2010–2019
Mandra-pihaonantsika indray
Aprily 2014


Mandra-pihaonantsika indray

Sary

Enga anie ny Fanahy tsapantsika nandritra izay roa andro lasa izay hiaraka sy hitoetra lalandava ao amintsika rehefa handeha hiatrika ireo zavatra sahanintsika isan’andro isika.

Ry rahalahy sy ranabavy, tena nahafinaritra ity fihaonambe ity. Voky sakafo ara-panahy isika rehefa nihaino ireo teny manentana ny fanahy nataon’ireo lehilahy sy vehivavy niteny tamintsika. Tena tsara dia tsara ny hira ary ireo hafatra dia nomanina sy nozaraina tamin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy Masina ary nampanakaiky antsika tamin’ny lanitra ireo vavaka natao. Nahazo fahazavan-tsaina amam-panahy tamin’ny fomba maro isika rehefa niara-nandray anjara.

Manantena aho fa hanokana fotoana hamakina ireo hafatra nandritra ny fihaonambe isika rehefa hita ao amin’ny LDS.org izany afaka andro vitsivitsy aorian’izany sy hivoaka ao amin’ny laharan’ny gazetiboky Ensign sy Liahona manaraka izany, satria mendrika ny hovakina sy hohalalinina tsara izy ireo.

Fantatro fa ianareo koa dia te hiaraka amiko haneho fankasitrahana lalina an’ireo rahalahy sy rahavavy izay nisaorana nandritra ity fihaonambe ity. Nanompo tsara izy ireo ary nitondra anjara biriky lehibe tao anatin’ny asan’ny Tompo. Nanompo tamim-panoloran-tena tanteraka tokoa izy ireo.

Nanohana tamin’ny alalan’ny fananganana tanana an’ireo rahalahy izay nantsoina hiantsoroka andraikitra vaovao koa isika. Miarahaba azy ireo isika ary tianay ho fantatr’izy ireo fa tsindrindaona ny hiaraka hanompo amin’izy ireo ao anatin’ity asan’ny Tompo ity izahay.

Enga anie isika ka hanapa-kevitra ny hanao zavatra tsara kokoa noho izay nataontsika teo aloha rehefa misaintsaina ireto hafatra henontsika ireto. Aoka isika mba haneho hatsaram-panahy sy fitiavana an’ireo izay tsy mitovy finoana sy fitsipika amintsika. Nitondra hafatra mifono fitiavana ho an’ny lehilahy sy vehivavy rehetra eto an-tany ny Mpamonjy. Aoka isika hanaraka lalandava ny ohatra nasehony.

Miatrika olana goavana maro isika eto amin’izao tontolo izao ankehitriny, kanefa te hanome toky anareo aho fa mieritreritra antsika ny Raintsika any an-danitra. Hitarika sy hitahy antsika Izy rehefa mametraka ny finoantsika sy ny fitokisantsika eo Aminy isika ary hanampy antsika ao anatin’izay mety ho olana atrehantsika Izy.

Enga anie hirotsaka aminareo ireo fitahian’ny lanitra. Enga anie ny tokantranontsika ka ho feno fitiavana sy fifanajana ary ho feno ny Fanahin’ny Tompo. Enga anie isika hikolokolo tsy tapaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny filazantsara ka mba ho fiarovana antsika amin’ireo fampijalian’ny fahavalo izany. Enga anie ny Fanahy tsapantsika nandritra izay roa andro lasa izay hiaraka sy hitoetra lalandava ao amintsika rehefa handeha hiatrika ireo zavatra sahanintsika isan’andro isika, ary enga anie isika ka ho hita lalandava ao anatin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa marina ity asa ity ary velona ny Mpamonjy antsika. Mitarika sy mitantana ny Fiangonany eto ambonin’ny tany Izy. Apetrako aminareo ny fijoroana ho vavolombelona ananako fa velona sy tia antsika Andriamanitra ilay Raintsika Mandrakizay. Tena Raintsika tokoa Izy. Manana toetra mampiavaka Azy manokana Izy ary tena misy. Enga anie isika hahatsapa ny fahavononany hanakaiky antsika sy hanampy antsika ary hahatsapa ny halehiben’ny fitiavany antsika.

Andriamanitra anie hitahy anareo ry rahalahy sy ranabavy. Enga anie ilay fiadanana nampanantenainy hiaraka aminareo lalandava.

Mametraka ny veloma aminareo aho mandra-pihaonantsika indray afaka enim-bolana, ary izany dia ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy ilay Tompontsika sy Mpamonjy antsika, amena.