2010–2019
Aoka Ianao Hiaina ao anatin’ny Fifikirana amin’ny Finoana
Aprily 2014


Aoka Ianao Hiaina ao anatin’ny Fifikirana amin’ny Finoana

Sary

Hahazo fitahiana lehibe ny tsirairay amintsika raha mahafantatra ireo tantara mikasika ny finoana sy ny fahafoizan-tena izay nitarika ireo razambentsika hiditra ho mpikambana tato amin’ny Fiangonan’ny Tompo isika.

Tiako ny tantaran’ny Fiangonana. Toy ny maro aminareo ihany angamba, dia mihamatanjaka ny finoako rehefa mianatra mikasika ny fahafoizan-tena miavaka nataon’ireo razambenay aho, izay nanaiky ny filazantsara sy niaina tao anatin’ny fifikirana tamin’ny finoana.

Iray volana lasa izay no nankalazan’ny tanora mahavariana miisa 12.000 avy ao amin’ny Distrikan’ny Tempolin’i Gilbert Arizona ny fahavitan’ny tempolin’izy ireo vaovao tamin’ny alalan’ny fampisehoana an-tsehatra tena kanto izay nampiseho ny fanoloran-tenan’izy ireo hiaina amim-pahamarinana. Ny lohahevitry ny fankalazana nataony dia hoe: “Aoka Ianao Hiaina ao anatin’ny Fifikirana amin’ny Finoana.”

Tahaka izay nataon’ireo tanora mahatoky avy ao Arizona ireo dia tokony hanolo-tena ny “hiaina ao anatin’ny fifikirana amin’ny finoana” ihany koa ny Olomasin’ny Andro Farany tsirairay avy.

Ilay hira hoe “Vas-tu faiblir, ô jeunesse,” ao anatin’ny fihirana rehefa amin’ny teny anglisy dia ahitana tonony hoe “Mifikitra amin’ny finoana izay nolalain’ireo ray aman-drenintsika” (“Vas-tu faiblir, ô jeunesse,” Cantiques, no. 164).

Izany koa dia azontsika ampiana hoe “Mifikitra amin’ny finoana izay nolalain’ireo ray aman-drenibentsika.”

Manontany tena aho raha toa ka nahafantatra ny tantaran’ny Fiangonany ny tsirairay tamin’ireo tanora mafana fo avy ao Arizona ireo—raha toa ka nahafantatra ny tantara nahalasa mpikambana an’ireo fianakaviany tato amin’ity Fiangonana ity izy ireo. Ho mahafinaritra tokoa raha toa ny Olomasin’ny Andro Farany tsirairay avy ka nahafantatra ny tantaran’ny fiovam-pon’ireo razambeny.

Na taranak’ireo mpamaky lay ianareo na tsia dia lovanareo ny lovan’ny finoana sy ny fahafoizan-tenan’ny mpamaky lay Môrmôna. Izany no lova sarobidin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Ny iray amin’ireo toko mahavariana indrindra ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana dia nitranga tamin’ny fotoana nampianaran’i Wilford Woodruff, izay Apôstôlin’ny Tompo, mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny nanerana an’i Grande Bretagne tamin’ny 1840–10 taona monja taorian’ny nanorenana ny Fiangonana.

Tao Liverpool sy Preston izay tao amin’ny faritr’i Angletera no nampifantohan’i Wilford Woodruff sy ireo Apôstôly hafa ny ezaka nataony, ary dia nahita fahombiazana lehibe izy ireo. Ny Loholona Woodruff, izay lasa Filohan’ny Fiangonana taty aoriana, dia nivavaka mandrakariva tamin’Andriamanitra mba hitarihany azy tamin’io asa tena lehibe io. Ireo vavaka nataony dia nitarika azy mba hahazo fitaomam-panahy handeha any amin’ny toerana samihafa hampianatra ny filazantsara.

