2010–2019
Raha Tsy Manam-pahendrena Hianareo
Aprily 2014


Raha Tsy Manam-pahendrena Hianareo

Sary

Hanambara ny fahamarinana amin’ireo izay mikatsaka izany Andriamanitra araka ny voalaza ao amin’ny soratra masina.

Indray andro ny zanako lahy izay 10 taona dia nandalina mikasika ny atidohan’olombelona tao amin’ny Internet. Maniry ny ho lasa mpandidy izy any aoriana any. Tsy sarotra ny milaza fa mahay lavitra noho ny tenako izy.

Tia Internet izahay. Mifandray amin’ny fianakaviana sy namana amin’ny alalan’ny seraseram-pifandraisana amin’ny mailaka ary ny fomba maro hafa izahay ao an-trano. Ny ankamaroan’ny enti-modin’ireo zanako dia ataon’izy ireo amin’ny alalan’ny Internet.

Na inona na inona fanontaniana mipetraka, raha mila fanampim-pahalalana isika, dia mikaroka izany ao amin’ny Internet. Ao anaty segondra vitsy monja isika dia mahazo fitaovana maro. Mahatalanjona izany.

Manome fahafahana maro mba hianaran-javatra ny Internet. Na eo aza izany, dia te hampahory antsika i Satana, ka ovainy ny tena tanjona marin’ny zava-misy. Ampiasainy io fitaovana tsara io mba hoentiny mivoy ahiahy sy tahotra, ary entiny hanimbana ny finoana sy ny fanantenana.

Noho ny habetsahan’ireo zavatra hita ao amin’ny Internet, dia tokony handinika am-pitandremana isika hoe aiza no hampiasana ny herintsika. I Satana dia afaka manao izay hahalany ny fotoantsika sy hanariana dia antsika, ary handotoana ny saintsika amin’ny alalan’ny fanomezana fampahalalana, izay mety ho fako fotsiny ny ankamaroany.

Tsy tokony hisy olona hirenireny eny anivon’ny fako.

Henoy ity fitarihana izay omen’ny soratra masina ity: “Omena ny olona tsirairay ny Fanahin’i Kristy mba hahazoany manavaka ny tsara amin’ny ratsy; koa asehoko anareo ny fomba hitsarana; fa ny zavatra tsirairay izay manainga hanao ny tsara sy handresy lahatra mba hino an’i Kristy dia alefan’ny hery sy ny fanomezam-pahasoavan’i Kristy; koa dia azonareo fantarina … fa avy amin’Andriamanitra izany.”1

Raha ny tena marina, dia miatrika safidy mampisalasala mitovy amin’ny natrehan’i Joseph Smith tamin’ny fahatanorany isika. Matetika ihany koa isika no tsy ampy fahendrena.

Ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia ankasitrahana sy amporisihina ny fikarohana ny fahamarinana ary tsy mba sakantsakanana na atahorana velively. Ny Tompo mihitsy no mamporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hikatsaka fahalalana.2 Hoy Izy, “Mikatsaha fatratra … ; eny, katsahonareo ao amin’ny boky tsara indrindra ny tena fahendrena; katsahonareo ny fianarana, amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana.”3 Na izany aza, ahoana no ahafahantsika mahafantatra ny fahamarinana eo amin’ity izao tontolo izao ity izay manafika ireo zavatra mikasika an’Andriamanitra amin’ny fomba mivantana kokoa hatrany?

Ny soratra masina no mampianatra antsika ny fomba hanaovana izany:

Voalohany, afaka mahafantatra ny fahamarinana isika amin’ny fandinihana ny voany.

Hoy ny Tompo nandritra ilay Toriteny lehibe nataony teo an-tendrombohitra:

“Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. …

“Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.”4

Mampianatra io fitsipika io ihany koa ny mpaminany Môrmôna raha nilaza izy hoe: “Amin’ny asany no hahafantaranareo azy; fa raha tsara ny asany, amin’izany dia tsara koa izy.”5

Manasa ny rehetra izahay mba handalina ireo voan’ity Fiangonana ity sy ny asany.

