2010–2019
“Raha Tia Ahy Hianareo, dia Hitandrina ny Didiko”
Aprily 2014


“Raha Tia Ahy Hianareo, dia Hitandrina ny Didiko”

Sary

Ny fampiasantsika ny fahafahantsika misafidy dia midika hoe misafidy ny “[hanao ny marina dia miandry izay ho vokany].”

Ry rahalahy sy rahavavy, amin’ireo lesona rehetra ianarantsika avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy dia tsy misy mazava sy mahery kokoa noho ny lesona momba ny fankatoavana.

Ny Ohatry ny Mpamonjy

Nikomy tamin’ny drafitry ny Ray any an-danitra i Losifera nandritra ilay Filankevitra natao tany An-danitra talohan’ny nahaterahana. Namarana ny fivoarany mandrakizay ireo izay nanaraka an’i Losifera—mitandrema amin’izay arahanao!

Taorian’izay i Jesoa dia nanambara ny fanoloran-tenany hankatò nanao hoe “Ray ô, hatao anie ny sitraponao ary ho Anao ny voninahitra mandrakizay.”1 Nandritra ny asa fanompoany dia “nalaim-panahy izy saingy tsy nilefitra tamin’ ireny.”2 Marina tokoa fa “nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy.”3

Koa satria nankatò ny Mpamonjy antsika dia nanao sorona Izy noho ny fahotantsika, ka nanao izay hahatanteraka ny fitsanganantsika amin’ny maty ary nanomana ny lalana hiverenantsika any amin’ny Raintsika any an-danitra, izay nahafantatra fa hanao fahadisoana isika eo am-pianarantsika mankatò eto amin’ny fiainana an-tany. Rehefa mankatò isika dia manaiky ny sorona nataony satria “mino isika fa noho ny Sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy, dia azo vonjena ny olombelona rehetra, amin’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansy ary ireo didy ao amin’ny filazantsara.”4

Nampianatra antsika hankatò tamin’ny teny tsotra izay mora takarina i Jesoa: “Raha tia Ahy Hianareo, dia hitandrina ny didiko.”5 ka “[ho avy, hanaraka Ahy].”6

Rehefa vita batisa isika dia “[mitondra] eo amin[tsika] ny anaran’i Kristy” sy manao “fanekempihavanana amin’ Andriamanitra fa ho mpankatò mandra-pahatapitry ny fiainan[tsika].”7 Manavao izany fanekempihavanan’ny batisa izany isika isaky ny Alahady amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo sy ny fijoroana ho vavolombelona fa vonona ny hitandrina ny didiny isika. Mikatsaka famelan-keloka isika noho ny eritreritra, na ny fahatsapana na ny asa rehetra izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Raintsika any an-danitra. Rehefa mibebaka isika amin’ny alalan’ny fitsaharantsika amin’ny tsy fankatoavana sy amin’ny alalan’ny fanombohana mankatò indray, dia maneho ny fitiavantsika Azy isika.

Ireo Karazam-pankatoavana

Rehefa miaina ireo fitsipiky ny filazantsara isika dia mitombo ny fahatakarantsika ny fankatoavana. Mety misy ny fotoana izay mahatafaroboka antsika amin’ny fakam-panahy hanaraka ilay antsoiko hoe “fankatoavana ny fahendren’olombelona,” izay handavantsika tsy amim-pankatoavana ny lalàn’Andriamanitra ka hisafidianantsika ny fahendrena sy ny fanirian’ny tenantsika manokana na ny laza koa aza. Noho izy io iainan’ny olona maro dia maro tokoa, io fanimbana ny hevitry ny fankatoavana io dia mampihen-danja ireo fenitra napetrak’Andriamanitra eo amin’ny kolontsaintsika sy ireo lalàna eo amintsika.

Indraindray ireo mpikambana dia miaina ny hoe “fifantenana izay didy sasantsasany tiantsika hankatoavina,” ary milaza fa tia sy manaja an’Andriamanitra kanefa mifantina hoe inona amin’ireo didiny sy fampianarany—ary ireo fampianarana sy torohevitr’ireo mpaminaniny—no ho arahan’izy ireo tanteraka.

Ny sasany dia mifidifidy izay hankatoaviny satria tsy takatr’izy ireo ny anton’ny didy iray, tahaka ny zanaka izay tsy mahatakatra foana ny antony hanomezan’ireo ray aman-dreniny torohevitra sy fitsipika. Saingy isika kosa dia mahalala foana ny antony hanarahantsika ireo mpaminany satria Fiangonan’i Jesoa Kristy ity ary ny Mpamonjy no mitarika ireo mpaminaniny ao anatin’ireo fotoampitantanana rehetra.

Rehefa mihalalina ny fahatakarantsika ny fankatoavana dia ekentsika ny anjara asa manan-danjan’ny fahafahana misafidy. Tamin’i Jesoa tao amin’ny Sahan’i Getsemane dia nivavaka intelo tamin’ny Rainy any an-danitra Izy hoe “Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao.”8 Tsy hanaisotra ny fahafahan’ny Mpamonjy misafidy Andriamanitra kanefa tao anatin’ny famindram-pony no nandefasany anjely iray mba hampahery ny Zanany Malalany.

