2010–2019
Ilay Fijoroana ho Vavolombelona
Aprily 2014


Ilay Fijoroana ho Vavolombelona

Sary

Maniry ny hizara aminareo ireo fahamarinana izay manan-danja indrindra ka tokony ho fantarina ireo aho.

Ny fotoan’ny ady sy ny fisafotofotoan-tsaina dia mampitombo ny fifantohantsika amin’ireo zavatra izay tena manan-danja.

Fotoana nisehoan’ny fisafotofotoana lehibe ara-panahy ho ahy ny Ady Lehibe Faharoa. Nandao ny trano fonenako tao Brigham City, Utah aho, niaraka tamin’ny ampahana fijoroana ho vavolombelona kely fotsiny ary nahatsapa fa nila zavatra mihoatra noho izany. Tao anatin’ny herinandro vitsy fotsiny dia saika efa tany an-dalana ho any amin’ny sahan’ny ady daholo izahay rehetra tao amin’ny sokajy zokiny. Rehefa nitoby teo amin’ny nosy Ie Shima izahay, tao avaratr’i Okinawa any Japon, dia nitolona tamin’ny ahiahy sy ny tsy fahatokian-tena aho. Naniry hanana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara an’ny tenako manokana aho. Te hahafantatra aho!

Nandritra ny alina iray tsy nahitako tory dia nandao ny laiko aho ary niditra tao amin’ny toeram-piafenana iray, izay namboarina tamin’ny fandaharana barikan-dasantsy 190 litatra nofenoina fasika ary natao nifanaingina mba hanamboarana toerana iray mifefy. Tsy nisy tafo ilay izy ka dia nandady nankao aho, nijery ilay lanitra rakotra kintana, ary nandohalika nivavaka.

Rehefa akaiky hisasaka ny vavaka nataoko dia nitranga ilay izy. Tsy afaka mamariparitra aminareo ny zava-nitranga aho raha te hitantara izany aminareo. Tsy haiko ny milaza azy araka ny tena izy saingy mazava kosa ilay izy androany tahaka ny tamin’io alina io, efa maherin’ny 65 taona lasa izay. Fantatro fa zava-niseho tena tsiambaratelo sy an’ny tena manokana izany. Nahafantatra avy amin’ny tenako manokana ihany aho tamin’ny farany. Azoko antoka fa nahafantatra aho satria nomena ahy izany. Rehefa afaka fotoana fohy dia nandady nivoaka ilay toeram-piafenana aho dia nandeha, na toy ny nanidintsidina niverina tany am-pandriako. Lany tamin’ny fahatsapako fifaliana sy fitalanjonana ny sisa tamin’ilay alina.

Tsy nieritreritra ny tenako mihitsy aho hoe olona niavaka, fa nieritreritra kosa hoe raha tonga tamiko ny zavatra toy izany dia afaka ny ho tonga amin’ny olona rehetra ihany koa na iza io na iza. Mbola mino an’izany aho. Nandritra ireo taona taorian’izany dia nahatakatra aho fa sady hazavana harahina ny zavatra iainana toy izany no enta-mavesatra holanjaina.

Maniry ny hizara aminareo ireo fahamarinana izay manan-danja indrindra ka tokony ho fantarina ireo aho, ireo zavatra nianarako sy niainako tao anatin’ny efa ho 90 taona teo amin’ny fiainako ary 50 taona mahery tamin’ny naha-Manampahefana Ambony ahy. Anisan’ireo sokajin-javatra tsy azo ampianarina kanefa azo ianarana ny ankamaroan’ny zavatra fantatro.

Tahaka ny ankamaroan’ireo zavatra sarobidy, ny fahalalana izay manana lanja mandrakizay dia tsy tonga raha tsy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fisaintsainana ataon’ny tena manokana. Rehefa ampiarahana amin’ny fifadian-kanina sy ny fandalinana soratra masina ireo roa ireo dia hanasa ireo fahatsapana sy fanambarana ary ny bitsiky ny Fanahy Masina. Izany no manome antsika torolalana avy any an-danitra rehefa mianatra fitsipika anampy fitsipika isika.

Ireo fanambarana dia mampanantena fa “Na toy inona na toy inona ny faharanitan-tsaina tratrantsika eto amin’ izao fiainana izao, dia hiara-hitsangana amintsika izany amin’ ny fitsanganana amin’ ny maty” ary koa hoe “fahalalana sy faharanitan-tsaina [no azo] … amin’ny alalan’ny fahazotoa[na] sy ny fankatoava[na]” (F&F 130:18–19).

Fahamarinana mandrakizay iray izay nanjary fantatro ny hoe velona Andriamanitra. Raintsika Izy. Zanany isika. “Mino an’Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay isika, ary mino an’i Jesoa Kristy Zanany sy ny Fanahy Masina” (Fanekem-pinoana 1:1).

Nisafidy ny ho antsoina hoe “Ray” Izy tao anatin’ireo anarana rehetra azony nampiasaina. Ny Mpamonjy dia nandidy hoe “Koa amin’izany mivavaha toy izao hianareo: Rainay izay any an-danitra” (3 Nefia 13:9; jereo ihany koa ny Matio 6:9). Lesona ho an’ny rehetra ny nampiasany ny anarana hoe “Ray” ao anatin’ny fiezahantsika mba hahatakatra ny zavatra manan-danja indrindra eto amin’ity fiainana ity.

