2010–2019
Ny Fanalahidy sy ny Fahefan’ny Fisoronana
Aprily 2014


Ny Fanalahidy sy ny Fahefan’ny Fisoronana

Sary

Mitarika ireo vehivavy tsy misy hafa amin’ny fitarihany ireo lehilahy ireo fanalahidin’ny fisoronana, ary ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ny fahefan’ny fisoronana dia miantefa amin’ireo vehivavy ary toy izany koa amin’ireo lehilahy.

I.

Nandritra ity fihaonambe ity isika dia nanatrika ny fisaorana an’ireo rahalahy mahatoky sasantsasany, ary nanohana ny fiantsoana rahalahy maromaro hafa. Ao anatin’izany fanovana izany—izay mahazatra tokoa ato amin’ny Fiangonana—dia tsy hoe “aetry” akory isika rehefa isaorana, ary tsy hoe “asondrotra” rehefa voantso. Tsy misy “ambony na ambany” eo amin’ny fanompoana ny Tompo. Fa ny “mankany aloha na mankany aoriana” ihany no misy, ary izany fahasamihafana izany dia miankina amin’ny fomba fanekentsika sy ny fihetsika asehontsika rehefa isaorana sy rehefa antsoina. Indray mandeha aho niahy ny fotoana nisaorana ny filohan’ny tsatòka iray vao herotrerony, izay avy nanolotra asa fanompoana tsara nandritra ny sivy taona ary faly izy tamin’ny nisaorana azy sy tamin’ny antso vaovao izay vao noraisin’izy mivady. Voantso ho mpitarika ny ao amin’ny garderie izy ireo tao amin’ny paroasiny. Ato amin’ity Fiangonana ity ihany no raisina hoe mitovy lenta ny voninahitra ao amin’izany!

II.

Raha nandray fitenenana tamin’ny fihaonamben’ny vehivavy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, Linda K. Burton, dia nilaza izy hoe: “Manantena izahay ny handrotsaka ao anatintsika tsirairay faniriana lehibe kokoa hahatakatra kokoa ny fisoronana.”1 Izany filana izany dia mihatra amintsika rehetra, ary dia tohizako izany amin’ny firesahana mikasika ny fanalahidy sy ny fahefan’ny fisoronana. Koa satria manana lanja mitovy ireo lohahevitra ireo na ho an’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy, dia faly aho fa ampitaina sy aely ho an’ny mpikambana rehetra ato amin’ny Fiangonana ireto lahateny ireto. Mitahy antsika rehetra ireo fitahiana entin’ny fisoronana. Mitarika ireo vehivavy tsy misy hafa amin’ny fitarihany ireo lehilahy ireo fanalahidin’ny fisoronana, ary ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ny fahefan’ny fisoronana dia miantefa amin’ireo vehivavy ary toy izany koa amin’ireo lehilahy.

III.

Ny Filoha Joseph F. Smith dia namariparitra ny fisoronana hoe: “ny herin’Andriamanitra ampandraiketiny ny olombelona izay ahafahan’ny olombelona manao asa eto an-tany ho an’ny fanavotana ny fianakavian’ny zanak’olombelona.”2 Nampianatra antsika ny mpitarika hafa fa ny fisoronana “no hery ambony indrindra eto ambonin’ity tany ity. Io no fahefana izay nentina nahariana ny tany.”3 Mampianatra ny soratra masina fa “ity fisoronana ity ihany, izay efa tany am-piandohana no ho any am-piafaran’izao tontolo izao koa” (Mosesy 6:7). Noho izany, ny fisoronana no fahefana izay amin’ny alalany no hananganana antsika amin’ny maty sy hampandrosoana antsika mankao amin’ny fiainana mandrakizay.

Ny fahatakarana izay katsahantsika dia manomboka amin’ny fahatakarana ireo fanalahidin’ny fisoronana. Ny fanalahidin’ny fisoronana dia ilay fahefana izay nomen’ Andriamanitra an’ ireo [mpihazona] fisoronana hitarihana sy hifehezana ary hitantanana ny fampiasana ny Fisoronany eto ambony tany.”4 Ny asa sy ôrdônansy rehetra tanterahana ato anatin’ny Fiangonana dia tanterahana rehefa nahazo lalana mivantana na misy mpanelanelana avy amin’ny olona iray izay mihazona ny fanalahidy ho an’izany andraikitra izany. Araka ny nazavain’ny Loholona M. Russell Ballard hoe “Ireo izay mihazona fanalahidin’ny fisoronana … dia manome fahafahana ara-bakiteny an’ireo izay manompo amim-pahatokiana eo ambany fitarihany mba hampiasa ny fahefan’ny fisoronana ka hahazo ny herin’ny fisoronana.”5

