2010–2019
Fankatoavana amin’ny alalan’ny Fahatokiantsika
Aprily 2014


Fankatoavana amin’ny alalan’ny Fahatokiantsika

Sary

Ny fankatoavana …, dia maneho ny finoantsika ny fahendrena sy ny herin’ilay fahefana ambony indrindra, dia Andriamanitra izany.

Lasa be mpanatrika tampoka teo ireo takarivan’ny mpianakavy fanaonay sy Rahavavy Perry isaky ny Alatsinainy alina. Nifindra tao amin’ny faritra nisy ny tranonay ny zandriko lahy sy ny zanany vavy, ny anadahin’i Barbara, ary ny zanakavavin’ny zokiko vavy sy ny vadiny. Izay no hany fotoana nananako havana hoe nipetraka teo akaikiko hatramin’ny nahakely ahy. Tamin’izany izahay dia nonina nifanila tamin’ny olona maro havanay avy amin’ny reniko. Ny tranon’i Dadabe Sonne dia nifanila tamin’ny anay tao avaratra, ary ny tranon’i Nenitoa Emma dia nifanila tamin’ny anay tao atsimo. Tery amin’ny sisiny atsimo tamin’ilay vondron-trano no nipetraka i Nenitoa Josephine ary tao amin’ny ilany atsinanana no nipetrahan’i Dadatoa Alma.

Fony aho zazalahy kely dia nifanerasera isan’andro tamin’ny havanay izahay ary nifampizara fotoana niavaka niarahana niasa sy nilalao ary nifampitsidika. Tsy dia nisy firy ny ditra nataonay ka hoe tsy voatatitra haingana tany amin’ireo reninay. Niova ny tontolontsika ankehitriny—miparitaka ny olona ao amin’ny ankamaroan’ireo fianakaviana. Na dia azo lazaina hoe mifanakaiky aza ny toeram-ponenan’izy ireo dia matetika izy ireo no tsy mifanolo-bodirindrina intsony. Kanefa, izaho dia mino fa ny fahazazako sy ny fotoana iainako ankehitriny dia mitovitovy kely amin’ny lanitra, ahitana hava-tiana monina mifanakaiky. Izany dia toy ny fampahatsiahivana ahy lalandava ny maha-mandrakizay ny fianakaviana.

Rehefa nihalehibe aho dia nanana fifandraisana niavaka tamin’ny raibeko. Izaho no lahimatoa ao amin’ny fianakaviako. Izaho no mpanala ranomandry teo amin’ny lalana tamin’ny ririnina ary nikarakara ny ahimaitso tamin’ny fahavaratra teo amin’ny tranonay sy ny tranon’ny Dadabeko ary ny tranon’ny nenitoako roa. Mazàna i Dadabe no nipetraka teo amin’ny lavarangana anoloan’ny tranony rehefa nanapaka ny bozaka teo an-tokontaniny aho. Rehefa nahavita izany aho dia nipetraka teo amin’ny tohatra teo anoloany aho ary nifampitafa taminy teo. Fahatsiarovana sarobidy ho ahy ireo fotoana ireo.

Indray andro aho dia nanontany ny raibeko ny fomba hahafantarako raha toa aho ka nanao mandrakariva izay tsara eo anatrehan’ireo safidy maro be azo natao teo amin’ny fiainana. Araka ny fanaon’ny raibeko, dia novaliany tamin’ny alalan’ny tantaram-piainany amin’ny maha-tantsaha azy izany.

Nampianariny ahy ny famolahana soavaly roa mba hiarahan’izy ireo miasa. Nohazavainy fa ny ekipan-tsoavaly dia tsy maintsy mahalala mandrakariva hoe iza no miandraikitra azy ireo. Ampahany iray ilaina amin’ny fifehezana sy fitarihana soavaly iray ny lamboridy. Raha sendra mihevitra ny iray amin’ireo soavaly ao anaty ekipa fa tsy mila manaraka ny sitrapon’ilay mpitondra azy izy dia tsy hahavita hitarika sy hiara-hiasa mihitsy ilay ekipa hahafahany hanao izay asa tsara indrindra azon’izy ireo atao.

