2010–2019
Avelao ny Finoanareo Hiseho
Aprily 2014


Avelao ny Finoanareo Hiseho

Sary

Ampitomboy isan’andro ny finoanareo, eny am-pandehananareo mankany amin’ilay anjara mandrakizay nomena anareo. Torio ny finoanareo! Avelao ny finoanareo hiseho!

Ry rahalahy sy ranabavy malala, maneho ny fitiavanay sy ny fankasitrahanay lalina anareo izahay. Feno fankasitrahana izahay noho ny fanirahana anay mba hiasa miaraka aminareo.

Tao anatin’ny sidina iray vao haingana izay dia nilaza ny mpanamory fiaramanidina nitondra anay fa hiatrika fihontsonkontsonana izahay mandritra ny fidinanay ka tsy maintsy manidy tsara ny fehikibony ny mpandeha rehetra. Dia tonga tokoa ny fihontsonkontsonana. Tena mafy dia mafy izany. Tery amin’ny ilany ampita tery ary seza maromaro taoriako dia nisy vehivavy iray natahotra mafy ka nihotakotaka. Nihiakiaka mafy izy isaky ny misy toy ny milatsaka sy isaky ny mihetsika tampoka ilay fiaramanidina. Niezaka nankahery azy ny vadiny fa tsy nampitony azy izany. Nihiakiaka toy ny adala foana izy mandra-pivoakanay tamin’ilay faritra nampihontsonkontsona ka tafantsona soa aman-tsara ny fiaramanidina. Nandritra izany fotoana nampitebiteby be azy izany dia nalahelo azy aho. Satria ny finoana no fanefitry ny tahotra dia naniry mangina tao anatiko aho hoe raha mba izao aho mantsy no mba afaka nampahatanjaka ny finoany.

Taty aoriana, rehefa nandao ilay fiaramanidina ny mpandeha dia niresaka tamiko ny vadin’ilay vehivavy. Hoy izy hoe: “Miala tsiny fa natahotra mafy ny vadiko. Ny hany fomba nahafahako nankahery azy dia ny niteny taminy hoe ‘Ato anatin’ity fiaramanidina ity ny Loholona Nelson ka tsy mila matahotra ianao.’”

Tsy dia matoky loatra aho hoe tokony ho nitondra izay fankaherezana nilainy ny naha tao anatin’ilay fiaramanidina ny tenako fa ambarako kosa fa ny iray amin’ireo zava-misy amin’ny fiainana an-tany dia ny hoe hosedraina sy hotsapaina ny finoantsika. Indraindray dia tonga ireo fisedrana ireo rehefa miaina toe-javatra toa mety hiafara amin’ny fahafatesana isika. Ho an’ity vehivavy feno tahotra ity, ilay fiaramanidina nihontsonkontsona mafy dia mafy dia naneho ny iray amin’ireo fotoana hitsapana hoe hatraiza ny tanjaky ny finoantsika.

Rehefa miresaka momba ny finoana isika—ilay finoana izay afaka mamindra tendrombohitra—dia tsy miresaka finoana amin’ny ankapobeny fa ilay finoana an’i Jesoa Kristy Tompo. Afaka mihamatanjaka ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo rehefa mianatra momba Azy sy miaina araka ny fivavahantsika isika. Nataon’ny Tompo hanampiana antsika hampitombo ny finoantsika ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Amin’ny fiteny izay ampiasain’ny maro ankehitriny anefa dia mety hidika zavatra samihafa amin’ny olona samihafa ny teny hoe fivavahana.

Raha ara-bakiteny ny teny hoe fivavahana [amin’ny teny anglisy] dia midika hoe “mampifamatotra indray” amin’Andriamanitra.1 Ny fanontaniana mety hapetratsika amin’ny tenantsika dia hoe, tena mifamatotra tsara amin’Andriamanitra ve isika ka miseho ny finoantsika, sa ve isika raha ny marina mifamatotra amin’ny zavatra hafa? Ohatra, imbetsaka aho no nahare resadresaka isaky ny Alatsinainy maraina momba ireo lalao matihanina ara-panatanjahantena izay nitranga ny Alahady omalin’iny. Eo anatrehan’ny sasany amin’ireo mpankafy fatratra izany taranja izany dia manontany tena ihany aho hoe, ny azy ireo izany ny “fivavahany” dia tsy “mampifamatotra” azy afa-tsy amin’ilay karazana fanatanjahantena ankafiziny indrindra.

Mety hanontany tena isika tsirairay hoe aiza ny finoantsika? Ao amin’ny ekipa iray ve izany? Ao anatin’ny marika famantarana zavatra amidy iray ve izany? Ao anatin’ny olo-malaza iray ve izany? Na ny ekipa mahay indrindra aza dia mety ho resy. Afaka mihalefy laza ireo olo-malaza. Ao anatin’ilay Iray izay ihany no ho voaro foana ny finoantsika, dia tsy aiza fa ao amin’i Jesoa Kristy Tompo izany. Ary mila mamela ny finoanareo hiseho ianareo!

