2010–2019
Tadio Ara-panahy
Aprily 2014


Tadio Ara-panahy

Sary

Aza avela handresy anareo ny zava-tsarotra sy ny fanoherana. Andronareo izao, izay tokony hijoroanareo ho matanjaka toy ny mpianatry ny Tompo Jesoa Kristy.

Miarahaba anareo aho amin’ity maraina ity—indrindra fa ireo zatovo izay eto amin’ity Ivontoeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana ity sy manerana izao tontolo. Taranaka voafidy ianareo, izay manana anjara miavaka, ary hiresaka aminareo manokana aho.

Taona maro lasa izay raha nitsidika ny fianakavianay tany Floride izahay dia nisy rambon-danitra namely ny toerana tsy dia lavitra anay. Nandeha tany amin’ny trano fidiovana mba hiarovany ny tenany ny vehivavy iray nipetraka tamin’ny trano iray izay azo afindrafindra. Nanomboka nihozongozona ilay trano. Nandeha ny fotoana. Avy eo dia naheno ny feon’ny mpifanolobodirindrina taminy izy nanao hoe: “Ato amin’ny efitra vao miditra ato aho.” Raha nivoaka ny trano fidiovana izy dia gaga tokoa raha nahita fa naingain’ilay rambon-danitra ny tranony sy nasidiny teny ambony ka napetrany tsara teo ambonin’ny tranon’ny mpifanolo-bodirindrina taminy.

Ry tanora namako, tsy ho toerana tony izao tontolo izao raha mihamanakaiky ny Fahatongavan’ny Mpamonjy Fanindroany. Manambara ny soratra masina fa “hisamboaravoara ny zava-drehetra.”1 Nilaza i Brigham Young hoe: “Nambara tamiko tany amin’ny fiandohan’ny tantaran’ity Fiangonana ity fa hiely patrana, hiroborobo sy hitombo ary hivelatra ny Fiangonana, ary hifanentana amin’ny fielezan’ny Filazantsara eo anivon’ireo firenen’ny tany ny ho fitomboan’ny herin’i Satana.”2

Sary
A tornado.

Mampiahiahy kokoa noho ireo horohoron-tany sy ady izay naminaniana3 ireo tadio ara-panahy izay mety hanaisotra anao amin’ireo fototra ara-panahy hiorenanao ka hametraka ny fanahinao amin’ny toerana tsy mbola neritreretinao mihitsy hoe hahatongavanao, indraindray zara raha tsikaritrao akory hoe nafindra ianao.

Ireo fakam-panahin’ny fahavalo no loharanon’ny fahasimbana ara-panahy ratsy indrindra. Efa nisy teto amin’izao tontolo izao foana ny fahotana, saingy tsy mbola mora nidirana sy tsy mety afa-po ary neken’ny maro toy ny amin’izao mihitsy izany. Mazava ho azy fa misy hery mahery vaika izay handresy ny fahasimbana ateraky ny fahotana. Antsoina hoe fibebahana izany.

Tsy ireo zava-tsarotra rehetra eo amin’ny fiainana akory dia ho vokatry ny asanao manokana avokoa. Ny sasany dia tonga noho ireo safidy ratsy ataon’ny hafa, ary ny sasany dia tonga izao noho isika hoe miaina eto an-tany fotsiny.

Fony mbola zazalahy ny Filoha Boyd K. Packer dia nitondra kilema noho ny aretina lefakozatra. Tamin’ny Loholona Dallin H. Oaks vao fito taona dia maty tampoka ny rainy. Mbola zatovovavy Rahavavy Carol F. McConkie ao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany dia nisara-panambadiana ny ray aman-dreniny. Handia zava-tsarotra maro ianareo, saingy hampatanjaka ny finoanareo izany rehefa matoky an’Andriamanitra ianareo.

Sary
Cutaway showing the roots of a tree growing in windy conditions.

