2010–2019
Ilay Lehilahy Manana ny Fisoronana
Aprily 2014


Ilay Lehilahy Manana ny Fisoronana

Sary

Afaka ny ho ohatra tsara ianareo, na ohatra antonony, na ohatra ratsy. Mety hieritreritra ianareo hoe tsy maninona izany aminareo, saingy ho an’ny Tompo dia misy lanjany izany.

Samy manana ireo olona mahery fo ankafizintsika isika, indrindra fa mandritra ny fahatanorantsika. Teraka sy lehibe tao Princeton, New Jersey, teto Etazonia aho. Tany New York City no nisy ny foiben’ireo ekipa mpilalao fanatanjahan-tena malaza indrindra manodidina ny fonenanay. Tany no nipetrahan’ny ekipa mpilalao baseball matihanina anankitelo tamin’izany andro efa ela be izany: ny Brooklyn Dodgers, ny New York Giants, ary ny New York Yankees. Mbola akaiky kokoa ny tranonay aza i Philadelphie izay nipetrahan’i Athletics sy Phillies izay samy ekipa mpilalao baseball. Maro ireo azoko natao mahery fon’ny baseball ankafiziko tao amin’ireo ekipa ireo.

I Joe DiMaggio, izay nilalao tao amin’ny New York Yankees, no lasa mpilalao baseball ankafiziko. Rehefa nilalao baseball niaraka tamin’ireo rahalahiko sy ireo namako aho tao amin’ny tokontanim-pianarana akaikin’ny tranonay, dia niezaka ny nampisavily ilay fikapoham-baolina tamin’ny fomba izay noheveriko fa fanaovan’i Joe DiMaggio azy. Mbola tsy nalaza ny fahitalavitra tamin’izany (tantara taloha izany), ka dia ireo sary tamin’ny gazety ihany no azoko nampiasaina hakana tahaka ny fomba fikapony.

Rehefa lehibebe kokoa aho dia nentin’ny raiko tany amin’ny kianja filalaovan’ny Yankee. Io no mba hany nahitako an’i Joe DiMaggio nilalao. Tsaroako, tahaka ny hoe mbola teo aho, ary mbola hitako ato an-tsaiko izy mampisavily ilay fikapoham-baolina ary hitako ilay baolina fotsy misidina mivantana mankany amin’ny fitoerana afovoany fipetrahan’ireo mpijery.

Amin’izao dia hita fa tsy nanakaiky mihitsy ny fahaizan’ilay mpilalao nankafiziko tamin’ny fahazazako ny fahaizako milalao baseball. Kanefa tamin’ireo fotoana vitsy nahavitako nikapoka tsara ny baolina baseball, dia naka tahaka ilay fampisaviliany ny fikapoham-baolina araka izay vitako aho.

Rehefa misafidy olona mahery fo ankafizina isika, dia manomboka maka tahaka izay zavatra tiantsika indrindra eny aminy, na ataontsika fanahy iniana izany na tsia.

Soa ihany fa nataon’ireo ray aman-dreniko feno fahendrena izay hahitako mahery fo tsara hafa fony aho mbola kely. Indray mandeha ihany ny raiko no nitondra ahy ho any amin’ny kianja filalaovan’ny Yankee mba hijery ilay mpilalao baseball mahery fo nankafiziko, saingy isak’Alahady aho dia nataony izay handinihako lehilahy iray manana ny fisoronana izay lasa mahery fo. Nanefy ny fiainako io mahery fo io. Filohan’ilay sampana kely izay mivory ao an-tranonay ny raiko. Izany hoe raha midina ao amin’ny ambany rihana ianao ny Alahady maraina dia efa tonga ao am-piangonana. Tsy nihoatra ny 30 mihitsy ny olona nanatrika ny fivorian’ny sampana nisy anay.

Nisy zatovolahy iray nanatitra ny reniny tamin’ny fiarakodia ho any an-tranonay mba hanatrika ny fivorian’ny sampana, fa tsy niditra tao amin’ilay trano mihitsy anefa izy. Tsy mpikamban’ny Fiangonana izy. Ny raiko no nahavita nivoaka nanatona azy teo amin’ny toerana fametrahany fiara ary nanasa azy hiditra tao an-tranonay. Natao batisa izy ary lasa mpitarika ahy voalohany sady tokana tao amin’ny fisoronana Aharôna. Lasa mahery fon’ny fisoronana izy ho ahy. Mbola tsaroako ilay sariolona vita amin’ny hazo izay nomeny ahy ho valisoako tamin’ny nahavitanay ny tetik’asa fikapàna kitay ho an’ny mpitondratena iray. Niezaka ny ho tahaka azy aho isaky ny midera ny ezaka tsara vitan’ny mpanompon’Andriamanitra iray.

