2010–2019
Ilay Andraikitra Mahafinaritra Iantsorohan’ny Mpianatra
Aprily 2014


Ilay Andraikitra Mahafinaritra Iantsorohan’ny Mpianatra

Sary

Tombontsoa lehibe ny manohana ny mpitarika antsika. Izany dia miaraka amin’ny fandraisana andraikitra manokana mba hanampy amin’ny fiantsorohan’izy ireo ny adidiny sy mba ho mpianatr’i Jesoa Kristy Tompo.

Tamin’ny 20 Mey tamin’ny taon-dasa dia nisy rambon-danitra goavana namely ny faritra manodidina ny Tanànan’i Oklahoma City, izay ao amin’ny faritra afovoan’i Amerika. Izany dia nanimba faritra teo amin’ny 1,6 km ny sakany ary 27 km ny halavany. Nanova ny endritany sy ny fiainan’ny olona izay nolalovany io rambon-danitra sy tafiodrivotra maromaro nisesy ka nandravarava io.

Herinandro monja taorian’ny namelezan’ilay rambon-danitra goavana dia nasaina aho hitsidika ilay faritra izay nahitana trano sy fananana niparitadritaka tetsy sy teroa tao amin’ilay toeram-ponenana ravaravara.

Talohan’ny nandehanako dia niresaka tamin’ny mpaminany malalantsika aho, dia ny Filoha Thomas S. Monson izay tena tia ny karazana iraka ho an’ny Tompo toa izany. Tsy hoe noho ny fanajana ny anjara fanompoany fotsiny fa noho ny hatsaran-toetrany ihany koa, dia nanontany azy aho hoe: “Inona no tianao hataoko? Inona no tianao holazaiko?”

Noraisiny tamim-pitiavana ny tanako toy izay ho nataony tamin’ireo tra-boina tsirairay sy ireo olona tsirairay mitondra fanampiana noho ilay faharavana raha toa izy ka tany, dia hoy izy:

“Voalohany, lazao azy ireo fa tiako izy ireo.

“Faharoa, lazao azy ireo fa mivavaka ho azy ireo aho.

“Fahatelo, mba isaory azafady ireo rehetra izay manampy.”

Amin’ny maha-mpikambana ahy ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy dia tsapako ny maha-zava-dehibe ilay adidy iantsorohako araka ny teny nolazain’ny Tompo an’i Mosesy hoe:

“Manangòna fitopolo lahy amin’ny loholon’ny Isiraely ho etỳ amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin’ny fireneny sy mpifehy azy; …

“Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary Izaho haka amin’ny fanahy izay ao aminao [ry Mosesy], ka hametraka izany ao amin’ireo, ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy hianao irery intsony no hitondra azy.”1

Teny nolazaina fahiny ireo kanefa tsy niova ny fomban’ny Tompo.

Amin’izao fotoana izao ao amin’ny Fiangonana dia niantso Fitopololahy miisa 317 ny Tompo, izay manompo ao anatin’ny kôlejy miisa 8 mba hanampy ireo Apôstôly Roambinifolo hilanja ny adidy mavesatra iantsorohan’ny Fiadidiana Voalohany. Tsapako lalina amim-pifaliana tokoa izany andraikitra sahanina izany toy ny hahatsapan’ireo Rahalahy namako azy. Kanefa tsy izahay irery akory no hany mitondra anjara biriky eo amin’ity asa tena lehibe ity. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana manerana an’izao tontolo izao antsika dia manana fahafahana tsara isika rehetra hitondrana fitahiana eo amin’ny fiainan’ny hafa.

Fantatro avy tamin’ny mpaminany malalantsika ny zavatra ilain’ny olona nofafazan’ny oram-baratra—fitiavana, vavaka, ary fankasitrahana an’ireo izay manolo-tanana.