Eo amin’ny zava-boahary dia manjary matanjaka kokoa ireo hazo izay maniry amin’ny toerana be rivotra. Rehefa mitsoka mafy manodidina ny zana-kazo iray ny rivotra dia manao zavatra roa ireo hery ao anatin’ilay hazo. Voalohany, manaitaitra ny fakan’ilay hazo izy ireo hitombo haingana kokoa sy hisandrahaka lavidavitra kokoa. Faharoa, manomboka mamorona rafitra sela izay mahatonga ny vatan’ilay hazo sy ireo rantsany ho matevina kokoa sy mahatanty kokoa ny herin’ny rivotra ireo hery ao anatin’ilay hazo. Miaro ny hazo amin’ny rivotra izay azo antoka fa hiverimberina ireo faka sy rantsana matanjaka kokoa ireo.4

Tena mbola sarobidy lavitra kokoa noho ny hazo iray ianareo amin’Andriamanitra. Zanakalahiny sy zanakavaviny ianareo. Nataony matanjaka sy afaka mahatanty ireo tadion’ny fiainana ny fanahinareo. Afaka mampitombo ny finoanareo sy ny tanjakareo ara-panahy ireo tadio mandritra ny fahatanoranareo, tahaka ny rivotra mamely ny zana-kazo iray, ka hanomana anareo ho amin’ireo fotoana ho avy eo amin’ny fiainanareo.

Ahoana no fiomananareo amin’ireo tadionareo? “Tsarovy … eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo; ka rehefa handefa ny rivo-maheriny ny devoly, … ny zana-tsipikany ao amin’ny tadio, … rehefa hamely anareo ny havandrany rehetra sy ny tafiotra maheriny, dia tsy hanan-kery aminareo izany mba hisintona anareo hidina … noho ilay vatolampy izay iorenanareo.”5 Izany no fiarovana anareo ao anatin’ilay tadio.

Hoy ny Filoha Thomas S. Monson hoe “Nisy fotoana saika nitovy ny fenitry ny Fiangonana sy ny fenitra iainana eo amin’ny fiaraha-monina. Ankehitriny dia misy hantsana goavana manasaraka antsika ary tsy mitsahatra mihamalalaka hatrany izany.”6 Miteraka tadio ara-panahy mahery vaika izany hantsana izany ho an’ny sasany. Mamelà ahy hizara ohatra iray.

Tamin’ny volana lasa teo dia namoaka taratasy iray ho an’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Toy izao ny ampahany amin’izany: “Ny fiovana eo amin’ny lalàn’ny fanjakana dia tsy afaka na oviana na oviana hanova ny lalàna ara-pitondrantena izay napetrak’Andriamanitra. Miandry antsika hanohana sy hitandrina ny didiny Andriamanitra na dia eo aza ireo fomba fihevitra na fironana mifanohitra amin’izany eo amin’ny fiaraha-monina. Mazava ny lalàn’ny fitondrantena nataony: tsy azo atao ny firaisana ara-nofo raha tsy eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray mpivady ara-dalàna ihany. Mamporisika anareo izahay hamaky … ny fotopampianarana voarakitra ao amin’ny ‘Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao.’”7

Na dia mihamanalavitra ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny Tompo aza ny fitsipi-pitondrantenan’izao tontolo izao dia manohy miaina ny lalàn’ny Tompo isika. Hoy ny Filoha Monson hoe: Namaritra ny tenany ho eto amin’izao tontolo izao ny Mpamonjin’ny zanak’olombelona fa tsy naman’izao tontolo izao. Isika ihany koa dia afaka ny ho eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao rehefa mandà ny foto-kevitra sy fampianarana diso ary mijanona ho mahatoky amin’izay zavatra nandidian’Andriamanitra antsika.”8

Na dia nanome famaritana hafa indray ho an’ny fanambadiana aza ny fitondram-panjakana maro sy ireo olona mihevitra ny hanao soa dia tsy nanao izany ny Tompo. Andriamanitra no nanomboka nanao ny fanambadiana teo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray—dia i Adama sy i Eva. Nataony mihoatra noho ny fahafaham-pon’ny tena manokana sy ny fahatontosan-javatra eo amin’ny olon-dehibe ny tanjon’ny fanambadiana, mba hanaovana zavatra manan-danja kokoa noho izany, dia ny handroso ho amin’ny fiainana tsara indrindra mba hiterahana sy hanabeazana ary hikolokoloana zanaka. Haren’ny lanitra ny fianakaviana.9

Nahoana isika no manohy miresaka mikasika an’izany? Araka ny nolazain’i Paoly hoe: “Fa tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita.”10 Amin’ny maha-Apôstôlin’ny Tompo Jesoa Kristy anay dia manana andraikitra izahay hampianatra ny drafitry ny Mpahary antsika ho an’ny zanany sy hampitandrina ny amin’ireo voka-dratsin’ny tsy firaharahiana ny didiny.

