny fotoana ireny ary niara-ory tamin’izy ireo noho ny enta-mavesatra nolanjainy. Nisaintsaina ny zavatra tokony holazaina aho ary sahiran-tsaina nitady ny fomba hampaherezana sy hanohanana azy ireo ao anatin’ireo fitsapana mahazo azy.

Matetika ny alahelon’izy ireo dia vokatry ny fiheveran’izy ireo fa nitsahatra hatreo ny zavatra iray. Miatrika ny fitsaharan’ny fiarahana mamy anankiray ny sasany, toy ny fahafatesan’ny olon-tiana iray na fisarahana amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana. Ny hafa indray mahatsapa ny tenany ho eo anatrehan’ny tsy fisian’ny fanantenana intsony—fanantenana mba hanambady na mba hanan-janaka na mba ho sitrana. Ny sasany mety miatrika ny fahalevonan’ny finoany noho ireo feo mampikorontan-tsaina sy mifanipaka eto amin’izao tontolo izao izay maka fanahy azy ireo hametra-panontaniana na hiala mihitsy amin’ny zavatra izay nisy fotoana efa fantatr’izy ireo fa marina.

Mino aho fa na ho ela na ho haingana, isika rehetra dia samy hiaina fotoana ahitana fa toa mikorontana ambony ambany ny fiainana, ka mahatsapa ho irery sy mikorontan-tsaina ary very isika.

Mety mitranga amin’ny olona rehetra izany. Tsy misy mihitsy olona hoe tsy mba ianjadian’izany velively.

Afaka Maneho Fankasitrahana Isika

Tsy mitovy ny toe-javatra iainan’ny olona tsirairay sy ny antsipirian-javatra miseho eo amin’ny fiainan’ny tsirairay. Na dia izany aza dia nianatra aho fa misy zavatra afaka manaisotra ilay mangidy izay mety ho tonga eo amin’ny fiainantsika. Misy zavatra iray azontsika atao mba hahatonga ny fiainana ho mahafinaritra sy mahafaly kokoa ary hahatalanjona mihitsy aza.

Afaka maneho fankasitrahana isika!

Mety hifanohitra amin’ny fomba fisainan’izao tontolo izao ny milaza hoe tokony haneho fisaorana an’Andriamanitra ny olona iray izay efa vesaran’ny fahoriana. Kanefa ireo izay manaisotra ilay fahatsapana alahelo ka manolo izany kosa amin’ny fanehoana fankasitrahana dia afaka mahazo fahasitranana sy fiadanana ary fahatakaran-tsaina.

Amin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika dia didiana isika “hisaotra ny Tompo Andriamani[tsika] amin’ny zavatra rehetra,”1 sy “hihira fiderana ho an’i Jehovah,”2 ary “hamela ny fon[tsika] ho feno fisaorana an’Andriamanitra.”3

Nahoana Andriamanitra no mandidy antsika mba hahay hankasitraka?

Ny didiny rehetra dia nomena mba hahafahantsika mahazo fitahiana. Tombontsoa ahafahana mampihatra ny fahafahantsika misafidy sy mahazo fitahiana ny fisian’ireo didy. Fantatr’ilay Raintsika any an-danitra be fitiavana fa ny fisafidianana ny hanana toetra mahay mankasitraka dia hitondra fifaliana marina sy fahasambarana lehibe ho antsika.

Maneho Fankasitrahana noho ireo Zavatra Miseho Manokana

Mety hisy olona sasany anefa hilaza hoe: “Inona moa no zavatra tokony hanehoako fankasitrahana nefa hita izao fa miaina toe-javatra sarotra aho?”

Angamba tsy mety ilay fomba hoe mifantoka amin’ny zavatra tokony hanehoantsika fankasitrahana. Sarotra ny hanana toetra mahay mankasitraka raha toa ka tsy miankina afa-tsy amin’ny habetsaky ny fitahiana voaraintsika ny fatran’ny fisaorana atolotsika. Marina fa zava-dehibe ny “manisa matetika ny fitahiana azontsika”—ary izay rehetra efa nanandrana izany dia mahafantatra fa maro izy ireny—saingy tsy mino aho hoe efa antenain’ny Tompo isika fa ho latsa-danja kokoa ny fanehoantsika fankasitrahana ao anatin’ny fotoam-pisedrana raha oharina amin’ny fotoana mampiroborobo sy mampiadana. Raha ny marina, ny ankamaroan’ny soratra masina dia tsy miresaka momba ny fanehoana fankasitrana noho ireo zavatra miseho manokana fa manoro hevitra kosa ny mba hananana toe-panahy mahay mankasitraka lalandava.