Nanambara Andriamanitra ao anatin’ny voalohany amin’ireo Didy Folony hoe “Aza manana Andriamani-kafa fa Izaho ihany.”2 Niteny ihany koa Izy hoe, “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.”3 Kanefa mbola maro ny olona tsy mijery afa-tsy ny toe-bolan’izy ireo any amin’ny banky mba hahazoana fiadanana na mijery olombelona mitovy amin’ny tena mba ho ohatra alaina tahaka.

Matetika traran’ny fisedrana finoana ireo mpitsabo matihanina, sy ireo mpampianatra matihanina ary ireo mpanao pôlitika. Rehefa ao anatin’ny fanatratrarana ny tanjony izy ireo, dia moa ve hiseho sa ho takona ny fivavahany? Mifamatotra amin’Andriamanitra ve izy ireo sa amin’olona?

Niaina fisedrana toy izany aho am-polo taonany maro lasa izay rehefa nibedy ahy ny mpiara-miasa iray tamiko tany amin’ny sekoly ambony fianarana ho mpitsabo, noho ny tsy fampisarahako ny fahalalako arak’asa amin’ny finoako ara-pivavahana. Nangataka ahy izy mba tsy hampifangaro azy roa ireo. Ahoana no ahafahako manao izany? Ny fahamarinana dia fahamarinana! Tsy azo saratsarahana izany, ary tsy misy ampahan’izany azo tsinontsinoavina.

Na mivoaka avy ao amin’ny laboratoara ara-tsiansa iray na amin’ny alalan’ny fanambarana, dia miainga avy any amin’Andriamanitra avokoa ny fahamarinana rehetra. Izay fahamarinana rehetra dia ampahany amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.4 Kanefa dia nangatahina aho mba hanakona ny finoako. Tsy nanaiky ilay fangatahan’ny mpiara-miasa tamiko aho. Navelako hiseho ny finoako!

Takiana ao anatin’ny karazan’asa atao rehetra ny fanarahana ireo fenitra hentitra mifehy ny fanaovan-javatra amin’ny fomba mazava. Zava-tsarobidy ho an’ireo manam-pahaizana ny fahalalahan’izy ireo maneho hevitra. Saingy tsy azo iainana feno ny fahalalahana raha toa ka fehezin’ilay hoe “tsy eken’ny” lalàn’ny olona ny ampahan’ny fahalalan’ny olona iray.

Tsy azo tsinontsinoavina ny fahamarinana ara-panahy—indrindra ireo didy avy amin’Andriamanitra. Mitondra fitahiana foana ny fitandremana ireo didy avy amin’Andriamanitra! Miteraka fahaverezan’ny fitahiana foana ny fandikàna ireo didy avy amin’Andriamanitra!5

Maro dia maro ny olana eto amin’ity izao tontolo izao ity satria feno olona tsy tonga lafatra. Miankina betsaka amin’ny finoan’izy ireo na ny tsy fahampian’izany ny tanjony sy ny faniriany. Maro ireo mametraka laharampahamehana hafa alohan’Andriamanitra. Misy ireo izay mifanditra amin’ny maha-zava-dehibe ny fivavahana eo amin’ny fiainana maoderina. Toy ny tao anatin’ny vanim-potoana rehetra dia misy ankehitriny ireo izay maneso na manakina ny fampiharana malalaka ny fivavahana. Misy olona sasany aza moa manameloka ny fivavahana ho anisan’ireo aretina mikiky an’izao tontolo izao. Marina tokoa fa nisy ireo fotoana nitrangan’ny zava-doza izay notanterahana tamin’ny anaran’ny fivavahana. Kanefa ny fiainana ny fivavahana madion’ny Tompo, izay midika hoe fiezahana ho tonga mpanara-dia marin’i Jesoa Kristy, dia fomba fiainana iray sy fanoloran-tena isan’andro izay hitondra fitarihana avy any an-danitra. Rehefa miaina ilay fivavahanao ianao dia mampihatra ny finoanao. Mamela ny finoanao hiseho ianao.

