2010–2019
Tonga soa eto amin’ny Fihaonambe
Aprily 2014


Tonga soa eto amin’ny Fihaonambe

Sary

Miray fo ao anatin’ny finoantsika sy ny faniriantsika hihaino ny hafatra hozaraina amintsika [isika] ka hianatra avy amin’izany.

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, tena faly aho miarahaba anareo tonga soa ato anatin’ity Fihaonamben’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany maneran-tany ity. Tafavory toy ny fianakaviana lehibe iray isika izay miisa 15 tapitrisa mahery, ary miray fo ao anatin’ny finoantsika sy ny faniriantsika hihaino ny hafatra hozaraina amintsika ka hianatra avy amin’izany.

Nandeha haingana dia haingana tokoa izay enim-bolana lasa izay rehefa nandeha tsara tsy nahitana sakantsakana ny fanatanterahana ny asan’ny Fiangonana. Tombontsoa lehibe ho ahy vao iray volana lasa izay ny nitokana ny Tempolin’i Gilbert Arizona izay trano tena tsara tarehy. Ny hariva talohan’ny fitokanana dia nisy fampisehoana ara-kolontsaina natao teo akaikikaikin’i Discovery Park. Tanora niisa roa arivo sy iray alina no nanao fampisehoana nandritra ny 90 minitra. Tena niavaka ny fampisehoana dihy ary ny hira sy mozika.

Nianjadian’ny hain-tany tokoa iny faritra iny ary maro ny vavaka nalefa tany an-danitra araka ny eritreritro tao anatin’ny herinandro maro talohan’izany mba hangatahana orana izay tena ilaina tokoa. Indrisy fa tena tonga talohan’ny fampisehoana izany ary nijohy nandritra ilay seho manontolo! Samy nahatsapa ny Fanahin’ny Tompo izahay rehetra na dia kotsa tanteraka sy tratran’ny hatsiaka tampoka aza ireo tanora noho ilay mari-pana lasa nangatsiatsiaka. Tafavoaka tsara tamin’ny alalan’ireo tovolahy sy tovovavy feno tsiky sy fientanentanana ilay lohahevitry ny fampisehoana hoe: “Aoka ianao hiaina ao anatin’ny fifikirana amin’ny finoana”—hevero anie izany hoe “Aoka ianao hiaina ao anatin’ny fifikirana amin’ny finoana.” Na dia teo aza ny hatsiaka sy ny orana dia ho toe-javatra niainana nampitombo finoana sy nanentana ny fanahy izay hotehirizin’ireo tanora ireo ao am-pony rahatrizay izany ary hotantarainy amin’ny zanany sy ny zafikeliny ao anatin’ireo taona ho avy atsy ho atsy.

Notanterahina ny ampitson’izany ny fitokanana ny Tempolin’i Gilbert Arizona. Lasa tempoly faha-142 efa miasa ato amin’ny Fiangonana izany. Tsara tsy toy ny hariva omalin’iny ny andro ary nibaliaka ny masoandro. Tena nanentana ny fanahy ireo fotoam-panokanana ny tempoly nifanesy. Nanatrika izany niaraka tamiko ny Filoha Henry B. Eyring, ny Loholona Tad R. Callister sy Rahavavy Callister, ny Loholona William R. Walker sy Rahavavy Walker, ary ny Loholona Kent F. Richards sy Rahavavy Richards.

Hotokanana amin’ny volana Mey ny Tempolin’i Fort Lauderdale Floride. Misy tempoly hafa izay ho vita sy hotokanana aoriandriana kely amin’ity taona ity. Miandrandra ny famitana sy fitokanana tempoly vaovao any amin’ny faritra maro eto amin’izao tontolo izao izahay amin’ny 2015. Hitohy izany dingana izany. Rehefa vita daholo ireo tempoly rehetra nambara teo aloha dia hanana tempoly miasa miisa 170 manerana an’izao tontolo izao isika.

Na dia mampifantoka ny ezaka ataonay amin’ny famitana ireo tempoly nambara teo aloha aza izahay amin’izao fotoana izao ary tsy hanambara fananganana tempoly vaovao ato ho ato, dia hanohy handinika ireo zavatra ilaina sy hitady toerana ho an’ireo tempoly haorina amin’ny ho avy. Ao anatin’ireo fihaonamben’ny Fiangonana amin’ny ho avy izany vao hisy ny fanambarana. Olona mpanangana tempoly sy mpanatrika tempoly isika.

Ankehitriny ry rahalahy sy anabavy dia efa tsindrindaona isika hihaino ireo hafatra izay hozaraina amintsika anio sy rahampitso. Ireo izay hiteny amintsika dia nikatsaka ny fanampiana sy fitarihana avy any ambony teo am-panomanana ny hafatra hozarain’izy ireo.

Enga anie isika—isika rehetra manatrika eto sy any amin’ny toerana hafa—ka ho feno ny Fanahin’ny Tompo ary hahazo fahazavan-tsaina amam-panahy sy fanentanam-panahy rehefa hihaino sy hianatra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, amena.