Mora ny maneho fankasitrahana noho ireo zavatra miseho rehefa mandeha tsara araka ny fieritreretantsika azy ny fiainana. Fa ahoana kosa ary rehefa ao anatin’ny fotoana izay toa lavitra tsy mety ho azontsika izay iriantsika?

Manoro hevitra anareo aho mba handray ny fanehoana fankasitrahana ho toy ny fomba fanao izay mandeha ho azy ary ho toy ny fomba fiainana izay tsy miankina velively amin’izay toe-javatra iainantsika amin’izao fotoana izao. Amin’ny teny hafa dia manoro hevitra aho hoe raha ny fanehoana fisaorana noho ireo zavatra miseho manokana no fanao dia aleo mifantoka amin’ny fanehoana fisaorana ao anatin’ izay toe-javatra rehetra iainantsika—na inona izany na inona.

Ity misy tantara iray mikasika ny mpandroso sakafo iray izay nanontany olona iray nisakafo raha toa ka tiany ny sakafo. Namaly ilay vahiny hoe tsara daholo ny zava-drehetra fa ho tsaratsara kokoa izany raha toa ka mba manolotra mofo bebe kokoa izy ireo. Rehefa niverina ilay lehilahy ny ampitson’iny dia nampitomboan’ilay mpandroso sakafo ny isan’ny mofo, ka nomeny didi-mofo efatra izy raha tokony ho anankiroa fotsiny, saingy mbola tsy faly ihany ilay lehilahy. Mbola nampitomboan’ilay mpandroso sakafo ihany ny isan’ilay mofo ny andro manaraka fa tsy nisy vokany.

Tena vonona ny hanao izay hahafaly ilay lehilahy ilay mpandroso sakafo tamin’ny andro fahaefatra. Noho izany dia naka mofo iray mirefy 3 metatra izy, dia nozarainy roa izany ary narosony tamim-pitsikiana an’ilay olona hisakafo. Tsy handrin’ilay mpandroso sakafo ny hahita izay ho fihetsik’ilay lehilahy.

Rehefa avy nisakafo ilay lehilahy dia nitraka ary nilaza hoe: “Tsara toy ny mahazatra e! Saingy hitako fa niverina tamin’ny tsy fanomezana afa-tsy mofo roa ianao an!”

Mahay mankasitraka ao anatin’ny Toe-javatra iainantsika

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, anareo ny safidy. Afaka misafidy ny hametra ny fanehoantsika fankasitrahana isika ka mifototra amin’ireo fitahiana tsapantsika hoe tsy ananantsika. Na afaka misafidy ny ho tahaka an’i Nefia izay feno fankasitrahana lalandava na inona na inona toe-javatra niainany. Rehefa nofatoran’ny rahalahiny izy teny ambony sambo—izay naoriny azy mba hitondrana azy ireo any amin’ilay tany nampanantenaina—dia nanaintaina mafy azy tokoa ny hatotanany sy ny kitrokeliny ka “nivonto fatratra izany,” ary nisy tafio-drivotra lehibe sy mahatahotra izay saika nitelina azy ireo tany an-dranomasina lalina. “Na dia teo aza izany,” dia hoy i Nefia hoe: “Nitodika tamin’Andriamanitra aho ary nidera Azy nandritra ny manontolo andro; ary tsy mba nimonomonona ny Tompo aho noho ny fahoriako.”4

Afaka misafidy ny ho tahaka an’i Joba isika izay toa nanana ny zavatra rehetra kanefa avy teo namoy an’izany rehetra izany. Kanefa dia izao no nolazain’i Joba teo anatrehan’izany, “Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon’ineny, ary mitanjaka no hiverenako any… : Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran’i Jehovah.”5

Afaka misafidy ny ho tahaka an’ireo mpisava lalana Môrmôna isika, izay nanana hatrany toe-panahy mahay mankasitraka nandritra ilay dia miadana sy nampijaly nankany Salt Lake Lehibe, ka nihira sy nandihy ary nifaly mihitsy aza izy ireo noho ny hamoram-panahin’ Andriamanitra.6 Maro amintsika no mety ho tonga dia nirona tany amin’ny fialana an-daharana na tany amin’ny fimonomononana na tany amin’ny fieritreretana ny fijaliana noho ny hasarotan’ilay dia.

Afaka misafidy ny ho tahaka ny Mpaminany Joseph Smith isika izay raha nigadra tao anatin’ny toe-javatra mampalahelo tao amin’ny Fonjan’i Liberty, dia nanoratra ireto teny tena miavaka ireto: “Ry rahalahy malala sy ankamamiana tokoa, aoka isika hazoto hanao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika; ary rehefa izany dia enga anie ka hahajoro isika omban’ny fahatokian-tena lehibe indrindra fa hahita ny famonjen’Andriamanitra ary ny fampisehoana ny sandriny.”7

Afaka misafidy ny haneho fankasitrahana isika na inona na inona mitranga.

