2010–2019
Miaro sy Manomana ary Manome Hery antsika ny Fitandremana ireo Fanekempihavanana
Aprily 2014


Miaro sy Manomana ary Manome Hery antsika ny Fitandremana ireo Fanekempihavanana

Sary

Vehivavy ao anatin’ny sokajin-taona rehetra izay manao fanekempihavanana isika ary mandeha amin’ny lalàn’ny fiainana an-tany mba hiverina ho eo anatrehany.

Ry rahavavy isany, tianay ianareo. Raha nitsidika an’i Mexico aho vao haingana dia afaka nahatsapa ny maha-mpirahavavy izay tsapantsika amin’izao takariva izao. Alaivo sary an-tsaina ange ity zava-nitranga ity e: Vao nirava avy ao amin’ny Kilonga izahay ny Alahady maraina dia nibosesika teo amin’ilay lalantsara feno olona ny ankizy sy ny mpampianatra ary ny tenako. Tamin’izay fotoana izay dia nisokatra ny varavaran’ny kilasin’ny Zatovovavy ka hitako ireo zatovovavy sy ny mpitarika azy ireo. Samy nifanatona hifamihina izahay rehetra. Niaraka tamin’ireo ankizy nitazona ny zipoko sy ireo zatovovavy nanodidina ahy dia te hilaza ny fahatsapana tsapako tamin’izay fotoana izay indrindra aho.

Tsy miteny Espaniôla aho, koa teny Anglisy ihany no tonga tao an-tsaiko. Nojereko avokoa ny endrik’izy ireo ka niteny aho hoe: “Zanakavavin’ny Raintsika any an-danitra isika, izay tia antsika ary isika koa dia tia Azy.” Teo no ho eo dia niara-niredona izany niaraka tamiko tamin’ny teny Espaniôla ny rehetra. Dia indreo izahay nitanisa ny teny filamatry ny zatovovavy teo amin’ny lalantsara feno olona nanao hoe: “Hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra isika amin’ny fotoana rehetra, sy amin’ny zavatra rehetra, ary amin’ny toerana rehetra.”

Anio hariva isika dia miara-mivory manerana izao tontolo izao, amin’ny mpianany antsika, miaraka amin’ny faniriana hiaro sy hanohana ny fanjakan’Andriamanitra. Zanakavavin’ny Raintsika any an-danitra isika. Vehivavy ao anatin’ny sokajin-taona rehetra izay manao fanekempihavanana isika ary mandeha amin’ny lalàn’ny fiainana an-tany mba hiverina ho eo anatrehany. Miaro antsika sy manomana antsika ary manome hery antsika ny fitandremana ireo fanekempihavanana.

Misy ankizivavy avy amin’ny Kilonga miaraka amintsika eto anio hariva. Vao haingana ny sasany aminareo no nanao ilay dingana voalohany eo amin’izany lalana izany tamin’ny ôrdônansin’ny batisa.

Jereo ny manodidina anareo. Feno fanantenana ny hoavy rehefa hitanareo ireo vehivavy izay efa nanao fanekempihavanana ihany koa ka vonona ny hanoro anareo ny zavatra tokony hatao amin’ny hoavy.

Raha toa ianareo ka 8, 9, 10, na 11 taona, na ato anatin’ity ivontoeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana ity, na any an-tranonareo, na any amin’ny trano fivoriana manerana izao tontolo izao, dia afaka mitsangana ve ianareo azafady? Tonga soa eto amin’ny fivoriamben’ny vehivavy maneran-tany. Mbola mitsangàna eo ihany aloha izao azafady satria te hanasa anareo izahay anio hariva mba handray anjara. Hohiraiko ny feon’ny hiran’ny Kilonga iray. Ary raha vantany vao hainareo ny feon’ilay hira dia afaka hanomboka hiara-hihira amiko ve ianareo? Izao dia mila mihira mafy ianareo mba hahafahan’ny rehetra mandre izany.

Toroy handeha amin’ny mazava aho.

Toroy aho hivavaka amin’ny Ray.

Toroy aho ahafantatra indray;

Fitia, marin’ny fahazavana.

Mitsangàna ihany rankizy eo am-pihiran’ny 12 taona no ho miakatra rehetra ny andininy faharoa ankehitriny.

