2010–2019
Faka sy Sampana
Aprily 2014


Faka sy Sampana

Sary

Ny fanafainganana ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly amin’izao andro iainantsika izao dia tena ilaina amin’ny fanavotana sy ny fisandratana faratampon’ny fianakaviana.

Fotoana fohy talohan’ny nahafatesany noho ny homamiadana tamin’ny taona 1981, dia nilaza tamin’ny mpanao gazety i William Saroyan izay mpanoratra niteraka ady hevitra maro, nanao hoe: “Tsy maintsy ho faty ny olona rehetra, kanefa aho dia nino hatrany fa mba haningana aho fa tsy hitovy amin’ny rehetra. Ahoana amin’izay ary ankehitriny?”1

Ilay hoe “Ahoana amin’izay ary ankehitriny” eo ambavahaon’ny fahafatesana amin’ity fiainana ity sy ny hoe “Ahoana amin’izay ary ankehitriny” eo am-pibanjinana ny fiainana aorian’ny fahafatesana no fanontaniana manan-danja indrindra ho an’ny fanahy izay voavalian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny amin’ny fomba tena kanto ao amin’ilay drafitry ny fahasambaran’ny Ray.

Mandritra ity fiainana ity isika dia mihomehy, mitomany, miasa, milalao, miaina ary avy eo isika dia maty. Nametraka ity fanontaniana fohy ity i Joba, “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?”2 Ny valin’izany dia “eny” manakoako, noho ilay sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy. Mahaliana ny ampahany amin’ny teny nataon’i Joba mialohan’ilay fanontaniana: “Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro. … Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana. … Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony … ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.”3

Ny drafitry ny Raintsika dia mahakasika ny fianakaviana. Maro amin’ireo soratra masina ananantsika izay tena mampihetsi-po indrindra no mampiasa ny hazo sy ny fakany ary ny sampany mba hanaovana fampitahana.

Ao amin’ny toko farany ao amin’ny Testamenta Taloha, dia mampiasa io fampitahana io amin’ny fomba mahery vaika i Malakia rehefa nilazalaza ny amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Raha niresaka mikasika ny mpiavonavona sy ny ratsy fanahy izy dia nilaza fa hodorana toy ny vodivary izy ireo ary “tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany.”4 Faranan’i Malakia io toko io amin’ny fampanantenan’ny Tompo manome toky manao hoe:

“Indro, Izaho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra:

“ary [Izy] hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin’ny fandringanana.”5

Tamin’ny fiandohan’ny Famerenana amin’ny Laoniny, dia nanantitrantitra io hafatra io i Môrônia tao amin’ny torolalana voalohany nomeny an’i Joseph Smith fony izy mbola tanora tamin’ny taona 1823.6

Eken’ny Kristiana sy ny Jiosy manerana izao tontolo izao ny tantaran’i Elia ao amin’ny Testamenta Taloha.7 Izy no mpaminany farany nihazona ny fahefan’ny famehezana an’ny Fisoronana Melikizedeka talohan’ny andron’i Jesoa Kristy.8

Mamerina amin’ny Laoniny ireo Fanalahidy i Elia

Ny fiverenan’i Elia dia nitranga tao amin’ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny 3 Aprily 1836. Nanambara izy fa nanatanteraka ny fampanantenan’i Malakia. Nanolotra ireo fanalahidin’ny fisoronana entina hamehezana fianakaviana izy mandritra ity fotoampitantanana ity.9 Manamora ny asa nanirahana an’i Elia ilay antsoina indraindray hoe fanahin’i Elia, izay araka ny nampianarin’ny Loholona Russell M. Nelson dia “ny fiasan’ny Fanahy Masina izay mijoro ho vavolombelona fa avy amin’Andriamanitra ny fianakaviana.”10

Hentitra ny Mpamonjy mikasika ny tsy maintsy hanaovana batisa. Nampianatra Izy hoe, “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy.”11 Ny Mpamonjy Izy tenany dia natao batisa mba hanome ny ohatra tokony harahina. Ahoana ny amin’ireo olona izay nodimandry kanefa tsy vita batisa?

Fotopampianaran’ny Tempoly sy ny Asa Fanaovana ny Tantaram-pianakaviana

Tamin’ny 11 Ôktôbra 1840, tany Nauvoo, dia nanoratra taratasy i Vilate Kimball ho an’ny Loholona Heber C. Kimball vadiny, izay nanao asa fitoriana tany Grande Bretagne niaraka tamin’ny mpikambana hafa tao amin’ny Roambinifololahy. Andro vitsivitsy talohan’io no natao ny Fihaonamben’ny fiangonana maneran-tany volana Ôktôbra.

