2010–2019
“Fianarana no Nomeko Anareo”
Aprily 2014


“Fianarana no Nomeko Anareo”

Sary

I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no ohatra lehibe indrindra nandia ny tany hatramin’izay. … Manasa antsika Izy mba hanaraka ilay ohatra lavorary nasehony.

Rehefa nandinika ilay adidiko mba hizara ny filazantsara aho, dia nieritreritra an’ireo olona akaikin’ny foko ka nanampy ahy hahita ilay fitarihana masina izay nitondra fanampiana teo amin’ny fivoarako ara-panahy ny fitarihan’izy ireo ahy tamim-pitiavana. Tamin’ireo fotoana nanan-danja teo amin’ny fiainako dia nomen’ny Ray any an-danitra olona naneho fitiavana ahy aho mba hitarika ahy hanao safidy araka ny tokony ho izy. Nanaraka ireto tenin’ny Mpamonjy ireto izy ireo: “Fianarana no nomeko anareo mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.”1

Fony aho mbola ankizy dia tsy mpikamban’ny Fiangonana ny raiko ary lasa mpikambana malaindaina ny reniko. Nipetraka tany Washington, D.C. izahay ary ny ray aman-drenin’ny reniko dia nipetraka lavitra tany amin’ny 4000 kilaometatra miala avy teo, tany amin’ny faritanin’i Washington. Namakivaky ny firenena mba hamangy anay i Bebe Whittle volana vitsivitsy taorian’ny fahafenoako valo taona. Nampiasa saina an’i Bebe ny hoe, tsy mbola vita batisa na izaho na ny zokiko lahy. Tsy fantatro izay nolazainy tamin’ny ray aman-dreniko mikasika izany, saingy ny fantatro dia nentiny tany amin’ny zaridaina fitsangantsanganana sy filalaovana izaho sy ny rahalahiko indray maraina ary nozarainy taminay ny zavatra tsapany momba ny maha-zava-dehibe ny hoe atao batisa sy ny fanatrehana tsy tapaka ny fivoriam-piangonana. Tsy tadidiko amin’ny antsipiriany ireo zavatra nolazainy saingy nampihetsi-po ahy ny zavatra nolazainy ary natao batisa izaho sy ny rahalahiko fotoana fohy taorian’izay.

Nanohy nanampy anay i Bebe. Tsaroako tokoa fa raha vao misy fotoana nanasana ahy na ny rahalahiko hanao lahateny any am-piangonana dia miantso azy amin’ny telefaonina izahay mba hangataka torohevitra vitsivitsy. Afaka andro vitsivitsy dia tonga amin’ny alalan’ny paositra ny lahateny natao soratanana. Taty aoriana dia niova ho rindran-damina nitaky ezaka bebe kokoa avy aty aminay ireo toroheviny.

Fahasahiana sy fanajana tena amin’ny antonony no nampiasain’i Bebe mba hanampiana ny rainay hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fitondrana anay amin’ny fiarakodia any am-piangonana mba hanatrika ireo fivorianay. Nampiany tamin’ny fomba tsara rehetra izahay mba hahatsapa ny filana ny filazantsara eo amin’ny fiainanay.

Fa ny tena manan-danja indrindra dia ny fahafantaranay fa tia anay i Bebe ary tia ny filazantsara. Ohatra tena tsara izy! Tena feno fankasitrahana aho noho ny fijoroany ho vavolombelona izay nozarainy tamiko fony aho mbola kely. Nanova ny lalan’ny fiainako ny fitarihany mba hankany amin’ny fahazoana fitahiana maharitra mandrakizay.