Anaka, manatona hianatra,

Ny didy hiverenantsika indray,

Eo anatrehany mandrakizay—

Handeha amin’ny fahazavana.1

Nahafinaritra be izy teo. Afaka mipetraka ianareo. Misaotra betsaka.

Mandeha amin’ny fahazavany isika amin’ny maha-vehivavy ahitana ny sokajin-taona rehetra antsika. Ny diantsika eo amin’ilay lalana dia an’ny tenantsika manokana ary mazava tsara izany noho ny fitiavan’ny Mpamonjy.

Miditra ny vavahadin’ny lalan’ny fiainana mandrakizay isika miaraka amin’ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanan’ny batisa, ary mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina isika avy eo. Nanontany antsika ny Loholona Robert D. Hales nanao hoe: “Taka[tsika] sy takatry ny zana[tsika] ve fa rehefa atao batisa [isika] dia ovaina mandrakizay?”

Nanazava ihany koa izy fa “rehefa takatsika ny fanekempihavanan’ny batisantsika sy ny fanomezana ny Fanahy Masina dia hanova ny fiainantsika sy hanorina ny fanoloran-tenantsika tanteraka ho an’ny fanjakan’Andriamanitra izany. Rehefa tonga amintsika ireo fakam-panahy dia hampahatsiahy antsika ny Fanahy Masina, raha toa ka hihaino isika, fa nampanantena ny hahatsiaro ny Mpamonjintsika sy hankato ny didin’Andriamanitra isika .”2

Manavao ny fanekempihavanan’ny batisantsika isika isan-kerinandro rehefa mandray ny tandindon’ny fanasan’ny Tompo. Hoy ny Loholona David A. Bednar hoe: “Rehefa mijoro eo amin’ny ranon’ny batisa isika dia manomboka ny diantsika ho any amin’ny tempoly. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia miandrandra ny tempoly. Maneho fahavononana isika fa hahatsiaro ny Mpamonjy mandrakariva ary hitandrina ny didiny eo am-piomanana handraisana ny ôrdônansy masin’ny tempoly.”3

Mitondra amin’ireo fitahiana lehibe indrindra azo avy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ireo ôrdônansin’ny tempoly. Izany dia ireo ôrdônansy ilaina ho amin’ny fisandrantantsika any amin’ny fanjakana selestialy. Rehefa miezaka mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika dia hanomboka hanjavona ny fahatsapana tsy fahatomombanana sy tsy fahalavorariana ananantsika, ary lasa mihamanan-danja ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly. Ny rehetra dia afaka mandeha amin’izany lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay izany.

Talanjona aho amin’ny tanjak’ireo ankizivavy sy zatovovavy ary vehivavy nihaona tamiko nanerana izao tontolo izao izay miaina mifanaraka amin’ny fanekempihavanana nataony. Mamelà ahy hizara ohatra maromaro amin’ireo ankizivavy sy vehivavin’ny fanekempihavanana nihaona tamiko.

11 taona i Luana tamin’ny fotoana nitsidihako ny fianakaviany tany Buenos Aires, Argentine. Tsy afaka niteny i Luana noho ny zava-niseho nandratra fo nitranga tamin’ny fahazazany. Tsy niteny nandritra ny taona maro izy. Nipetraka nangina izy raha nifampiresaka izahay rehetra. Nanantena hatrany aho na dia hahazo bitsika iray monja avy aminy aza. Nibanjina ahy tsara izy toy ny hoe tsy ilaiko akory ny hitenenany dia ho fantatro ny zavatra tsapany. Taorian’ny vavaka dia nitsangana mba handeha izahay ary nanolotra sary ho ahy i Luana. Nanao sarin’i Jesoa Kristy tao amin’ny Sahan’i Getsemane izy. Dia fantatro tamin’izay ny fijoroana ho vavolombelona nananany na dia tsy niteny aza izy. Nanao fanekempihavanana hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra “amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zavatra rehetra ary amin’ny toerana rehetra”4 i Luana tamin’ny batisany. Takany ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy araka ny nasehony tamin’ny alalan’ny sary nataony. Moa ve fantany fa afaka ny ho sitrana izy ka hiteny indray amin’ny alalan’ny hery mampatanjaka sy manafaka avy amin’ny Sorompanavotana? Hatramin’izay andro izay, efa telo taona lasa izay, dia nivoatra tamin’ny ezaka nataony mba hiteny i Luana. Mandray anjara ao amin’ny Zatovovavy miaraka amin’ny namany izy ankehitriny. Manohy mizara ny fijoroana ho vavolombelony momba ny Mpamonjy izy sady manaja ny fanekempihavanana nataony tamin’ny batisa.