Ny andraikitry ny fanalahidin’ny fisoronana, amin’ny alalan’ny fifehezana ny fampiasana ny fahefan’ny fisoronana, dia sady manitatra no mametra. Manitatra izy satria manao izay hahazoan’ireo zanak’Andriamanitra rehetra ny fahefan’ny fisoronana sy ireo fitahiana entiny. Mametra izy satria mamaritra hoe iza no homena ny fahefan’ny fisoronana, iza no hihazona ireo anjara fanompoana ao, ary ahoana no fomba hanomezana ireo zo sy fahefan’ny fisoronana. Ohatra, ny olona iray izay mpihazona fisoronana dia tsy afaka manome ny anjara fanompoany na ny fahefany amin’ny olona iray hafa raha tsy efa nahazo lalana avy amin’ny olona iray izay mihazona ireo fanalahidy. Raha tsy misy io fanomezan-dalana io dia tsy hanan-kery ilay fanendrena. Izany no manazava ny antony mahatonga ny mpihazona fisoronana iray—na inona na inona anjara fanompoany—tsy ho afaka hanendry ao amin’ny fisoronana ny olona iray ao amin’ny fianakaviany na hanatanteraka ny fanasan’ny Tompo ao an-tokantranony raha tsy efa nahazo lalana avy amin’ny olona iray izay mihazona ny fanalahidy mifandraika amin’izany.

Ankoatra ny asa masina izay tanterahin’ireo rahavavy ao amin’ny tempoly eo ambany fifehezan’ny fanalahidy hazonin’ny filohan’ny tempoly, izay hofariparitako rehefa avy eo, dia olona iray izay mihazona anjara fanompoana iray ao amin’ny fisoronana ihany no afaka manatanteraka ôrdônansy iray an’ny fisoronana. Ary ireo ôrdônansin’ny fisoronana rehetra izay nahazoana lalana dia raketina ao amin’ny firaketan’ny Fiangonana.

Amin’ny farany, dia Jesoa Kristy Tompo no mihazona ny fanalahidy rehetra an’ny fisoronana, fisoronana izay Azy. Izy no mamaritra hoe fanalahidy inona no zaraina amin’ny olombelona ary ahoana no fomba ampiasana azy. Mahazatra antsika ny mieritreritra fa ireo fanalahidy rehetra an’ny fisoronana dia natolotra an’i Joseph Smith tao amin’ny Tempolin’i Kirtland, saingy ny soratra masina dia milaza fa ny zavatra rehetra natolotra tao dia ireo “fanalahidin’ity fotoampitantanana ity” (F&F 110:16). Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana taona maro lasa izay dia nampahatsiahivin’ny Filoha Spencer W. Kimball antsika fa misy fanalahidy hafa an’ny fisoronana izay tsy natolotra tamin’ny olombelona tety an-tany, anisan’izany ireo fanalahidin’ny fahariana sy ny fananganana amin’ny maty.6

Ny maha avy amin’Andriamanitra an’ireo famerana napetraka eo amin’ny fampiasana ireo fanalahidin’ny fisoronana dia manazava ny fahasamihafana iray tena manan-danja eo amin’ireo fanapaha-kevitra eo amin’ny zavatra mahakasika ny fitantanana ny Fiangonana sy ireo fanapahan-kevitra mahakasika ny fisoronana. Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Filankevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy, izay miahy ny Fiangonana manontolo, dia mahazo lalana handray fanapahan-kevitra maro mahakasika ny fitsipika mifehy sy ny fomba fiasa ato amin’ny Fiangonana—zavatra toy ny toerana hisian’ny trano fiangonana sy ny sokajin-taona afaka manao asa fitoriana. Na dia mihazona sy mampiasa ireo fanalahidy rehetra izay natolotra ho an’ny olombelona amin’izao fotoampitantanana izao aza ireo manampahefana miahy ireo, dia tsy afaka manova ilay lamina nambaran’Andriamanitra hoe ny lehilahy ihany no mihazona anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana.

IV.

