2010–2019
Mitady: Tanana sy Fo Vonona Hanafaingana ny Asa
Aprily 2014


Mitady: Tanana sy Fo Vonona Hanafaingana ny Asa

Sary

Afaka manolotra tanana mba hanampy sy fo mba hanafaingana ity asa mahagaga an’ny Ray any an-danitra ity isika.

Ry rahavavy, tena tianay ianareo! Rehefa nijery ilay horonan-tsary teo isika dia moa ve mba nahita ny tananareo manokana nanampy olona iray teny amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana ianareo? Nieritreritra an’ilay ankizivavy kely iray ao amin’ny Kilonga nantsoina hoe Brynn aho izay tsy nanana afa-tsy tanana iray nefa nampiasa izany tanana izany mba hoentina hitahiana ny fianakaviany sy ny namany—Olomasin’ny Andro Farany sy avy amin’ny finoana hafa. Tsy hitanareo hoe mahafatifaty ve izy? Dia mahafatifaty koa ianareo! Ry rahavavy afaka manolotra tanana mba hanampy sy fo mba hanafaingana ity asa mahagaga an’ny Ray any an-danitra ity isika.

Fantatr’i Brynn hoe zanakavavin’Andriamanitra izy toy ny nahafantaran’ireo rahavavintsika mahatoky hita ao amin’ny soratra masina izany koa, tahaka an’i Eva, i Saray, i Maria ary ireo maro hafa.1 Isika koa dia afaka mahafantatra momba ny lova masina nomena antsika amin’ny maha-zanakavavin’Andriamanitra antsika sy ny asa manan-danja izay tiany hampanaovina antsika.

Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.”2 Inona no tokony ho fantatsika sy hataontsika “mba hiarahana miaina aminy indray andro any”?3 Afaka mianatra avy amin’ny tantaran’ilay tovolahy mpanankarena izay nanontany an’i Jesoa ny zavatra tokony hataony mba hahazoana ny fiainana mandrakizay isika.

Hoy i Jesoa taminy: “Raha te-hiditra any amin’ny fiainana hianao, tandremo ny didy.”

Nanontany Azy ilay tovolahy hoe inona avy izy ireo. Dia nampahatsiahivin’i Jesoa azy ny maro tamin’ireo Didy Folo izay efa fantatsika.

Namaly ilay tovolahy hoe: “Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no mbola tsy mahatanteraka ahy?”

Hoy i Jesoa taminy: “Raha tia ho tanteraka hianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy.”4

Niantso azy mba handray anjara amin’ny asany i Jesoa—asan’ny mpianatra iray. Mitovy amin’izany ny asa ataontsika. Ilaintsika ny “[m]amoy ny zavatr’izao tontolo izao, … [ary] [m]ifikitra amin’ny fanekempihavanan[tsika],”5 sy manatona an’i Kristy ary manaraka Azy. Izany no ataon’ny mpianatra!

Ankehitriny ry rahavavy dia aoka isika tsy hanomboka hanome tsiny ny tenantsika momba ny fivoarantsika noho ny filazan’ny Mpamonjy tamin’ilay tovolahy hoe tokony ho tanteraka izy. Ny teny hoe tanteraka ato amin’ity tantara ity dia nadika avy amin’ny teny Grika izay midika hoe “feno.” Rehefa miezaka ny manao izay tsara indrindra vitantsika isika mba handrosoana hatrany eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia lasa feno kokoa sy tanteraka eto amin’ity fiainana ity.

Indraindray isika tratran’ny fakam-panahy hilavo lefona na hiverin-dalana toy io zatovolahy mpanankarena tamin’ny andron’i Jesoa io satria mihevitra angamba isika fa tsy ho vitantsika irery izany. Ary marina ny antsika! Tsy afaka hanao ireo zavatra sarotra nangatahina mba hataontsika isika raha tsy misy fanampiana. Ny fanampiana dia tonga amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fitarihan’ny Fanahy Masina ary ny fanoloran-tanan’ny hafa.

Nijoro ho vavolombelona vao haingana ny rahavavy mpitovo mahatoky iray fa nahazo hery tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana izy mba hampiasa ireo tanany enti-manampy sy fo feno fahavononana hitaizana ireo zaza efatra izay zanaky ny rahavaviny matin’ny homamiadana. Nampahatsiahy ahy zavatra iray nolazain’ny Loholona Neal A. Maxwell izany manao hoe: “Efa vita daholo ny zavatra mora rehetra tokony nataon’ny Fiangonana. Fa manomboka izao amin’izay dia ho henjana sy hampientanentana kokoa ny fanaovana ny asa ary hotsapaina amin’ny fomba mahavariana ny fankatoavana.”6 Nalefa ety ambonin’ny tany amin’izao fotoampitantanana izao ianao noho ny maha-ianao anao sy noho ny zavatra nomanina mba hataonao! Na inona na inona zavatra ataon’i Satana mba handresena lahatra antsika hieritreritra hoe iza moa isika, dia mpianatr’i Jesoa Kristy ihany isika no tena marina!

