2010–2019
Ny Fitiavana—Fitsipika Fototry ny Filazantsara
Aprily 2014


Ny Fitiavana—Fitsipika Fototry ny Filazantsara

Sary

Tsy afaka mitia marina an’Andriamanitra isika raha tsy tia ireo mpiara-belona amintsika eto amin’ity fiainana ity.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, rehefa nanompo teo anivon’ny olona ny Mpamonjy antsika dia nanontany azy ny mpahay lalàna iray izay liana hoe: “Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ny lalàna?”

Nosoratan’i Matio fa toy izao no navalin’i Jesoa:

“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.

“Izany no didy lehibe sady voalohany.

“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”1

Izao filazan’ny Mpamonjy izao no namaranan’i Marka ilay tantara: “Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.”2

Tsy afaka mitia marina an’Andriamanitra isika raha tsy tia ireo mpiara-belona amintsika eto amin’ity fiainana ity. Tahaka izany ihany dia tsy afaka mitia tanteraka ireo mpiara-belona amintsika isika raha tsy tia an’Andriamanitra, ilay Raintsika rehetra. Hoy ny Apôstôly Jaona tamintsika hoe: “Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an’Andriamantra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.”3 Fanahy zanaky ny Raintsika any an-danitra isika rehetra ary noho izany dia mpirahalahy sy mpirahavavy isika. Rehefa mahatsiaro io fahamarinana io isika dia ho lasa mora kokoa ny mitia ny zanak’Andriamanitra rehetra.

Raha ny marina dia ny fitiavana no ampahany manan-danja indrindra amin’ny filazantsara ary i Jesoa Kristy no ohatra ho antsika. Lovam-pitiavana ny fiainany. Nositraniny ny marary, Nampahereziny ny ory, ary novonjeny ny mpanota. Tamin’ny farany dia nesorin’ireo andian’olona feno hatezerana ny ainy. Na izany aza anefa dia injao fa re teo an-tendrombohitr’i Golgota ireo teny manao hoe: “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony”4—ohatra faratampon’ny fanehoana fangorahana sy fitiavana eto amin’ny fiainana an-tany.

Maro ireo toetra mampiseho fitiavana, toy ny halemem-panahy, ny faharetana, ny tsy fitiavan-tena, ny fahatakarana omban’ny lemim-panahy, ary ny famelan-keloka. Eo amin’ny fifandraisantsika rehetra amin’ny hafa dia ireo toetra ireo sy ny toetra hafa mitovy amin’izany no hanampy antsika haneho ny fitiavana ao am-pontsika.

Mazàna no miseho mandritra ireo fifaneraserantsika isan’andro ny fitiavantsika. Ny manan-danja indrindra dia ny fahafahantsika mamantatra ny zavatra ilain’ny olona ary avy eo dia manome izany. Nankamamiako hatramin’izay ny fihetseham-po voalaza ao amin’ilay tononkalo fohy hoe:

Kotsan-dranomaso aho ny alina,

Noho ny fahajambana lalina

Tsy nahitako ny zavatra nilain’ny hafa;

Kanefa tsy mbola nisy fotoana nahafahana nilaza

Hoe nahatsapako nenina na dia kely akory aza

Fa hoe somary tsara fanahy loatra tamin’ny hafa.5

Vao haingana no nitantarana tamiko ny ohatra iray manohina fo mikasika ny hatsaram-panahy feno fitiavana—ohatra izay nahazoana vokatra tsy nampoizina. Tamin’ny taona 1933 no nisehoan’ny tantara rehefa sarotra tokoa ny fitadiavana asa noho ny Fitotonganana lehibe ara-toe-karena. Ary ny toerana dia tany amin’ny faritra atsinanan’i Etazonia. Vao nahavita fianarana tao amin’ny Lycée i Arlene Biesecker tamin’izay. Taorian’ny fikarohana asa naharitra dia afaka nahazo asa ihany izy ny farany tao amin’ny orinasa iray mpanao akanjo ary mpanjaitra no asany. Ny akanjo vita tsara araka ny tokony ho izy voatambatr’ireo mpiasa isan’andro ihany no nandraisan’izy ireo karama. Arakaraky ny habetsahan’ny akanjo vitan’izy ireo no nanomezana karama azy ireo.

Indray andro, fotoana fohy taorian’ny ora fidirana tao amin’ny orinasa, dia niatrika fomba fanjairana izay nampikorontan-tsaina sy nahasorena azy i Arlene. Nipetraka teo amin’ny milina fanjairany izy ary niezaka namaha ireo zaitra tsy nety efa vitany raha nanandrana hamita ilay akanjo izay nozairiny. Toa tsy nisy na iza na iza afaka hanampy azy satria samy nanezakezaka avokoa ireo mpanjaitra hafa rehetra mba hamitana akanjo betsaka araka izay tratra. Nahatsapa ho tsy afa- manoatra sy very fanantenana i Arlene. Nanomboka nitomany mangina izy.