Taty aoriana rehefa akaiky hahazo mari-pahaizana tany amin’ny oniversite aho dia raiki-pitia tamin’ny tovovavy tsara tarehy iray nantsoina hoe Jeanene Watkins. Nihevitra aho hoe hanomboka hahatsapa zavatra lalina momba ahy koa izy. Indray hariva rehefa niresaka momba ny hoavy izahay dia nilaza zavatra mazava tsara izy, izay nanova mandrakizay ny fiainako, tao anatin’ny resaka nifanaovanay. Hoy izy hoe: “Rehefa tonga ny fotoana hanambadiako dia lehilahy mahatoky nahavita asa fitoriana no hovadiko any amin’ny tempoly.”

Tsy dia nieritreritra loatra ny handeha hanao asa fitoriana aho talohan’io. Niova be tokoa ilay antony nandrisika ahy hanao asa fitoriana tamin’io hariva io. Lasa nody aho ary tsy afaka nieritreritra zavatra hafa ankoatran’io. Tsy natory aho ny alina iray manontolo. Tsy nifantoka mihitsy tao amin’ny fianarana ny saiko ny ampitson’io. Taorian’ny vavaka maro natao dia nanapa-kevitra ny hihaona tamin’ny evekako aho ary nanomboka nameno ny antontan-taratasy hirotsahana ho misiônera.

Tsy nangataka ahy mba handeha hanao asa fitoriana ho azy velively i Jeanene. Tiany aho ka nozarainy tamiko ny zavatra inoany ary dia nomeny fahafahana aho hisafidy ny lalam-piainako. Samy nandeha nanao asa fitoriana izahay ary nofehezina tany amin’ny tempoly taty aoriana. Ny herimpon’i Jeanene sy ny fanoloran-tenany ho an’ny finoany no singa fototra namaritra ny fiainanay roa. Azoko antoka fa tsy ho nahita ilay fahasambarana azonay izahay raha tsy teo ilay finoany matanjaka mikasika ny fitsipiky ny fanaovana ho lohalaharana ny fanompoana ny Tompo. Ohatra tena tsara sy feno fahamarinan-toetra izy!

Tena tia ahy na i Bebe Whittle na i Jeanene ka nozarain’izy ireo tamiko ny finoany fa hitahy ny fiainako ireo ôrdônansin’ny filazantsara sy ny fanompoana ny Ray any an-danitra. Samy tsy nisy naneritery izy ireo na hoe nanakivy ahy noho ny toetrako tamin’izany. Notiaviny fotsiny izaho sy ny Ray any an-danitra. Samy nahafantatra izy ireo fa ny Ray any an-danitra dia afaka manao zavatra bebe kokoa eo amin’ny fiainako noho izay azoko atao samirery. Samy nanampy ahy tamim-pahasahiana tao anatin’ny fitiavana ny tsirairay tamin’izy ireo mba hahitako ilay lalan’ny fahasambarana lehibe indrindra.

Ahoana no ahafahantsika tsirairay ho tonga olona mitondra fitarihana manan-danja toy izany? Tsy maintsy ataontsika izay hitiavana amin-kitsimpo ireo izay tiantsika hampiana amim-pahamarinana, dia ho afaka hanomboka hampitombo ny fahatokiany ny fitiavan’Andriamanitra izy ireo avy eo. Ny dingana atao voalohany ao anatin’ny fanekena ny filazantsara ho an’ny olona maro eto amin’izao tontolo izao, dia ny mampitombo ny finoana an’ilay Ray any an-danitra izay tia azy ireo tanteraka. Mora kokoa ny mampitombo izany finoana izany rehefa manana namana na olona ao amin’ny fianakaviana izy ireo izay mitia azy ireo amin’izany fomba izany.