Anio tolakandro dia hanangana ny tanantsika havanana isika tsirairay ary hanohana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany, sy mpahita ary mpanambara ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Tsy hoe fomba fanao tsotra fotsiny izany na koa hoe natokana fotsiny ho an’ireo izay voantso ho Mpiandraikitra Ambony ao amin’ny Fisoronana ato amin’ny Fiangonana. Tombontsoa lehibe ny manohana ny mpitarika antsika. Izany dia miaraka amin’ny fandraisana andraikitra manokana mba hanampy amin’ny fiantsorohan’izy ireo ny adidiny sy mba ho mpianatr’i Jesoa Kristy Tompo.

Hoy ny Filoha Monson hoe:

“Voahodidin’olona izay mila ny fitiavantsika, ny famporisihantsika sy ny fanohanantsika ary ny fampaherezantsika sy ny hatsaram-panahintsika isika—mety ho olona ao amin’ny fianakaviantsika izany na namantsika na olom-pantatsika na olona tsy fantatsika. Isika no tanan’ny Tompo eto ambonin’ny tany ary manana ilay fahefana nomena mba hanompoana sy hanomezana hery ny zanany. Miantehitra amintsika tsirairay Izy. …

“‘… Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto … kely indrindra ireto no nataonareo tamiko’ [Matio 25:40].”2

Moa ve isika handray andraikitra amim-pitiavana rehefa misy fotoana tsara miseho eo anatrehantsika hanaovana famangiana, na hiantsoana olona iray an-tariby, na hanoratana hafatra fohy, na hanokanana andro iray hanomezana izay zavatra ilain’ny olona iray hafa? Sa ve isika ho toy ilay tovolahy izay nanamarina fa efa nanaja ny didin’Andriamanitra rehetra:

“Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no mbola tsy mahatanteraka ahy?

“Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka hianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy.”3

Nantsoina hanao asa fanompoana lehibe kokoa miaraka amin’ny Tompo ity tovolahy ity mba hanao ny asan’ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany kanefa niala izy “satria nanana fananana be.”4

Inona avy ireo fananantsika eto an-tany? Hitantsika ny zavatra vitan’ny tafio-drivotra amin’izy ireny ao anatin’ny minitra vitsy. Tena zava-dehibe tokoa ny fiezahantsika tsirairay avy hihary harena ara-panahy ho antsika any an-danitra—amin’ny alalan’ny fampiasana ny fotoantsika sy ny taletantsika ary ny fahafahantsika misafidy mba hanompoana an’Andriamanitra.

I Jesoa Kristy dia manohy manao ilay antso hoe “Avia hanaraka Ahy.”5 Nandeha nitety ny tanindrazany niaraka tamin’ireo mpanara-dia azy Izy tao anatin’ny tsy fikatsahana tombontsoa ho an’ny tenany. Mbola miaraka amintsika Izy sy mijoro eo akaikintsika ary mitarika antsika. Ny hoe manaraka ny ohatra tonga lafatra nasehony dia midika hoe manaiky sy manaja ny Mpamonjy izay nilanja ireo enta-mavesatsika rehetra tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany masina sy manavotra, ilay asa fanompoana faratampony indrindra. Ny zavatra angatahiny amintsika tsirairay avy dia ny mba hahafahantsika sy hahavonona antsika hiantsoroka amim-pifaliana ilay “andraikitry” ny mpianatra.

Nanana fahafahana aho nihaona tamin’ny fianakaviana vitsivitsy tra-boina noho ireo tafio-drivotra goavana tamin’izaho tany Oklahoma. Rehefa niresaka tamin’ny fianakaviana Sorrels aho dia tena tohina tamin’ny zavatra nitranga tamin’i Tori zanak’izy ireo vavy, izay ao amin’ny kilasy fahadimy ao amin’ny sekoly ambaratonga fototra Plaza Towers Elementary School. Miaraka amintsika eto androany izy sy ny reniny.