Andeha ary hofakafakaintsika ilay lesona nampianarin’ny raibeko ahy tamin’ny fampiasany io ohatra io. Iza ilay mpitondra ilay ekipan-tsoavaly? Nino ny raibeko fa ny Tompo izany. Ny Tompo no ilay manana tanjona sy drafitra. Izy ihany koa no mpanofana sy mpamolavola ilay ekipan-tsoavaly, sy ny soavaly tsirairay avy eo. Mahalala bebe kokoa ilay mpitondra, ary ny hany fomba hahafantaran’ny soavaly iray fa manao izay mety mandrakariva izy dia ny fankatoavana sy ny fanarahana ny fitarihan’ilay mpitondra.

Inona no nampitahain’ny raibeko tamin’ilay lamboridy? Ny zavatra ninoako tamin’izany fotoana izany, tahaka izay inoako amin’izao fotoana izao, dia nampianatra ahy ny raibeko hanaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina. Ho azy dia manana hevitra ara-panahy ilay lamboridy. Ny soavaly mpankatò iray, izay ao anatin’ny ekipan-tsoavaly tsara ofana, dia tsy mila afa-tsy sinton-tady kely avy amin’ny mpitondra dia afaka manao araka ny tokony ho izy ny zavatra tian’ilay mpitondra ho ataony. Io sinton-tady kely io dia mitovy amin’ilay feo tony sy malefaka izay hiresahan’ny Tompo amintsika. Mba hanajana ny fahafahantsika misafidy dia tsy mba hery mitaona mahery vaika na manery velively izany.

Ireo lehilahy sy vehivavy tsy miraharaha ny bitsika malefaky ny Fanahy dia matetika hianatra, tahaka izay nianaran’ilay zanaka adala, amin’ny alalan’ny voka-dratsy voajanaharin’ny tsy fankatoavana sy ny fiveloman-dratsy. Rehefa avy naetrin’ireo voka-dratsy voajanahary ilay zanaka adala vao “nody ny sainy” ka nahare ny bitsiky ny Fanahy, izay nilaza taminy mba hiverina ho any an-tranon’ny rainy (jereo ny Lioka 15:11–32).

Noho izany, ny lesona nampianarin’ny raibeko ahy dia ny mba ho vonona mandrakariva handray ilay fitaomana malefaka avy amin’ny Fanahy. Nampianariny ahy fa handray bitsika toy izany mandrakariva aho raha vao manomboka manao safidy ratsy. Dia tsy hahavita zavatra tena ratsy na oviana na oviana aho raha toa ka mamela ny Fanahy hitarika ahy amin’ny fanapahan-kevitro.

Araka ny voalaza ao amin’ny Jakoba 3:3 hoe: “Ary raha asiantsika lamboridy amin’ny vavan’ny soavaly mba hanarahany antsika, dia mitondra ny tenany rehetra isika.”

Tokony ho mora mahatsapa ny lamboridy ara-panahintsika isika. Na dia avy amin’ny fitaomana kely indrindra avy amin’ny Mpampianatra aza dia tokony ho vonona ny hanova tanteraka ny lalantsika isika. Mba hahombiazana eo amin’ny fiainana dia tsy maintsy mampianatra ny fanahintsika sy ny vatantsika isika mba hiara-hiasa amin’ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra. Raha mihaino ny bitsika malefaky ny Fanahy Masina isika dia afaka mampiray tanjona ny fanahintsika sy ny vatantsika Izy ary mitarika antsika hiverina any amin’ny fonenantsika mandrakizay mba hiara-hiaina amin’ny Raintsika mandrakizay any an-danitra.

Mianatra ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana isika ao amin’ny fanekem-pinoana fahatelo: “Mino isika fa noho ny Sorompanavotana nataon’i Kristy, dia azo vonjena ny olombelona rehetra, amin’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara.”