Mpianatra marina i Môrmôna izay niaina tao anatin’ny vanim-potoana nahitana fa “nihamafy ny fo tsirairay, … ary tsy nisy na oviana na oviana faharatsiana lehibe tokoa toy izay nisy teo anivon’ity vahoaka ity teo anivon’ny zanak’i Lehia rehetra.”7 Ho tianao ve ny niaina tao anatin’izany vanimpotoana izany? Kanefa i Môrmôna dia nanambara tamim-pahasahiana hoe: “Indro, Izaho dia mpianatr’i Jesoa Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra.”8

Tsy hitanao hoe mendrika ny hotiavina ve i Môrmôna? Fantany hoe iza izy ary inona ny asa nanirahana azy ary tsy mba varimbariana tamin’ny ratsy nanodidina azy izy. Raha ny marina dia noraisiny ho toy ny fanomezana ny antsony.9

Eritreritreto hoe tena ho fitahiana lehibe izany voantso hanolotra ho an’ny Tompo ilay fanomezana ahitana ny maha-mpianatra isan’andro antsika izany ka hanambara amin’ny alalan’ny teny sy ny asa hoe: “Izaho dia mpianatr’i Jesoa Kristy!”

Tiako ilay tantara notantarain’ny Filoha Boyd K. Packer momba ny rahavavy malala iray izay nihomehezana noho ny fanarahany ny torohevitry ny mpaminany mba hitahiry sakafo. Ilay anankiray nitsikera dia nilaza hoe rehefa tonga ny andro sarotra dia hangataka azy ny mpitarika azy mba hizara amin’ny hafa ny sakafo notehiriziny. Ny valinteny tsotra sy feno fahasahiana nomeny amin’ny maha-mpianatra marina azy kosa dia hoe: “Mba manan-javatra hoentina aho farafaharatsiny.”10

Tiako ny vehivavin’ny Fiangonana na ny tanora na ny olon-dehibe. Hitako ny hery anananareo. Hitako ny finoana anananareo. Manan-javatra omena ianareo ary vonona ny hanome izany. Tsy ataonareo amin’ny fomba feno fisehosehoana sy amin’ny fomba manakoako izany fa ilay Andriamanitra ivavahanareo no asongadinareo fa tsy ny tenanareo ary tsy mieritreritra izay zavatra ho azonareo ianareo.11 Izany no ataon’ny mpianatra!

Nihaona tamin’ny zatovovavy iray tany Philippines aho vao haingana. Lasa mpikambana malaina tao amin’ny Fiangonana ny fianakaviany raha vao 7 taona monja izy ka dia navelan’izy ireo handeha irery nankany am-piangonana tamin’ny fandehanana amin’ny lalana iray mampidi-doza izy tao anatin’ny herinandro nifandimby. Nilaza izy fa tamin’ny faha-14 taonany dia nanapa-kevitra fa hanaja ny fanekempihavanany mba ho mendrika ny hanorina ilay fianakaviany any aoriana ao anatin’ny tokantrano iray “voatahin’ny herin’ny fisoronana.”12 Ny fomba tsara indrindra hanamafisana orina ny tokantrano misy anao amin’izao fotoana izao sy izay haorinao any aoriana dia ny fanajana ireo fanekempihavanana sy fampanantenana nifanaovanareo sy nifanaovana tamin’Andriamanitra.

Izany no ataon’ny mpianatra!

Nisy rahavavy Japoney mahatoky iray nitsidika ny misiona nisy anay tany Kôre niaraka tamin’ny vadiny. Tsy nahay ny fiteny Koreana izy ary nahay teny Anglisy kely fotsiny saingy nanana fo vonona izy mba hampiasa ireo fanomezam-pahasoavana miavaka nananany sy ireo tanany enti-manampy mba hanaovana ny asan’ny Tompo. Izany no ataon’ny mpianatra! Nampianatra ireo misiôneranay ny fomba famoriporetana taratasy hanana endri-javatra amin’ny fomba tsotra izy—vava iray izay afaka misokatra sy mihidy. Dia nampiasa ireo teny vitsivitsy amin’ny teny Anglisy izay fantany izy mba hampianarana ny misiônera “hanokatra ny vavany” mba hizara ny filazantsara—lesona iray tsy hohadinoiko sy tsy hohadinoin’izy ireo velively.