Liana amin’ny tempoly ny zatovo manerana izao tontolo izao. Tany Lima, Pérou dia nihaona tamin’ny raim-pianakaviana iray sy ny telo amin’ireo zanany vavy teo ivelan’ny fidirana ao amin’ny tempoly aho. Hitako teny amin’ny endrik’izy ireo ny fahazavana. Manan-kilema lehibe ny roa tamin’ireo zanany vavy ka nipetraka tamin’ny seza misy kodiarana. Nanazava ilay zanany vavy fahatelo, raha nanampy ireo rahavaviny fa mbola manana rahavavy anankiroa izy any an-trano. Samy mampiasa seza misy kodiarana avokoa izy ireo. Tsy afaka hanao ny dia maharitra 14 ora mankany amin’ny tempoly izy ireo. Zava-dehibe ho an’ity ray ity sy ho an’ny zanany vavy ny tempoly ka tonga tany amin’ny tempoly ny efatra tamin’izy ireo—ny roa amin’izy ireo dia hitazana fotsiny ilay anankiray afaka ny ho atao batisa isoloan-tena ny maty sy manatanteraka izany ôrdônansy masina izany. Toa an’i Nefia dia “finaritra amin’ny fanekempihavanan’ny Tompo”5 izy ireo.

Ny vehivavy tokan-tena iray izay fantatro dia manome lanja ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro sy ny fampanantenana masin’izany “mba hananany mandrakariva ny Fanahy miaraka aminy”6 Izany finamanana lalandava izany dia fampanantenana iray izay manalefaka ireo onjan’ny fahatsapana ho irery. Manome azy tanjaka mba hampifantoka ny tenany ao anatin’ny fikolokoloana ny talentany sy ny faniriana hanompo ny Tompo izany. Nahita fifaliana lehibe tamin’ny fanehoam-pitiavana ho an’ireo ankizy rehetra teo amin’ny fiainany izy, ary rehefa mikatsaka fiadanana tony izy dia any amin’ny tempoly no hahitanao azy.

Farany, nijery ny fitomboan’ny zanany sy ny zafikeliny ary ny fahaterahan’ireo zafiafiny ny vehivavy lehibe iray ao anatin’ny faha-90 taonany. Tahaka ny ankamaroantsika dia nanana fiainana feno alahelo sy fahoriana ary fifaliana tsy takatry ny saina izy. Niaiky izy fa raha azony natao ny nanaisotra ny sasany amin’ireo zavatra niainany dia ho nataony izany. Kanefa mbola nolazainy tamim-pitsikiana hoe: “Mila miaina elaela kokoa fotsiny aho ka hijery izay hiafarany!” Manohy mifikitra mafy amin’ny fanekempihavanana izy eo amin’ilay lalana.

Nampianatra i Nefia hoe:

“Rehefa nihazo ny lalana ety sy tery ianareo dia mba te hanontany anareo aho raha toa ka efa vita ny zava-drehetra. Indro lazaiko anareo, Tsia. …

“Noho izany dia tsy maintsy mibosesika amin’ny fiorenana ao amin’ny Kristy ianareo, amin’ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ny tenin’i Kristy ary maharitra hatramin’ny farany, dia indro, izao no lazain’ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo.”7

Eo amin’izany lalana izany ny tsirairay amintsika. Nihira momba ny fandehanana eo amin’ny lalana ao amin’ny fahazavana isika androany hariva. Matanjaka ny tenantsika tsirairay avy. Ary rehefa miaraka amin’Andriamanitra isika dia tsy azo sakanana.

Niteny tamin’i Emma Smith ny Tompo hoe: “Koa asandrato ny fonao ary mifalia sy mifikira amin’ny fanekempihavanana izay efa nataonao.”8

Mifaly isika fa amin’ny alalan’ny fitandremana ny fanekempihavanantsika dia afaka hahatsapa ny fitiavan’ny Raintsika any an-danitra sy ny fitiavan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy Ireo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.