2010–2019
Inona no Eritreritrao?
Aprily 2014


Inona no Eritreritrao?

Sary

Iangaviako [i]anareo mba hizatra hametraka ity fanontaniana ity miaraka amin’ny fanajana feno ny zavatra iainan’ny hafa, dia ny hoe “Inona no eritreritrao?”

Iraika amby efapolo taona lasa izay dia nihanika teo amin’ny toeram-pamiliana ny fiara vaventy iray manana kodiarana miisa 18 aho niaraka tamin’i Jan, vady malalako sy i Scotty, ilay zanakay lahy mbola zazakely. Nitondra fitaovana fanorenana mavesatra namakivaky faritany maro izahay.

Tamin’izany andro izany dia tsy mbola nisy lalàna mifehy ny fampiasana fehikibo ao anaty fiara na ireo fipetrahana natokana ho an’ny zaza. Notrotroin’ny vadiko ilay zanakay lahy izay sarobidy tokoa. Tokony mba nahatakatra kely ny fahatsapany fahatahorana aho rehefa niteny izy hoe “Tena avo dia avo miala ny tany tokoa anie isika izany e!”

Rehefa nidina namakivaky an’i Donner Pass izay lalana manan-tantara izahay, izay ampahan-dalana mitsotsorika be, dia heniky ny setroka matevina tampoka sy tsy nampoizina ny efitra aloha misy ny mpitondra sy ny mpandeha tao amin’ilay fiara vaventy. Nananosarotra ny fijerena sady zara raha afaka niaina izahay.

Tsy ampy hanenana haingana ny hafainganam-pandeha anefa ny fampiasana fotsiny ny hisatra rehefa mitondra enta-mavesatra ao aoriana. Niezaka mafy nijanona aho tamin’ny alalan’ny fampiasana ny hisatry ny môtera sy ny fanenana ny hafainganam-pandeha.

Raha naka sisin-dalana iny aho, ary talohan’ny nahatafajanona tanteraka ilay fiara dia nanokatra ny varavaran’ilay fiara ny vadiko ka nitsambikina tany ivelany niaraka tamin’ilay zazakelinay teny an-tsandriny. Nijery azy ireo nitrosina teny amin’ny vovoka aho, tsy afaka nanao na inona na inona.

Raha vantany vao nijanona ilay fiara vaventy dia nivoaka haingana ilay efitra feno setroka aho. Nihazakazaka tamim-pientanentanana namakivaky ny vato sy ny bozaka aho ary namihina azy ireo. Naratra sy nandeha rà ny tanana sy ny kihon’i Jan, soa ihany anefa fa samy mbola velonaina izy mianaka. Nofihiniko mafy teo izy mianaka raha iny mbola namovoka iny ny sisin’ilay lalambe.

Rehefa tony aho ka afaka niaina tsara dia niteny mafy tampoka nanao hoe: “Fa inona loatra no tao an-tsainao? Tsy fantatrao angaha fa tena mampidi-doza ny zava-nitranga teo? Mety ho afaka teo ny ainao!”

Nijery ahy izy, niaraka tamin’ny ranomaso nitsotsorika teo amin’ny takolany maintin’ny setroka, ka niteny zavatra izay nanohina ny foko ary mbola manakoako ato an-tsofiko manao hoe “Niezaka nanavotra ny zanatsika fotsiny aho.”

Fantatro tamin’izay fotoana izay fa nieritreritra izy hoe nirehitra ny môtera, ka natahotra sao hipoaka ilay fiara dia ho faty izahay. Fantatro anefa fa olana herinaratra no nitranga—mety hampidi-doza fa tsy mahafaty. Nijery ilay vadiko sarobidy izay nanafosafo moramora ny lohan’ilay zanakay aho sady nanontany tena hoe karazana vehivavy toy ny ahoana loatra no hanao zavatra feno herimpo toy izany.

Mety ho nampidi-doza ara-pihetseham-po tahaka ilay fahasimbana ara-bakitenin’ny môteranay anefa izany toe-javatra nitranga izany. Soa ihany fa taorian’ny fizakana ny tsy fifampitenenana nandritra ny fotoana naharitra rehefa samy nihevitra ny tsirairay taminay fa ilay anankiray no diso, dia naneho ny zavatra tsapanay ihany izahay tamin’ny farany fa nahatonga ny fitroatran’ny fonay. Ny fitia nifamaly sy ny fahatahorana sao misy zavatra hanjo ny anankiray dia nanakana izany toe-javatra mampidi-doza izany tsy hamotika ilay fanambadiana maminay.

