2010–2019
Vondron’ny Mpirahavavy: Tena Mila ny Tsirairay Isika
Aprily 2014


Vondron’ny Mpirahavavy: Tena Mila ny Tsirairay Isika

Sary

Tokony hatsahatra ny fifantohantsika amin’ny fahasamihafantsika fa tokony hitady izay itovizantsika isika.

Tao anatin’io horonan-tsary io isika dia nahita firenena valo ary nandre fiteny sivy samihafa. Alaivo sary an-tsaina hoe fiteny maro firy fanampiny no nampidirina tao anatin’ilay andininy farany. Tena mahafaly tokoa ny mahafantatra fa amin’ny maha-mpirahavavy maneran-tany antsika dia afaka nanandratra ny feontsika tao anatin’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ilay fahamarinana mandrakizay isika fa zanakavin’ny Ray any an-danitra be fitiavana iray.

Voninahitra lehibe ho ahy tokoa ny tonga eto amin’ity fotoana manan-tantara ity ka hiresaka amin’ny vehivavin’ny Fiangonana rehetra valo taona no ho miakatra. Misy hery goavana ao anatin’ny firaisan-kinantsika amin’ity takariva ity. Raha mijery antsika rehetra tafavory ato amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana aho sy mieritreritra ireo an’arivony maro hafa izay mijery ity fampitana ity any amin’ny toerana maro manerana izao tontolo izao dia azo antoka fa ny fitambaran’ny herin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika sy ny finoantsika an’i Jesoa Kristy dia mandrafitra fivoriam-behivavy iray tena heniky ny finoana sy matanjaka indrindra eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana, ary mety ho eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao.

Anio hariva isika dia mifaly ao amin’ny anjara asantsika samihafa amin’ny maha-vehivavin’ny Fiangonana antsika. Na dia samy hafa sy miavaka amin’ny fomba maro aza isika dia miaiky koa fa zanakavavin’ilay Ray any an-danitra isika rehetra izay mahatonga antsika ho mpirahavavy. Isika dia tafaray ao anatin’ny fananganana ny fanjakan’Andriamanitra ary ao anatin’ireo fanekempihavanana izay nataontsika, na inona na inona toe-javatra iainantsika. Tsy isalasalana tokoa fa ity fivorian’ny vehivavy sy ny ankizivavy ity no vondron’ny mpirahavavy tena miavaka indrindra eto ambonin’ny tany!1

Ny maha-mpirahavavy antsika dia midika fa misy fatotra tsy mety tapaka eo amintsika. Mifampikarakara ny mpirahavavy, mifampitsinjo, mifankahery, ary miaraka eo foana na ao anatin’ny fotoam-pifaliana na ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Hoy ny Tompo hoe: “Lazaiko aminareo, aoka ho iray ianareo; ary raha tsy iray ianareo dia tsy ahy”2

Tian’ny fahavalo hifampitsikera sy hifampitsara isika. Tiany hifantoka amin’ny fahasamihafantsika sy hampitaha ny tenantsika amin’ny hafa isika. Mety ho tianao ny manao fanatanjahan-tena amim-pahavitrihana mandritra ny adiny iray satria mahasalama anao izany raha toa ka heveriko ho toy ny fanatanjahan-tena goavana ny fiakarako tohatra mankany amin’ny rihana iray fa tsy mandeha ascenseur. Mbola afaka ny ho mpinamana ihany isika na dia tsy mitovy aza, sa tsy izany?

Isika amin’ny maha-vehivavy antsika dia misy fotoana mitsikera loatra ny tenantsika. Rehefa mampitaha ny tenantsika amin’ny hafa isika dia hahatsapa ho tsy mahavita azy foana na ho tezitra foana amin’ny hafa. Hoy ny Rahavavy Patricia T. Holland indray mandeha hoe: “Ny marina dia tsy afaka hiantso fotsiny ny tenantsika ho Kristianina isika raha hanohy hifampitsara—hitsara ny tenantsika—amin’ny fomba henjana tokoa.”3 Notohizany izany ary niteny izy fa tsy misy antony tsara hafa tokony hanariantsika ny fanehoantsika fangorahana sy ny maha-mpirahavavy. Mila miala sasatra sy mifaly amin’ireo fahasamihafantsika fotsiny isika. Mila fantatsika fa maniry ny hanompo ao amin’ny fanjakana avokoa isika ka ampiasaintsika ireo talenta sy fanomezam-pahasoavana ananantsika amin’ny fombantsika manokana. Dia afaka mankafy ny maha-mpirahavavy antsika sy ny fikambanantsika isika amin’izay ary manomboka manompo.