Io karazana fanehoam-pankasitrahana io dia misy foana na inona na inona mitranga manodidina antsika. Lehibe kokoa noho ny fahadisoam-panantenana sy ny fahakiviana ary ny famoizampo izany. Mivelatra foana izany na ao anatin’ny fotoan-tsarotra na ao anatin’ny fotoana milamina.

Rehefa maneho fankasitrahana an’Andriamanitra isika ao anatin’ izay toe-javatra iainantsika dia afaka mahatsapa fiadanana mamy eo anivon’ny fitsapana. Na dia ao anatin’ny alahelo aza isika dia mbola afaka manandratra ny fontsika hidera an’Andriamanitra. Na dia ao anatin’ny fijaliana aza isika dia afaka mifaly noho ny Sorompanavotan’i Kristy. Na dia ao anatin’ny ngidin’ny fahoriana aza isika dia afaka mahatsapa fitarihana masina izay mitondra fampaherezana sy fiadanana.

Mieritreritra isika indraindray fa ny fanehoana fankasitrahana dia zavatra atao rehefa voavaha ny olana nianjady tamintsika, saingy fomba fijery tena tsy mahay mijery lavitra izany. Tena ho betsaka ireo tombontsoa eo amin’ny fiainana handalo eo ambany masontsika fotsiny raha toa ka miandry ny fisehoan’ny avana eny amin’ny lanitra aloha isika izay vao hisaotra an’Andriamanitra noho ny orana.

Ny fanehoana fankasitrahana ao anatin’ny fotoam-pahoriana dia tsy midika hoe faly amin’ny toe-javatra iainantsika isika. Ny tena dikan’izany dia hoe mijery lavitra mihoatra ilay olana mianjady amintsika amin’izao fotoana izao isika amin’ny alalan’ny mason’ny finoana.

Tsy fanehoam-pankasitrahana ataon’ny vava fotsiny izany fa avy amin’ny fanahy. Fanehoam-pankasitrahana izay manasitrana ny fo sy mampivelatra ny saina izany.

Fihetsika Maneho Finoana ny Fanehoam-pankasitrahana

Fihetsika maneho finoana an’Andriamanitra ny fanehoam-pankasitrahana ao anatin’izay toe-javatra iainantsika. Mitaky ny fahatokiantsika an’Andriamanitra izany sy ny fanantenantsika zavatra izay mety tsy hitantsika kanefa marina.8 Rehefa mahay mankasitraka isika dia manaraka ny ohatra nasehon’ilay Mpamonjy malalantsika izay nilaza hoe: “Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao.”9

Ny fankasitrahana marina dia fanehoana fanantenana sy fijoroana ho vavolombelona. Izany dia avy amin’ny fanekena fa tsy takatsika foana akory ireo fitsapana miseho eo amin’ny fiainantsika saingy matoky isika fa ho takatsika izany indray andro any.

Ao anatin’izay mety ho toe-javatra mitranga, ny fahaizantsika mankasitraka dia volavolain’ireo fahamarinana maro sy masina efa fantatsika, toy ny hoe: nomen’ny Raintsika ho an’ny zanany ny drafitra lehiben’ny fahasambarana; afaka miaraka miaina mandrakizay amin’ireo olon-tiantsika isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy; ary amin’ny farany dia hahazo vatana be voninahitra sy lavorary ary tsy mety maty isika izay tsy hianjadian’ny aretina na fahasembanana; ary ireo ranomason’alahelo narotsatsika sy ny fahoriana dia hosoloina fahasambarana sy fifaliana miavosa, “fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny.”10

Tsy maintsy karazana fijoroana ho vavolombelona toy izany no nanova ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy ho lasa solontenan’ny Mpampianatra sahisahy sy ravoravo raha lehilahy feno tahotra sy be ahiahy izy ireo teo aloha. Difotry ny famoizampo sy ny alahelo ary tsy afaka nahatakatra ny zava-nitranga izy ireo nandritra ny ora maro taorian’ny Fanomboana Azy. Saingy nisy zava-niseho iray nanova izany rehetra izany. Niseho tamin’izy ireo ilay Tompony ary nanambara hoe: “Izahao ny tanako sy ny tongotro fa Izaho no Izy”11

Rehefa nahafantatra ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty ireo Apôstôly—rehefa niaina ilay Fitsanganan’ilay Mpamonjy malalany tamim-boninahitra lehibe izy ireo—dia lasa lehilahy hafa mihitsy. Tsy nisy zavatra afaka nanakana azy ireo tsy hanatanteraka ny iraka nampanaovina azy ireo. Neken’izy ireo tamin-kerimpo sy tamim-pahavononana ny fampijaliana sy ny fanalam-baraka ary ny fahafatesana mihitsy aza izay hianjady amin’izy ireo noho ny fijoroana ho vavolombelona nananany.12 Tsy nisy nanakana azy ireo tsy hidera sy hanompo ny Tompo. Nanova ny fiainan’ny olona na taiza na taiza izy ireo. Nanova izao tontolo izao izy ireo.