Izao aho dia hiresaka momba ny fahefan’ny fisoronana. Ireo fitsipika telo izay vao noresahina teo no hanombohako azy: (1) ny fisoronana dia ny herin’Andriamanitra ampandraiketiny ny olombelona mba hahafahany manao asa ho an’ny fanavotana ny fianakavian’ny zanak’olombelona, (2) ny fahefan’ny fisoronana dia tantanan’ireo mpihazona fisoronana izay mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana, ary (3) koa satria milaza ny soratra masina fa “ireo fahefana [… sy] anjara fanompoana [hafa rehetra] ao amin’ny fiangonana dia tovan’ io fisoronana [Melkizedeka] io (F&F 107:5), ny zavatra rehetra izay atao eo ambanin’ny fitarihan’ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo izany dia atao amin’ny fahefan’ny fisoronana.

Ahoana no fihatran’izany eo amin’ireo vehivavy? Tamin’ny lahateny iray ho an’ny Fikambanana Ifanampiana dia nilaza izao ny Filoha Joseph Fielding Smith, izay Filohan’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany: “Na dia tsy nomena ny Fisoronana aza ireo rahavavy, ka tsy natolotra teo ambony lohan’izy ireo izany, dia tsy midika akory izany hoe tsy nomen’ny Tompo fahefana izy ireo. … Ny olona iray, na ny rahavavy iray, dia mety hoe notolorana fahefana hanao zavatra sasantsasany ato amin’ny Fiangonana izay mampitambatra ary tena ilaina tanteraka ho an’ny famonjena antsika, toy ny asa izay ataon’ireo rahavavy ao amin’ny Tranon’ny Tompo. Nomena fahefana izy ireo hanatanteraka zavatra lehibe sy mahatalanjona, izay masina eo imason’ny Tompo, ary mampitambatra mafy tsy misy hafa amin’ireo tsodrano izay omen’ireo lehilahy izay mihazona ny Fisoronana.”7

Tao anatin’io lahateny manan-danja io ny Filoha Smith dia namerimberina hatrany fa ireo vehivavy dia nomena fahefana. Hoy izy tamin’ireo vehivavy hoe “Afaka miteny ombam-pahefana ianareo satria nametrahan’ny Tompo fahefana ianareo.” Nilaza ihany koa izy fa ny Fikambanana Ifanampiana “[dia] nomena hery sy fahefana hanao zavatra lehibe maro. Ny asa izay ataon’izy ireo dia atao amin’ny alalan’ny fahefa-n’Andriamanitra.” Ary mazava ho azy fa ny asam-piangonana izay ataon’ny vehivavy na ny lehilahy, na any amin’ny tempoly izany na any amin’ny paroasy na sampana dia atao eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana. Noho izany, raha niresaka momba ny Fikambanana Ifanampiana ny Filoha Smith dia nanazava hoe “Nomen’ny [Tompo] azy ireo ity fikambanana lehibe ity ary ao izy ireo no manana fahefana hanompo eo ambany fitarihan’ireo evekan’ny paroasy … , mikarakara ny tombontsoan’ny vahoakantsika na ara-batana izany na ara-panahy.”8

Araka izany dia marina ny filazana fa ny Fikambanana Ifanampiana dia tsy kilasy fotsiny ho an’ny vehivavy fa rafitra iray izay ikambanany—tovana iray napetrak’Andriamanitra ho an’ny fisoronana.9

Tsy mahazatra antsika ny fitenenana mikasika ny fananan’ny vehivavy ny fahefan’ny fisoronana ao amin’ny antson’izy ireo ato am-piangonana, saingy fahefana hafa inona ary izany? Rehefa atokana ny vehivavy iray—na tanora na antitra—hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno, dia omena fahefan’ny fisoronana izy hanatanterahana andraikitra iray izay an’ny fisoronana. Marina koa izany rehefa atokana amin’ny andraikitra toy ny mpiandraikitra na mpampianatra ao amin’ny rafitra iray ao amin’ny Fiangonana ny vehivavy iray eo ambany fitarihan’ny olona iray izay mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana. Na iza na iza miasa eo amin’ny toerana na antso iray voaray avy tamin’olona iray izay mihazona fanalahidin’ny fisoronana dia mampiasa ny fahefan’ny fisoronana eo am-panatanterahana ireo andraikitra nanendrena azy.

Na iza na iza mampiasa fahefan’ny fisoronana dia tokony hanadino ireo zony fa hifantoka kosa amin’ireo andraikiny. Fitsipika iray ilaina eo amin’ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny izany. Ilay mpanoratra Rosianina malaza hoe Aleksandr Solzhenitsyn dia notaterina fa nilaza hoe “Izao no fotoana … tsy tokony hiarovana zon’olombelona be loatra noho ny adidin’olombelona.”10 Ireo Olomasin’ny Andro Farany dia azo antoka fa manaiky fa ny fepetra hahazoana ny fisandratana dia tsy resaka fanambarana zo fa resaka fanatanterahana andraikitra.