Nampianatra antsika ny Filoha Monson fa rehefa mahazo ny fitaomam-panahy avy any an-danitra isika mba hanao zavatra iray—dia ataontsika avy hatrany izany—tsy manemotra fotoana isika. Izany mihitsy no nataon’i Wilford Woodruff. Rehefa naharay fitarihana mazava avy amin’ny Fanahy mba “hianatsimo” ny Loholona Woodruff dia nandeha avy hatrany izy ka nankany amin’ny faritra iray tao Angletera antsoina hoe Herefordshire—izay toerana ambanivohitra fambolena sy fiompiana ao atsimon’i Angletera. Tao no nihaonany tamin’ny tantsaha mpanankarena iray nantsoina hoe John Benbow, izay nandray azy “tamim-pifaliana sy fankasitrahana an’Andriamanitra” (Wilford Woodruff, ao amin’ny Matthias F. Cowley, Wilford Woodruff: History of His Life and Labors as Recorded in His Daily Journals [1909], 117).

Vondrona iray nahitana olona mihoatra ny 600 izay niantso ny tenany hoe Rahalahy Miray Hina no “nivavaka mba hahazo fahazavana sy fahamarinana” (Enseignements des Présidents de l’Église: Wilford Woodruff [2004], 91). Nandefa an’i Wilford Woodruff ny Tompo mba ho valin’ny vavak’izy ireo.

Nahazoam-bokatra avy hatrany ny fampianaran’ny loholona Woodruff ary maro no natao batisa. Namonjy azy tany Herefordshire i Brigham Young sy Willard Richards, ary dia nahita fahombiazana mahagaga ireo Apôstôly telo ireo.

Tao anatin’ny volana vitsy monja dia nahatsangana sampana 33 izy ireo ho an’ireo olona 541 izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Nitohy ny asa mahagaga nataon’izy ireo ary tamin’ny farany dia vita batisa tao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany avokoa ny ankamaroan’ireo mpikambana tsirairay tao amin’ny Rahalahy Miray Hina.

I Hannah Maria Eagles Harris izay reniben’ny renibeko dia iray tamin’ireo olona voalohany nihaino an’i Wilford Woodruff. Nampahafantariny an’i Robert Harris Jr vadiny fa nandre ny tenin’Andriamanitra izy ary nikasa ny ho atao batisa. Tsy faly i Robert raha nahare ny zavatra nolazain’ny vadiny. Nilaza tamin’i Hannah izy fa hiaraka aminy rehefa manao lahateny manaraka ny misiônera Môrmôna ary dia hanitsy ilay misiônera izy.

Rehefa nipetraka teny akaikin’ny seza farany aloha indrindra nipetrahan’ny mpanatrika i Robert, niaraka tamin’ny fahavononana tsy ho resy lahatra tamin’ilay lahateny, ary angamba mba hahafahany manakorontana ilay misiônera nandalo, dia nokasihin’ny Fanahy avy hatrany tahaka ny nitranga tamin’ny vadiny izy. Fantany fa marina ilay hafatra momba ny Famerenana amin’ny laoniny ka dia natao batisa izy sy ny vadiny.

Ny tantaran’ny finoana sy ny fanoloran-tenan’izy ireo dia mitovy amin’ny an’ireo anarivony hafa: raha vao nahare ny hafatry ny filazantsara izy ireo dia fantany fa marina izany!

Hoy ny Tompo hoe “Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy” (Jaona 10:27).

Rehefa avy nahare ny feon’ny Mpiandry ondry izy ireo dia nanolotra tanteraka ny fiainany mba hiaina ny filazantsara sy hanaraka ny fitarihan’ny mpaminanin’ny Tompo. Mba hamaliana ilay antso mba hivondrona any Ziona dia nandao ny fonenany tao Angletera izy ireo ka niampita ny ranomasimbe Atlantika ary niara-nivondrona tamin’ireo Olomasina tao Nauvoo Illinois.

Nanaiky ny filazantsara tamin’ny fony manontolo izy ireo. Teo am-piezahan’izy ireo hanorim-ponenana tany amin’ny ilay taniny vaovao dia nanampy tamin’ny fananganana ny Tempolin’i Nauvoo tamin’ny alalan’ny fanolorana ny ampahafolon’ny fotoam-piasany izy ireo—nandray anjara tamin’ny asa fananganana ny tempoly isaky ny andro faha-10.

Nalahelo mafy izy ireo rehefa nahare fa maty ny mpaminany malalany Joseph Smith, sy i Hyrum rahalahiny. Saingy nanohy ny diany tamim-pahatokiana izy ireo! Nifikitra tamin’ny finoany izy ireo.