Vakiko aminareo ny ampahany amin’ny taratasy nosoratan’i Vilate: “Nanatrika ny fihaonambe be mpanatrika indrindra sy mahaliana indrindra hatrizay nananganana ny Fiangonana izahay. … Ny Filoha [Joseph] Smith dia niresaka momba ny lohahevitra iray vaovao sy feno voninahitra. … Dia ny hoe atao batisa ho an’ny maty izany. Niresaka momba izany i Paoly ao amin’ny Korintiana Voalohany toko faha-15 andininy faha-29. Nahazo fanazavana feno kokoa mikasika izany i Joseph tamin’ny alalan’ny fanambarana. Nilaza izy fa tombontsoa ho an’ny [mpikambana] ao amin’ity Fiangonana ity ny hatao batisa ho an’ireo havany rehetra izay maty talohan’ny nivoahan’ity filazantsara ity. … Rehefa manao izany isika dia lasa manao asa ho azy ireo, sy manome azy ireo ny tombontsoa handray anjara amin’ny Fitsanganana amin’ny maty Voalohany. Nilaza izy fa hotorina amin’izy ireo ny filazantsara ao amin’ny tranomaizina.”

Notohizan’i Vilate hoe: “Te hatao batisa ho an’ny reniko aho. … Moa ve tsy fotopampianarana feno voninahitra tokoa izany?”12

Ny fotopampianarana fototra amin’ny fanakambanana ny fianakaviana dia nambara andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra sy fitsipika anampy fitsipika. Ireo ôrdônansy isoloana tena ny hafa no ivon’ny fanakambanana ny fianakaviana ho mandrakizay, izay manakambana ny faka amin’ny sampana.

Mazava tsara ny fotopampianarana momba ny fianakaviana izay mifandray amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly. Tao anatin’ireo torolalana voalohany mifono fanambarana ny Tompo dia niresaka momba ny “batisa ho an’ny maty eo aminareo.”13 Ny andraikitsika araka ny fotopampianarana dia ho an’ireo razambentsika ihany. Ny anton’izany dia satria ny lamina selestialy any an-danitra dia mifototra amin’ny fianakaviana.14 Ny Fiadidiana Voalohany dia namporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana, indrindra fa ireo zatovo sy ireo tanora tokan-tena, mba hanome lanja manokana ny asa fanaovana ny tantaram-pianakaviana sy ireo ôrdônansy ho an’ireo anaran’ny fianakavian’izy ireo manokana na ho an’ny anaran’ireo razamben’ny mpikambana ao amin’ny paroasiny sy ny tsatòkany.15 Mila sady mifandray amin’ny faka nipoirantsika isika no mifandray amin’ny sampana mipoitra avy amintsika. Tena feno voninahitra tokoa izany hoe ho tafaray ao amin’ny fanjakana mandrakizay.

Tempoly

Nilaza i Wilford Woodruff fa ny Mpaminany Joseph Smith nandritra ny fiainany dia nahavita nametraka ny fototry ny asa atao any amin’ny tempoly. “Tamin’ny fotoana farany nihaonan’i Joseph Smith tamin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy dia nomeny ny fanafiana masina izy ireo.16

Taorian’ny nahafaty ho maritiora ny Mpaminany, dia namita ny fanorenana ny Tempolin’i Nauvoo ireo Olomasina, ary nampiasaina ny fahefan’ny famehezana mba hitahiana ireo mpikambana mahatoky an’arivony talohan’ilay fifindra-monina ho any amin’ny Tendrombohitra any Andrefana. Telopolo taona taty aoriana, rehefa tafatsangana ny Tempolin’i St. George, dia nazavain’ny Filoha Brigham Young ny vokatra mandrakizain’ny fisian’ny ôrdônansin’ny famonjena izay sady ho an’ny velona no ho an’ny maty.17

Nambaran’ny Filoha Wilford Woodruff tamin’ny fomba tsotra izany manao hoe: “Vitsy ihany ny fitsipika nambaran’ny Tompo ka hoe nahafaly ahy mihoatra noho ny famonjena ireo maty eo amintsika; dia ny hoe hiaraka amintsika ireo raintsika, ireo renintsika, ireo vadintsika sy ireo zanatsika ao anatin’ny fianakaviana, amin’ilay marainan’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany sy ao amin’ny Fanjakana Selestialy. Fitsipika manan-danja tokoa ireo. Ka mendrika ny hanaovana ny fahafoizan-tena rehetra azo atao.”18

