2010–2019
Ireo Efatra Minitranareo
Aprily 2014


Ireo Efatra Minitranareo

Sary

Afaka manova ireo tsy fahatanterahana eo amin’ny fanatanterahantsika ny hazakazaka ataontsika ny fahagagan’ny Sorompanavotana.

Nisarika an’izao tontolo izao ny Lalao Olimpikan’ny Ririnina farany teo raha nifaninana tamin’ny hetsika samihafa miisa 98 ireo atleta nisolo tena firenena 89. Mahavariana fa mpikamban’ Ny Fiangonanan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny 10 tamin’ireo atleta ireo, nahazo medaly ny 3 tamin’izy ireo, izay vao nasongadina tao amin’ny gazety Church News dia i Christopher Fogt sy i Noelle Pikus-Pace, ary i Torah Bright.1 Miarahaba an’ ireo atleta rehetra nifaninana izahay. Tena tsara!

Hiresaka momba ireo lalao ireo aho amin’ity maraina ity ary mampitodika ny saiko amin’ireo zatovolahy sy zatovovavy ary ireo tanora tokan-tena—ianareo izay ao anatin’ireo taona fandraisana fanapahan-kevitra izay mamaritra ny lalan’ny fiainanareo. Mahatsapa hamehana lehibe aho eto am-piresahana aminareo.

Mba hahatsapanareo izany hamehana izany dia hizara ny tantaran’i Noelle Pikus-Pace aloha aho, izay iray amin’ireo atleta Olomasin’ny Andro Farany ireo. Amin’ny lalao skeleton nataon’i Noelle dia maka bahana amin’ny alalan’ny fihazakazahana mafy ireo atleta ary avy eo dia mitsoraka eo ambonin’ny takelaka kely fikorisana ka ny loha no mandeha mialoha. Mifaninana mikorisa midina amin’ny lalana tery miolankolana izay rakotra ranomandry izy ireo amin’ny hafainganam-pandeha mahatratra 145 km isan’ora ary efa hila hikasoka amin’ny tany ny tavan’izy ireo amin’izany.

Mahavariana fa ireo taona maro niomanana dia horaisina ho toy ny fahombiazana na fahadisoam-panantenana arakaraka ny zavatra mitranga ao anatin’ireo fifaninanana mahery vaika maharitra 60 segondra inefatra.

Rava ny nofinofin’i Noelle tamin’ny lalao Olimpika 2006 teo aloha rehefa tapa-tongotra izy tamin’ny loza iray nahatsiravina. Mbola tsy tanteraka indray ny nofinofiny tamin’ny lalao Olimpika 2010 raha iray am-pahafolon-tsegondra monja no tsy nahazoany medaly.2

Azonareo an-tsaina ve ny tebiteby tsapany teo am-piandrasany ny fanombohan’ny fifaninanana voalohany nandraisany anjara tamin’ny lalao Olimpika 2014? Ao anatin’ny fotoana fohy dia fohy monja no mety hampody ventiny ireo taona maro niomanana. Efatra minitra ny fitambarany. Nandany taona maro izy ho an’ireo efatra minitra ireo ary rehefa vita izany dia handany ny androm-piainany iray manontolo izy hieritreretana azy ireo.

Saika tsy nisy kiana ny fifaninanana farany nataon’i Noelle. Tsy hohadinontsika mihitsy ny fitsambikinany ho eny amin’ny toeran’ny mpijery mba hanoroka ny fianakaviany rehefa avy nandalo ny tsipika manamarika ny fahatongavana sady niteny hoe “Tratrantsika ny tanjona!” Nahitam-pahombiazana ny taona maro niomanana. Hitantsika teny ambozonany ilay medalin’ny Zatovovavy efa azony rehefa nasalotra azy ilay medaly volafotsy.3

Mety ho toy ny tsy rariny ny hoe niankina tamin’ny zavatra nataony nandritra ireo efatra minitra fohy monja ireo ny nofin’i Noelle iray manontolo tamin’ny lalao Olimpika. Saingy fantany izany, ary izany no antony niomanany fatratra. Tsapany mialoha ny maha-zava-dehibe sy ny hamehana tao anatin’ireo efatra minitra ireo, ary ny ho lanjan’izany amin’ny androm-piainany sisa.

