2010–2019
Fiarovana amin’ny Pôrnôgrafia—Tokantrano Mifantoka amin’i Kristy
Aprily 2014


Fiarovana amin’ny Pôrnôgrafia—Tokantrano Mifantoka amin’i Kristy

Sary

Ny sivana lehibe indrindra eto amin’izao tontolo izao … dia ny sivana manokana ao anaty, izay tonga avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona lalina sy maharitra.

Ry rahalahy sy rahavavy malala, tena sambatra aho androany manana ireo zafikeliko zokiny indrindra 13 miaraka amin’ny daholobe ato. Izany dia nahatonga ahy hanontany hoe: “Inona no tian’ireo zafikeliko ho fantatra?” Te hiresaka mivantana amin’ny fianakaviako sy ny fianakavianareo aho amin’ity maraina ity.

Izahay amin’ny maha-mpitarika anay dia tena lasa miahiahy momba ny faharavana ateraky ny pôrnôgrafia eo amin’ny fiainan’ny mpikamban’ny Fiangonana sy ny fianakavian’izy ireo. I Satana dia manafika amim-pahatezerana tsy misy toa izany.

Anisan’ny antony hisiantsika eto an-tany ny hianatra handamina ireo firehetampo sy fihetsehampon’ny vatantsika. Ireny fahatsapana nomen’Andriamanitra ireny dia manampy antsika hanam-paniriana hanambady sy hanan-janaka. Ny fifandraisana tena akaiky eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ao anatin’ny fanambadiana izay mitondra zanaka ho eto amin’ny fiainana an-tany dia natao ho mahafinaritra sy ho traikefa feno fitiavana ihany koa, izay mampifamatotra ireo fo roa mifankatia, mampiray ny fanahy sy ny vatana, ary mitondra ny fahafenoan’ny fifaliana sy ny fahasambarana rehefa mianatra mametraka ilay olon-tiana ho eo amin’ny toerana voalohany isika. Nampianatra ny Filoha Spencer W. Kimball fa ao amin’ny fanambadiana “ny vady … dia manjary manana toerana ambony dia ambony mihoatra noho ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainan’ny vadiny, ary … [tsy misy] zavatra mahaliana [na] olona [na] zavatra hafa tokony ho lohalaharana kokoa noho ny vady. …

Midika fahatokiana sy fanajana tanteraka ny vady ny fanambadiana.”1

Taona maro lasa izay dia tena tsikaritra fa niasa saina mafy ny iray tamin’ireo zanakay. Niditra ny efitrano fandriany aho, izay toerana nanokafany ny fony sy nanazavany fa tany an-tranon’ny namany iray izy ka nahita tsy nahy sary sy fihetsika nanaitra sy nanelingelina nataon’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray tsy niakanjo tao amin’ny fahitalavitra. Nanomboka nitomany izy ary naneho ny fahatsapany ho rikoriko tamin’ny zavatra hitany ary naniry mafy ny hanala izany tao an-tsainy. Tena feno fankasitrahana aho fa namboraka izany tamiko izy, ka nanome ahy fahafahana hampitony ny fony tsy manan-tsiny sy marary ary hanampy azy hahafantatra ny fomba ahazoana fanampiana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Tsaroako ireo fahatsapana masina nananako raha niara-nandohalika izahay, amin’ny maha-reny ahy sy amin’ny maha-zanakavavy azy, ka nangataka ny fanampian’ny Raintsika any an-danitra.

Ankizy sy tanora ary olon-dehibe maro no mahita tsy nahy pôrnôgrafia, saingy lehilahy sy vehivavy maro no misafidy hijery izany ka mamerimberina izany mandra-pahatongan’izany ho fiankinan-doha. Ireo olona ireo dia mety haniry amin’ny fony iray manontolo ny hiala ao anatin’izany fandrika izany kanefa matetika dia tsy afaka mandresy izany samirery. Tena feno fankasitrahana tokoa isika rehefa misafidy ny hamboraka ny mahazo azy amintsika ireo olona akaikin’ny fo ireo amin’ny maha-ray aman-dreny antsika na amin’ny maha-mpitarika ao amin’ny Fiangonana iray. Tsara kokoa raha toa isika ka tsy maneho fahatafintohinana, na fahatezerana na fanilihana, izay mety hahatonga azy ireo hangina indray.

Amin’ny maha-ray aman-dreny sy mpitarika antsika dia mila mifampiresaka tsy tapaka amin’ny zanatsika sy ny tanorantsika isika, ka mihaino amim-pitiavana sy amim-pangorahana. Mila fantatr’izy ireo ny loza ateraky ny pôrnôgrafia sy ny fomba hifehezan’izany ny fiainan’ny olona, ka mahatonga fahaverezan’ny Fanahy, fitiavana voatorotoro, fahadisoam-panantenana, fifandraisana simba, fahaverezan’ny fifehezan-tena ary saika tsetsefin’izany tanteraka ny fotoana sy ny saina ary ny hery.