Fotoana mahafinaritra ny miaina amin’izao fotoana izao. Ity no fotoampitantanana farany, ary afaka mahatsapa ny fanafainganana ny asa famonjena isika amin’ny sehatra rehetra izay mahakasika ny ôrdônansin’ny famonjena.19 Manana tempoly manerana ny ankamaroan’izao tontolo izao isika mba hanatanterahana ireny ôrdônansin’ny famonjena ireny. Fitahiana lehibe ihany koa ny fanatrehana ny fivoriana any amin’ny tempoly mba hahazoana fanavaozana ara-panahy, sy fiadanana, sy fiarovana, ary fitarihana eo amin’ny fiainantsika.20

Tsy nisy herintaona taorian’ny niantsoana ny Filoha Thomas S. Monson ho Apôstôly dia nanokana ny Tranombokin’ny Tantaram-pianakaviana ao amin’ny Tempolin’i Los Angeles izy. Niresaka momba ireo razambe efa nodimandry izy “izay miandry ilay andro hanaovantsika sy ianao ny fikarohana izay ilaina mba hanokafana ny lalana, … [ary] handehanantsika toy izany koa ho any amin’ny tranon’Andriamanitra ka hanatanteraka izany asa izany … izay tsy azon’izy ireo tanterahana.”21

Rehefa nilaza izany teny fanokanana izany izy tamin’ny 20 Jona 1964, fony izy mbola Loholona Monson, dia mbola 12 ny isan’ny tempoly am-perinasa. Nandritra ny fotoana nanompoan’ny Filoha Monson tao amin’ireo filankevitry ny zokiolon’ny Fiangonana, dia tempoly 130 ao anatin’ireo 142 efa miasa no vao notokanana voalohany. Fahagagana ny mahita ny fanafainganana ny asa famonjena amin’izao andro iainantsika izao. Valo amby roampolo ny tempoly fanampiny nambara ary efa eo andalam-pamitana. Dimy amby lopolo isan-jaton’ny mpikamban’ny Fiangonana izao no monina amin’ny toerana izay tsy mihoatra ny 320 km miala ny tempoly.

Teknôlojia ampiasaina amin’ny Tantaram-pianakaviana

Haingana izaitsizy koa ny fandrosoan’ny teknôlôjia ampiasaina amin’ny tantaram-pianakaviana. Nanambara ny Filoha Howard W. Hunter tamin’ny volana Nôvambra 1994 hoe: “Nanomboka nampiasa ny solosaina isika mba hanafainganana ilay asa masina amin’ny fanaovana ôrdônansy ho an’ireo efa nodimandry. Ny anjara asan’ny teknôlôjia … dia nohafainganin’ny Tompo mihitsy. … Na izany aza, dia mbola vao manomboka fotsiny izao isika amin’ny fampiasana ireo fitaovana ireo.”22

Tao anatin’ny 19 taona nanaovana an’io fanambarana mifono faminaniana io, dia saika tsy mampino ny fihazakazahan’ny teknôlôjia. Vao haingana no nilaza tamiko ny renim-pianakaviana iray 36 taona hoe: “Eritrereto fotsiny—niala tamin’ny microfilm tany amin’ny ivontoeran’ny tantaram-pianakaviana voatokana isika ka lasa mipetraka eo amin’ny latabatra ao an-dakozia manoloana ny solosaina dia manao ny tantaram-pianakaviana rehefa avy mampatory ireo ankizy.” Ry rahalahy sy rahavavy, lasa ao an-tokantrano izao ny ivontoeran’ny tantaram-pianakaviantsika.

Tsy mahakasika antsika fotsiny ihany ny tempoly sy ny asa fanaovana tantaram-pianakaviana. Eritrereto ireo izay ao ambadiky ny voaly izay miandry ireo ôrdônansin’ny famonjena hanafaka azy ireo amin’ny fatotry ny tranomaizina ara-panahy. Ny famaritana ny tranomaizina dia “toetoetra ao anatin’ny fanagadrana na ny fahababoana.”23 Ireo izay ao anatin’ny fahababoana dia mety hametraka ilay fanontanian’i William Saroyan manao hoe: “Ahoana amin’izay ary ankehitriny?”

