2010–2019
Ilay Taranaka Nofinidy
Aprily 2014


Ilay Taranaka Nofinidy

Sary

Voafidy ianao handray anjara amin’ny Asany amin’izao fotoana izao satria mahatoky anao Izy fa hanao ny safidy tsara ianao.

Ry zatovolahy isany, mety efa renareo tany aloha hoe ianareo dia “taranaka voafidy,” izay midika fa Andriamanitra dia nifidy sy nanomana anareo mba ho tonga eto an-tany amin’izao fotoana izao ho an’ny tanjona iray lehibe. Fantatro fa marina izany. Fa anio hariva aho dia te hiantso anareo hoe “taranaka nofinidy” satria tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona hoe olona nomena safidy marobe toa anareo. Ny safidy maromaro kokoa dia midika fahafahana maromaro kokoa hanao zavatra, ny fahafahana maromaro kokoa hanao zavatra dia midika hoe hery anaty misimisy kokoa hanaovana ny tsara, ary indrisy fa ny ratsy ihany koa. Mino aho fa nalefan’Andriamanitra tety ianareo, amin’izao fotoana izao, satria atokisany fa afaka hanavaka tsara ireo safidy maro dia maro mahatalanjona misy.

Tamin’ny 1974 dia nilaza ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Mino aho fa tsy andrin’Andriamanitra izay hametrahana eo an-tanantsika ireo teknôlôjia vaovao izay tsy azontsika olona tsy matihanina veroka akory” (“When the World Will Be Converted,” Ensign, Ôkt. 1974, 10).

Ary dia nataony tokoa izany! Ianareo dia mihalehibe miaraka amin’ny iray amin’ireo fitaovana lehibe indrindra hanaovana ny tsara teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona, dia ny Internet. Noho izy io dia manana karazan-tsafidy marobe isika. Ny fahamaroan’ny safidy azo atao anefa dia mitaky ihany koa andraikitra betsaka mifanentana amin’izany. Izy io dia manamora ny fahafahanareo mahita na ny tsara indrindra na ny ratsy indrindra azon’izao tontolo izao atolotra. Amin’ny alalan’io no ahafahanao manatanteraka zavatra lehibe maro ao anatin’ny fotoana fohy monja, na koa ahafahanao ho voafandrika ao anatin’ny zavatra maro tsy misy fiafarana nefa tsy manan-danja izay handany ny fotoanao ka hampihena ny fahafahanao hanao ny tsara. Kitika iray monja amin’ny totozin’ny solosaina dia azonao hidirana amin’izay rehetra irin’ny fonao. Izay ilay fitsipika—inona no irin’ny fonao? Inona no manintona anao? Mitondra mankaiza ireo fanirianao?

Tsarovy fa “tovin’ [Andriamanitra] amin’ny olona araka ny fanirian’izy ireo” (Almà 29:4) ary Izy dia “hitsara ny olon-drehetra araka ny asany, araka ny fanirian’ ny fony” (F&F 137:9; jereo ihany koa ny Almà 41:3).

Hoy ny Loholona Bruce R. McConkie hoe: “Amin’ny lafiny tena izy nefa miendrika fanehoana an-tsary, ny bokin’ny fiainana dia ny firaketana ireo zavatra nataon’ny olona izay voarakitra ao amin’ny vatan’izy ireo ihany. … Izany hoe ny eritreritra sy ny teny ary ny zavatra rehetra atao dia misy [fiantraikany] eo amin’ny vatan’olombelona; mamela marika daholo ireny rehetra ireny; marika izay azon’ Ilay Mandrakizay vakina mora foana tahaka ny ahazoana mamaky ireo soratra anaty boky” (Mormon Doctrine, ed. faha 2 [1966], 97).

Ny Internet ihany koa dia mirakitra ireo fanirianao, miseho amin’ny endriky ny fikarohana natao sy ny kitika tamin’ny totozy. Loharano tsy hita isa no miandry fotsiny hanome fahafaham-po an’ireo faniriana ireo. Rehefa mandehandeha ao amin’ny Internet ianao dia mamela marika—inona no nolazainao, pejy inona avy no notsidihinao hafiriana no nijanonanao tao ary ireo karazan-javatra izay mahaliana anao. Amin’izay fomba izay no hamoronan’ny Internet famintinana iray maneho ny mombamomba anao—amin’ny lafiny iray dia “boky iray ao amin’ny Internet mirakitra ny momba anao.” Tsy misy hafa amin’izay mitranga eo amin’ny tena fiainana, dia manolotra anao misimisy kokoa hatrany amin’izay zavatra katsahanao ny Internet. Raha madio ny fanirianao, dia afaka mampitombo ny fahadiovany ny Internet ka manamora kokoa hatrany ny firotsahana amin’ny fanaovana zavatra mendrika. Saingy marina ihany koa ny mifanohitra amin’izany.

