2010–2019
Ny Mpaminany Joseph Smith
Aprily 2014


Ny Mpaminany Joseph Smith

Sary

Ireo fanambarana narotsaka tamin’i Joseph Smith dia manamarina fa mpaminan’Andriamanitra izy.

Ny Fahitana Voalohany

Namaky ny Baiboly ny zatovolahy iray, ary nijanona teo amin’ny andinin-tsoratra masina iray niavaka ny masony. Fotoana iray hanova izao tontolo izao izany.

Naniry mafy izy ny hahafantatra izay fiangonana afaka mitarika azy ho any amin’ny fahamarinana sy ny famonjena. Efa saika nandramany avokoa ireo zavatra hafa rehetra, ka eto izy dia nitodika tany amin’ny Baiboly ary namaky ireto teny ireto: “Raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.”1

Nisaintsaina ireo teny ireo ombieny ombieny izy. Nanomboka nisy hazavana kely nitsilopilopy tao anatin’ny haizina. Io ve no valiny tadiaviny, dia ilay fomba hivoahana amin’ny fifangaroan-kevitra sy ny haizina? Dia ho mora foana tahaka izany ve ilay izy? Mangataka amin’Andriamanitra dia hamaly Izy? Farany dia tonga teo amin’ny fanapahan-kevitra izy, fa na izy mangataka amin’Andriamanitra, na tsy maintsy mijanona ao amin’ny haizina sy ny fifangaroan-kevitra.

Ary na dia sahiran-tsaina aza izy, dia tsy nihazakazaka ho eo amin’ny zoron-trano iray mangingina ka hanao vavaka maimaika. Vao 14 taona monja izy, kanefa na dia maika ny hahafantatra aza izy dia tsy nikoropaka. Tsy ho vavaka tahaka ny fanao mahazatra izany. Nanapa-kevitra momba izay toerana haleha sy izay fotoana hanandramana izany izy. Niomana ny hiresaka tamin’Andriamanitra izy.

Dia tonga ary ilay andro. Marainan’ny andro tsara sady mipoaka tamin’izay, tany amin’ny fiandohan’ny lohataonan’ny taona 1820.”2 Nandeha irery tao anatin’ny fahatonian’ireo alakely teo amin’ny manodidina izy teo ambanin’ireo hazo izay nijoalajoala teo amboniny. Tonga teo amin’ilay toerana izay notendreny mialoha handehanana izy. Nandohalika izy ary nanandratra ireo fanirian’ny fony.

Hoy izy nilaza ny zavatra nitranga rehefa avy eo:

“[Nahita] andrim-pahazavana teo ambonin’ny lohako indrindra [aho], mihoatra ny famirapiratan’ny masoandro, nidina tsikelikely teo amboniko.

“… Rehefa nijanona teo amboniko ilay hazavana, dia nahita Olona roa aho, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny, nijoro nitsingevaheva teo amboniko. Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ny anarako sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe—[Joseph,] Itỳ no Zanako Malalako. Henoy Izy!3

Vao 24 taona monja taty aoriana, dia namoy ny ainy noho ny zavatra nanomboka teto i Joseph Smith sy Hyrum rahalahiny.

Fanoherana

Fony 17 taona i Joseph dia nilaza izy fa, nisy anjely niteny taminy fa “ho tsara sy ho ratsy laza any anivon’ny firenena, … ny samy hafa fiteny rehetra ny anara[ny].”4 Mitohy ny fahatanterahan’izany faminaniana mahatalanjona izany ankehitriny mandritra ny fiparitahan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany manerana izao tontolo izao.

Ny fanoherana sy ny fitsikerana ary ny fifampiandaniana dia tsy afa-misaraka amin’ny fahamarinana. Isaky ny ambara ny fahamarinana izay mikasika ny tanjona sy ny anjaran’ny olombelona, dia tsy maintsy misy foana ny hery manohitra izany. Nanomboka tamin’i Adama sy Eva tao amin’ny saha Edena, ka nitohy hatramin’ny asa fanompoana nataon’i Kristy, ary mbola mitohy ankehitriny, efa nisy hatramin’izay ary mbola hisy foana ny fiezahana hamitaka, sy hampivily lalana, sy hanohitra, ary hampijanona ny drafitry ny fiainana.

Jereo ilay fanosoram-potaka natao an’Ilay notoherina, nolavina, nahilikilika, nokapohina, navela ary nomboina, Ilay nidina ho ambanin’ny zava-drehetra, dia ho hitanao ilay fahamarinana, ilay Zanak’Andriamanitra, ilay Mpamonjy ny olombelona rehetra. Nahoana Izy no tsy namelan’izy ireo mihitsy?

Nahoana? Satria Izy no fahamarinana, ary ny fahamarinana dia hotoherina hatrany.

Ary avy eo indray jereo ilay nanambara testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy sy soratra masina hafa, jereo ilay fitaovana namerenana tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, jereo izy ary aza gaga raha misy olona manao ratsy aminy. Nahoana izy no tsy hamelan’ny olona?

Nahoana? Satria nampianatra ny fahamarinana izy, ary ny fahamarinana dia hotoherina hatrany.

Fanambarana Marobe

Ireo fanambarana narotsaka tamin’i Joseph Smith dia manamarina fa mpaminan’Andriamanitra izy. Ndeha hojerentsika ny sasantsasany amin’izy ireny, hojerentsika fotsiny ny sasany amin’ireo fahazavana sy fahamarinana nambara tamin’ny alalany izay tena miavaka tokoa mihoatra amin’ny finoana hafa tamin’ny vanin’androny sy amin’ny vanin’androntsika:

  • Andriamanitra dia olona manana vatana sy nahazo ny fisandratana faratampony, Ray Mandrakizay. Izy no Raintsika.