Nisafidy mahery fo iray hafa aho tao amin’io sampana kely an’ny Fiangonana io. Miaramila tao amin’ny tafika an-dranomasina an’i Etazonia izy ary nanao ilay fanamiana maitso an’ny tafika an-dranomasina izy rehefa manatrika ny fivorianay. Fotoan’ny ady tamin’izay, ka na dia izany fotsiny aza dia efa nahatonga azy ho mahery fo ho ahy. Nalefan’ny tafika an-dranomasina ho any amin’ny Oniversiten’i Princeton izy mba hanohy ny fianarany. Kanefa mihoatra lavitra noho ny fankafizako ny fanamiana miaramilany ny fijereko azy milalao baolina tao amin’ny kianja Palmer Stadium tamin’ny naha-kapitenin’ny ekipa football amerikana an’ny Oniversiten’i Princeton azy. Nahita azy nilalao tao amin’ny ekipan’ny basketball an’ny oniversite aho ary nijery azy koa nilalao teo amin’ny toeran’ny mpisambotra baolina tsy voakapoka tao amin’ny ekipa mpilalao baseball an’izy ireo.

Mihoatra noho izany koa aza, dia nankany an-tranoko izy amin’ny andavanandro mba hampianatra ahy hamono baolina amin’ny basketball na amin’ny tanako havia na amin’ny tanako havanana. Nilaza tamiko izy fa mila izany fahaizana izany aho satria indray andro aho dia hilalao basketball ao anatin’ny ekipa mahay. Tsy tsapako izany tamin’izany fotoana izany, fa nandritra ny taona maro dia izy no ohatry ny lehilahy manana ny fisoronana marina ho ahy.

Ianareo tsirairay dia ho lasa ohatry ny lehilahy manana ny fisoronana na tianareo na tsy tianareo. Lasa jiro mirehitra ianareo rehefa nanaiky ny fisoronana. Napetraky ny Tompo ho eo amin’ny fanaovan-jiro ianareo mba hanazava ny lalan’ireo rehetra manodidina anareo. Indrindra moa fa ho an’ny kôlejin’ny fisoronana misy anareo. Afaka ny ho ohatra tsara ianareo, na ohatra antonony, na ohatra ratsy. Mety hieritreritra ianareo hoe tsy maninona izany aminareo, saingy ho an’ny Tompo dia misy lanjany izany. Toy izao no nilazany izany:

“Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.

“Ary koa, tsy misy mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin’izay rehetra ao an-trano izany.

“Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.”1

Nitondra fitahiana ho ahy ny ohatra nasehon’ireo mpihazona fisoronana tsara tao amin’ireo kôlejy izay tombontsoa ho ahy ny nanompoako tao amin’izy ireny. Azonareo atao ny nataon’izy ireo ho ahy amin’ny fanehoana ohatra tsara mba harahan’ny hafa.

Toetra telo no hitako nitovizan’ireo mpihazona fisoronana izay mahery fo ho ahy. Ny voalohany dia ny fomba fivavaka, ny faharoa dia ny fahazarana manompo, ary ny fahatelo dia ny fanapahan-kevitra tsy voahozongozona ny ho marin-toetra.

Samy mivavaka avokoa isika rehetra, fa ny mpihazona fisoronana tianareo hahatongavana dia mivavaka matetika sy amin’ny faniriana marina. Amin’ny hariva ianareo dia handohalika sy hisaotra an’Andriamanitra noho ireo fitahiana azo nandritra ny andro. Hisaotra Azy ianareo noho ny ray aman-dreny, sy ny mpampianatra, ary noho ireo ohatra tsara azonareo arahina. Holazainareo mazava tsara ao amin’ny vavakareo hoe iza avy no nitahy ny fiainanareo ary tamin’ny fomba ahoana nandritra io andro io. Haharitra elaela kokoa noho ny minitra vitsy izany ary mitaky mihoatra noho ny fieritreretana fohy. Hahatalanjona anareo izany ary hanova anareo.

Rehefa mivavaka mba hahazo famelan-keloka ianareo, dia ho hitanareo fa ho lasa mamela heloka ny hafa ianareo. Rehefa misaotra an’Andriamanitra noho ny Hatsaram-panahiny ianareo, dia hieritreritra ny hafa izay mila ny hatsaram-panahinareo, ary hieritreritra azy ireo tsirairay avy. Mbola hahatalanjona anareo isan’andro indray izany traikefa izany, ary hanova anareo any aoriana any.