Toy izao no fomba nanazavan’ny Loholona Neal A. Maxwell izany:

“Izay zavatra irintsika fatratra, rehefa mandeha ny fotoana, no hahatongavantsika any amin’ny farany ary ho azontsika any amin’ny mandrakizay. …

“… Amin’ny alalalan’ny fitaizana sy ny fampivoarana ireo faniriantsika ihany no hahafahan’izy ireo ho tonga namantsika fa tsy ho fahavalontsika!” (“According to the Desire of [Our] Hearts,” Ensign, Nôv. 1996, 21–22).

Ry rahalahiko kely isany, raha tsy mavitrika ianareo eo amin’ny fitaizana ireo fanirianareo, dia izao tontolo izao no hanao izany ho anareo. Isan’andro dia mikatsaka ny hitaona ny fanirianareo izao tontolo izao, mandrisika anareo hividy zavatra iray, hikitika bokotra iray, hilalao zavatra iray, hamaky na hijery zavatra iray. Ianareo amin’ny farany no tena tompon-tsafidy. Manana fahafahana misafidy ianareo. Izany dia fahefana, tsy hoe hanao zavatra araka ny faniriantsika ihany, fa ny hanatsara sy hanadio ary hampitombo ny hatsaran’ ireo faniriantsika ihany koa. Ny fahafahana misafidy no hery anananareo mba hahatongavana any amin’izay tianareo hahatongavana. Ny safidy tsirairay dia mitondra anareo ho akaiky kokoa na hanalavitra kokoa an’izay tian’Andriamanitra hahatongavanareo; misy dikany daholo ny kitika bokotra tsirairay izay ataonareo. Manontania tena foana hoe: “Hitondra mankaiza ity safidy ity?” Mianara mamantatra izay mety ho vokatry ny zavatra ataonao.

Te hifehy ny safidy ataonao i Satana mba hahafahany mifehy izay hahatongavanao. Fantany fa anisan’ny fomba tsara indrindra hanaovana izany ny mamandrika anao ao amin’ny zavatra mampihankin-doha. Ny safidinao no mamaritra hoe hanome hery anao ve ny teknôlôjia sa hanandevo anao

Te hanolotra fitsipika efatra aho mba hanampiana anareo, ilay taranaka nofinidy, hitaiza ny safidinareo ary hitarika ny fomba ampiasanareo ny teknôlôjia.

Voalohany: Ny Fahafantaranao hoe Iza Marina Moa Ianao dia Manamora kokoa ny Fanapahan-kevitra

Manana namana iray aho izay nianatra io fahamarinana io tamin’ny fomba tena azy manokana. Notezaina tao amin’ny filazantsara ny zanany lahy, saingy toa nirenireny ara-panahy. Natetika izy no nandà ireo fahafahana hampiasa ny fisoronana. Diso fanantenana ireo ray aman-dreniny tamin’ny nilazany fa nanapa-kevitra izy ny tsy hanao asa fitoriana. Nivavaka mafy ho an’ny zananilahy ilay namako, nanantena fa hiaina fiovam-po mahery izy. Rava ireo fanantenana ireo rehefa nanambara ilay zanany lahy fa hiroso amin’ny fanambadiana izy. Nitalaho tamin-janany ilay rainy mba hakany ny tsodranon’ny patriarika. Nanaiky ilay zanaka lahy nony farany saingy nanantitrantitra fa handeha irery ho any amin’ny patriarika izy.

Rehefa niverina nody avy nandray ilay tsodrano izy dia tena nihetsi-po tokoa. Nentiny nivoaka ilay zazavavy namany mba hahafahany miresaka aminy manokana. Nitazana teo amin’ny varavarankely ilay rainy ary nahita an’izy roa nifamafa ranomaso.

Taty aoriana dia nozarain’ilay zanakalahy tamin-drainy ny zava-nitranga. Feno tokoa ny fony raha nanazava fa nandritra ilay tsodrano dia nahita topimaso izy ny amin’ny hoe iza izy tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana. Hitany ny herim-pony sy ny fitaomana nananany tamin’ny fandresena lahatra ny hafa hanaraka an’i Kristy. Rehefa fantany hoe iza marina moa izy dia ahoana moa no hahafahany tsy handeha hitory ny filazantsara?

Ry zatovolahy isany, tsarovy hoe iza marina moa ianareo. Tsarovy fa mpihazona ny fisoronana masina ianareo. Hitaona ny fanahinareo izany hanao safidy mety rehefa mampiasa ny Internet sy mandritra ny androm-piainanareo.