Tsy mila hoe mahita ny Mpamonjy tahaka ireo Apôstôly akory ianao vao hiaina fiovana toy izany. Ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Kristy izay avy amin’ny Fanahy Masina dia afaka manampy anao hijery any ankoatra ireo fiafaran-javatra mampalahelo eto an-tany ka hibanjina ilay hoavy mamirapiratra izay efa nomanin’ilay Mpanavotra an’izao tontolo izao.

Tsy Natao ho Rendrika ao anatin’ireo Fiafaran-javatra Isika

Rehefa mandinika ny zavatra fantatsika mikasika ilay anjara mandrakizay nosoritana ho antsika isika dia tsy mahagaga raha toa ka isaky ny miatrika ireo fiafaran-javatra mampalahelo eo amin’ny fiainana isika dia toa tsy eken’ny saintsika izany? Toa misy zavatra manohitra ireo fiafaran-javatra ireo izany ao anatintsika ao.

Fa nahoana moa? Satria nohariana avy amin’ny singan’ny mandrakizay isika. Olona maharitra mandrakizay isika, zanak’ilay Andriamanitra Tsitoha izay Tsisy Fiafarana no anarany13 ary Izy mampanantena fitahiana mandrakizay tsy hay isaina. Tsy ireo fiafaran-javatra ireo velively no anjara nomanina ho antsika.

Arakaraka ny hianarantsika bebe kokoa momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no hahatsapantsika bebe kokoa fa ireo fiafaran-javatra miseho eto an-tany dia tsy fiafarana mihitsy akory. Fiatoana kely fotsiny izy ireny—fiatoana mandalo izay indray andro any ho fohy tokoa raha oharina amin’ilay fifaliana mandrakizay izay miandry izay mahatoky.

Tena feno fankasitrahana an’ilay Raiko any an-danitra aho satria tsy misy fiafarana marina izany ao anatin’ny drafiny fa fiantombohana maharitra mandrakizay fotsiny ihany.

Hatao lasa be Voninahitra Ireo Izay Mahay Mankasitraka

Ry rahalahy sy anabavy, moa ve isika tsy manana antony tokony hahafeno fankasitrahana antsika na inona na inona toe-javatra iainantsika?

Moa ve isika mila antony lehibe kokoa vao hamela ny fontsika “ho feno fisaorana an’Andriamanitra”?14

“Moa va isika tsy manana antony lehibe hifaliana?”15

Tena ho voatahy isika raha toa ka mahatsapa ny fiasan’Andriamanitra eo amin’ity fiainantsika mahafinaritra ity. Mampivelatra ny fahitantsika sy manazava ny fomba fijerintsika ny fankasitrahana. Miteraka fanetren-tena sy mampisy fironam-po any amin’ny mpiara-belona amintsika sy ny zavatra rehetra noharian’Andriamanitra izany. Ampahany iray tena ilaina ao anatin’ireo toetra rehetra tahaka ny an’i Kristy ny fankasitrahana! Ny fo mankasitraka dia miara-dia amin’ny toetra tsara hafa rehetra.16

Nanome fampanantenana ho antsika ny Tompo fa ireo “izay [mandray] ny zava-drehetra amin’ny fankasitrahana dia hatao be voninahitra; ary ny zavatry ny tany dia hanampy ho azy [ireo], avo zato heny, eny, mihoatra aza.”17

Enga anie isika ka “hiaina ao anatin’ny fanati-tsaotra isan’andro”18—indrindra ao anatin’ireo fiafaran-javatra toa tsy hay hazavaina izay anisan’ny toe-javatra iainana eto an-tany. Enga anie isika ka hamela ny fanahintsika ho feno fisaorana amin’ilay Raintsika any an-danitra be famindram-po. Enga anie isika ka hanohy lalandava sy tsy tapaka ny fanehoantsika fisaorana ny Raintsika any an-danitra sy i Jesoa Kristy ilay Zanaka Malalany, amin’ny alalan’ny teny sy ny fihetsika. Ho an’izany no ivavahako ary apetrako aminareo ny fijoroako ho vavolombelona sy ny tsodranoko, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika, amena.