V.

Nanome torolalana ny Tompo hoe ny lehilahy ihany no tendrena ho amin’ireo anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana. Saingy araka ny nantitranterin’ireo mpitarika samihafa ato amin’ny Fiangonana dia tsy ireo lehilahy akory no hoe “ny fisoronana.”11 Mihazona ny fisorona ireo lehilahy, miaraka amin’ny adidy masina ny hampiasa izany ho fitahiana ireo zanak’Andriamanitra rehetra.

Ilay fahefana lehibe indrindra nomen’Andriamanitra ireo zananilahy dia tsy azo ampiasaina raha tsy miaraka amin’ny iray amin’ireo zananivavy, satria tamin’ireo zananivavy ihany no nanomezan’Andriamanitra ny fahefana hoe “ho mpamorona vatana … mba hahafahan’ny tanjon’Andriamanitra sy ilay Drafitra Lehibe ho tanteraka.”12 Tenin’ny Filoha J. Reuben Clark izany.

Nanohy izy hoe: “Io no anjara asan’ny vadintsika sy ny an’ireo renintsika ao amin’ilay Drafitra Mandrakizay. Tsy mpihazona ny Fisoronana izy ireo; tsy nomena andraikitra izy ireo hanatanteraka ireo adidy sy anjara asan’ny Fisoronana; ary tsy vesaran’ny andraikitra ao amin’izany; mpanorina sy mpandamina izy ireo eo ambanin’ny fahefan’izany, ary mandray ireo fitahiana avy amin’izany, manana ny famenon’ny herin’ny Fisoronana ary manana andraikitra iray amin’ny maha-voantson’Andriamanitra azy, izay manan-danja mandrakizay eo amin’ny toerana misy azy tsy misy hafa amin’ny Fisoronana mihitsy.”13

Ao anatin’ireo teny feno fitaomam-panahy ireo dia momba ny fianakaviana no noresahan’ny Filoha Clark. Araka ny voalaza ao amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana, dia ny ray no miahy ny fianakaviana, manana andraikitra miavaka tsara izy sy ny reny, saingy “tsy maintsy mifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo.”14 Taona maromaro talohan’ny fanambarana momba ny fianakaviana dia nanome izao fanazavana feno fitaomam-panahy izao ny Filoha Spencer W. Kimball: “Rehefa miresaka momba ny fanambadiana isika amin’ny maha-fiaraha-miasa azy, dia aoka isika hiresaka momba ny fanambadiana ho toy ny fiaraha-miombon’antoka feno. Tsy tiantsika ho mpiara-miasa mangina ireo vehivavy Olomasin’ny Andro Farany, na hoe mpiara-miasa voafetra ao amin’izany andraikitra mandrakizay izany! Meteza azafady ho mpiara-miombon’antoka tena mandray anjara sy feno.”15

Eo imason’Andriamanitra, na ato amin’ny Fiangonana izany na ao amin’ny fianakaviana dia mira lenta ny vehivavy sy ny lehilahy fa samy manana andraikitra samihafa.

Faranako amin’ny fahamarinana maromaro mikasika ireo fitahiana entin’ny fisoronana. Tsy mba toy ny fanalahidin’ny fisoronana sy ny fanendrena ao amin’ny fisoronana fa ireo fitahiana entin’ny fisoronana dia natao ho an’ny vehivavy sy ny lehilahy araka ny fepetra mitovy. Ny fanomezana ny Fanahy Masina sy ireo fitahiana entin’ny tempoly dia endrika mahazatra antsika maneho io fahamarinana io.

Tao anatin’ny lahateniny lehibe nandritra ny Herinandron’ny Fampianarana tao BYU ny fahavaratra lasa teo dia nanome ireto fampianarana ireto ny Loholona M. Russell Ballard:

“Ny fotopampianaran’ny Fiangonantsika dia mametraka ny vehivavy hitovy lenta amin’ny lehilahy kanefa samihafa amin’ny lehilahy. Andriamanitra dia tsy mandray ny iray ho tsara kokoa na ho manan-danja kokoa noho ny iray hafa. …

“Rehefa mandeha any amin’ny tempoly ny lehilahy sy ny vehivavy, dia samy tafiana hery mitovy izy ireo, izay herin’ny fisoronana. … Samy afaka mahazo ny hery sy ny fitahiana entin’ny fisoronana avokoa ireo zanak’Andriamanitra rehetra.”16