Nampitandrina i Paoly nanao hoe: “Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara [ihany] [sy] ho fampandrosoana, … mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana.” (Efesiana 4:29). Maneho karazana fahadiovana ny teniny.

Midika inona aminareo ilay andian-teny hoe “[tsy hisy] teny maloto”? Mazana isika rehetra no ianjadian’ny fahatezerana be—na fahatezeran’ny tenantsika na ny an’ny hafa’. Efa nahita fahatezerana tsy voafehy isika nabaribary ampahibemaso. Efa niaina izany karazana fihetseham-po “mitroatra sy mandratra” izany isika tany amin’ireo hetsika ara-panatanjahan-tena, sy teo amin’ny sehatra ara-pôlitika, ary tao an-tokantranontsika mihitsy aza.

Indraindray ny zanaka manao teny maharary amin’ireo ray aman-dreny malala. Ireo mpivady izay nifampizara ny sasany amin’ireo traikefa tena tsara sy mamy indrindra teo amin’ny fiainana dia lasa tsy mahita ilay lalan-kaleha sy tsy manam-paharetana amin’ny anankiray ka mampiaka-peo. Isika rehetra, na dia zanak’Andriamanitra ao amin’ny fanekempihavanana aza dia efa nanenina tamin’ny fitsaratsarana atao maimaika ary efa samy naneho teny feno haratsiam-panahy isika mialohan’ny nahatakarantsika ny toe-javatra nitranga iray avy tamin’ny fomba fijery hafa. Efa samy nanana fahafahana nianatra isika rehetra fa ireo teny izay manimba dia afaka hamadika ny toe-javatra iray mety hampidi-doza ho tena hitera-pahavoazana.

Nilaza mazava ny taratasy iray vao haingana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany fa “Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mampianatra antsika hitia sy hitondra ny olona rehetra amin-katsaram-panahy sy amim-pahalalam-pomba—na dia tsy mitovy hevitra amin’izy ireo aza isika” (Taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, 10 Jan. 2014). Tena fampahatsiahivana goavana tokoa izany fa afaka mandray anjara sy tokony handray anjara amin’ny fanohizana fifampiresahana feno fahalalam-pomba isika, indrindra rehefa mahita izao tontolo izao amin’ny fomba fijery tsy mitovy amin’ny an’ny hafa.

Manoro hevitra ilay mpanoratra ny Ohabolana manao hoe: “Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana” (Ohabolana 15:1). Ny hoe “famaliana mora” dia mifono valinteny voalanjalanja—teny voafehy avy any amin’ny fo mietry. Tsy midika izany hoe tsy hiresaka mivantana na oviana na oviana isika na hampandefitra ny fahamarinana ara-potopampianarana. Ireo teny izay mety hoe mivantana dia afaka ny ho malefaka ao amin’ny fanahy.

Ahitana ohatra miavaka amin’ny fiteny ifanaovana eo amin’ny sehatry ny tsy fifankahazoana ao anatin’ny fanambadiana ihany koa ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna. Nirahina hiverina any Jerosalema mba haka ireo takela-barahina ireo zanakalahin’i Sarià sy Lehia ka tsy mbola tafaverina. Nino i Sarià fa mety ho niharan-doza izy ireo ary dia feno fahatezerana izy ka nila olona omena tsiny.

Henoy ny tantara araka ny fomba fijerin’i Nefia zanany lahy: “Satria noheverin[’ny reniko] fa maty tany an-tany foana izahay; ary efa naniny an-draiko koa izy ka nilaza taminy fa izy dia olon’ny fahitana, nanao hoe: Indro efa nentinao nandao ny tany lovantsika izahay, ary ny zanako lahy dia tsy eo intsony, ary ho faty aty an-tany foana isika” (1 Nefia 5:2).

Ankehitriny, handeha hosaintsainintsika izay mety ho neritreritin’i Sarià. Feno tebiteby izy momba ny fiverenan’ireo zanany lahy izay tia mifamaly any amin’ny toerana nifofoana ny ain’ny vadiny. Natakalony lay nitoka-monina tany an-tany foana ilay tranony tsara tarehy raha mbola tamin’ny taona mbola afaka niteraka tsara iny izy. Tao anatin’ny fotoan’ny rarin-tsaina goavana nateraky ny tahotra dia toa nitsambikina, tamin-kerimpo na tamin’ny fomba tsy voasaina, niala tao anatin’ilay fiara vaventy nandeha mafy dia mafy i Sarià mba hiarovana ny fianakaviany. Naneho ahiahy ara-drariny tamin’ny vadiny izy tamin’ny fiteny feno fahatezerana sy ahiahy ary fanomezan-tsiny—fiteny izay mahagaga fa toa tena ain’ny olombelona rehetra.