Fantatry ny Tompo fa mila mianatra ny fomba hahitana Azy ny zanany. “Fa ety ny vavahady” hoy Izy, “ary tery ny làlana izay mitondra amin’ny fisandratana … , ary vitsy no mahita izany.”6

Manome ny iray amin’ireo fomba tsara indrindra hahitantsika ny lalantsika sy hanohizana izany ny soratra masina. Mitondra fiarovana sarobidy ihany koa ny fahalalana ara-tsoratra masina. Ohatra hoe, hatramin’izay dia niteraka fahafatesana ho an’ny reny sy ny zaza tsy manan-tsiny maro ny aretina toy ny “fanaviana eo am-piterahana”. Kanefa ny Testamenta Taloha dia efa nahitana ireo fitsipika tsara hikarakarana ireo marary tratran’izany aretina izany izay nosoratana 3000 taona mahery lasa!7 Olona maro no maty satria tsy nahay nihaino ny tenin’ny Tompo ny olona noho ny fikarohany fahalalana!

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, inona no banga eo amin’ny fiainantsika raha toa ka “mianatra mandrakariva [isika kanefa] tsy mahatratra ny fahalalana ny marina”?8 Afaka mahazo fahalalana lehibe avy amin’ny soratra masina isika ary mahazo fitaomam-panahy amin’ny alalan’ny vavaka mifono finoana.

Hanampy antsika amin’ny fandraisantsika fanapahan-kevitra isan’andro ny fanaovana izany. Indrindra fa rehefa foronina sy terena ho ampiharina ny lalàn’ny olombelona dia tsy maintsy ny lalàn’Andriamanitra no ataontsika faneva mandrakariva. Rehefa misy olana miteraka adihevitra dia tokony hitady ny fitarihan’Andriamanitra aloha isika.

Tokony “hampiha[tra] ny soratra masina [amintsika] isika, … mba ho tombontsoan[tsika] sy ho fianarana ho [antsika].”9 Mananontanona ny loza rehefa manandrana manasaraka ny tenantsika isika amin’ny fiteny toy ny hoe “ny fiainako manokana” na koa aza hoe “ny fitondrantenako tsara indrindra.” Rehefa manandrana mampizarazara ny fiainany ho lasa efitrefitra misaraka toy izany ny olona iray dia tsy hahatratra velively ilay fahafenoan’ny fahamarinan-toetran’ny tena manokana tokony ho tratrany—tsy ho tonga amin’ilay tena maha-izy azy na oviana na oviana.

Ilay fakam-panahy te ho tonga olo-malaza dia mety hanao ho lohalaharana ny hevitry ny olona fa tsy ny tenin’Andriamanitra. Matetika ireo fampielezan-kevitra ara-pôlitika sy ireo paikady amin’ny haivarotra no mampiasa ny fakana ny hevitry ny olona mba hamolavolana ny drafitr’izy ireo. Manome fahalalana ny vokatr’ireny fakan-kevitra ireny. Saingy tsy azo ampiasaina tsotra izao ho antony hanamarinana ny tsy fankatoavana ny didin’Andriamanitra izy ireny! Na dia “manao izany aza ny olon-drehetra,” dia tsy ho marina na rahoviana na rahoviana ny diso. Tsy ho lasa fahamarinana na rahoviana na rahoviana ny ratsy sy ny fahadisoana ary ny maizina, na dia malaza aza izany. Manambara izany ny fampitandremana iray ao anatin’ny soratra masina manao hoe: “Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy; izay manao ny maizina ho mazava ary ny mazava ho maizina.”10

Taorian’ny Ady Lehibe Voalohany dia nanjary nalaza be ny hira feno fahasahiana iray. Raha nanindrahindra ny tsy fahadiovam-pitondrantena izany dia nampanantena fa tsy afaka ny ho diso hevitra ny olona miisa 50 tapitrisa. Kanefa raha ny marina dia mety ho diso—diso tanteraka ny olona 50 tapitrisa. Ny tsy fahadiovam-pitondrantena dia mbola tsy fahadiovam-pitondrantena hatrany eo imason’Andriamanitra, izay hitsara ny asantsika sy ny faniriantsika rehetra indray andro any.11

Ampitahao amin’ny tahotra sy ny tsy fananana finoana izay mihanaka tokoa eto amin’izao tontolo izao ankehitriny ny finoana sy ny herimpo nananan’i Emily, zanakavavy malalako, izay miaina any ambadiky ny voaly ankehitriny. Rehefa niomana handao ity fiainana an-tany ity ilay vatany trotraky ny homamiadana dia zara raha afa-niteny izy. Saingy tamim-pitsikiana no nitenenany tamiko hoe: “Dada a! aza manahy ny momba ahy. Fantatro fa tsy haninona aho!” Niseho—ary tena nibaribary—tamin’izay fotoana mamy izay, ary tamin’ny fotoana tena nilanay azy indrindra ny finoan’i Emily.