Vao haingana aho no niresaka tamin’ny zatovovavy Ravintsara iray avy eto Etazonia. Izao no nolazainy tao amin’ny email nalefany:

“Nanomboka nanoratra ny hevitr’izy ireo mikasika ny fanambadiana tao amin’ny Facebook ny sasany amin’ireo namako tamin’iny taona lasa iny. Betsaka ireo nanohana ny fanambadian’ny samy lahy na samy vavy, ary zatovo Olomasin’ny Andro Farany maro no nanindry ny hoe “tiako” teo amin’ireo soratra. Tsy naneho hevitra aho.

“Nanapa-kevitra aho ny hanambara tamim-pitandremana ny finoana ijoroako, dia ny fanambadian’ny lehilahy iray amin’ny vehivavy iray.

Sary
Screenshot of a Facebook message taken on 4-14-14

“Nampiako soratra hoe: ‘Mino ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray aho’ teo amin’ny sary famantarana ahy. Fotoana fohy monja taorian’izay dia nanomboka naharay hafatra aho. ‘Tia tena ianao.’ ‘Be tsikera ianao.’ Nampitaha ahy tamin’ny tompona andevo ny olona iray. Dia naharay ity hafatra ity avy amin’ny namako iray izay mpikamban’ny Fiangonana matanjaka tokoa aho: ‘Mila manaraka ny toetr’andro ianao. Efa niova ny zavatra maro ary tokony hiova araka izany ianao.’

“Tsy namaly aho,” hoy izy “saingy tsy nofafako ireo teny nambarako.”

Nofaranany tamin’ny hoe: “Indraindray, araka ny nolazain’ny Filoha Monson dia ‘[Mila sahy] mijoro irery’ ianao. Enga anie isika tanoran’ny Fiangonana mba hiara-hivondrona amin’ny fijanonana ho mahatoky amin’Andriamanitra sy amin’ireo fampianaran’ny mpaminaniny velona.”11

Tokony hanokanantsika fiahiana manokana ireo izay mahatsapa fifanintonana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy. Tadio haingam-pandeha izany. Tiako ny haneho ny fitiavako sy ny fiderako manokana ireo izay manana risipo hiatrika ity fitsapana amin’ny finoana ity ary mijanona ho mahatoky amin’ny didin’ Andriamanitra!12 Saingy ny tsirairay dia mendrika ny hanehoantsika hatsaram-panahy sy fahalalam-pomba, na inona na inona fanapahan-kevitra raisiny sy zavatra inoany.13

Nampianatra antsika ny Mpamonjy mba hitia, tsy ireo namantsika ihany fa ireo tsy mitovy hevitra amintsika ihany koa—eny fa na ireo izay mandà antsika aza. Hoy Izy hoe “Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? … Raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany?”14

Nampitandrina antsika ny Mpaminany Joseph Smith mba “hitandrina amin’ny fahamarinan’ny tena manokana” sy hampitombo ny fitiavantsika sy ny fanajantsika ireo lehilahy sy vehivavy rehetra mandra-pahatsapantsika ho te “handray andraikitra momba azy ireo.”15 Tsy misy toerana ho an’ny fanebahana na ny fampijaliana ny hafa na ny fanenjehana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Raha manana fanontaniana mikasika ny torohevitra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ianareo dia resaho amin’ny ray aman-dreninareo sy ireo mpitarika anareo ireo olana tsapanareo any anatinareo. Mila ny hery avy amin’ny fahatokiana ireo mpaminanin’ny Tompo ianareo. Hoy ny Filoha Harold B. Lee hoe: “Ny hany fiarovana ananantsika amin’ny maha-mpikambana antsika ato amin’ity fiangonana ity dia ny … mianatra mihaino ny teny sy ny didy izay homen’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpaminaniny. … Ho avy ireo zavatra izay ilàna faharetana sy finoana. Mety tsy ho tianareo ny zavatra lazain’izy ireo. … Mety hifanohitra amin’ny fomba fijerinareo ara-pôlitîka izany … ny fomba fijerinareo ara-tsôsialy … mety hisy fiantraikany … amin’ny fiainanareo ara-tsôsialy. Fa raha mihaino ireo zavatra lazain’ny mpaminany ireo ianareo, toy ny hoe avy amin’ny vavan’ny Tompo mihitsy izany, … dia ‘ny vavahadin’ny helo dia tsy haharesy anareo … ary ny Tompo Andriamanitra dia hampihahaka ny herin’ny haizina eo anoloanareo …’ (F&F 21:6).”16

Fiarovana mahery vaika iray hafa amin’ny tadion’ny fiainana ny Bokin’i Môrmôna.