Niatrika fitsapana iray hafa ny Mpamonjy tao Golgota, toerana izay tokony ho nahafahany niantso andian’anjely mba hampidina Azy avy eo amin’ny hazo fijaliana, saingy nanao ny safidiny manokana Izy mba haharitra hatramin’ny farany tamim-pankatoavana sy hamita hatramin’ny farany ny sorompanavotany, na dia fijaliana lehibe sy fahafatesana aza no dikan’izany.

Rehefa matotra ara-panahy ny fankatoavana dia lasa “fankatoavana toy ny an’ny Mpamonjy.” Ny fitiavana marina ny Ray any an-danitra sy ny Zanany no manosika ho amin’izany. Rehefa mankatò an-tsitrapo isika tahaka izay nataon’ny Mpamonjy dia ankamamiantsika ny tenin’ny Raintsika any an-danitra hoe: “Inty ny Zanako Malalako Izay sitrako.”9 Ary andrandraintsika ny handre ny hoe “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky: … midira amin’ny fifalian’ny tomponao”10 rehefa miditra eo anatrehan’ny Raintsika any an-danitra.

Ny fampiasantsika ny fahafahantsika misafidy dia midika hoe misafidy ny hanao ny marina ary miandry izay ho vokany.11 Mitaky fifehezan-tena izany ary mitondra fahatokian-tena ho antsika sy fahasambarana mandrakizay ary fahatsapana ho nahavita zavatra; ka mitondra izany koa amin’ireo manodidina antsika amin’ny alalan’ny ohatra asehontsika. Ary izany dia ahitana hatrany fanoloran-tena lalina hanohana ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy hanaraka ny fampianarana sy ny torohevitr’izy ireo.

Ireo Vokany

Rehefa misafidy ny hankatò isika na tsia dia manampy mandrakariva ny mitadidy ireo vokatry ny safidintsika. Moa ve i Losifera sy ireo mpanara-dia azy nahatakatra ireo vokatry ny fisafidianana ny hanohitra ny drafitry ny Ray any an-danitra? Raha izany no izy dia nahoana izy ireo no nanao safidy mahatsiravina toy izany? Mety hametraka fanontaniana mitovy amin’izany amin’ny tenantsika isika hoe: Nahoana no misy amintsika ny misafidy ny tsy hankatò kanefa fantatsika ireo vokatra mandrakizay ateraky ny ota? Manome ny valin’izany ny soratra masina: ny antony nisafidianan’i Kaina sy ny sasany tamin’ireo zanak’i Adama sy Eva ny tsy hankatò dia satria “notiaviny mihoatra noho Andriamanitra i Satana.”12

Ny fitiavantsika ny Mpamonjy dia tena ilaina mba hananana fankatoavana tahaka ny an’ny Mpamonjy. Rehefa miezaka ny ho mpankatò eto amin’ity tontolo ankehitriny ity isika dia manambara ny fitiavantsika sy ny fanajantsika ireo zanaky ny Ray any an-danitra rehetra. Kanefa tsy afaka manova ny didin’Andriamanitra io fitiavana ny hafa io, izay didy nomena mba ho soa ho antsika! Ohatra, ilay didy hoe “tsy … hamono olona, na hanao zavatra toy izany [ianao]”13 dia miorina amin’ny lalàna ara-panahy izay miaro ny zanak’Andriamanitra rehetra, eny fa na dia ireo vao any am-bohoka aza. Zavatra maro niainana avy amin’ny tantara no maneho fa rehefa manao tsinontsinona io lalàna io isika dia alahelo lehibe no aterak’izany. Maro anefa ireo mino fa azo ekena ny manapitra ny ain’ny zaza iray ao am-bohoka satria izay no tian’izy ireo na mety amin’izy ireo.

Ny fiezahana manamarina ny tsy fankatoavana dia tsy manova ny lalàna ara-panahy na ny vokany fa mitarika kosa ho amin’ny fisavorovoroan-tsaina, sy ny tsy fiorenana tsara, ny firenirenena amin’ny lalana hafahafa, fahaverezana ary alahelo. Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia manana adidy masina isika ny hitandrina ny lalàny sy ny didiny ary ireo fanekempihavanana izay nataontsika.

Tamin’ny Desambra 1831 dia nantsoina ny rahalahy sasany mba hampihena ny tsy fitiavan’ny olona ny Fiangonana izay nihanahazo laka. Nitarika azy ireo ny Tompo tamin’ny fomba tsy mahazatra, ary tsy nampoizina mihitsy aza, tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith:

“Koa, ataovy mangaihay ny fahavalonareo; antsoy izy ireo hihaona aminareo na an-kalamanjana na any amin’ny toerana mitokana. …

“Koa aoka izy ireo hitondra ny fandaharan-teny maheriny hanoherana ny Tompo.

“… Tsy misy fiadiana izay voaforona hamelezana anareo ka hiroborobo;

“Ary raha misy olona manandratra ny feony manohitra anareo, dia hatao mangaihay izy amin’ny fotoana mahamety izany Amiko.