Nipetraka teo ampitan’i Arlene i Bernice Rock. Be taona kokoa izy ary nanana traikefa kokoa tamin’ny naha-mpanjaitra azy. Rehefa nahita ny fahorian’i Arlene i Bernice dia navelany ny asany ka nandeha teo anilan’i Arlene izy, nanome toromarika sy fanampiana azy tamin’ny halemem-panahy. Nijanona teo izy mandra-pahazoan’i Arlene fahatokian-tena ka nahafahany namita soa aman-tsara ilay akanjo. Avy eo dia niverina teny amin’ny milina fanjairany i Bernice, saingy tsy afaka nanana fahafahana hamita akanjo betsaka araka izay tokony ho azony natao raha toa ka tsy nanampy vehivavy iray hafa.

Lasa mpinamana nandritra ny androm-piainany i Bernice sy i Arlene noho io fanehoana fitiavana sy lemim-panahy io. Samy nanambady sy nanan-janaka izy ireo taty aoriana. Tany amin’ny taona 1950 tany ho any i Bernice, izay mpikamban’ny Fiangonana, dia nanome Bokin’i Môrmôna ho an’i Arlene sy ny fianakaviany. Natao batisa ary lasa mpikamban’ny Fiangonana i Arlene sy ny vady aman-janany tamin’ny taona 1960. Nofehezina tany amin’ny tempoly masin’Andriamanitra izy ireo taty aoriana.

Ho vokatry ny fangorahana nasehon’i Bernice rehefa nisahirana nanampy olona iray tsy fantany izy kanefa nianjadian’ny fahoriana sy nila fanampiana dia olona tsy tambo ho isaina, na velona na maty, no mahazo tombony ankehitriny noho ny fandraisana ireo ôrdônansy manavotry ny filazantsara.

Omena fahafahana isika isan’andro eo amin’ny fiainantsika haneho fitiavana sy halemem-panahy amin’ireo manodidina antsika. Hoy ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Tokony hotadidiantsika fa ireo olombelona izay mifanena amintsika eny amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara, any amin’ny toeram-piasana, ao amin’ny ascenseur ary any amin’ny toerana hafa no ilay ampahany amin’ny zanak’olombelona izay nomen’Andriamanitra antsika mba hotiavintsika sy hotompointsika. Tsy hitondra soa ho antsika ny miresaka mikasika ny firahalahian’ny zanak’olombelona raha tsy haintsika ny mihevitra ireo olona rehetra manodidina antsika ho toy ny rahalahy sy rahavavintsika.”6

Matetika no tonga amin’ny fotoana tsy ampoizina ireo fotoana ahafahantsika maneho fitiavana. Niseho tao amin’ny lahatsoratra an-gazety iray tamin’ny Ôktôbra 1981 ny ohatra iray mikasika ny fotoana toy izany. Nanaitra ahy tokoa ny fitiavana sy ny fangorahana notantaraina tao ka dia notehiriziko tao amin’ireo antontan-taratasiko nandritra ny 30 taona mahery ilay lahatsoratra.

Nilaza ilay lahatsoratra fa navily lalana ny zotram-piaramanidina iray an’ny Alaska Airlines izay mampitohy mivantana an’i Anchorage, Alaska, sy Seattle, Washington—izay fiaramanidina nitondra mpandeha niisa 150—ho any amin’ny tanàna iray mitoka-monina any Alaska mba hakana ankizy iray naratra mafy. Tapaka ny lalan-dra lehibe iray tamin’ny sandrin’ilay zazalahy kely roa taona raha nianjera teo amin’ny vakim-pitaratra iray izy teo am-pilalaovana teo akaikin’ny tranony. Tany amin’ny 725 km atsimon’i Anchorage no nisy ilay tanàna ary azo antoka fa tsy nandalo tamin’izany ny lalan’ilay zotram-piaramanidina. Kanefa tsy nahatombina mihitsy ireo mpitsabo nikarakara ilay zazalahy nandefa fangatahana fanampiana, ka noho izany dia navily lalana ilay fiaramanidina mba haka ilay zazalahy ka hitondra azy any Seattle mba hahafahana mitsabo azy any amin’ny hôpitaly.