Ijoroako ho vavolombelona ny hery sy ny fitahiana entin’ny fisoronan’Andriamanitra, fa samy afaka mahazo izany na ireo zananilahy na ireo zananivavy. Ijoroako ho vavolombelona ny fahefan’ny fisoronana, izay miasa ao amin’ireo andraikitra sy atrik’asa rehetra ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ijoroako ho vavolombelona ny amin’ny anjara asan’ny fanalahidin’ny fisoronana izay efa notendren’Andriamanitra, izay hazonin’ny mpaminany sy filohantsika, Thomas S. Monson, ary ampiasainy amin’ny fahafenoany. Farany ary manan-danja indrindra, dia mijoro ho vavolombelona aho momba an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika, izay tompon’ ity fisoronana ity ary mpanompony isika, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amen.

Fanamarihana

  1. Linda K. Burton, “Priesthood: ‘A Sacred Trust to Be Used for the Benefit of Men, Women, and Children’” (Lahateny tamin’ny Fihaonamben’ny Vehivavy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 3 Mey 2013), 1; ce.byu.edu/cw/womensconference/transcripts.php.

  2. Joseph F. Smith, Gospel Doctrine, ed. faha 5. (1939), 139.

  3. Boyd K. Packer, “Ny Fahefan’ny Fisoronana ao an-tokantrano,” (worldwide leadership training meeting, Feb. 2012);  lds.org/broadcasts; jereo ihany koa ny James E. Faust, “Power in the Priesthood,” Ensign, Mey 1997, 41–43.

  4. Boky Tololalana 2: Fitantanana ny Fiangonana (2010), 2.1.1.

  5. M. Russell Ballard, “Ny Lehilahy sy ny Vehivavy eo amin’ny Asan’ny Tompo,” Liahona, Apr. 2014, 48; jereo ihany koa ny Filles dans mon royaume: L’histoire et l’oeuvre de la Société de Secours (2011), 138.

  6. Jereo ny Spencer W. Kimball, “Our Great Potential,” Ensign, Mey 1977, 49.

  7. Joseph Fielding Smith, “Relief Society—an Aid to the Priesthood,” 4, 5; jereo koa ny Relief Society Magazine, Jan. 1959, 4.

  8. Joseph Fielding Smith, “Relief Society Magazine, an Aid to the Priesthood,” 4, 5; jereo ihany koa ny Enseignement des Présidents de l’Eglise: Joseph Fielding Smith (2013), 302.

  9. Jereo ny Boyd K. Packer, “The Relief Society,” Ensign, Mey 1998, 72; jereo ihany koa ny Filles dans mon royaume, 138.

  10. Aleksandr Solzhenitsyn, “A World Split Apart” (commencement address delivered at Harvard University, 8 Jona 1978); jereo ihany koa ny Patricia T. Holland, “A Woman’s Perspective on the Priesthood,” Ensign, Jolay 1980, 25; Tambuli, Jona 1982, 23; Dallin H. Oaks, “Rights and Responsibilities,” Mercer Law Review, vol. 36, lah. 2, 427–42.

  11. Jereo ny James E. Faust, “You Are All Heaven Sent,” Liahona, Nôv. 2002, 113; M. Russell Ballard, “Izao no Asako sy Voninahitro,” Liahona, Mey 2013, 19; Dallin H. Oaks, “Ny Fahefan’ny Fisoronana ao an-tokantrano sy ao amin’ny Fiangonana,” Liahona, Nôv. 2005, 26. Milaza isika indraindray hoe ny Fikambanana Ifanampiana dia “mpiara-miombon’antoka amin’ny fisoronana.” Marina kokoa ny filazana fa ao amin’ny asan’ny Tompo ny Fikambanana Ifanampiana sy ny vehivavy ato amin’ny Fiangonana dia “mpiara-miombon’antoka amin’ireo mpihazona ny Fisoronana.”

  12. J. Reuben Clark, Jr., “Our Wives and Our Mothers in the Eternal Plan,” Relief Society Magazine, Des. 1946, 800.

  13. J. Reuben Clark, Jr., “Our Wives and Our Mothers,” 801.

  14. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Liahona, Nôv. 2010, 129.

  15. Spencer W. Kimball, “Privileges and Responsibilities of Sisters,” Ensign, Nôv. 1978, 106.

  16. M. Russell Ballard, Liahona,, Apr. 2014; jereo ihany koa ny Sheri L. Dew, Women and the Priesthood (2013), indrindra indrindra ny toko 6, mba hahitana ny fanehoana tsara an’ireo fotopampianarana voalaza eto.