“Koa tandremo ny didiko; marina sy mahatoky izany.”14

Ireo Lesona hita ao amin’ny Soratra Masina

Feno ohatra ao amin’ny soratra masina mikasika ireo mpaminany izay nianatra ireo lesona momba ny fankatoavana tamin’ny alalan’ny zavatra niainany manokana.

Nampianarina an’i Joseph Smith ny vokatry ny fanekena ireo faneriterena avy amin’ny Martin Harris izay sady mpiantoka azy no namany sy mpitan-tsorany. Ho valin’ny fangatahan’i Martin dia nangataka lalana tamin’ny Tompo i Joseph mba hampindrana ireo ireo pejy voalohany vita amin’ny sora-tanana miisa 116 ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mba hahafahan’i Martin mampiseho izany amin’ny fianakaviany, saingy nasain’ny Tompo nandà i Joseph. Nitalaho tamin’i Joseph i Martin ny mba hangatahany tamin’ny Tompo indray. Rehefa avy nangataka fanintelony i Joseph dia nanome lalana olona dimy voafaritra tsara ny Tompo mba hamaky ilay sora-tanana. “Nampanantena ny hanaraka io fifanarahana io tamin’ny voady lehibe i Martin. Rehefa tonga tany an-trano izy, ka niharan’ny faneriterena maro avy tamin’ny hafa mba haneho ilay sora-tanana, dia nanadino ny voady lehibe nataony ka namela ny hafa hijery ilay sora-tanana; ary vokatr’izany dia votsotra teny an-tanany ilay sora-tanana,”15 ka very. Vokatr’izany dia bedin’ny Tompo i Joseph ary tsy navela hanohy handika ny Bokin’i Môrmôna. Nijaly i Joseph ary nibebaka tamin’ny fandikan-dalàna nataony noho ny nanekeny ny faneriterena avy tamin’ny hafa. Afaka fotoana vitsy dia nahazo lalana hanohy indray ny fandikan-teniny i Joseph. Nianatra lesona manan-danja mikasika ny fankatoavana i Joseph, izay nanampy azy nandritra ny andro sisa niainany!

Manome ohatra iray hafa ny mpaminany Mosesy. Rehefa nampaka-bady Etiopiana tamim-pankatoavana i Mosesy dia nanome tsiny azy i Miriama sy i Arona. Hoy anefa ny Tompo raha nibedy azy ireo: “Mifanatrika no itenenako [amin’i Mosesy].”16 Nampiasa io zava-niseho mahatalanjona io ny Tompo mba hampianarana ny mpikamban’ny Fiangonana amin’izao fotoampitantanana iainantsika izao. Nilaza ho nandray fanambarana ho an’ny Fiangonana i Hiram Page tamin’ny taona 1830. Nanitsy azy ny Tompo ary nampianatra ny Olomasina nanao hoe “Ho mpankatò tahaka an’i Aharôna ianao, amin’ny zavatra izay homeko [an’i Joseph],”17 “fa mandray ireny tahaka an’i Mosesy izy.”18

Mitondra fitahiana ny fankatoavana “ary rehefa mahazo fitahiana avy amin’Andriamanitra isika, izany dia noho ny fankatoavana ny lalàna izay ifotorany.”19

Ampianarina amin’ny alalan’ny ohatra ny fankatoavana. Amin’ny fomba iainantsika no ampianarantsika ireo zanatsika hoe “Mianara fahendrena amin’ny fahatanoranao, eny mianara ny hitandrina ny didin’Andriamanitra amin’ny fahatanoranao.”20

Ny fankatoavana dia mahatonga antsika hatanjaka kokoa tsikelikely sy ho afaka hiaritra amim-pahatokiana ireo fitsapana sy fizahan-toetra amin’ny ho avy. Ny fankatoavana tao Getsemane no nanomana ny Mpamonjy mba hankatò sy haharitra hatramin’ny farany teo Golgota.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, milaza ny zavatra tsapako ato am-poko ny tenin’i Almà:

“Ary ankehitriny ry rahalahiko malala, efa nilaza taminareo ireo zavatra ireo aho mba hahazoako mamoha anareo ho amin’ny fahatsiarovana ny adidinareo amin’Andriamanitra, mba hahazoanareo mandeha tsisy tsiny eo anoloany. …

“Ary ankehitriny dia mba tiako ianareo hanetry tena sy hanoa ary ho malemy fanahy; … mazoto amin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra.”21

Mizara ny fijoroako ho vavolombelona manokana aho fa velona ny Mpamonjy antsika. Noho ny fankatoavany, “ny lohalika tsirairay dia hitsaoka ary ny lela tsirairay hiaiky eo anoloany … fa Izy no [Mpamonjy antsika].”22 Enga anie isika mba ho tia Azy tokoa sy hino Azy tanteraka mba hankatoavantsika koa, sy hitandremantsika ny didiny ary hiverina hiara-hiaina Aminy mandrakizay ao amin’ny fanjakan’ilay Andriamanitsika, izay no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.