Rehefa nipetraka teo akaikin’ilay tanàna mitoka-monina ilay fiaramanidina dia nampandre an’ilay mpanamory fiaramanidina ireo mpitsabo fa mandeha ra be loatra ilay zazalahy ka tsy hahatody any Seattle intsony. Tapaka ny hevitra fa handeha hanao sidina 320 km miala amin’ny lalan’ilay zotram-piaramanidina izy ireo ho any Juneau, Alaska, izay tanàn-dehibe akaiky indrindra nisy hôpitaly.

Rehefa avy nitondra ilay zazalahy nankany Juneau ilay fiaramanidina dia nitodi-doha nankany Seattle, ary efa diso ora maro taorian’ny tokony hahatongavany tamin’izay. Tsy nisy nitaraina ireo mpandeha na dia tsy hahatratra ny fotoana novonjeny sy ny fiaramanidina manaraka tokony ho noraisiny aza ny ankamaroan’izy ireo. Raha ny marina dia nahatafangona vola be dia be ho an’ilay zazalahy sy ny fianakaviany izy ireo rehefa nandeha ny minitra sy ny ora.

Rehefa akaiky hipetraka tao Seattle ilay fiaramanidina dia diboky ny hafaliana ireo mpandeha rehefa nilaza tamin’izy ireo ilay mpanamory fiaramanidina fa nahazo hafatra tamin’ny radiô izy hoe tsy misy ahiana intsony ny amin’ilay zazalahy.7

Tonga ato an-tsaiko ilay teny ao amin’ny soratra masina hoe: “Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’ i Kristy … ; ary na zovy na zovy no hita ho manana izany amin’ ny andro farany, dia soa ho azy izany.”8

Ry rahalahy sy rahavavy, ny sasany amin’ireo fotoana lehibe indrindra hahafahantsika mampiseho ny fitiavantsika dia ao anivon’ny tokantranontsika. Ny fitiavana no tokony ho ampahany manan-danja indrindra eo amin’ny fiainam-pianakaviana, kanefa indraindray dia tsy izany no zava-misy. Mety hisy tsy faharetana diso tafahoatra ao, ady hevitra be loatra, fifandirana be loatra ary ranomaso be loatra. Nametra-panontaniana tamin’alahelo ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Nahoana no [ireo izay] tiantsika [indrindra] no matetika tokoa no lasa hiantefan’ireo teny maherintsika? Nahoana [isika] indraindray no manao teny mandratra ka mandona mafy ny fihetseham-pon’ny hafa?”9 Mety ho samy hafa ny valin’ireo fanontaniana ireo ho an’ny tsirairay amintsika, kanefa raha ny marina dia tsy zava-dehibe ireo antony mahatonga izany. Raha te hitandrina ilay didy hoe mifankatiava isika dia tsy maintsy mifampitondra amin’ny halemem-panahy sy fanajana.

Mazava ho azy fa ho avy ny fotoana izay ilàna ny hampiharana ny fitsipi-pifehezana. Aoka anefa hotadidiantsika ilay torohevitra hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana—hoe rehefa ilaintsika ny manitsy olona iray dia maneho fitiavana sesehena isika aorian’izay.10

Manantena aho fa hiezaka mandrakariva isika ny hanaja sy ho antra fo amin’ny eritreritra sy ny fahatsapan’ireo manodidina antsika ary ny toe-javatra iainany. Aoka isika tsy hanevateva na hanao tsinontsinona. Ho solon’izay dia aoka isika mba hangoraka sy hampahery. Tokony hitandrina isika mba tsy hanimba ny fahatokian’ny olona iray antsika amin’ny alalan’ny teny na fihetsika tsy voahevitra.

Tokony hiaraka mandrakariva amin’ny fitiavana ny famelana heloka. Mety misy ny fihetseham-po voadona sy tsy fitovian-kevitra ao amin’ny fianakaviantsika ary toy izany koa eo amintsika sy ny namantsika. Dia hiteny indray aho hoe tsy dia zava-dehibe loatra izay hakelin’ny olana niseho. Tsy azo avela ary tsy tokony havela izany hanimba sy hanaratsy kokoa ary amin’ny farany handrava. Mamela ny ratram-pontsika tsy ho sitrana ny fanomezan-tsiny ny hafa. Ny famelana heloka ihany no manasitrana.