Faharoa: Mankanesa ao amin’ny Loharanon’ny Hery

Afaka mahazo ny fahendrena avy amin’ny vanim-potoana rehetran’ny tantara ianao ao anatin’ny telefaonina izay azonao tazonina eny an-tanana, ary manan-danja kokoa noho izany dia afaka mahazo ny tenin’ireo mpaminany nanomboka tamin’ny fotoan’ny Testamenta Taloha ka hatramin’ny andron’ny Filoha Thomas S. Monson. Fa raha tsy fahananao matetika ny vatoaratra ao amin’ny telefaoninao dia tsy misy ilàna azy izany, ary hahatsapa ho very sy tsy afaka mifanerasera amin’ny hafa ianao. Tsy hieritreritra ny handeha tsy mamahana ny vatoaratrao mihitsy ianao na dia andro iray aza.

Na manan-danja tahaka ny inona aza ny fialanao ao an-trano isan’andro ary vonona miaraka amin’ny vatoaratra voky fahana ao amin’ny findainao, dia manan-danja lavitra noho izany ny fananana fahavononana feno ara-panahy. Isaky ny mamahana ny vatoaratry ny findainao ianao dia ampiasao izany ho toy ny fampahatsiahivana mba hanontanianao tena raha toa ka efa naka fotoana ianao nampiasana ilay loharano manan-danja indrindra hahazoana hery ara-panahy—ny vavaka sy ny fandalinana soratra masina, izay hamahana anao amin’ny fitaomana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina (jereo ny F&F 11:12–14). Izany dia hanampy anao hahalala ny sain’ny Tompo sy ny sitrapony mba hahafahanao manao ireo safidy kely kanefa manan-danja isan’andro izay mamaritra ny lalana alehanao. Maro amintsika no mitsahatra avy hatrany amin’ny zavatra ataontsika mba hamaky hafatra voaray amin’ny finday—tsy tokony ho ny hafatra avy amin’ny Tompo ve no omentsika lanja bebe kokoa? Tsy tokony hanao tsinontsinona velively ny fampiasana io hery masina io isika (jereo ny 2 Nefia 32:3).

Fahatelo: Tsy ny Fananana Finday Avo Lenta no maha Avo Lenta ny Fiainanao, fa ny Fampiasana Izany Amim-pahendrena no Mahatonga Izany

Ry zatovolahy isany, aza manao zavatra tsy misy dikany amin’ny finday avo lenta anananao. Fantatrareo rehetra ny tiako hambara (jereo ny Môsià 4:29). Tsy tambo ho isaina ny fomba ahafahan’ny teknôlôjia misarika anao tsy hifantoka amin’izay manan-danja indrindra. Araho ilay ohabolana hoe: “Aoka ianao ho eo amin’ny toerana izay misy anao, rehefa eo ianao.” Rehefa mitondra fiarakodia ianao dia ny fiarakodia entina. Rehefa any am-pianarana ianao dia mifantoha amin’ny lesona. Rehefa miaraka amin’ny namanao ianao dia atolory azy ny fifantohanao. Tsy afaka mifantoka amin’ny zavatra roa amin’ny fotoana iray ihany ny ati-dohanao. Ny fiezahana hanao zavatra maro amin’ny fotoana iray dia midika fa mifindrafindra haingana avy amin’ny zavatra iray ny fifantohanao mankamin’ny zavatra iray hafa. Misy ohabolana fahiny iray milaza fa “Raha manenjika bitro roa ianao dia samy tsy ho azonao izy roa.”

Fahaefatra: Manolotra ny Teknôlôjia ny Tompo mba Hanatanterahana ny Tanjony

Ny tanjon’Andriamanitra amin’ny teknôlôjia dia ny hanafainganana ny asa famonjena. Amin’ny maha-anisan’ny taranaka nofinidy anareo dia mahatakatra kokoa ny teknôlôjia ianareo. Ampiasao izany hanafainganana ny fandrosoanao mankany amin’ny fahatanterahana. Koa satria ianao nomena be tokoa, dia tokony hanome koa izany ianao (jereo ny “Seigneur j’ai tant reçu,” Cantiques, no. 139). Manantena anao ny Tompo hampiasa ireny fitaovana mahagaga ireny hampandrosoana ny asany, hizarana ny filazantsara amin’ny fomba izay mihoatra noho izay azon’ny sain’ny olona tahaka anay ho heverina. Raha toa ka afaka nitaona ny mpifanolobodirindrina taminy sy ny iray tanàna taminy ny olona taloha, ianareo kosa dia manana hery ahafahana mifandray amin’olona na aiza na aiza ary manana fitaomana amin’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny Internet sy ireo seraseram-pifandraisana.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ity no Fiangonan’ny Tompo. Voafidy ianao handray anjara amin’ny Asany amin’izao fotoana izao satria mahatoky anao Izy fa hanao ny safidy tsara ianao. Ianareo no taranaka nofinidy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.