Rehefa nenjehina sy noterena hiala tao Nauvoo ireo Olomasina dia nahatsiaro ho notahiana i Robert sy i Maria tamin’ny fandraisany ny fanafiana masin’izy ireo tao amin’ny tempoly, taloha kelin’ny niampitan’izy ireo ny Reniranon’i Mississippi ka nitodi-doha niankandrefana. Na dia tsy azon’izy ireo an-tsaina aza ny zavatra hiainan’izy ireo amin’ny ho avy dia azony antoka kosa ny amin’ny finoany sy ny fijoroany ho vavolombelona.

Nandeha tamim-pahasarotana lehibe tao anaty fotaka niaraka tamin’ireo zanany enina izy ireo rehefa nanavatsava an’i Iowa tao anatin’ilay dian’izy ireo niankandrefana. Nanangana trano fialofana vonjy maika ho azy ireo teo amoron’ny reniranon’i Missouri izy ireo, izay toerana fantatra tamin’ny anarana hoe Winter Quarters taty aoriana.

Ireo mpamaky lay mahery fo ireo dia niandry ny fitarihana avy amin’ny apôstôly mikasika ny fomba sy ny fotoana handehanana lavidavitra kokoa any andrefana. Niova ny drafitra nataon’ny tsirairay rehefa niantso ireo lehilahy hanolo-tena hanompo tao amin’ny Tafik’i Etazonia i Brigham Young izay filohan’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy, ary nanjary fantatra tamin’ny hoe Andian-tafika Môrmôna izy ireo.

Iray tamin’ireo lehilahy mpamaky lay Môrmôna miisa 500 mahery namaly izany antso avy amin’i Brigham Young izany i Robert Harris Jr. Nirotsaka tao amin’ny tafika izy na dia nidika aza izany fa handao ny vadiny bevohoka sy ireo zanany kely enina izy.

Nahoana no nanao izany izy sy ireo lehilahy hafa?

Azo omena amin’ny alalan’ny tenin’ny raiben’ny renibeko ny valin’izany. Toy izao no nosoratany tao amin’ny taratasy iray nosoratany ho an’ny vadiny rehefa teny an-dalana ho any Santa Fe ilay andian-tafika: “Matanjaka tsy misy toy izany ny finoako [ary rehefa mieritreritra ny zavatra nolazain’i Brigham Young taminay aho] dia mino izany tahaka ny hoe Ilay Andriamanitra Lehibe mihitsy no nilaza izany tamiko.”

Raha fintinina dia fantany fa nihaino ny mpaminanin’Andriamanitra izy, ary nanao toy izany koa ireo lehilahy hafa. Izay no antony nirotsahan’izy ireo ho miaramila! Fantatr’izy ireo fa mpaminanin’Andriamanitra no nitarika azy ireo.

Nambarany tao anatin’io taratasy io ny fitiavany ny vadiny sy ny zanany ary nitantara ny vavaka tsy tapaka nataony izy mba hitahiana ny vady aman-janany.

Nanoratra izao teny mafonja izao izy tany amin’ny faramparany tao anatin’ilay taratasy: “Tsy tokony hohadinointsika mihitsy ireo zavatra rentsika sy ianao sy niainantsika sy ianao tao amin’ny tempolin’ny Tompo.”

Rehefa mitambatra amin’ilay fijoroany ho vavolombelona teo aloha manao hoe “mpaminanin’Andriamanitra no mitarika anay” izany dia lasa toy ny soratra masina ireo torohevitra masina roa ireo ho ahy.

Valo ambin’ny folo volana taorian’ny niarahany nandeha tamin’ilay andian-tafika dia tafaraka soa aman-tsara indray tamin’i Maria malalany i Robert Harris. Nitoetra ho marina sy mahatoky tamin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy ireo nandritra ny androm-piainany. Nanana zanaka 15 izy ireo ary ny 13 tamin’ireo no velona mandra-pahalehibe azy ireo. I Fannye Walker renibeko izay avy ao Raymond, Alberta ao Kanada dia iray amin’ireo zafikelin’izy ireo miisa 136.