Nisy rahavavy iray mahatoky izay nizara ny traikefa ara-panahy miavaka niainany tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake. Rehefa tao amin’ny efitrano fanomezana ny Fanahy Masina izy, rehefa vita ny fanaovana ôrdônansy iray fanomezana ny Fanahy Masina izay nisoloana tena, dia nandre izy hoe: “Fa handeha malalaka ilay voafonja!” Nahatsapa ny fahamehana izy ho an’ireo izay miandry ny fanaovana ny batisany sy ny fanomezana ny Fanahy Masina ho azy. Rehefa nody tany an-trano izy, dia nitady ilay fehezanteny reny tao amin’ny soratra masina. Hitany ilay fanambaran’i Joseph Smith ao amin’ny fizarana faha-128 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: “Aoka hiravoravo ny fonareo ary ho faly fatratra tokoa. Aoka ny tany hamelona hoby. Aoka ny maty hiventy antsam-piderana mandrakizay ho an’i Imanoela Mpanjaka, izay efa nanokana talohan’ny nisian’izao tontolo izao ny fomba hahafahantsika manavotra azy ireo hiala avy ao amin’ny fonjan’izy ireo; fa handeha malalaka ny voafonja.”24

Ny fanontaniana dia hoe: inona no tokony hataontsika? Ny torohevitry ny Mpaminany Joseph dia ny ho ao amin’ny tempoly masina hanolotra “ny boky mirakitra ny rakitsoratry ny maty eo amintsika, izay ho mendrika ny fankasitrahana rehetra.”25

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia nandefa antso mazava tsara ho an’ny taranaka vao misondrotra mba hitarika ny dia amin’ny fampiasana ny teknôlôjia ahafahana miaina ny fanahin’i Elia, sy hikaroka ireo razambeny, ary hanatanteraka ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly ho azy ireo.26 Ny ankamaroan’ireo asa sarotra amin’ny fanafainganana ilay asa famonjena ho an’ny velona sy ny maty dia ianareo tanora no hanao azy.27

Raha toa ka tsy ny handeha ho any amin’ny tempoly sy hanao batisa ho an’ireo maty eo aminy fotsiny no ataon’ireo tanora any amin’ny paroasy tsirairay fa miara-miasa ihany koa amin’ireo fianakaviany sy ireo mpikambana hafa ao amin’ny paroasiny mba hahazoana manome ny anaran’ireo havany hanaovana ôrdônansy izay ho tanterahan’izy ireo, dia samy hahazo fitahiana lehibe na izy ireo na ny Fiangonana. Aza atao ambanin-javatra ny fanampiana omen’ireo efa nodimandry eo amin’ny ezaka ataonao sy ny fifaliana ho azonao any aoriana rehefa tafahaona amin’ireo izay anaovanao asa fanompoana. Mila tsy ho takatry ny saina ny fitahiana lehibe sy mandrakizay azo amin’ny fanakambanana ny fianakaviantsika.28

Amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana maneran-tany dia 51 isan-jato amin’ny olon-dehibe no sady tsy nampiditra ireo ray aman-dreniny ao amin’ny fizarana hoe Family Tree ao amin’ilay tranonkala an’ny Fiangonana antsoina hoe FamilySearch. Dimy amby enimpolo isan-jato amin’ireo olon-dehibe no tsy nampiditra ny raibe sy renibeny efatra.29 Tsarovy fa tsy afaka ny hovonjena isika raha tsy misy ireo faka nipoirantsika sy ireo sampana mipoitra avy amintsika. Mila mahazo sy mampiditra ireo fampahafantarana manan-danja ireo ny mpikamban’ny Fiangonana.

Efa ananantsika amin’izay ny fotopampianarana sy ireo tempoly ary ny teknôlôjia mba hanatanterahan’ireo fianakaviana ity asa famonjena feno voninahitra ity. Manolotra fomba iray ahafahana manao izany aho. Afaka mampiasa ny “Fivoriana hampivoarana ny rafi-tetiaran’ny fianakaviana” ireo fianakaviana. Mitaky ezaka mitohy ny fanaovana izany. Ny tsirairay dia samy mitondra ny tantaram-pianakaviana ananany, sy tantara ary sary, anisan’izany koa ireo fananan’ny raibe sy renibe sy fananan’ireo ray aman-dreny izay sarobidy ho azy ireo. Liana ny hianatra momba ny fiainan’ireo havany ireo tanorantsika—avy aiza izy ireo ary ahoana ny fomba fiainany. Maro ny fon’izy ireo no efa nitodika any amin’ny rainy. Tian’izy ireo ireo tantara sy sary, ary ananany ny fahaizana ny teknôlôjia hampidirana ireo tantara sy ireo sary ao amin’ny Rafi-tetiaran’ny fianakaviana ary hampifandray ireo antontan-taratasy misy ireo razambe mba hitehirizana azy ireo rahatrizay. Mazava ho azy fa ny tanjona lehibe indrindra dia ny hamantatra hoe inona avy no ôrdônansy tokony mbola hatao sy ny mizara ny andraikitra hanaovana ny asa manan-danja any amin’ny tempoly. Azo ampiasaina ilay bokikely hoe Ma Famille mba hanampiana amin’ny firaketana ny mombamomba ny fianakaviana, sy ny tantara ary ireo sary izay azo ampidirina ao amin’ny Rafi-tetiaran’ny fianakaviana.