Indray andro dia niresaka tamiko ny vehivavy iray maha-te ho tia, izay efa maty amin’izao fotoana izao, ary tsy nampoiziko ny nitantarany nenina vitsivitsy tamiko. Niresaka mikasika ny zava-niseho iray izay nitranga taona maro talohan’izay izy, izay nahatafiditra ny tantsaha iray nipetraka teny amin’ny manodidina azy, izay namany akaiky teo aloha saingy nisy fotoana maro tsy nampifanaraka azy mivady tamin’io olona io. Indray andro ilay tantsaha dia nanontany raha toa ka afaka manivaka teo amin’ny tanin’ity vehivavy ity mba hankanesany eny amin’ny taniny. Tamin’izay fotoana izay dia niato kely tamin’ny fitantarany izy, ary avy teo dia nangovitra ny feony nanao hoe “Rahalahy Monson a! tsy navelako hanavatsava ny taninay izy na tamin’izay fotoana izay na taty aoriana fa dia notakiako taminy ny handehanany an-tongotra tamin’ilay lalana lava be manodidina rehefa ho eny amin’ny taniny. Diso aho, ary anenenako izany. Efa tsy eo intsony izy izao kanefa dia tena iriako tokoa raha mba afaka nilaza taminy aho hoe ‘mifona tokoa aho.’ Akory izany faniriako hanana fahafahana fanindroany haneho hatsaram-panahy.”

Teo am-pihainoana azy aho dia nahatsiaro ilay teny mampalahelo nambaran’i John Greenleaf Whittier manao hoe: “Amin’ireo teny mampalahelo rehetra na nambara na voasoratra dia izao no mampalahelo indrindra: ‘Tokony ho toy izao ilay izy!’”11 Ry rahalahy sy rahavavy, rehefa mandray ny hafa amim-pitiavana sy amin’ny halemem-panahy isika dia hisoroka ny nenina toy izany.

Haseho amin’ny fomba maro izay tsikaritra ny fitiavana: tsiky, kopa-tanana, fanamarihana feno hatsaram-panahy, ary fandokafana. Mety ho lalina kokoa anefa ny fanehoam-pitiavana sasany, toy ny fampisehoana fahalianana amin’ny zavatra ataon’ny olona hafa, fampianarana fitsipika amin-katsaram-panahy sy amim-paharetana, famangiana olona iray izay marary na tsy afaka mihetsika ao an-trano. Afaka mampita fitiavana ireny teny sy fihetsika ireny sy ny maro hafa.

I Dale Carnegie, izay mpanoratra sy mpanao famakafakana Amerikana fanta-daza dia nino fa ny olona tsirairay dia samy manana ao anatiny ao “ny hery ampitomboana ny fatran’ny fitambaramben’ny fifaliana manerana izao tontolo izao … amin’ny alalan’ny filazana teny fankasitrahana vitsivitsy amin-kitsimpo amin’ny olona izay manirery na kivy.” Hoy izy hoe “Mety ho hadinonao angamba rahampitso ny teny feno hatsaram-panahy nolazainao androany fa mety hanome lanja izany mandritra ny androm-piainany kosa ilay olona mandray izany.”12

Enga anie isika hanomboka dieny izao, izao androany izao, haneho fitiavana amin’ny zanak’Andriamanitra rehetra, na olona ao amin’ny fianakaviantsika izy ireo, na namantsika, na olona zara raha fantatra, na olona tsy fantatra mihitsy. Rehefa mifoha isika isa-maraina dia aoka isika hanapa-kevitra ny haneho fitiavana sy halemem-panahy amin’izay zavatra rehetra mety hiseho.

Ry rahalahy sy rahavavy, tsy takatry ny saina ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Noho io fitiavana io no nandefasany ny Zanany, izay tia antsika tokoa ka nanolotra ny ainy ho antsika mba hahazoantsika ny fiainana mandrakizay. Rehefa mihamahatakatra kokoa io fanomezana tsy manam-paharoa io isika dia ho feno fitiavana ny Raintsika any an-danitra sy ho an’ny Mpamonjy antsika ary ho an’ny olona rehetra ny fontsika. Mivavaka mafy aho mba ho toy izany tokoa, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Matio 22:36–39.

  2. Marka 12:31.

  3. 1 Jaona 4:21.

  4. Lioka 23:34.

  5. Mpanoratra tsy fantatra, ao amin’ny Richard L. Evans, “The Quality of Kindness,” Improvement Era, Mey 1960, 340.

  6. The Teachings of Spencer W. Kimball, ed. Edward L. Kimball (1982), 483.

  7. Jereo ny “Injured Boy Flown to Safety,” Daily Sitka Sentinel (Alaska), 22 Ôkt. 1981.

  8. Môrônia 7:47.

  9. Gordon B. Hinckley, “Let Love Be the Lodestar of Your Life,” Ensign, Mey 1989, 67.

  10. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:43.

  11. “Maud Muller,” ao amin’ny The Complete Poetical Works of John Greenleaf Whittier (1878), 206; nampiana fanamafisana.

  12. Dale Carnegie, hita mba ho ohatra ao amin’ny Larry Chang, Wisdom for the Soul. (2006), 54