Mampanantena anareo aho fa ny fomba iray hiovanareo amin’ny alalan’ny vavaka amin-kafanam-po toy izany dia satria ho tsapanareo marina fa zanak’Andriamanitra ianareo. Rehefa fantatrareo fa zanak’Andriamanitra ianareo, dia ho fantatrareo ihany koa fa manantena zavatra maro avy aminareo Izy. Koa satria Zanany anareo, dia antenainy ianareo hanaraka ny fampianarany sy ny fampianaran’i Jesoa Kristy Zanaka malalany. Manantena anareo ho malala-tanana sy ho tsara fanahy amin’ny hafa Izy. Ho diso fanantenana Izy raha toa ianareo ka miavonavona sy tia tena. Hitahy anareo Izy mba hanananareo ilay faniriana hametraka ny tombontsoan’ny hafa ho ambonin’ny tombontsoan’ny tenanareo.

Ny sasany aminareo dia efa ohatra tsara maneho ny fanompoana feno fandavan-tena ao amin’ny fisoronana. Any amin’ireo tempoly manerana izao tontolo izao, dia tonga alohan’ny fiposahan’ny masoandro ireo mpihazona fisoronana. Ary misy amin’izy ireo no manompo hatramin’ny ora maro aorian’ny filentehan’ny masoandro. Tsy misy fanomezam-pankasitrahana na laza omena ampahibemaso eo amin’izao tontolo izao noho izany fahafoizam-potoana sy ezaka izany. Niaraka tamin’ny tanora aho nandritra ny fanompoan’izy ireo ny olona any amin’ny tontolon’ny fanahy, izay tsy afaka mahazo ny fitahian’ny tempoly samirery.

Rehefa hafaliana fa tsy harerahana no hitako teny amin’ny endrik’ireo izay manompo vao maraina sy amin’ny hariva be ao amin’ny tempoly, dia fantatro fa misy valisoa lehibe amin’ity fiainana ity ho an’izany karazana fanompoana feno fanoloran-tena ao amin’ny fisoronana izany, kanefa dia kely ihany izany raha oharina amin’ny fifaliana izay hifampizarany amin’ireo izay notompoiny any amin’ny tontolon’ny fanahy.

Nahita izany fifaliana izany aho teny amin’ny endrik’ireo izay milaza amin’ny hafa ny mikasika ireo fitahiana azo amin’ny maha ao anatin’ny fanjakan’Andriamanitra azy ireo. Mahafantatra filohan’ny sampana iray aho, izay saika isan’andro no mitondra olona mba ho ampianarin’ny misiônera. Tsy mbola mpikamban’ny Fiangonana izy volana vitsivitsy lasa monja izay. Ankehitriny dia misy misiônera mampianatra ao ka mitombo ny isan’ny mpikambana ao amin’ny sampana ary mitombo hery ny sampana noho izy. Fa mihoatra noho izany aza, dia fahazavana izy ho an’ny hafa izay hanokatra ny vavany ka hanafaingana ny fanangonan’ny Tompo ireo zanaky ny Ray any an-danitra.

Rehefa mivavaka sy manompo ny hafa ianareo, dia hitombo ny fahafantaranareo fa zanak’Andriamanitra ianareo ary hitombo ny fitiavanareo Azy. Ho fantatrareo bebe kokoa fa malahelo Izy raha tsy marin-toetra ianareo na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Ho vonona kokoa ianareo ny hitazona ny teny nomenareo tamin’Andriamanitra sy tamin’ny hafa. Hiahotra bebe kokoa ianareo haka ny zavatra izay tsy anareo. Ho marin-toetra kokoa amin’ny mpampiasa anareo ianareo. Ho vonona kokoa ianareo hanaja fotoana sy hamita izay asa nampanaovin’ny Tompo anareo ka efa nekenareo ho atao.

Tsy hanontany tena ireo ankizy any amin’ny fianakaviana asaina vangianareo hoe ho avy ve ireo mpampianatra isan-tokantranony sa tsia, fa tsy ho andrin’izy ireo kosa ny hamangianareo azy ireo. Nahazo izany fitahiana izany ireo zanako. Rehefa nihalehibe izy ireo, dia nanampy azy ireo handeha samirery amin’ny fanompoana ny Tompo ireo mpihazona ny fisoronana izay mahery fo ho azy ireo. Mifindra amin’ny taranaka fahatelo izany ohatra tsara izany amin’izao.

Ny hafatro koa dia hafatra fisaorana.

Misaotra anareo aho noho ny vavakareo. Misaotra anareo aho noho ianareo mandohalika noho ny fiaikenareo fa tsy manana ny valinteny rehetra ianareo. Mivavaka amin’ilay Andriamanitry ny lanitra ianareo mba hanehoana ny fankasitrahanareo sy hangatahana ny hitahiany ny fiainanareo sy ny fianakavianareo. Misaotra anareo aho noho ny fanompoanareo ny hafa sy noho ireo fotoana nahatsapanareo fa tsy mila fankasitrahana ianareo noho ny fanompoana ataonareo.