Ny fanoloran-tenan’ny fianakaviana sy ny zavatra antenainy no tokony hataontsika lohalaharana indrindra mba hiarovana ny hoavintsika mandrakizay. Ho an’ireo izay mitady fomba mahomby kokoa hampiasan’ny fianakaviana ny andro Sabata, dia ny fanafainganana ity asa ity no fomba iray tena mamokatra. Mitantara am-pifaliana ny renim-pianakaviana iray fa ny zanany lahy 17 taona dia mankeo amin’ny solosaina rehefa avy any am-piangonana ny Alahady mba hanao ny tantaram-pianakaviana ary tian’ny zanany lahy 10 taona ny mandre ny tantara sy mijery ny sarin’ireo razambeny. Izany no nahafahan’ny fianakavian’izy ireo manontolo hiaina ny fanahin’i Elia. Tokony hokolokoloina ireo faka sy sampana ananantsika.

Nanolotra ny Ainy i Jesoa Kristy mba ho sorompanavotana hamonjena ny hafa. Namaha ilay fanontaniana lehibe napetrak’i Joba Izy. Nandresy ny fahafatesana Izy ho an’ny olombelona rehetra, izay zavatra tsy vitantsika samirery. Azontsika atao anefa ny manatanteraka ireo ôrdônansy isoloana tena ary afaka ny ho tonga mpamonjy tokoa isika ao amin’ny Tendrombohitra Ziona30 ho an’ireo fianakaviantsika mba hahafahantsika hahazo ny fisandratana faratampony miaraka amin’izy ireo ka ho voavonjy.

Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny maha azo antoka an’ilay drafitry ny Ray ho antsika sy ny fianakaviantsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. William Saroyan, ao amin’ny Henry Allen, “Raging against Aging,” Wall Street Journal, Des. 31, 2011–Jan. 1, 2012, C9.

  2. Joba 14:14.

  3. Joba 14:1, 2, 7, 9.

  4. Malakia 3:19. Tato ho ato dia nisy matoan-dahatsoratra maromaro nitatitra fa nitombo izay tsy izy ny isan’ny olona izay misafidy ny tsy hanan-janaka mba hanatsarana ny fari-piainan’izy ireo (jereo ny Abby Ellin, “The Childless Plan for Their Fading Days,” New York Times, Feb. 15, 2014, B4). Firenena maro no mihavitsy ny isan’ny mponina ao aminy vokatr’izany safidin’ny olona tsirairay izany. Indraindray izany dia antsoina hoe “ririnina demôgrafika” (jereo ny The New Economic Reality: Demographic Winter [documentary], byutv.org/shows).

  5. Malakia 4:5–6.

  6. Jereo ny History of the Church, 1:12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2.

  7. Niandry ny fiverenan’i Elia ireo Jiosy nandritra ny 2.400 taona. Hatramin’izao fotoana izao, mandritra ny Séder de Pessa’h na ny sakafo hariva fanaony isan-taona, dia manisa toerana ho azy izy ireo ary mankeo am-baravarana manantena azy ho tonga mba hialoha ny fiavian’ny Mesia.

  8. Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Elia.”

  9. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:14-16; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:2.

  10. Russell M. Nelson, “A New Harvest Time,” Ensign, Mey 1998, 34.

  11. Jaona 3:5.

  12. Taratasy nosoratan’i Vilate M. Kimball ho an’i Heber C. Kimball, 11 Ôkt. 1840, taratasin’i Vilate M. Kimball, Church History Library; nampanarahana ny fenitra ny tsipelina sy ny renin-tsoratra.

  13. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:5; nampiana fanamafisana.