Tamin’ny Filoha Henry B. Eyring mbola zatovo dia nifindra tany amin’ny tanàna vaovao iray ny fianakaviany. Tamin’ny voalohany dia hitany ho tsy mahafinaritra ilay fifindrana ary tsy nanana namana maro izy. Tsapany ho tsy dia nifandray loatra tamin’ireo mpianatra tao amin’ny Lycée nisy azy izy. Nanomboka nianjadian’ny zava-tsarotra izy. Inona no nataony? Nafantony tamin’ny fandalinana ny Bokin’ny Môrmôna ny heriny iray manontolo, ka naverimberiny novakina izany.17 Taona maro taty aoriana dia nijoro ho vavolombelona ny Filoha Eyring hoe: “Tiako ny mamerina mamaky ny Bokin’i Môrmôna sy maka sakafom-panahy lalina sy matetika avy ao anatin’izany.”18 “[Izy io no] fijoroana ho vavolombelona mahery vaika indrindra izay nosoratana ka ananantsika … fa i Jesoa no Kristy.”19

Nanome fomba hafa ijoroanareo ho mafy orina ny Tompo, fanomezam-pahasoavana ara-panahy izay mahery vaika kokoa noho ny tadion’ny fahavalo! Hoy izy hoe: “Mijoroa amin’ny toerana masina … ary aza [mi]hetsika [eo].”20

Fony aho tovolahy dia 13 fotsiny no isan’ny tempolin’ny Fiangonana. Ankehitriny dia 142 izy ireo. Mipetraka ao anatin’ny 320 kilaometatra miala ny tempoly iray ny dimy amby valopolo isan-jaton’ny mpikamban’ny Fiangonana. Namela ny taranaka misy anareo hanana fahafahana kokoa hiditra ny tempoliny masina ny Tompo raha ampitahaina amin’ny taranaka hafa rehetra tamin’ny tantaran’izao tontolo izao.

Efa nijoro tao anatin’ny tempoly ve ianareo, nanao akanjo fotsy, niandry hanao batisa? Inona no tsapanareo? Misy fahatsapana fahamasinana azo tsapain-tanana ao amin’ny tempoly. Mandresy ny tadion’izao tontolo izao ny fiadanan’ny Mpamonjy.

Ny fahatsapana anananareo ao amin’ny tempoly dia modelin’ny fahatsapana tianareo hananana eo amin’ny fiainanareo.21

Tadiavo ireo dadabe sy bebenareo ary ireo zanaky ny dadatoa sy nenitoanareo izay efa nodimandry. Ento any amin’ny tempoly ny anaran’izy ireo.22 Rehefa mianatra momba ireo razambenareo ianareo dia hahita maodely arahina amin’ny fiainana, amin’ny fanambadiana sy fitaizana; maodelin’ny fahamarinana; ary indraindray dia maodely izay tsy tianareo harahina.23

Any aoriana any dia hianatra misimisy kokoa ianareo any amin’ny tempoly momba ny Fahariana izao tontolo izao sy momba ireo modely arahina teo amin’ny fiainan’i Adama sy i Eva ary, ny manan-danja indrindra, dia momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika.

Ry rahalahy sy ranabavy zandriko, tena tianay ianareo, ankafizinay ianareo ary mivavaka ho anareo izahay. Aza avela handresy anareo ny zava-tsarotra sy ny fanoherana. Andronareo izao, izay tokony hijoroanareo ho matanjaka toy ny mpianatry ny Tompo Jesoa Kristy.24

Aoreno mafy kokoa eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra anareo ny fototrareo.

Omeo lanja kokoa ny fiainany sy ireo fampianarany mahatalanjona.

Araho am-pahazotoana kokoa ny ohatra napetrany sy ireo didiny.

Ekeo bebe kokoa ny fitiavany, sy ny famindram-pony ary ireo fanomezam-pahasoavana maherin’ny Sorompanavotany.

Rehefa manao izany ianareo, dia mampanantena anareo aho fa ho hitanareo mazava tsara hoe inona avy ireo tadio—fitsapana, fakam-panahy, fisarihana ny saina mba ho variana, na ireo zava-tsarotra izay hanampiana anareo hivoatra. Ary rehefa miaina fiainana marina isan-taona ianareo dia manome toky anareo aho fa hanamafy aminareo hatrany hatrany ireo zavatra iainanareo fa i Jesoa no Kristy. Ho mafy kokoa sy ho azo antoka kokoa ilay fototra iorenanareo ara-panahy. Ho faly ianareo fa nandefa anareo eto an-tany Andriamanitra mba handray anjara amin’ireo fanomanana farany ny fiverenan’i Kristy amim-boninahitra.