Nanaiky ny fampitandreman’ny Tompo isika hoe raha mikatsaka ny fankasitrahan’izao tontolo izao isika noho ny fanompoana ataontsika, dia mety hahafoy fitahiana lehibe kokoa. Hotsaroanareo ireto teny ireto:

“Tandremo mba tsy hanao ny asan’ny fahamarinanareo eo imason’ny olona hahitany izany; fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin’ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo.

“Koa amin’izany, raha manao fiantrana hianao, aza mba mitsoka trompetra eo anoloanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ny synagoga sy eny an-dalambe mba hakalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.

“Fa hianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon’ny tananao ankavanana:

“mba hatao ao amin’ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao.”2

Ireo izay ohatra tsara ho ahy amin’ny mpihazona fisoronana mendrika dia tsy manaiky mora foana hoe manana toetran’ny mahery fo izy ireo. Raha ny marina, dia toa sarotra ho azy ireo ny mahita ireo zavatra izay deraiko manokana eo amin’izy ireo. Nolazaiko teo fa filoha mahatoky an’ny sampana kelin’ny Fiangonana tany New Jersey ny raiko. Taty aoriana izy dia lasa mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Sekoly Alahady maneran-tany. Kanefa ankehitriny aho dia mitandrina tsara mba hilaza amim-panetren-tena ny momba ny asa fanompoan’ny fisoronana nataony, satria izy dia mpanetry tena.

Marina koa izany ho an’ilay miaramila tao amin’ny tafika an-dranomasina izay mahery fo nankafiziko nandritra ny fahazazako. Tsy mba noresahiny tamiko ny asa fanompoan’ny fisoronana nataony na ny zavatra tsara vitany. Nanompo fotsiny izy. Ny hafa no nahafantarako mikasika ny fahatokiany. Tsy afaka ny hilaza aho hoe hitany ve ireo toetrany izay nahatalanjona ahy.

Koa ny torohevitro ho anareo izay maniry ny hitahy ny hafa amin’ny fisoronanareo dia mikasika ny fiainanareo manokana izay tsy misy mahafantatra afa-tsy Andriamanitra.

Mivavaha Aminy. Misaora Azy noho ireo zavatra tsara rehetra eo amin’ny fiananareo. Mangataha Aminy mba hahafantaranareo ny olona nataony hifanena aminareo mba ho tompoinareo. Mitalahoa mba hanampiany anareo hanao io asa fanompoana io. Mivavaha mba hahafahanareo mamela heloka sy mba ho voavela heloka. Ary avy eo tompoy sy tiavo izy ireo ary mamelà ny helony.

Ambonin’izany rehetra izany dia tsarovy fa amin’ireo fanompoana rehetra ataonareo, dia tsy misy lehibe noho ny manampy ny olona hisafidy ny ho mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay. Nomen’Andriamanitra antsika io fitarihana izay miantefa amin’ny zavatra hafa rehetra ataontsika io, izay mikasika ny fomba hampiasantsika ny fisoronana. Izy no ohatra tonga lafatra amin’izany. Izao no ohatra hitantsika amin’ny ampahany ao amin’ireo mpanompony tsara indrindra ety an-tany:

“Ary niteny tamin’i Mosesy ny Tompo Andriamanitra, nanao hoe: Ireo lanitra dia misy maro, ary tsy mety ho voaisa ireo ho an’ny olona; fa voaisa ireo ho Ahy, fa Ahy ireo.

“Ary toy ny hahalasanan’ny tany iray sy ny lanitra eo aminy dia toy izany koa no hiavian’ny iray hafa; ary tsy manam-pahataperana ny asako, na koa ny teniko.

“Fa indro izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”3

Natao hanampy amin’izany asa izany isika. Afaka manova zavatra ny tsirairay amintsika. Efa nomanina isika ho amin’ny vanim-potoana iainantsika sy ny toerana hisy antsika amin’izao andro farany amin’ity asa masina ity. Isika tsirairay dia efa nahita ny ohatra nasehon’ireo izay nanao izany asa izany ho tanjona ambony amin’ny fiainany ety an-tany.

Mivavaka aho mba hahafahantsika mifanampy mba ho mendrika izany tombontsoa izany.

Velona Andriamanitra Ray ary hovaliany ny vavaka izay ataonareo mba hahazoanareo ny fanampiana ilainareo hanompoana Azy tsara. I Jesoa Kristy no ilay Tompo nitsangana tamin’ny maty. Fiangonany ity. Ny fisoronana izay hazoninareo dia ilay fahefana ahafahana manao ny Asany amin’ny Anarany mba hanompoana ireo zanak’Andriamanitra. Rehefa manolotra ny fonareo manontolo ho an’ity asa ity ianareo dia hampivoatra anareo Izy. Izany no fampanantenana ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.