2010–2019
Fanohanana ireo Mpiandraikitra ato amin’ny Fiangonana
Aprily 2014


Fanohanana ireo Mpiandraikitra ato amin’ny Fiangonana

Asaina isika hanohana an’i Thomas Spencer Monson amin’ny maha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara azy, ary Filohan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany; i Henry Bennion Eyring amin’ny maha-Mpanolotsaina Voalohany azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany; ary i Dieter Friedrich Uchtdorf amin’ny maha-Mpanolotsaina Faharoa azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo izay manohana, aoka haneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany.

Asaina isika hanohana an’i Boyd Kenneth Packer amin’ny maha-Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy ary ireto manaraka ireto amin’ny maha-mpikambana azy ireo ao amin’io kôlejy io: Boyd K. Packer, L. Tom Perry, Russell M. Nelson, Dallin H. Oaks, M. Russell Ballard, Richard G. Scott, Robert D. Hales, Jeffrey R. Holland, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, ary Neil L. Andersen.

Ireo izay manohana, aoka haneho izany.

Raha misy manohitra, dia afaka maneho izany.

Asaina isika hanohana ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Izay rehetra manohana, aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, aoka haneho izany koa.

Ankehitriny dia isaorantsika miaraka amin’ny fankasitrahana amin-kitsimpo ny Loholona Tad R. Callister tamin’ny naha-Manampahefana Ambony azy sy tamin’ny naha-mpikambana azy tao amin’ny Fiadidian’ireo Kôlejin’ny Fitopololahy.

Ireo izay te hiaraka aminay haneho fankasitrahana dia aoka haneho izany.

Asaina isika hanohana ny Loholona Lynn G. Robbins ho mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ireo Kôlejin’ny Fitopololahy.

Izay rehetra manohana, dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy.

Aroso amintsika ny hisaorana an’ireto manaraka ireto tamin’ny naha-Fitopololahin’ny Vondrom-paritra azy ireo, ka hihatra manomboka ny 1 Mey 2014 izany: Pedro E. Abularach, Julio A. Angulo, Victor A. Asconavieta, Duck Soo Bae, Juan C. Barros, Colin H. Bricknell, Dennis C. Brimhall, Thomas M. Cherrington, Kim B. Clark, Wynn R. Dewsnup, Rodolfo C. Franco, G. Guillermo Garcia, Julio C. González, Mauro Junot De Maria, Larry S. Kacher, David E. LeSueur, Paulo C. Loureiro, Steven J. Lund, Abraham Martinez, Hugo E. Martinez, Sergey N. Mikulin, Christopher B. Munday, Hirofumi Nakatsuka, Chikao Oishi, Alejandro S. Patanía, Renato M. Petla, Anatoly K. Reshetnikov, Jonathan C. Roberts, J. Craig Rowe, Robert B. Smith, Warren G. Tate, Hesbon O. Usi, Taniela B. Wakolo, Randy W. Wilkinson, ary Chi Hong (Sam) Wong.

Ireo izay te hiaraka aminay haneho fankasitrahana noho ny asa fanompoana mahatalanjona izay nataon’izy ireo dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hisaorana miaraka amin’ny fanehoana fankasitrahana ny Rahalahy isany, Russell T. Osguthorpe sy David M. McConkie ary Matthew O. Richardson tamin’ny naha-fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany azy ireo.

Ataonay torak’izany koa ny fisaorana ireo mpikambana rehetra ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Sekoly Alahady maneran-tany.

Izay rehetra te hiaraka aminay haneho fankasitrahana ho an’ireo rahalahy sy rahavavy ireo noho ny asa fanompoana nataony sy ny fanolorantena nananany izay niavaka, dia aoka haneho izany.

Asaina isika hanohana ireto manaraka ireto ho mpikambana vaovao ao amin’ny Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy: Chi Hong (Sam) Wong sy Jörg Klebingat, ary ho mpikambana vaovao ao amin’ny Kôlejy Faharoa ao amin’ny Fitopololahy: Larry S. Kacher sy Hugo E. Martinez.

Izay rehetra manohana, aoka haneho izany.

Izay manohitra, aoka haneho torak’izany koa.

Asaina isika hanohana ireto manaraka ireto ho Fitopololahin’ny Vondrom-paritra vaovao: Julio Cesar Acosta, Blake R. Alder, Alain C. Allard, Taiichi Aoba, Carlos F. Arredondo, Vladimir N. Astashov, Jorge T. Becerra, Michael H. Bourne, Romulo V. Cabrera, Jose Claudio F. Campos, Nicolas Castañeda, Walter Chatora, Fook Chuen Zeno Chow, J. Kevin Ence, K. Mark Frost, Mauricio G. Gonzaga, Leonard D. Greer, Jose Isaguirre, Michael R. Jensen, Adolf Johan Johansson, Tae Gul Jung, Wisit Khanakham, Serhii A. Kovalov, Sergio Krasnoselsky, Milan F. Kunz, Bryan R. Larsen, Geraldo Lima, W. Jean-Pierre Lono, Tasara Makasi, Khumbulani Mdletshe, Dale H. Munk, Eduardo A. Norambuena, Yutaka Onda, Raimundo Pacheco De Pinho, Marco Antonio Rais, Steven K. Randall, R. Scott Runia, Alexey V. Samaykin, Edwin A. Sexton, Raul H. Spitale, Carlos Walter Treviño, ary Juan A. Urra.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy.

Asaina isika hanohana an’i Tad R. Callister mba ho filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany, miaraka amin’i John S. Tanner ho mpanolotsaina voalohany ary i Devin G. Durrant ho mpanolotsaina faharoa.

Ireo izay manohana aoka haneho izany.

Izay manohitra dia afaka maneho izany koa.

Marihina fa i John S. Tanner sy i Devin G. Durrant dia samy filohan’ny misiona amin’izao fotoana izao ka noho izany dia tsy manatrika eto amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonambe.

Hanomboka ny asa fanompoana amin’ny fomba ôfisialy ao amin’ny fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany izy ireo aorian’ny fisaorana azy ireo amin’ny volana Jolay 2014.

Asaina isika hanohana ireo Manampahefana Ambony hafa rehetra, sy ireo Fitopololahin’ny Vondrom-paritra ary ireo fiadidian’ny vondrona mpanampy izay misy ankehitriny.

Ireo izay manohana, dia aoka haneho izany.

Izay manohitra dia afaka maneho izany.

Misaotra ry rahalahy sy rahavavy noho ny fanohananareo sy ny finoana maharitra asehonareo ary ny vavaka tsy tapaka ataonareo ho anay.

Asaintsika ireo izay vao nantsoina ho Manampahefana Ambony handroso haka ny toerany ety amin’ny lampihazo.