Maharikoriko sy ratsy ary mibaribary kokoa noho ny hatramin’izay ny pôrnôgrafia. Rehefa mifampiresaka amin’ny zanatsika isika, dia afaka manangana miaraka drafitra irain’ny mpianakavy izay ahitana ireo fitsipika sy ireo zavatra tsy azo ihoarana ary mandray andraikitra mba hiarovana ny tokantranontsika isika amin’ny fampiasana logiciel manivana ireo fitaovana elektrônika. Ry ray aman-dreny, moa ve fantatrareo fa tsy ny solosaina no olana lehibe indrindra fa ireo fitaovana entina mandehandeha izay afaka mahazo Internet?2

Ry zatovo sy olon-dehibe, raha toa ka tafalatsaka ao amin’ny fandriky ny pôrnôgrafian’i Satana ianareo dia tadidio fa be famindram-po ny Mpamonjy malalantsika. Mba tsapanareo ve ny halalin’ny fitiavan’ny Tompo anareo na amin’izao aza? Manana hery hanadiovana sy hanasitranana anareo ny Mpamonjy. Afaka manaisotra ny fanaintainana sy ny alahelo tsapanareo Izy ary afaka manao izay hahatonga anareo ho madio indray amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotany.

Izahay amin’ny maha-mpitarika anay dia miahiahy mafy momba ireo mpivady sy ny fianakavian’ireo izay tratran’ny fiankinan-doha amin’ny pôrnôgrafia. Niangavy ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Raha toa ka afaka tamin’ny fahotana goavana ny tenanareo dia aza mampijaly tena tsy amin’ny antony noho ny voka-dratsin’ny fahotan’ny hafa. … Afaka mahatsapa fangorahana ianareo. … Kanefa tsy tokony hahatsapa ho tompon’andraikitra amin’ireny toe-javatra miseho ireny.”3 Fantaro fa tsy irery ianareo. Misy fanampiana any. Misy ireo fivoriana fanasitranana amin’ny fiankinan-doha ho an’ny mpivady, ka tafiditra ao anatin’izany ireo fivoriana atao amin’ny alalan’ny telefaonina, izay mamela ny mpivady hiantso mandritra ny fivoriana iray sy handray anjara avy any an-tokantranon’izy ireo.

Ry rahalahy sy rahavavy, ahoana no fomba hiarovantsika ny zanatsika sy ireo tanorantsika? Fitaovana tena manampy be ny logiciel manao sivana saingy ny sivana lehibe indrindra eto amin’izao tontolo izao, ilay hany tokana izay tena handaitra dia ny sivana manokana ao anaty, izay tonga avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona lalina sy maharitra momba ny fitiavan’ny Raintsika any an-danitra sy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjintsika ho an’ny tsirairay amintsika.

Ahoana no fomba hitarihantsika ny zanatsika hanana fiovam-po lalina sy hampiasa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjintsika? Tiako ny fanambaran’ny mpaminany Nefia ny amin’ny zavatra nataon’ny vahoakany mba hampahatanjahana ny tanora tamin’ny androny. “Ary miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, [ary] maminany ny amin’i Kristy … mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.”4

Ahoana no ahafahantsika manao izany ao an-tokantranontsika? Ny sasany aminareo dia efa naheno ahy niteny momba ny fahasahirananay sy i Mel vadiko amin’ny maha-ray aman-dreny manan-janaka efatra anay. Rehefa niatrika ireo olan’ny fitaizana zanaka sy nanatontosa ireo fitakian’ny fiainana izahay dia nila fanampiana mafy. Nivavaka sy nitalaho izahay mba hahafantatra ny zavatra tokony hatao. Nazava ny valinteny izay tonga: “Tsy maninona raha mikorontana ny trano sy mbola manao akanjo mandry ny ankizy ary tsy vita ny andraikitra sasany. Ireo hany zavatra tena mila vitaina ao an-tokantrano dia ny fandalinana soratra masina sy ny vavaka isan’andro ary ny takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro.”

Niezaka nanao ireo zavatra ireo izahay, saingy tsy lohalaharana foana izy ireny ary, notsinontsinoavina indraindray tao anatin’ny korontana. Nanova ny zavatra ifantohanay izahay ary niezaka ny tsy niahiahy momba ireo zavatra tsy dia manan-danja loatra. Ny zavatra ifantohanay dia lasa ny fifampiresahana, ny fifaliana, ny fitoriana sy ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy amin’ny alalan’ny fiezahana mivavaka isan’andro sy mandalina soratra masina ary manao takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro.

Vao haingana no nampitandrina ahy ny namako iray hoe: “Rehefa mangataka ireo rahavavy mba hamaky soratra masina sy hivavaka bebe kokoa ianao dia manakorontan-tsaina azy ireo izany. Tsapan’izy ireo fa efa betsaka loatra ny zavatra ataony.”