Nanana finoana feno ny Rainy any an-danitra sy ny drafiny ary izay zavatra mahasoa mandrakizay ho an’ny fianakaviany ity reny tanora mahafatifaty nanan-janaka dimy ity. Nifamatotra tsara tamin’Andriamanitra izy. Nahatoky tanteraka tamin’ireo fanekempihavanana nataony tamin’ny Tompo sy tamin’ny vadiny izy. Tiany ireo zanany kanefa feno fiadanana izy na dia tsy ho ela aza dia hisaraka amin’izy ireo. Nanana finoana ny amin’ny hoaviny sy ny amin’ny hoavin’ireo zanany koa izy satria nino ny Raintsika any an-danitra sy ny Zanany.

Niteny ny Filoha Thomas S. Monson tamin’ny 1986 hoe: “Mazava ho azy fa hiatrika tahotra isika, hiaina fahafaham-baraka, ary hiatrika fanoherana. Aoka isika hanana herimpo hanoherana izay mety hinoan’ny ankamaroan’ny olona, herimpo hiarovana ny fitsipika arahintsika. Ny herimpo, fa tsy ny fanekena fahatany no ahazoantsika ilay fankasitrahan’Andriamanitra. … Tadidio fa manana ny tahony avokoa ny olona rehetra, saingy ireo izay miatrika ny tahony amim-[pinoana] dia manana herimpo ihany koa.”12

Ho marina foana io torohevitry ny Filoha Monson io! Koa miangavy anareo aho ry rahalahy sy ranabavy malalako: Ampitomboy isan’andro ny finoanareo, eny am-pandehananareo mankany amin’ilay anjara mandrakizay nomena anareo. Torio ny finoanareo! Avelao ny finoanareo hiseho!13

Mivavaka aho mba hifamatotra tsara amin’Andriamanitra ianareo, mba ho mafy orina mandrakariva ao am-ponareo ireo fahamarinany mandrakizay. Ary mivavaka aho mba hamela ny finoanareo hiseho ianareo mandritra ny androm-piainanareo! Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Rehefa teraka ny zazakely dia asiana fatotra roa ny tadim-poitra ka tapahina eo anelanelan’ireo fatotra ireo. Ny fatotra iray dia fehy iray—fehy iray tena mafy. Ny teny hoe religion izay fivavahana amin’ny teny malagasy dia avy amin’ny teny Latina, ka ny hoe re dia midika hoe “indray” na hoe “miverina amin’ny” ary ny hoe ligare dia midika hoe “mamatotra.” Fantatsika amin’izany fa ny fivavahana dia “mamatotra ny mpino amin’Andriamanitra.”

  2. Eksodosy 20:3. Ho fanampin’izany dia hoy ny Tompo hoe: “Mibebaha, dia miambohoa amin’ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra” (Ezekiela 14:6).

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36.

  4. Jereo ny Spencer W. Kimball, The Teachings of Spencer W. Kimball, ed. Edward L. Kimball (1982), 391.

  5. Jereo ny Môsià 2:41; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:30–33; 82:10. Ity fitsipika ity dia marina ho an’ny olon-drehetra, fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra” (Asan’ny Apôstôly 10:34; jereo ihany koa ny Môrônia 8:12.

  6. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:22.

  7. Jereo ny Levitikosy 15:13.

  8. 2 Timoty 3:7.

  9. 1 Nefia19:23.

  10. Isaia 5:20.

  11. Mampianatra ny soratra masina hoe: “Manatona ny Tompo, Ilay Iray Masina. Tsarovy fa marina ny lalany. Indro, ety ho an’ny olona ny làlana kanefa dia voasoritra mahitsy eo anoloany izany, ary ny Iray Masin’ny Isiraely no mpiandry ny vavahady; ary tsy mampiasa mpanompo Izy eo amin’ny vavahady; ary tsy misy lalan-kafa afa-tsy ny vavahady; satria tsy azo fitahina Izy, fa ny Tompo Andriamanitra no anarany” (2 Nefia 9:41).

  12. Thomas S. Monson, “Courage Counts,” Ensign, Nôv. 1986, 41. Nanome ity fananarana tena tsara ity ny Filoha Monson tamin’ny fotoana iray hafa: “Raha te hiaina tsara isika dia mila mikolokolo ilay fahaizana miatrika olana amin-kerimpo, sy miatrika ny fahadisoam-panantenana amim-piravoravoana, ary miatrika ny fahombiazana amim-panetren-tena. … Zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra velona isika, izay nohariana araka ny endriny. … Tsy afaka mihazona marina izany faharesen-dahatra izany isika raha tsy miaina fahatsapana tanjaka sy hery lalina vaovao, dia ilay tanjaka hiainana ny didin’Andriamanitra, ilay hery hanoherana ireo fakam-panahin’i Satana” (“Yellow Canaries with Gray on Their Wings,” Ensign, Jolay 1973, 43).

  13. “Aoka … holavin’ny tenanareo ny toetra tsy araka an’Andriamanitra rehetra” (Môrônia 10:32). Aza matahotra ny olona mihoatra an’Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:7; 59:5).