Ilay karazam-pankatoavana nofaritan’ny raibeko tao amin’ny ohatra nomeny mikasika ilay ekipan-tsoavaly dia mitaky fitokisana manokana ihany koa—dia ny finoana tanteraka ilay mpitondra ilay ekipa. Noho izany, ilay lesona nampianarin’ny raibeko dia mifandray ihany koa amin’ny fitsipika voalohany ao amin’ny filazantsara—dia finoana an’i Jesoa Kristy.

Nampianatra ny Apôstôly Paoly hoe: “Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita” (Hebreo 11:1). Avy eo i Paoly dia nampiasa ny ohatr’i Abela, sy Enôka, sy Noa, ary i Abrahama mba hampianarana mikasika ny finoana. Nifantoka tamin’ny tantaran’i Abrahama izy satria i Abrahama no rain’ny mahatoky.

“Finoana no naneken’i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin’izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.

“Finoana no nivahinianany tany amin’ny tany nolazain’ny teny fikasana, toy ny any an-tanin’olona. …

“Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan’anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana” (Hebreo 11:8–9, 11).

Fantatsika fa tamin’ny alalan’i Abrahama sy Isaka zanakalahin’i Saraha no nanomezana fampanante-nana an’i Abrahama sy Saraha—ilay fampanantenana taranaka “maro toy ny kintana eny amin’ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa” (jereo ny andininy 12; jereo ihany koa ny Genesisy 17:15–16). Ary taorian’izay dia notsapaina ny finoan’i Abrahama tamin’ny fomba izay heverin’ny maro amintsika fa tsy takatry ny saina.

Maro ireo fotoana nandinihako ny tantaran’i Abrahama sy Isaka ary tsy mbola mino foana aho hoe efa takatro tanteraka ny fahatokian’ i Abrahama sy ny fankatoavany. Azoko alaina sary an-tsaina angamba izy ilay mampirina entana mba hanainga indray maraina vao mangiran-dratsy, saingy fomba ahoana no nahafahany niara-dia tamin’i Isaka zanany lahy tao anatin’ny dia naharitra telo andro mahery ho eny am-pototry ny Tendrombohitr’i Moria? Ahoana no nahafahan’izy ireo nitondra ireo kitay handrehetana afo ho eny an-tampon-tendrombohitra? Fomba ahoana no nananganany ilay alitara? Talohan’ny namatorany an’i Isaka sy nampandriany azy teo amin’ny alitara, fomba ahoana no nanazavany tamin’Isaka fa izy no ho ilay atao sorona? Ary fomba ahoana no nananany hery handraisana ilay antsy mba hamonoana ny zanany? Nanome hery an’i Abrahama ny finoany ka nahafahany nanaraka ny fitarihan’Andriamanitra tamim-pankatoavana tanteraka mandrapahatongan’ilay fotoana mahagaga niantsoan’ny anjely iray azy avy any an-danitra, ka nanambara tamin’i Abrahama fa nahomby izy tamin’ilay fizahan-toetra tsy hay nozakaina izay nolalovany. Avy eo dia naverin’ilay anjely ireo fampanantenana ao amin’ny fanekempihavanana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama.

Manaiky aho fa misy ireo zava-tsarotra ateraky ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy ary manaiky fa ny fankatoavana dia ho sarotra kokoa ho an’ny olona sasany raha mihoatra amin’ny hafa. Manana traikefa aman-taonany maro aho ahafahako mahafantatra fa na dia samy hafa be aza ny toetra ananan’ireo soavaly, ka mahatonga ny sasany ho mora folahina kokoa na ho sarotra folahina kokoa, dia mbola mihoatra lavitra kokoa noho izany ny fahasamihafan’ny olona. Zanakalahy na zanakavavin’Andriamanitra isika tsirairay, ary miavaka amin’ny an’ny rehetra ny tantarantsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana sy eto an-tany. Noho izany dia vitsy dia vitsy ny vahaolana iraisana ka ho mety amin’ny rehetra. Ka dia manaiky tanteraka aho fa ny fiainana dia ahitana fanandramana sy tsy fahombiazana im-betsaka, ary ny manan-danja indrindra dia ny filantsika mandrakariva ilay fitsipika faharoa ao amin’ny filazantsara, dia ny fibebahana.