Ry rahalahy sy rahavavy malala, satria fantatro avy amin’ireo traikefako manokana sy ny an’ny vadiko, dia tsy maintsy mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fitahiana azo avy amin’ny fandalinana soratra masina sy ny vavaka isan’andro ary ny takarivan’ny mpianakavy aho. Ireo no tena fomba fanao izay hanampy hanala ny fikorontanan-tsaina, hanoro ny fomba hitantanana ny fiainantsika ary hitondra fiarovana fanampiny ho an’ny tokantranontsika. Ka rehefa mamely ny fianakaviantsika ny pôrnôgrafia sy ireo olana hafa dia afaka mangataka fanampiana amin’ny Tompo isika, ary miandrandra fitarihana lehibe kokoa avy amin’ny Fanahy rehefa nahafantatra fa nanao izay nangatahin’ny Raintsika mba hataontsika isika.

Ry rahalahy sy rahavavy, raha toa ka tsy fomba fanao ao an-tokantranonareo ireo dia afaka manomboka izany avokoa isika ankehitriny. Raha toa ka efa lehibe ny zanatsika ka mandà ny hiaraka amintsika dia afaka manomboka amin’ny tenantsika isika. Raha manao izany isika dia hanomboka hameno ny tokantranontsika sy ny fiainantsika ny fitaoman’ny Fanahy, ary any aoriana any dia mety mba hamaky amin’izay ny zanaka.

Tsarovy fa ireo Apôstôly velona koa dia nampanantena fa rehefa mikaroka ireo razambentsika sy manomana ny anaran’ny fianakaviantsika halefa any amin’ny tempoly isika dia ho voaro amin’izao fotoana izao sy mandritra ny fiainantsika ary ao anatin’izany koa ny fijanonantsika mba ho mendrika lalandava hihazona ny fahazoan-dalana ho any amin’ny tempoly.5 Fampanantenana tena tsara izany!

Ry tanora, ataovy andraikitra ny fikarakarana ny mahasoa anareo ara-panahy. Vonoy ny telefaoninareo raha ilaina izany, mihirà hiran’ny kilonga, mangataha fanampiana amin’ny alalan’ny vavaka, mieritrereta soratra masina iray, mivoaha ny trano fijerena horonan-tsary, alaivo sary an-tsaina ny Mpamonjy, raiso amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo, halalino ny Ry Tanora Mahereza, meteza ho ohatra eo anoloan’ny namanareo, aoka ianareo hamboraka ny mahazo anareo amin’ny ray aman-dreny, mandehana any amin’ny evekanareo, mandehana any amin’ireo mpanorohevitra efa matihanina raha ilaina izany.

Inona no tiako ho fantatry ny zafikeliko ankehitriny? Tiako ho fantatr’izy ireo sy ho fantatrareo fa velona sy tia antsika ny Mpamonjy. Efa nanefa ny saran’ny fahotantsika Izy kanefa tsy maintsy mandohalika eo anatrehan’ny Raintsika any an-danitra isika, ao anatin’ny fanetren-tena lalina, ary mibaboka ny fahotantsika sy mitalaho Aminy mba hahazo famelan-keloka. Tsy maintsy maniry hanova ny fontsika sy ireo faniriantsika isika ary manetry tena araka izay ilaina mba hikatsahana ny fanampiana sy ny famelan-keloka avy amin’ireo izay mety nomentsika fanafintohinana na nailitsika.

Fantatro fa nahita an’Andriamanitra, ilay Raintsika any an-danitra sy i Jesoa Kristy, Mpamonjintsika i Joseph Smith. Mijoro ho vavolombelona aho fa manana mpaminany velona isika eto ambonin’ny tany, dia ny Filoha Thomas S. Monson. Mijoro ho vavolombelona koa aho fa tsy ho very na rahoviana na rahoviana isika raha toa ka manaraka ny torohevitry ny mpaminanin’Andriamanitra. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny herin’ireo fanekempihavanana sy ireo fitahiana azo avy amin’ny tempoly aho.

Fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna! Tsy ampy ny teny hanazavako ny herin’ity boky lehibe ity. Fantatro fotsiny fa raha ampiarahina amin’ny vavaka, dia mitondra ny hery hiarovana ny fianakaviana sy hanamafisana orina ny fifandraisana ary hanomezana fahatokiana manokana ny Tompo ny Bokin’i Môrmôna. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo zavatra ireo aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Spencer W. Kimball (2006), 199–200.

  2. Jereo ny Clay Olsen, “What Teens Wish Parents Knew” (lahateny natao nandritra ny fihaonamben’ny Fikambanan’i Utah Manohitra ny Pôrnôgrafia, 22 Mar 2014); utahcoalition.org.

  3. Richard G. Scott, “To Be Free of Heavy Burdens,” Liahona, Nôv. 2002, 88.

  4. 2 Nefia 25:26.

  5. Jereo ny David A. Bednar, “Hitodika ny fon’ny zanaka,” Liahona, Nôv. 2011, 24–27; Richard G. Scott, “Ny fifaliana avy amin’ny fanavotana ny maty,” Liahona, Nôv. 2012, 93–95; Neil L. Andersen, “Find Our Cousins!” (lahateny natao nandritra ny RootsTech 2014 Family History Conference, Feb. 8, 2014); lds.org/prophets-and-apostles/unto-all-the-world/find-our-cousins.