Ny fanampianareo azy ireo hatoky ny fitiavanareo dia afaka manampy azy ireo hampitombo ny finoany ny fitiavan’Andriamanitra. Ary amin’ny alalan’ilay fifandraisanareo feno fitiavana sy hatsaram-panahy amin’izy ireo, dia ho voatahy ny fiainan’izy ireo amin’ny alalan’ny fizaranareo ireo lesona nianaranareo sy ireo zavatra niainanareo ary ireo fitsipika narahanareo mba hamahana ireo olanareo manokana. Asehoy ny fanirianareo marina hitady izay hahasoa azy ireo, dia zarao avy eo ny fijoroanareo ho vavolombelona mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Afaka manampy ianareo amin’ny fomba izay mifototra amin’ny fitsipika sy ny fotopampianarana. Amporisiho ireo izay tianareo mba hikatsaka ny hahatakatra ny zavatra tian’ny Tompo hataon’izy ireo. Ny fomba iray hanaovana izany dia amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana izay manosika azy ireo hieritreritra ary avy eo dia manome fotoana ampy ho azy ireo—na ora na andro na volana maro izany na mihoatra noho izany—mba hisaintsainana sy mba hahitan’izy ireo samirery ny valin’ireo fanontaniana ireo. Mety ilainareo ny manampy azy ireo hahafantatra ny fomba fivavaka sy ny fomba hamantarana ny valin’ireo vavaka nataony. Ampio izy ireo hahafantatra fa loharano tena lehibe hahazoana sy hamantarana ireo valiny ireo ny soratra masina. Amin’izany ianareo dia hanampy azy ireo hiomana hiatrika zavatra mitondra soa ary hiatrika fanamby hiseho amin’ny ho avy.

Ny “[h]anatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”2 no tanjon’Andriamanitra. Izany no fototra iaingan’ny zavatra rehetra ataontsika. Indraindray isika sondriana loatra amin’ny zavatra izay hitantsika fa mahavariana na lasa rempotr’ireo andraikitra fanao mahazatra ka tsy mahita intsony ireo tanjon’Andriamanitra. Rehefa mampifantoka tsy tapaka ny fiainanareo amin’ireo fitsipika tena fototra ianareo dia hahatakatra ny zavatra tokony hataonareo ary hamokatra voa bebe kokoa ho an’ny Tompo sy fifaliana bebe kokoa ho an’ny tenanareo.

Rehefa mampifantoka ny fiainanareo amin’ireo fitsipika fototry ny drafitry ny famonjena ianareo dia hifantoka tsara kokoa amin’ny fizarana izay zavatra fantatrareo satria takatrareo ny lanja mandrakizay ananan’ireo ôrdônansin’ny filazantsara. Hozarainareo izay zavatra fantatrareo amin’ny fomba izay hamporisika ny namanareo haniry ny ho hatanjahana ara-panahy. Ho ampianareo ireo olona akaikin’ny fonareo mba haniry ny hanolo-tena mba hankatò ny didiny rehetra ary hitondra eo amin’izy ireo ny anaran’i Jesoa Kristy.

Tsarovy fa ampahany ihany amin’ilay asa famonjena ny hoe hitondra fiovam-po ho an’ny olona tsirairay. Katsaho lalandava ny hampatanjaka ireo fianakaviana. Mampianàra miaraka amin’ny fomba fijery hoe zava-dehibe ny hamehezana ny fianakaviana any amin’ny tempoly. Mety haharitra taona maro vao ho tanteraka izany ho an’ny fianakaviana sasany. Izany no nitranga tamin’ireo ray aman-dreniko. Taona maro taorian’ny batisako dia vita batisa ny raiko ary taty aoriana dia nofehezina tany amin’ny tempoly ny fianakaviako. Lasa mpanao famehezana tao amin’ny tempoly ny raiko ary niara-nanompo taminy ny reniko. Rehefa manana ny fomba fijery amin’izany ôrdônansin’ny tempoly izany ianareo dia hanampy amin’ny fanorenana ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.

Tsarovy fa ny mitia azy ireo no fototra mahery vaika hitarihana ireo izay tianao hampiana. Mety ho tsy nanan-danja ihany ny fitahiran’i Bebe Whittle sy i Jeanene vadiko raha toa ka tsy fantatro hoe tia ahy izy ireo ary naniry ny hahazoako izay tsara indrindra teo amin’ny fiainako.