Ny marina dia tena mila ny tsirairay isika. Mikatsaka finamanana sy fanohanana ary fiarahana ho azy ny vehivavy. Tena betsaka ireo azontsika ianarana avy amin’ny tsirairay, ary matetika isika no mamela ireo sakana izay foronintsika manokana hanakana antsika tsy hankafy ireo fifandraisana izay tokony ho anisan’ireo fitahiana lehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika. Ohatra hoe, izahay vehivavy efa zokinjokiny dia mila ny zavatra azonareo ankizivavy ao amin’ny Kilonga atolotra anay. Afaka mianatra zavatra maro avy aminareo momba ny fanompoana sy ny fitiavana araka an’i Kristy izahay.

Vao tsy ela akory izay no nahenoako tantara mahafinaritra momba ny zazavavikely iray antsoina hoe Sarah. Ny reniny dia nanana fahafahana nanampy vehivavy iray hafa tao amin’ny paroasiny nantsoina hoe Brenda izay tratran’ny aretina sclérose en plaques. Tian’i Sarah ny miaraka amin’ny reniny mba hanampy an’i Brenda. Asiany menaka manitra ny tanan’i Brenda ary oriny ny rantsantanany sy ny tanany satria mahatsapa fanaintainana matetika izy. Dia nianatra nampaninjitra mora ny tanan’i Brenda hankany amin’ny lohany i Sarah mba hampatanjaka ny hozany. Bangoin’i Sarah ny volon’i Brenda ary mitafatafa aminy izy rehefa mikarakara zavatra hafa ilain’i Brenda ny reniny. Nianatra ny maha-zava-dehibe ny fanompoana olon-kafa i Sarah sy ny fifaliana azo avy amin’izany ary nanjary takany fa na ny zaza aza dia afaka mitondra fiovana goavana eo amin’ny fiainan’ny olona iray.

Tiako ny ohatra ananantsika ao amin’ny toko voalohany ao amin’ny Lioka izay mamaritra ny fifandraisana mamy teo amin’i Maria, renin’i Jesoa, sy i Elizabeta havany. Mbola zatovovavy i Maria raha nampahafantarina momba ilay asa nanirahana azy ho renin’ny Zanak’Andriamanitra. Tany am-boalohany dia toa andraikitra tena mavesatra izany raha entina irery. Ny Tompo tenany mihitsy no nanome an’i Maria olona hizarana ny andraikiny. Tamin’ny alalan’ny hafatra nentin’ny anjely Gabriela no nanomezana an’i Maria anaram-behivavy iray azo itokisana sy mahafinaritra izay azony hitadiavana fanohanana—dia i Elizabeta havany izany.

Nifandray am-po tokoa ity zatovovavy tsy manambady ity sy ilay havany izay “efa antitra”4 tao anatin’ny fitondran’izy ireo vohoka niseho tamin’ny fomba mahagaga, ary azoko an-tsaina tsara mihitsy fa tsy maintsy tena nanan-danja tokoa ireo telo volana niarahan’izy ireo satria afaka nifampiresaka sy nifankahery ary nifanohana tao anatin’ilay antso miavaka nomena azy izy ireo. Tena ohatra mahafinaritra izy ireo eo amin’ny fifampikarakaran’ny vehivavy tsy mitovy taona.

Ireo izay efa zokinjoiny amintsika dia afaka ny ho ohatra goavana eo amin’ireo taranaka tanora kokoa. Fony mbola ankizivavy kely ny reniko dia tsy nisy nazoto niangona na ny rainy na ny reniny. Na dia mbola vao dimy taona aza izy dia efa nandeha an-tongotra irery nankany am-piangonana hanatrika ireo fivoriany—ny Kilonga sy ny Sekoly Alahady ary ny fivoriana fanasan’ny Tompo—izay samy manana ny fotoana hanatanterahana azy.