I Bebe Walker dia nirehareha noho ny nanompoan’ny raibe ny tao amin’ny Andian-tafika Môrmôna, ary tiany ho fantatry ny zafikeliny rehetra izany. Amin’izao fotoana maha-raibe ahy izao dia takatro ny antony naha-nanan-danja tokoa izany taminy. Te hampitodika ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy izy. Tiany ho fantatr’ireo zafikeliny ny lova mendrika nananan’izy ireo—satria fantany fa hitahy ny fiainan’izy ireo izany.

Arakaraky ny fahatsapantsika ho mifandray bebe kokoa amin’ireo razambentsika marin-toetra no hanaovantsika safidy marina bebe kokoa.

Marina izany. Hahazo fitahiana lehibe ny tsirairay amintsika raha mahafantatra ireo tantara mikasika ny finoana sy ny fahafoizan-tena izay nitarika ireo razambentsika hiditra ho mpikambana tato amin’ny Fiangonan’ny Tompo isika.

Vao nahare an’i Wilford nampianatra sy nijoro ho vavolombelona momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara i Robert sy i Maria dia fantatr’izy ireo fa marina ny filazantsara.

Fantatr’izy ireo ihany koa fa na inona na inona fitsapana na zava-tsarotra hianjady amin’izy ireo dia hotahiana izy ireo noho ny fifikiran’izy ireo amin’ny finoany. Toy ireny hoe nahare ny tenin’ny mpaminanintsika amin’izao fotoana izao mihitsy izy ireo, izay nilaza hoe “Tsy misy izany [hoe] fahafoizan-tena be loatra … mba handraisana ireo fitahiana [avy amin’ny tempoly]” (Thomas S. Monson, “Ny Tempoly Masina—Fanilon’Izao Tontolo Izao,” Liahona, Mey 2011, 92).

Misoratra eo amin’ny riran’ny vola vy 2 livre an’ny Royaume-Uni ny hoe “Mahazo Tombony Lehibe avy amin’ny Ezaka Nataon’ny Teo Aloha.” Rehefa mieritreritra ireo mpamaky lay mahatalanjona izay razambenay aho dia mahatsapa fa mahazo tombony lehibe avy amin’ny ezaka sy ny finoan’ireo izay niaina talohantsika isika rehetra.

Na dia avy amin’ny taratasy nalefan’i Robert Harris aza ilay torohevitra dia mino aho fa razambe tsy tambo ho isaina no ho nandefa hafatra toy izany tamin’ireo zanany sy zafikeliny hoe:Voalohany, tsy tokony hohadinointsika mihitsy ny zavatra niainantsika tany amin’ny tempoly ary tsy tokony hohadinointsika ireo fampanantenana sy fitahiana izay tonga eo amintsika tsirairay noho ny tempoly. Faharoa, tsy tokony hohadinointsika mihitsy fa mpaminanin’Andriamanitra no mitarika antsika.

Mijoro ho vavolombelona aho fa isika dia tarihin’ny mpaminanin’Andriamanitra. Namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonany ny Tompo tamin’izao andro farany izao tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith, ary tsy tokony hohadinointsika mihitsy fa mpaminan’Andriamanitra maro an’isa no nifandimby tsy an-kiato nitarika antsika nanomboka tamin’i Joseph ka hatramin’i Brigham ary nitohy tamin’ireo filohan’ny Fiangonana tsirairay nifandimby hatramin’ny mpaminanintsika amin’izao fotoana izao—i Thomas S. Monson. Fantatro izy, manaja azy aho ary tia azy. Mijoro ho vavolombelona aho fa izy no mpaminanin’ny Tompo eto an-tany amin’izao fotoana izao.

Ny fanirian’ny foko dia ny hanajan’ireo zanako sy ireo zafikeliko ny lovan’ireo razambenay marin-toetra—ireo mpamaky lay Môrmôna mahatoky izay vonona ny hahafoy ny zavatra rehetra ho an’ny Andriamaniny sy ny finoany ary vonona ny hiaro ny Andriamaniny sy ny finoany. Mivavaka aho mba hiainantsika tsirairay ao anatin’ny fifikirana amin’ilay finoana izay nolalain’ireo ray aman-drenintsika. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.