Ankoatra ny fitiavana azy ireo dia matokia azy ireo. Mety ho sarotra ny matoky ao anatin’ny toe-javatra sasany, saingy mitadiava fomba hahatokiana azy ireo. Afaka manao zavatra mahagaga ireo zanaky ny Ray any an-danitra rehefa mahatsapa izy ireo fa hatokisana. Nisafidy ny drafitry ny Mpamonjy ireo zanak’Andriamanitra rehetra eto an-tany. Matokia hoe raha omena fahafahana izy ireo hanao izany dia mbola hisafidy izany indray.

Mizarà fitsipika izay manampy ireo olona tianao handroso hatrany eo amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Tsarovy fa mivoatra andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra isika rehetra. Nanaraka io lamina io ihany koa ianareo tao anatin’ny fanakaranareo ny filazantsara. Aoka ho tsotra hatrany ny fizaranareo ny filazantsara.

Fitaovana mahery vaika ny fijoroana ho vavolombelona manokana anananareo momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny loharano hafa miaraka amin’izany dia ny vavaka, ny Bokin’i Môrmôna sy ireo soratra masina hafa ary ny fanoloran-tenanareo eo anatrehan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana. Ireo rehetra ireo dia hanamora ny fahazoanareo ny fitarihan’ny Fanahy izay tena zava-dehibe tokoa ny tokony hianteheranareo aminy.

Mba hahombiazana sy mba hanaovana izany araka ny nanaovan’i Kristy azy,3 dia mifantoha amin’ity fitsipika fototry ny filazantsara ity: nanome fahafahana antsika mba hitovy bebe kokoa amin’ny Ray any an-danitra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, mba hahafahantsika miaraka miaina mandrakizay ao anatin’ny rafitry ny fianakaviantsika.

Tsy misy fotopampianarana izay manan-danja kokoa noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy eo amin’ny asantsika. Mijoroa ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny herin’ny Sorompanavotana amin’ny fotoana rehetra mahamety izany. Mampiasà soratra masina izay mampianatra momba Azy sy ny antony mahatonga Azy ho ohatra tonga lafatra tokony harahin’ny rehetra eo amin’ny fiainana.4 Hilainareo ny mandalina amim-pahavitrihana. Aza dia variana loatra amin’ny zavatra tsy manan-danja ka lasa tsy vitanareo ny mianatra ny fotopampianarana sy ny fampianaran’ny Tompo. Ho loharano mahery vaika mpizara fahamarinana manan-danja amin’ireo olona hafa izay mila mafy izany ianareo rehefa manana fototra mafy orina an’ny tenanareo manokana miorina amin’ny fotopampianarana.

Manompo amin’ny fomba tena tsara ny Raintsika any an-danitra isika amin’ny alalan’ny fitarihana ny hafa sy ny fanompoana azy ireo amim-pahamarinana.5 I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no ohatra lehibe indrindra nandia ny tany hatramin’izay. Ny asa fanompoana nataony teto an-tany dia feno fampianarana sy fanompoana ary fitiavana ny hafa. Niara-nipetraka tamin’ireo olona izay noraisina ho tsy mendrika ny hiaraka Aminy Izy. Notiaviny ny tsirairay tamin’izy ireo. Nofantariny ny zavatra nilain’izy ireo ary nampianariny azy ireo ny filazantsara. Manasa antsika Izy mba hanaraka ilay ohatra lavorary nasehony.

Fantatro fa ny filazantsarany no lalana mitondra fiadanana sy fifaliana eto amin’ity fiainana ity. Enga anie isika ka hahatsiaro ny hanao tahaka ny nataony amin’ny alalan’ny fizarana ny fitiavantsika sy ny fahatokiantsika ary ny fahalalantsika ny fahamarinana amin’ireo olona hafa izay mbola tsy nandray ny fahazavan’ilay filazantsara lehibe. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.