Marina ihany koa fa ny fotoana niainan’ny raibeko dia fotoana tsotsotra kokoa, indrindra fa mikasika ny fisafidianana eo amin’ny tsara sy ny ratsy. Raha mety mihevitra ireo olona tena marani-tsaina sy mahira-tsaina sasantsasany fa mitaky vahaolana avo lenta kokoa ny fotoana iainantsika izay miha-sarotra kokoa dia tsy resy lahatra aho hoe marina ny azy ireo. Izaho kosa dia mino fa ny fahasarotana amin’izao fotoana izao dia mitaky zavatra tsotra kokoa, tahaka ilay valinteny nomen’ny raibeko tamin’ilay fanontaniako tamin-kitsimpo mikasika ny fomba hanavahana ny tsara sy ny ratsy. Fantatro fa torohevitra tsotra no tokony homeko anio, saingy afaka mijoro ho vavolombelona aho fa nandraitra tsara tamiko izany. Manoro hevitra anareo aho ny hampiasa izany ary manasa anareo mihitsy aza hanandrana ny teniko, ary raha manao izany ianareo dia mampanantena aho fa hitarika anareo ho amin’ireo safidy mazava izy ireo rehefa hodidinin’ireo safidy maro be ianareo, ary hitarika anareo ho amin’ny valinteny tsotra ho an’ireo fanontaniana izay tsy azon’ireo mahay sy mihevitra ny tenany ho hendry.

Matetika loatra isika no mieritreritra fa ny fankatoavana dia ny fanarahana an-jambany tsy am-piheverana ny baiko na ny didy avy amin’ny olona manana fahefana ambony kokoa. Raha ny marina, ny fankatoavana, amin’ny endriny tsara indrindra, dia maneho ny finoantsika ny fahendrena sy ny herin’ilay fahefana ambony indrindra, dia Andriamanitra izany. Rehefa naneho fahatokiana sy fankatoavana tsy voahozongozona an’Andriamanitra i Abrahama, eny fa na dia rehefa nodidiana hanao sorona ny zanany lahy aza, dia namonjy azy Andriamanitra. Tahaka izany koa, rehefa maneho ny fahatokiantsika amin’ny alalan’ny fankatoavana isika dia hamonjy antsika Andriamanitra amin’ny farany.

Ireo izay tsy miantehitra afa-tsy amin’ny tenany ihany ary tsy manaraka afa-tsy ny fanirian’ny tenany manokana sy ny fironany dia voafetra tokoa raha ampitahaina amin’ireo izay manaraka an’Andriamanitra ka mampiasa ny fahendren’Andriamanitra, sy ny heriny, ary ny fanomezam-pahasoavana avy Aminy. Voalaza fa ny olona izay tsy mihevitra afa-tsy ny tenany dia olona tsy dia manana ny maha-izy azy. Tsy moramora na mandeha ho azy velively ny fankatoavana mahery vaika sy atao an-tsitrapo. Io no fomba hanambarantsika ny finoantsika an’Andriamanitra sy mahatonga ny tenantsika ho mendrika ny handray ny herin’ny lanitra. Safidy ny fankatoavana. Safidy eo amin’ny fahalalana ny hery voafetra ananantsika etsy andaniny sy ny fahendren’Andriamanitra tsy manam-pahataperana sy ny fahefany tsy misy fetra etsy ankilany. Araka ny lesona nomen’ny raibeko ho ahy dia safidy ny finiavana hamantatra ilay bitsika avy amin’ny Fanahy sy ny fanarahana ny fitarihan’ilay mpitondra.

Enga anie isika ka ho lasa mpandova ny fanekempihavanan’i Abrahama sy ho lasa taranak’i Abrahama amin’ny alalan’ny fahatokiantsika sy amin’ny alalan’ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Mampanantena anareo aho fa afaka mahazo ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay ireo rehetra mahatoky sy mankatò. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.