Alaivo sary an-tsaina iray minitra hoe izaho sy ianao mijoro miaraka amin’ireo rahavavy sy rahalahy an-tapitrisany maro hafa ao amin’ny Fiangonany, ka mandroso amim-pahasahiana manao ny zavatra ataon’ny mpianatra—manompo sy mitia toy ny Mpamonjy. Inona no dikan’ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy ho anao?

Aron’akanjo sy ambonin’akanjo misy soratra hoe Môrmôna Manome Tanana no nanaovan’ireo mpianatra mahafoy tena an’i Jesoa Kristy an’arivorivony izay nandray anjara tamin’ilay tombontsoa nomena mba hanaovana asa fanompoana ara-nofo. Saingy misy fomba hafa koa ahafahana manompo amin’ny maha-mpianatra mahafoy tena. Alaivo sary an-tsaina miaraka amiko ireo takela-javatra ara-panahy azo heverina, izay misy soratra hoe “fanampiana tadiavina” ka mifandray amin’ny asa famonjena:

  • Fanampiana tadiavina: ray aman-dreny mitaiza ny zanany ao anatin’ny fahazavana sy fahamarinana

  • Fanampiana tadiavina: zanakavavy sy zanakalahy, rahavavy sy anadahy, nenitoa sy dadatoa, zanaky ny mpiray tampo, ray aman-drenibe ary tena namana mpanoro hevitra sy manolotra tanana enti-manampy eny amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana

  • Fanampiana tadiavina: ireo izay mihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina sy manao asa mifanaraka amin’ireo fahatsapana azony

  • Fanampiana tadiavina: ireo izay miaina ny filazantsara isan’andro amin’ny fomba madinika sy tsotra

  • Fanampiana tadiavina: olona manao asa momba ny tantaram-pianakaviana sy manao asan’ny tempoly mba hampiraisana ny fianakaviana mandrakizay

  • Fanampiana tadiavina: misiônera sy mpikambana hampiely ny “vaovao mahafaly”—ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

  • Fanampiana tadiavina: mpanavotra natao mba hitady ireo izay very

  • Fanampiana tadiavina: mpitandrina fanekempihavanana izay mijoro mafy amin’ny fahamarinana

  • Fanampiana tadiavina: mpianatra marin’i Jesoa Kristy Tompo

Taona maro lasa izay dia nanao antso avo tamin’ireo rahavavin’ny Fiangonana ny Loholona M. Russell Ballard hoe:

“Manomboka izao ary mandra-piverin’ny Tompo indray dia mila ny vehivavy ao anatin’ny fianakaviana, ny paroasy, ny fiaraha-monina ary ny firenena rehetra Izy mba handroso amim-pahamarinana ka hilaza amin’ny alalan’ny teniny sy ny asany hoe: ‘inty aho, iraho aho.’

“Ny fanontaniako dia hoe: ‘Moa ve ianao ho anisan’ny iray amin’ireo vehivavy ireo?’”13

Manantena aho fa ho afaka ny hamaly hoe “Eny!” mazava tsara isika tsirairay. Hofaranako amin’ny alalan’ny tonon’ny hiran’ny Kilonga anankiray ny teniko:

[Zanakavavin’ny] fanekempihavanana isika izay manana fanomezana atolotra.

Hampianatra ny filazantsara amin’ny alalan’ny fomba fiainantsika isika.

Hijoro ho vavolombelona toy izao isika amin’ny alalan’ny teny tsirairay lazaina sy ny asa tsirairay atao:

Mino sy manompo an’i Jesoa Kristy izahay.14

Amin’ny maha-mpianatra marina antsika dia enga anie isika ka hanolotra ny fontsika feno fahavononana sy ny tanantsika enti-manampy mba hanafainganana ny asany. Tsy maninona na dia tanana iray fotsiny toa ny an’i Brynn aza no ananantsika. Tsy maninona raha toa isika ka tsy mbola tanteraka sy feno. Mpianatra mahafoy tena isika, izay mifanolo-tanana sy mifanampy eny amin’ilay lalana. Ny maha-mpirahavavy antsika dia nivelatra tao anatin’ny taranaka maro nifandimby ka mipaka hatrany amin’ireo rahavavintsika mahatoky izay efa nandia ny lalana mialoha antsika. Amin’ny maha-mpirahavavy sy ao anatin’ny fiarahana amin’ireo mpaminany velona, mpahita ary mpanambara ary miaraka amin’ireo fanalahidin’ny fisoronana naverina tamin’ny laoniny dia afaka miaraka mandeha toy ny iray ihany isika, amin’ny maha-mpianatra sy mpanompo miaraka amin’ny fo sy tanana feno fahavononana mba hanafaingana ny asa famonjena. Ho lasa hitovy amin’ny Mpamonjy isika rehefa manao izany. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.