Vao haingana aho no nanontany ny reniko ny antony nanaovany izany isan-kerinandro kanefa tsy mba nanohana sy namporisika azy ny ray aman-dreniny. Ny valinteniny dia hoe: “Nanana mpampianatra tao amin’ny Kilonga izay tia ahy aho.” Naneho fitiavana sy nampianatra azy ny filazantsara ireo mpampianatra ireo. Nampianatra azy izy ireo fa manana Ray any an-danitra izay tia azy izy ary ny fanehoan’izy ireo fitiavana azy no nahatonga azy ho tonga isan-kerinandro. Hoy ny reniko tamiko, “Iray tamin’ireo zavatra tena manan-danja nisy fiantraikany teo amin’ny fiainako fony mbola zaza izany.” Manantena aho hoe mba ho afaka ny hisaotra ireo rahavavy mahafinaritra ireo indray andro any! Tsy mifidy taona ny fanompoana araka an’i Kristy.

Tapa-bolana lasa izay dia nihaona tamin’ny filohan’ny Zatovovavin’ny Tsatòka tany Californie aho izay niteny tamiko fa ny reniny izay 81 taona dia vao nantsoina ho mpanoro hevitra ao amin’ny Farimbona. Tena lasa eritreritra aho ka niantso ny reniny tamin’ny telefaonina. Rehefa nangataka mba hihaona aminy ny evekan’ny Rahavavy Val Baker dia nihevitra ny ho antsoina ho mpitantana ny tranomboky na mpahaitantaran’ny paroasy izy. Rehefa nangatahiny izy mba ho mpanoro hevitra ny Farimbona ao amin’ny Zatovovavy dia hoy ny navaliny hoe “Azonao antoka ve izany?”

Namaly tamin’ny fomba hentitra ny evekany nanao hoe: “Rahavavy Baker, aoka ianao tsy ho diso hevitra; avy amin’ny Tompo ity antso ity.”

Niteny izy hoe tsy nanana valinteny hafa ankoatra ny hoe “Marina izany.”

Tiako ny fitaomam-panahy tsapan’ity eveka ity hoe afaka mianatra zavatra maro avy amin’ny fahendrena sy ny traikefa nananan’ity rahavavy efa voky taona ity ireo Farimbona efatra ao amin’ny paroasiny ary afaka mianatra ny ohatra nasehony tao anatin’ny fiainany iray manontolo. Ary iza ary raha fantatrareo no hatonin’ny Rahavavy Baker rehefa mila fanampiana izy mba hanokatra pejy facebook ho azy manokana?

Mieritreritra aho hoe afaka ho tonga fanampiana lehibe entina handraisana ireo rahavavy zandriny izay vao haingana no mbola tao amin’ny Zatovovavy ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Matetika ireo rahavavy zandrintsika no mahatsapa ho toy ny tsy manana toerana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana na tsy manana zavatra iraisana amin’ireo izay ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Mialohan’ny ahatongavan’izy ireo 18 taona dia mila mpitarika ao amin’ny Zatovovavy sy reny izy ireo izay hijoro ho vavolombelona am-pifalifaliana tokoa mikasika ireo fitahiana lehibe azo ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Mila mahatsapa fientanentanana izy ireo momba ny fidirana ao anatin’ny fikambanana miavaka toy izany. Rehefa manomboka manatrika ny Fikambanana Ifanampiana ireo zatovovavy dia namana iray hiaraka hipetraka aminy, sandry manodidina ny sorony, ary fahafahana hampianatra sy hanompo no ilain’izy ireo indrindra. Ndeha isika rehetra hanolo-tanana hifanampy ao anatin’ireo fiovana sy fotoana miavaka eo amin’ny fiainantsika.