Hoy ny Mpamonjy hoe “tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho.”25 Izany no fampanantenany aminareo. Fantatro fa tena misy io fampanantenana io. Fantatro fa velona Izy, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:91.

  2. Discourses of Brigham Young, nofantenin’i John A. Widtsoe (1954), 72.

  3. Jereo ny Dallin H. Oaks, “Preparation for the Second Coming,” Liahona, Mey 2004, 7–10.

  4. Jereo ny A. Stokes, A. H. Fitter, and M. P. Coutts, “Responses of Young Trees to Wind and Shading: Effects on Root Architecture,” Journal of Experimental Botany, vol. 46, no. 290 (Sept. 1995), 1139–46.

  5. Helamàna 5:12.

  6. Thomas S. Monson, “Ny Herin’ny Fisoronana,” Liahona, Mey 2011, 66.

  7. Taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, 6 Martsa 2014; Jereo ihany koa ny David A. Bednar, “Mino Isika fa Tokony ho Madio Fitondrantena,” Liahona, Mey 2013, 41–44; Dallin H. Oaks, “Tsy Manana Andriamani-kafa,” Liahona, Nôv. 2013, 72–75; Jeunes soyez forts (bokikely, 2011), 35–37.

  8. Thomas S. Monson, Liahona, Mey 2011, 67.

  9. Hoy ny Loholona Russell M. Nelson hoe: “Ny fanambadiana no toerana hanefena ny filaminan’ny fiaraha-monina. … Tsy eo amin’ny mpivady fotsiny ihany izany firaisana izany; fa midika ho fiaraha-miasa amin’Andriamanitra” (“Nurturing Marriage,” Liahona, Mey 2006, 36. Jereo ihany koa ny Matio 19:5–6.

  10. 2 Korintiana 4:18.

  11. Taratasy sy resaka nifanaovana manokana, 17 Martsa 2014; jereo ihany koa ny Thomas S. Monson, “Sahia Mijoro Irery,” Liahona, Nôv. 2011, 60–67.

  12. Jereo ny Jeffrey R. Holland, “Helping Those Who Struggle with Same-Gender Attraction,” Liahona, Ôkt. 2007, 40–43.

  13. Na dia nikatsaka ny hanimba ny finoan’ny vahoaka aza i Kôrihôra, ilay antikristy, dia niaro azy tamin’ny famaizana araka ny lalàna na ara-batana ny lalàn’Andriamanitra: “Tsy nisy lalàna nanohitra ny finoan’ny olona iray; satria mifanohitra indrindra amin’ny didin’Andriamanitra ny hisian’ny lalàna izay hametraka ny olona amin’ny toerana tsy mitovy. … Raha maniry ny hanompo an’Andriamanitra ny olona iray, dia zony izany; … saingy raha tsy nino Azy izy dia tsy nisy lalàna mba hanafay azy” (Almà 30:7, 9). Mivaky toy izao ny Fanekem-pinoana fahairaika ambin’ny folo: “Isika dia mitaky ny zo hanompo an’Andriamanitra Tsitoha araka ny baikon’ny fieritreretantsika ary miaiky fa manana izany zo izany ny olon-drehetra, ka aoka izy hanompo, na manao ahoana na manao ahoana, na aiza na aiza, ary na inona na inona sitrany.”

  14. Matio 5:46–47.

  15. Enseignements des Présidents de L’Église: Joseph Smith (2007), 427, 429.

  16. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Harold B. Lee (2000), 84–85; jereo koa ny Robert D. Hales : “Ny Fihaonamben’ny Fiangonana: Manamafy Orina ny Finoana sy ny Fijoroana ho Vavolombelona,” Liahona, Nôv. 2013, 6–8.

  17. Jereo ny Robert I. Eaton sy Henry J. Eyring, I Will Lead You Along: The Life of Henry B. Eyring (2013), 40.

  18. Henry B. Eyring, Choose Higher Ground (2013), 38.

  19. Henry B. Eyring, To Draw Closer to God (1997), 118.

  20. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:8; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:32.

  21. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14.

  22. Jereo ny Neil L. Andersen, “Find Our Cousins!” (lahateny natao tao amin’ny Fivoriamben’ny Tantaram-pianakaviana RootsTech 2014, 8 Feb. 2014); lds.org/prophets-and-apostles/unto-all-the-world/find-our-cousins.

  23. Jereo ny David A. Bednar, “Hitodika ny Fon’ny Zanaka,” Liahona, Nôv. 2011, 24–27.

  24. Jereo ny Helamàna 7:9.

  25. Jaona 14:18.