Tombontsoa masina ny maha-ray aman-dreny, ary miankina amin’ny fahatokiana ny hahatongavan’izany ho fitahiana mandrakizay. Ny tanjona tsara indrindra amin’ireo zavatra rehetra atao ao amin’ny Fiangonana dia ny hahasambatra ny lehilahy iray miaraka amin’ny vadiny sy ny zanak’izy ireo ao an-tokantrano.

Ireo izay tsy manambady na ireo izay tsy afaka mahazo zanaka dia tsy voahilika amin’ny fahazoana ireo fitahiana mandrakizay izay katsahan’izy ireo, fa mbola tsy afaka mahazo izany fotsiny izy ireo aloha amin’izao fotoana izao. Tsy fantatsika foana akory ny fomba sy ny fotoana hahatongavan’ireo fitahiana, fa ny fampanantenana ny fitomboana mandrakizay dia tsy ho lavina amin’ny olona iray mahatoky izay manao fanekempihavanana masina sy mitandrina izany.

Ny fanirianareo lalina miafina sy ny fitalahoanareo amin-dranomaso dia hahakasika ny fon’ny Ray sy ny Zanaka. Hahazo fanomezan-toky manokana avy amin’izy ireo ianareo fa ho feno ny fiainanareo ary tsy hisy ho very ny fitahiana tena ilaina.

Amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo ahy, izay miasa ao amin’ny anjara fanompoana izay nanendrena ahy, dia mampanantena ireo olona izay ao anatin’ny toe-javatra toy izany aho fa tsy hisy zavatra tena ilaina amin’ny famonjena sy ny fisandratanareo ka tsy homena anareo amin’ny fotoany. Hofenoina ireo sandry izay tsy mana-namana hofihinina amin’izao fotoana izao, ary hositranina ireo fo maratra noho ny nofinofy tsy tanteraka sy ny faniriana lalina.

Fahamarinana iray hafa izay lasa fantatro ny hoe tena misy ny Fanahy Masina. Mpikambana fahatelo ao amin’ny hoe Andriamanitra Izy. Ny mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana no asa nanirahana Azy. Miseho amin’ny fomba maro Izy, ao anatin’izany ny fahatsapana fiadanana sy fahatokiana. Afaka mitondra fampiononana sy fitarihana ary fanitsiana ihany koa Izy rehefa ilaina. Ny fananana ny Fanahy Masina ho namana dia voatazona mandritra ny androm-piainantsika amin’ny alalan’ny fiainana amim-pahamarinana.

Ny fanomezana ny Fanahy Masina dia omena amin’ny alalan’ny ôrdônansy iray an’ny Filazantsara. Mametraka ny tanany eo ambony lohan’ny mpikambana vaovao iray ao amin’ny Fiangonana ny olona iray manana fahefana ary manonona teny toy izao: “Raiso ny Fanahy Masina.”

Raha ity ôrdônansy ity samirery dia tsy manova antsika amin’ny fomba miavaka, fa rehefa mihaino sy manaraka ireo bitsika isika dia handray ny fitahian’ny Fanahy Masina. Ny zanakalahy sy zanakavavy tsirairain’ny Raintsika any an-danitra dia afaka mahafantatra ny fahamarinan’ny fampanantenana nataon’i Môrônia manao hoe: “Ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra” (Môrônia 10:5; nampiana fanamafisana).

Ny fahamarinana masina iray avy amin’Andriamanitra izay azoko teo amin’ny fiainako dia ny fijoroana ho vavolombelona nananako momba an’i Jesoa Kristy Tompo.

Ny tena manan-danja sady manohana antsika amin’izay ataontsika rehetra, izay mifototra amin’ireo fanambarana, dia ny anaran’ny Tompo izay fahefana hanaovantsika asa ao amin’ny Fiangonana. Ny vavaka rehetra atao, na izay ataon’ny ankizy madinika aza, dia mifarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Ny fitahiana rehetra, ny ôrdônansy tsirairay, ny fanendrena tsirairay, ary ny asa ôfisialy tsirairay atao ao dia atao amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Fiangonany ity ary mitondra ny anarany izany—Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (jereo ny F&F 115:4).

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia misy ilay zava-nitranga lehibe izay nahitana fa “nivavaka tamin’ny Ray tamin’ny anaran’ [ny Tompo]” ireo Nefita ka niseho tamin’izy ireo i Jesoa ka nanontany hoe:

“Inona no tianareo homeko anareo?

“Ary hoy ireo Taminy: Tompo ô, mba tianay ny hilazanao aminay ny anarana izay hiantsoanay ity fiangonana ity; fa misy fifanjihirana eo anivon’ny vahoaka momba izany zavatra izany.

“Ary hoy ny Tompo taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, nahoana ny vahoaka no mimonomonona sy mifanjihitra noho izany zavatra izany?