Misaotra an’ireo vehivavin’ny Fiangonana rehetra izay manolo-tanana mba hitahiana sy hanompoana ny hafa, na firy taona izy ireo na firy taona ary na inona na inona kolontsainy. Manompo ireo ankizy ao amin’ny Kilonga sy ireo efa zokinjokiny ireo Zatovovavy. Mandany ora tsy tambo isaina mba hanomezana ny zavatra ilain’ireo manodidina azy ireo rahavavy tsy manambady. Mankasitraka ireo zatovovavy anarivony izay manolotra 18 volana amin’ny fiainan’izy ireo hizarana ny filazantsara amin’izao tontolo izao izahay. Tena mazava tokoa ireo zavatra rehetra ireo ka ambaran’ilay hira malalantsika hoe: “Aux femmes incombents les tâches des anges”5 [Iantsorohan’ny vehivavy ireo andraikitry ny anjely].

Raha toa ka misy ny sakana, dia satria noforonintsika izy ireny. Tokony hatsahatra ny fifantohantsika amin’ny fahasamihafantsika fa tokony hitady izay itovizantsika isika; dia afaka manomboka mahafantatra ireo hery anaty lehibe indrindra ananantsika isika ka hanatontosa ny tsara indrindra eto amin’ity izao tontolo izao ity. Niteny ny Rahavavy Marjorie P. Hinckley indray andro hoe: “Tena mila ny tsirairay isika. Izahay izay efa antitra dia mila anareo tanora. Ary enga anie ka mila ny sasany aminay efa antitra koa ianareo tanora. Zava-marina misy eo amin’ny fiaraha-monina ny hoe, mila vehivavy ny vehivavy. Mila fifampinamanana mitondra fahafaham-po lalina sy feno fahatokiana isika.”6 Marina ny voalazan’ny Rahavavy Hinckley fa tena mila ny tsirairay isika!

Ry rahavavy isany, tsy misy vondrom-behivavy hafa eto amin’izao tontolo izao izay mahazo fitahiana lehibe kokoa noho isika vehivavy Olomasin’ny Andro Farany. Mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo isika, ary na inona na inona toe-javatra iainantsika manokana, dia afaka mahazo ireo fitahiana feno avy amin’ny herin’ny fisoronana isika rehetra amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa sy tany amin’ny tempoly. Manana mpaminany velona izay mitarika sy mampianatra antsika isika, ary mifaly amin’ny fananana ny Fanahy Masina izay fanomezana lehibe isika, izay sady mpankahery no mpitarika eo amin’ny fiainantsika. Sambatra isika miara-miasa amin’ireo rahalahy mahatoky rehefa mampahatanjaka ny tokantrano sy fianakaviana. Manana fahafahana hahazo ny tanjaka sy ny hery avy amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly ary ny maro hafa isika.

Ankoatra ny fankafizana ireo fitahiana rehetra tena tsara ireo dia manana antsika isika—mpirahavavy ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nomena toetra malefaka sy feno fiantrana isika izay manome fahafahana antsika haneho fitiavana sy hanompo an’ireo manodidina antsika araka ny fomban’i Kristy. Rehefa tsy mijery ny fahasamihafan’ny taona sy ny kolontsaina ary ny toe-javatra iainana isika mba hifampikarakarana sy hifanompoana dia ho henik’ilay fitiavana madion’i Kristy sy ilay fitaomana izay mitarika antsika hahafantatra ny fotoana sy ny olona hotompoina.

Manolotra fanasana iray ho anareo aho izay efa nisy niteny indray mandeha teo aloha. Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany iray no nanao izany ka nilaza hoe: “Manasa anareo aho tsy hifankatia fotsiny ihany fa hifankatia tsara kokoa.7 Enga anie isika hahatsapa hoe tena mila ny tsirairay isika, ary enga anie isika rehetra hifankatia bebe kokoa. Izany no vavaka ataoko, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Barbara B. Smith, “The Bonds of Sisterhood,” Ensign, Mar. 1983, 20–23.

  2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27.

  3. Patricia T. Holland, “‘One Thing Needful’: Becoming Women of Greater Faith in Christ,” Ensign, Ôkt. 1987, 29.

  4. Lioka 1:7.

  5. “Nous Soeurs de Sion,” Cantiques, no. 201.

  6. Glimpses into the Life and Heart of Marjorie Pay Hinckley, ed. Virginia H. Pearce (1999), 254–55.

  7. Bonnie D. Parkin, “Choosing Charity: That Good Part,” Liahona, Nôv. 2003, 106.