  • Andriamanitra Ray, sy Jesoa Kristy, ary ny Fanahy Masina dia anankitelo miavaka tsara.5

  • Tsy olombelona fotsiny ianao. Zanak’Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay ianao ary afaka ny ho tonga tahaka Azy6 raha toa ianao ka manana finoana amin’ny Zananilahy, mibebaka, mandray ireo ôrdônansy, mandray ny Fanahy Masina, ary maharitra hatramin’ny farany.7

  • Raha jerena amin’ny fototra niaingany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao dia io ihany ilay Fiangonana izay naoriny nandritra ny asa fanompoana nataony tety an-tany izay ahitana mpaminany sy apôstôly, Fisoronana Melkizedeka sy Fisoronan’i Levy, loholona, mpisorona avo, diakona, mpampianatra, eveka ary fitopololahy araka izay voalaza ao amin’ny Baiboly.

  • Nesorina tsy ho ety an-tany ny fahefan’ny Fisoronana taorian’ny nahafatesan’ny Mpamonjy sy ireo Apôstôliny ary naverina tamin’ny laoniny indray amin’izao androntsika izao.

  • Tsy nitsahatra ny fanambarana ary tsy mikatona ny lanitra. Miresaka amin’ny mpaminany Andriamanitra ankehitriny, ary hiresaka amiko sy aminao ihany koa Izy.8

  • Tsy lanitra sy helo fotsiny ihany no misy aorian’ity fiainana ity. Misy ireo ambaratongam-boninahitra ary tena hanana fiantraikany amin’izany tokoa ny zavatra ataontsika mandritra ity fiainana ity.9

  • Mihoatra noho ny finoana fotsiny an’i Kristy izay tsy arahan’asa dia tokony “ [hibanjina Azy] amin’ny eritreritra rehetra [isika],”10 “[hanao] amin’ny anaran’ny Zanaka izay rehetra atao[ntsika],”11 “hahatsiaro Azy mandrakariva ary … hitandrina ny didiny … mba hanana[ntsika] mandrakariva ny Fanahiny miaraka [amintsika].”12

  • Tsy very ireo an-davitrisany izay niaina sy nodimandry kanefa tsy nanana ny filazantsara sy ireo ôrdônansy izay ilaina ho amin’ny famonjena. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy, izy ireo dia “azo vonjena … amin’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara,”13 izay sady atao ho an’ny velona no atao ho an’ny maty.14

  • Tsy tamin’ny fahaterahana no niantombohan’ny zavatra rehetra. Niaina niaraka tamin’Andriamanitra ianareo taloha amin’ny maha-zanakalahiny sy zanakavaviny anareo ary ianareo dia niomana hiatrika ny fiainana ety an-tany.15

  • Ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia tsy fombafomban’ny olombelona fotsiny izay hatao mandra-pahatongan’ny hoe faty no isarahana. Natao haharitra mandrakizay izy ireo amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana izay ataontsika amin’Andriamanitra. Ny fianakaviana no lamina araky ny lanitra.16

Ary ampahany kely fotsiny amin’ireo fanambarana marobe izay narotsaka tamin’i Joseph Smith ihany izany. Avy aiza daholo izany rehetra izany, dia ireo fanambarana izay nanazava ny haizina, nampisava ny ahiahy, ary nanome fitaomam-panahy sy nanatsara olona an-tapitrisany? Inona no mety ho marina kokoa, ny hoe namorona izany samirery ve izy sa ny hoe nahazo fanampiana avy any an-danitra izy? Toy ny hoe tenin’olombelona ve ireo soratra masina navoakany sa toy ny tenin’Andriamanitra?

Fehinkevitra

Tsy misy azo iadian-kevitra ny momba izay zavatra notanterahin’i Joseph Smith, fa ny hany azo iadian-kevitra dia ny fomba nanaovany ny zavatra nataony sy ny antony nanaovany izany. Ary tsy maro ny safidy azo atao. Na izy mpisoloky na izy mpaminany. Na izy nahavita samirery ny zavatra nataony, na izy nahazo fanampiana avy any an-danitra. Jereo ny porofo, kanefa jereo avokoa ireo porofo rehetra, ny fitambaran’ny fiainany manontolo, fa tsy ampahany kely fotsiny. Ary ny tena manan-danja indrindra dia manaova tahaka an’i Joseph ka “[mangataha] amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena [anareo] izany.”17 Tsy vitan’ny hoe fomba ahafahanao mahafantatra ny fahamarinana mikasika ny Bokin’i Môrmôna sy i Joseph Smith izany, fa izany koa no fomba arahina mba hahafantarana ny fahamarinan’ny zavatra rehetra.18

Mpaminanin’Andriamanitra i Joseph Smith, tahaka an’i Thomas S. Monson izay mpaminany amin’izao fotoana izao. Tamin’ny alalan’i Joseph Smith, dia “ankinina amin’ny olona eto an-tany”, indray ireo fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra “ary … hikodiadia … ny filazantsara, toy ny vato izay nendahina hiala tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana … , ambara-pamenoany ny tany manontolo.”19

Andriamanitra no Raintsika Mandrakizay, ary Jesoa no Kristy. Mitsaoka Azy ireo isika. Tsy manan-tsahala ireo Zavaboahariny, sy ny drafitry ny famonjena nataony ary ilay sorompanavotan’ny Zanak’ondrin’Andriamanitra. Amin’izao fotoampitantanana izao isika dia tsy afaka manatanteraka ny drafitry ny Ray sy migoka ny voka-tsoa entin’ny Sorompanavotana raha tsy amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Mijoro ho vavolombelona momba Azy ireo aho—dia Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay, sy i Jesoa Kristy ilay Mpamonjy izao tontolo izao. Ataoko izany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.