Ireo izay liana amin’ny fahamarinana dia afaka hamantatra ny fanovana izay entin’ny Fiangonana sy ireo mpikambana ao aminy eo amin’ny fiaraha-monina misy azy ireo. Ho hitan’izy ireo koa ny fihatsarana eo amin’ny fiainan’ireo izay miaina sy manaraka ny fampianaran’ny Fiangonana. Ireo izay mandinika ireo voa ireo dia hahita fa ny voa izay azo ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia fy sy mampilendalenda.

Faharoa, afaka mahita ny fahamarinana isika amin’ny alalan’ny fampiharana eo amin’ny fiainantsika ny tenin’Andriamanitra.

Nampianatra ny mpaminany Almà hoe:

“Hampitahaintsika amin’ny voa iray ny teny. … Raha manisa toerana ianareo mba hahazoana mamboly voa iray ao am-ponareo, indro, raha tena voa marina izany na voa tsara, [ary] … raha tsy mandroaka izany hivoaka ianareo noho ny tsy finoanareo, … indro, hanomboka handrobona ao an-tratranareo izy; ary … hanomboka hiteny anakampo ianareo hoe—Tsy azo ihodivirana … ny maha tsy maintsy voa tsara azy, … satria manomboka mampivelatra ny fanahiko izy; eny, manomboka manazava ny fahazavan-tsaiko izy, eny, manomboka ho fy amiko izy. …

“… Ary ankehitriny, … moa va izany tsy hanatanjaka ny finoanareo? Eny, hohatanjahiny ny finoanareo. …

“… Satria ny voa tsirairay dia mamoa ny karazany ihany.”6

Fanasana tena mahafinaritra tokoa nataon’ny mpaminanin’ny Tompo izany! Azo ampitahaina amin’ny fanandramana ara-tsiantifika izany. Asaina isika mba hitsapa ny tenin’Andriamanitra, omena antsika ireo andinindininy, ary ambara amintsika ny vokatr’ilay fitsapana raha toa isika ka manaraka ireo torolalana.

Araka izany dia mampianatra antsika ny soratra masina fa afaka mahafantatra ny fahamarinana isika amin’ny fandinihana ny voa aterany na koa amin’ny fanandramana ilay izy mivantana, ka manome toerana ho an’ilay teny ao am-pontsika ary mikolokolo izany toy ny voa iray.

Kanefa mbola misy fomba fahatelo hahafantarana ny fahamarinana, ary izany dia amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana faha-8 dia mampianatra fa ny fanambarana dia fahalalana—“fahalalana ny amin’izay zavatra rehetra hangatahin[tsika] amin’ny finoana, amin-kitsim-po, rehefa mino fa horaisin[tsika].”7

Ary ny Tompo dia milaza amintsika ny fomba handraisantsika io fanambarana io. Hoy Izy, “Hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay ho tonga ao aminao sy hitoetra ao am-ponao.”8

Araka izany dia ampianarina isika fa ny fanambarana dia mety azo amin’ny alalan’ny fangatahana amim-pinoana, sy amin-kitsim-po, ary amin’ny finoana fa hahazo isika.

Kanefa jereo fa nilaza mazava tsara ny Tompo raha nampitandrina hoe: “Tsarovy fa raha tsy misy ny finoana, dia tsy mahavita na inona na inona ianao; koa mangataha amin’ny finoana.”9 Mitaky asa ny finoana, toy ny fandalinana izany ao an-tsainao, ary manontany amin’ny alalan’ny vavaka avy eo raha marina izany.

Hoy ny Tompo:

“Raha marina izany, dia hahamay ny ao anatin’ny tratranao Aho; koa, ho tsapanao fa marina izany.