Nitampify tao amin’ny trano fivoahana i Tori sy ireo namany vitsivitsy mba hiaro tena rehefa namely ny sekoly ilay rambon-danitra. Henoy rehefa vakiko ny filazan’i Tori manokana ny zavatra nitranga tamin’izany andro izany:

“Naheno zavatra nandona ny tafontrano aho. Noheveriko hoe havandra fotsiny izany. Lasa nihamafy hatrany hatrany ilay feo. Nanao vavaka aho mba hiarovan’ny Ray any an-danitra anay rehetra. Tampoka teo dia nandre feon-javatra toy ny feon’ny aspirateur izahay ary nanjavona teo ambony lohanay mihitsy ny tafontrano. Nisy rivotra be sy potipoti-javatra nanidintsidina nanodidina ahy ary nandondona ny faritry ny vatako iray manontolo. Maizina kokoa ny tany ivelany ary toy ireny hoe mainty ireny ny lanitra saingy hay tsy izany—fa ny atin’ilay rambon-danitra izany. Nakimpiko fotsiny ny masoko sady nanantena sy nivavaka mba hitsaharan’izany haingana dia haingana.

“Nangina tampoka teo izany.

“Rehefa nahiratro ny masoko dia nisy takelaka famantarana ny hoe mijanona teo anoloan’ny masoko! Efa nila hikasika ny oroko mihitsy izany.”6

Tafavoaka velona tamin’ny fomba mahagaga tamin’ilay rambon-danitra i Tori sy ny reniny ary ny telo tamin’ny mpiray tampo taminy sy ireo namany maromaro, saingy fito tamin’ireo mpiara-mianatra tamin’izy ireo no maty.

Tamin’io faran’ny herinandro io dia nanome tsodrano maro ny mpikambana izay tra-pahavoazana nandritra ilay oram-baratra ireo rahalahy tao amin’ny fisoronana. Nampanetry tena ahy ny nanomezako tsodrano an’i Tori. Rehefa nametraka ny tanako teo amin’ny lohany aho dia tonga tato an-tsaiko ny soratra masina anankiray tena tiako: “Izaho handeha eo alohanareo. Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo.”7

Notoroiko hevitra i Tori mba hahatsiaro ilay andro nisian’ny mpanompon’ny Tompo anankiray nametraka ny tanany teo amin’ny lohany ka nanambara fa narovan’ny anjely tao anatin’ilay oram-baratra izy.

Ny fanoloran-tanana mba hifamonjy na inona na inona toe-javatra mitranga dia porofom-pitiavana mandrakizay. Izany no asa fanompoana natrehako maso tao Oklahoma tamin’io herinandro io.

Matetika isika no omena fahafahana hanampy ny hafa ao anatin’ny fotoana mahasahirana azy ireo. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia manana andraikitra masina isika “hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany,”8 “hiara-malahelo amin’izay malahelo,”9 sy “[hampiakatra] ny tanana izay miraviravy ary [hampatanjaka] ny lohalika malemy.”10

Ry rahalahy sy rahavavy, tena feno fankasitrahana aminareo tsirairay ny Tompo noho ireo ora tsy tambo isaina nolanianareo sy ny zavatra nataonareo mba hanaovana asa fanompoana, ary na kely izany na lehibe, dia nanome tamim-pahalalahan-tanana sy tamin-katsaram-panahy tokoa ianareo isan’andro.

Nampianatra ny Mpanjaka Benjamina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe: “Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’Andriamanitrareo ianareo.”11

Ny fifantohana amin’ny fanompoana ny rahalahintsika sy anabavintsika dia afaka mitarika antsika handray fanapahan-kevitra masina eo amin’ny fiainantsika andavanandro ary manomana antsika hanome lanja sy hitia ny zavatra tian’ny Tompo. Rehefa manao izany isika dia mijoro ho vavolombelona amin’ny alalan’ilay fiainana iainantsika mihitsy fa mpianany isika. Rehefa mirotsaka manao ny asany isika dia mahatsapa ny Fanahiny miaraka amintsika. Mitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika sy ny finoantsika sy ny fahatokiantsika ary ny fitiavantsika.

Fantatro fa velona ilay Mpanavotra ahy dia i Jesoa Kristy izany; ary amin’izao androntsika izao Izy dia miteny amin’ny mpaminaniny sy amin’ny alalan’ny mpaminaniny dia ny Filoha Thomas S. Monson malala izany.

Enga anie isika rehetra mba hahita fifaliana avy amin’ilay asa masina hoe mifampitondra ny enta-mavesatra, na dia ireo enta-mavesatra tsotra sy bitika aza. Izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.