Nohainoin’ny mpaminany Lehia ny tahotra izay loharanon’ny fahatezeram-badiny. Avy eo izy dia nanome valinteny voalanjalanja tamin’ny fiteny feno fangorahana. Voalohany, nanaiky ny fisehon’ny zavatra araka ny fomba fijerin’i Sarià izy araka izao nolazainy izao: “Ary … niteny taminy ny raiko nanao hoe: Fantatro fa olon’ny fahitana aho; … fa [raha] ho nijanona kosa tao Jerosalema [aho], dia ho niara-maty tamin’ny rahalahiko [isika]” (1 Nefia 5:4).

Avy eo dia niresaka momba ny tahotra nananan’i Sarià izy mikasika ny ain’ireo zanany lahy araka izay azo antoka fa efa nijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona taminy, raha nilaza izy hoe:

“Nefa indro, efa nahazo fampanantenana aho ny hahazo ny tany nampanantenaina izay zavatra ifaliako tokoa; eny, ary fantatro fa hanafaka ny zanako lahy eo am-pelatananan’i Labàna ny Tompo. …

“Ary araka izany fomba fiteny izany no nampaherezan’i Lehia raiko an’[ny] … reniko momba anay” (1 Nefia 5:5–6).

Ankehitriny dia tena ilain’ny lehilahy sy ny vehivavy ny mikolokolo fifanajana na dia tsy mitovy aza ny finoana sy ny fitondrantenan’izy ireo, ary na dia tsy mitovy aza ny tanjon’izy ireo. Tsy ho fantatsika na oviana na oviana ny zavatra rehetra tonga ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ary tsy ho takatsika tanteraka ny votoatin’ireo fisedrana sy safidy atrehantsika tsirairay.

Na izany aza, inona no hitranga amin’ilay hoe “teny maloto” noresahan’i Paoly raha toa ka ahitana fitserana ny zavatra iainan’ny hafa aloha ny fihevitsika? Ao anatin’ny fahatakarana tanteraka ny fetran’ny tsy fahatanterahako manokana no iangaviako anareo mba hizatra hametraka ity fanontaniana ity miaraka amin’ny fanajana feno ny zavatra iainan’ny hafa, dia ny hoe “Inona no eritreritrao?”

Tadidio ilay fotoana nanampohan’ny Tompo an’i Samoela sy i Saoly tamin’ny alalan’ny fisafidianana an’i Davida avy ao Betlehema, izay zazalahy kely mpiandry ondry, ho mpanjakan’ny Isiraely? Hoy ny Tompo tamin’ny mpaminaniny hoe “Fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona ny fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo” (1 Samoela 16:7).

Rehefa heniky ny setroka ny lohan’ny fiaranay dia nanao izay fihetsika feno herimpo indrindra azony neritreretina ny vadiko mba hiarovana ny zanakay lahy. Ho fiarovana ihany koa no nataoko raha nitsikera ny safidiny aho. Ny zavatra manaitra dia ny tsy maha-zava-dehibe ny hoe iza no manana rariny kokoa. Fa ny tena manan-danja dia ny fifampihainoana sy ny fahatakarana ny fomba fijerin’ilay anankiray.

Ny finiavana hahatakatra ny toe-javatra mitranga avy amin’ny fomba fijerin’ny hafa dia hanova ny “teny maloto” ho tonga “[fitondrana] fahasoavana.” Nahatakatra izany ny Apôstôly Paoly, ary afaka ny hiaina ny sombintsombiny amin’izany ihany koa isika tsirairay. Mety tsy hanova na hamaha ilay olana izany, kanefa ny zava-dehibe kokoa mety hitranga dia hoe afaka hanova antsika ny fitondrana fahasoavana.

Mijoro ho vavolombelona amim-panetren-tena aho fa afaka “[hitondra] fahasoavana” amin’ny alalan’ny fiteny feno fangorahana isika rehefa afaka manaitra ny fontsika ilay fanomezana ny Fanahy Masina izay voakolokolo mba hihevitra ny fihetseham-po sy ny fijerin’ny hafa, ka hamela antsika hanova ireo toe-javatra mitranga mety hampidi-doza hanjary ho toerana masina. Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’Ilay Mpamonjy be fitiavana izay “mijery ny fo” sy mihevitra ny zavatra eritreretintsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.