“Fa raha tsy marina izany, dia tsy hanana fahatsapana toy izany ianao fa hanana kosa fahadontoan’ny saina, izay hahatonga anao hanadino ny zavatra izay diso.”10

Ny finoana tsy arahana asa dia maty.11 Araka izany, “mangata[ha] amin’ny finoana […], ka [aza] [m]iahanahana akory.”12

Misy namako iray tsy mitovy finoana amintsika, izay nilaza tamiko fa tsy olona liana amin’ny zavatra ara-panahy izy. Tsy mba handalina ny soratra masina izany izy na hivavaka satria nolazainy fa tsy mahatakatra ny tenin’Andriamanitra izy, sady tsy azony antoka hoe tena misy Andriamanitra. Izany fihetsika izany dia manazava ny fahosan’ny fiainam-panahiny, ary hitarika ho amin’izay mifanohitra amin’ny fanambarana, araka ny nazavain’i Almà. Hoy izy: “Ary noho izany, izay manamafy ny fony dia izy no mandray ny ampahany kely indrindra amin’ny teny.”

Saingy nanampy i Almà hoe: “izay tsy manamafy ny fony dia izy no omena ny ampahany betsaka indrindra amin’ny teny, mandra-panomezana azy ny fahafantarana ny misterin’Andriamanitra mandra-pahafantarany izany tanteraka.”13

I Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià dia ohatra maneho ilay fitsipika hoe mitaky asa ny finoana. Hitantsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny hoe:

“Nodinihiny tamim-pahazotoana tokoa ny soratra masina hahazoany mahalala ny tenin’Andriamanitra.

“Nefa tsy izay ihany; efa nanokan-tena ho amin’ny fivavahana fatratra sy ny fifadian-kanina izy ireo; noho izany dia nananany ny fanahin’ny faminaniana sy ny fanahin’ny fanambarana.”14

Ny fangatahana amin-kitsimpo dia manan-danja tahaka izany koa mandritra ireo dingana atao. Raha mikatsaka amin-kitsimpo ny fahamarinana isika, dia hanao izay rehetra azontsika atao mba hahitana izany, ka mety ho tafiditra ao anatin’izany ny famakiana soratra masina, ny fandehanana miangona ary ny fanaovana izay rehetra vitantsika mba hitandremana ireo didin’Andriamanitra. Midika koa izany fa rehefa mahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra isika dia vonona ny hanao izany.

Ireo zavatra nataon’i Joseph Smith rehefa nikatsaka fahendrena dia ohatra tena tsara izay maneho ny dikan’ny hoe manana fo madio. Nilaza izy fa naniry ny hahafantatra hoe iza tamin’ireo antokom-pivavahana nisy no marina “mba hahafantara[ny] izay hilatsaha[ny] ho mpikambana.”15 Na talohan’ny nivavahany aza, dia efa vonona izy handray andraikitra mifanaraka amin’izay valiny mety ho azony.

Tokony hangataka amin’ny finoana sy amin-kitsim-po isika. Tsy ampy anefa izany. Mila mino ihany koa isika fa handray ilay fanambarana. Tokony hatoky ny Tompo isika sy hanana fanantenana amin’ny teny nomeny. Tsarovy fa voasoratra hoe: “Raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.”16 Tena tsara izany raha fampanantenana!

Manasa ny rehetra aho mba hikatsaka ny fahamarinana amin’ny alalan’ny iray amin’ireo fomba ireo ary indrindra indrindra avy amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Hanambara ny fahamarinana amin’ireo izay mikatsaka izany Andriamanitra araka ny voalaza ao amin’ny soratra masina. Mitaky ezaka bebe kokoa noho ny fikarohana ao amin’ny Internet izany, kanefa mahaleo ny sarany.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ity no Fiangonana marin’i Jesoa Kristy. Efa nahita ny voa nentiny teo amin’ny fiarahamonina sy teo amin’ny fiainan’olona an’arivony maro aho, anisan’izany ireo fianakaviako. Izany no nahafantarako fa marina ity Fiangonana ity. Nanandrana ny tenin’Andriamanitra teo amin’ny fiainako koa aho nandritra ny taona maro ary tsapako ny fiantraikany teo amin’ny fanahiko. Izany no nahafantarako fa marina izy ity. Fa ny tena manan-danja indrindra dia ny nahafantarako ny fahamarinan’ity Fiangonana ity ho an’ny tenako manokana tamin’ny alalan’ny fanambarana tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Izany no nahafantarako fa marina ity Fiangonana ity. Manasa anareo rehetra aho hanao toy izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.