  14. Jereo ny Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Fielding Smith (2013), 68.

  15. Jereo ny taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, 8 Ôkt 2012.

  16. Jereo ny The Discourses of Wilford Woodruff, sel. G. Homer Durham (1946), 147.

  17. Nilaza i Brigham Young hoe, “Ny hany faniriako dia ny hahita ity vahoaka ity manolotra ny fananany sy ny faniriany mba hanorenana ny fanjakan’Andriamanitra, sy manangana tempoly, ary manatanteraka ao ny asa ho an’ny velona sy ny maty … mba hahazoany satroboninahitra amin’ny maha- zanaka lahy sy zanaka vavin’ny Tsitoha azy ireo” (Deseret News, 6 Sept. 1876, 498). Ny batisa ho an’ny maty dia nanomboka tamin’ny 9 Janoary 1877, ary ny fanafiana masina ho an’ny maty dia natao roa andro taorian’izay. Nilaza ny hafaliany avy amin’izany i Lucy B. Young manao hoe “feno ny fony noho izy afaka ho raisin’ireo [havany nodimandry] eo an-tsandrin’izy ireo, tahaka ireo rehetra izay tsy afaka manao ilay asa ho an’ny tenany samirery” (in Richard E. Bennett, “‘Which Is the Wisest Course?’ The Transformation in Mormon Temple Consciousness, 1870–1898,” BYU Studies Quarterly, vol. 52, no. 2 [2013], 22).

  18. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Wilford Woodruff (2004),192–93.

  19. Ny filoha Wilford Woodruff (izay nalaza ho anisan’ny misiônera tena nahomby indrindra tamin’ireo izay nisy rehetra hatrizay), raha niresaka momba ny asa ho an’ireo maty, dia nilaza hoe: “Ny fijeriko ity ampahany amin’ny asa fitoriana ataontsika ity dia asa nanirahana izay manan-danja mitovy amin’ny fitoriana amin’ny velona; handre ny feon’ireo mpanompon’Andriamanitra ny maty ao amin’ny tontolon’ny fanahy, ary tsy afaka ny hivoaka izy ireo amin’ilay marain’ny fitsanganana amin’ny maty [voalohany], raha tsy tanterahina ny ôrdônansy sasantsasany, ho [azy ireo].” Niteny ihany koa izy hoe: “Mitovy ny zavatra takiana hamonjena maty iray … sy hamonjena velona iray” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Wilford Woodruff, 188).

  20. Ny Filoha Howard W. Hunter dia nanasa ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hankany amin’ny tempoly matetika “noho ny fitahiana manokana azo amin’ny fanatrehana ny fivoriana ao amin’ny tempoly, noho ny fahamasinana sy ny fiarovana izay azo ao anatin’ireo rindrina nohamasinina sy notokanana ireo. … Masina amin’ny Tompo izany. Tokony ho masina amintsika izany.” (“The Great Symbol of Our Membership,” Tambuli, Nôv. 1994, 6).

  21. “Hafatra nentanim-panahy avy amin’ny Filoha Thomas S. Monson,” Church News, 29 Des. 2013, 2.

  22. Howard W. Hunter, “We Have a Work to Do,” Ensign, Mar. 1995, 65.

  23. Merriam-Webster’s Collegiate Dictionary, ed. faha 11. (2003), “prison.”

  24. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:22; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:42. “Talohan’ny nahariana izao tontolo izao, dia nandamina izay hahafahan’ireo fanahy ao amin’ny [fonja] mba hahazo fanavotana ny Tompo” (index to the triple combination, “Prison”).

  25. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:24.

  26. Jereo ny Taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Ôkt. 8, 2012; jero ihany koa ny David A. Bednar, “Hitodika ny Fon’ny Zanaka,” Liahona, Nôv. 2011, 24–27; R. Scott Lloyd, “‘Find Our Cousins’: Apostle [Neil L. Andersen] Counsels LDS Youth at RootsTech Conference,” Church News, 16 Feb. 2014, 8–9.

  27. Misy fikarohana iray natao vao haingana izay maneho fa ny zava-dehibe ho an’ity taranaka ity dia ny manana fiainana manan-danja ahafahan’izy ireo “manome ho an’ny hafa sy mitodika amin’ny tanjona lehibe kokoa” (Emily Esfahani Smith sy Jennifer L. Aaker, “Millennial Searchers,” New York Times Sunday Review, 1 Des 2013, 6).

  28. Jereo ny Howard W. Hunter, “A Temple-Motivated People,” Liahona, Mey 1995, 2–7.

  29. Tatitra nomen’ny Departemantan’ny Tantaram-pianakaviana.

  30. Jereo ny Obadia 1:21.