“Tsy efa novakiany va ny soratra masina, izay milaza fa ianareo dia tsy maintsy mitondra eo aminareo ny anaran’ i Kristy, dia ny anarako? Fa amin’ izany anarana izany no hiantsoana anareo amin’ ny andro farany;

“Ary na zovy na zovy no mitondra eo aminy ny anarako sy maharitra hatramin’ ny farany dia izy no hovonjena. …

“Koa, na inona na inona hataonareo, dia hataonareo amin’ ny anarako izany; koa, hantsoinareo amin’ ny anarako ny fiangonana; ary hantsoinareo amin’ ny anarako ny Ray mba hitahiany ny fiangonana noho ny Amiko” (3 Nefia 27:2–7).

Ny anarany tokoa izany, dia i Jesoa Kristy, “fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena” (Asan’ny Apostoly 4:12).

Fantatsika ato amin’ny Fiangonana hoe iza Izy: i Jesoa Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra. Izy no Ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray. Izy no ilay novonoina ary Izy no ilay velona indray. Izy no mpisolovava antsika eo amin’ny Ray. “Tsarovy, tsarovy fa eo amin’ ny vatolampin’ ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorena[ntsika] ny fotoa[ntsika]” (Helamàna 5:12). Izy no ilay vatofantsika mihazona antsika sy miaro antsika sy ny fianakaviantsika ao anatin’ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana.

Isaky ny Alahady manerana izao tontolo izao, izay hivorian’ny mpikambana any amin’ny firenena rehetra na ny fiteny rehetra, dia tsofina rano amin’ny teny mitovy ny fanasan’ny Tompo. Mitondra eo amintsika ny anaran’i Kristy isika ary mahatsiaro Azy mandrakariva. Misoratra eny amintsika izany.

Nanambara ny mpaminany Nefia hoe: “Ary miresaka an’ i Kristy isika, mifaly amin’ i Kristy, mitory an’ i Kristy, maminany ny amin’ i Kristy, ary manoratra araka ny faminaniantsika mba hahafantaran’ ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany” (2 Nefia 25:26).

Tokony hahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tenantsika manokana momba an’i Jesoa Kristy Tompo ny tsirairay amintsika. Dia mizara izany fijoroana ho vavolombelona izany amin’ny fianakaviantsika sy ny hafa isika avy eo.

Ao anatin’izany rehetra izany dia aoka isika tsy hanadino fa misy fahavalo izay mikatsaka manokana ny hanimba ny asan’ny Tompo. Tsy maintsy misafidy izay harahantsika isika. Ny fahazoantsika fiarovana dia tsotra ihany, tahaka ny fanapahan-kevitry ny tena manokana hanaraka ny Mpamonjy ary ny fanaovana izay hahazoana antoka fa hijanona amim-pahatokiana eo akaikiny isika.

Noraketin’i Jaona ao amin’ny Testamenta vaovao fa misy ireo izay tsy afaka nanolo-tena ho an’ny Mpamonjy sy ny fampianarany, ka “hatramin’izany dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony.

“Dia hoy Jesosy tamin’ny roa ambin’ny folo lahy: Hianareo koa va mba hiala?

“Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.

“Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’Andriamanitra” (Jaona 6:66–69).

Nahazo ilay zavatra izay azon’ny mpanara-dia tsirairay ny Mpamonjy ianarana i Petera. Rehefa mahafoy tena amim-pahatokiana ho an’i Jesoa Kristy isika dia manaiky Azy ho toy ny Mpanavotra antsika ary manao izay rehetra azontsika atao mba hiaina ny fampianarany.

Taorian’ireo taona maro niainako sy nampianarako ary nanompoako, taorian’ireo dia an-tapitrisany kilaometatra nitetezako izao tontolo izao, miaraka amin’ireo zavatra rehetra niainako dia misy fahamarinana lehibe iray mba tiako hozaraina. Ny fijoroako ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy izany.

Nanoratra izao manaraka izao i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon taorian’ny zava-masina iray niainan’izy ireo:

“Ary ankehitriny, aorian’ireo teny vavolombelona maro izay efa natao momba Azy, dia inty ny tenivavolombelona, ny farany amin’ny rehetra, izay ataonay momba Azy: Fa velona Izy!

“Fa hitanay Izy” (F&F 76:22–23).

Ny tenin’izy ireo no teniko.

Mino aho ary azoko antoka fa i Jesoa no Kristy, Zanak’Andriamanitra ary velona Izy. Izy no Ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray ary “tamin’ny alalany sy tao Aminy ary avy Aminy no ary sy nahariana ireo tontolo, ary ny mponina eo aminy dia ateraka ho zanakalahy sy zanakavavy ho an’Andriamanitra” (F&F 76:24).

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona ny Mpamonjy. Fantatro ny Tompo. Vavolombelony aho. Mahafantatra ny amin’ny sorona lehibe nataony aho sy ny fitiavana mandrakizay ananany ho an’ny zanaky ny Ray any an-danitra rehetra. Mizara ny fijoroako ho vavolombelona manokana amin’ny fanetren-tena feno aho kanefa amim-pahatokian-tena tanteraka, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.