Tsaroantsika ihany koa i Christopher Fogt, izay mpikambana tao amin’ilay ekipa nahazo ny medaly alimo tamin’ny fifaninanana hazakazaka bobsled ho an’olona efatra. Raha mety ho tokony nilavo lefona izy taorian’ilay fianjerany tamin’ny lalao Olimpika 2010 dia nisafidy ny hikiry hatrany. Taorian’ny fifaninanana mahatalanjona sy nanavotra dia azony ilay loka izay nokatsahiny tamim-pahazotoana tokoa.4

Ankehitriny dia saintsaino ny mampitovy ny lalanao mankany amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny “fifaninanana efatra minitra” nataon’ireo atleta ireo. Maharitra mandrakizay ianao. Talohan’ny nahaterahanao dia efa nisy tamin’ny endrika fanahy ianao. Teo anatrehan’ny Ray any an-danitra be fitiavana ianao dia niofana sy niomana ho ety an-tany mandritra ny fotoana fohy ary hanao asa. Ity fiainana ity no efatra minitranao. Mandritra ny fotoana maha-eto anao dia ireo zavatra ataonao no hamaritra ny fahazoanao na tsia ny lokan’ny fiainana mandrakizay. Nofariparitan’ny mpaminany Amioleka hoe: “Ity fiainana ity no fotoana … hiomanana hihaonana amin’Andriamanitra; eny, indro, ny andron’izao fiainana izao no andro … mba hanatontosa[nao] ny asa[nao].”5

Azo lazaina hoe efa nanomboka ny efatra minitranareo. Efa nanomboka nipaika ny famantaranandro. Toa tena mifanaraka tsara amin’izany ny tenin’ny Apôstôly Paoly hoe: Manao ny hazakazaka mba hahazoanareo ny loka.6

Raha ilaina mandritra ilay fifaninanana fohy dia fohy ataon’ny atleta amin’ny lalao Olimpika ireo asa vitsivitsy toy ny—fitsambikinana na fihetsika miaro tetika ampiasain’ireo mpanao skate amin’ny ranomandry sy snowboard, fitandremana rehefa hiditra amin’ireo fiviliana amin’ny hazakazaka amin’ny bobsled, na mikorisa haingana ao anatin’ireo vavahady amin’ny lalana hanaovana ny hazakazaka slalom hidinana tendrombohitra amin’ny kapan-dranomandry—dia torak’ozany koa eo amin’ny fiainantsika, izay ahitana zavatra vitsivitsy tena manan-danja—fotoana hanaovana fanaraha-maso izay mampandroso antsika eo amin’ny hazakazaka ara-panahy ataontsika eto an-tany. Ireo marika ara-panahy ireo dia ireo ôrdônansin’ny Filazantsara nomen’Andriamanitra izay tena ilaina tokoa: ny batisa, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ireo fanokanana ao amin’ny fisoronana, ireo ôrdônansin’ny tempoly, ary ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro.

“Koa miharihary ao amin’[ireo] ôrdônansy [ireo] ny herin’ny toetra araka an’Andriamanitra.”7

Ary mitovy amin’ny hoe manomana ny atleta iray hanao zavatra maromaro ao anatin’ny taranjam-panatanjahantena ataony amin’ny sokajy avo lenta indrindra ny fitsipi-pifehezana amin’ny fanazaran-tena, dia hahatonga anao ho mendrika ny handray ireo ôrdônansin’ny famonjena ireo koa ny fitandremana ny didy.

Tsapanareo ve ilay hamehana?

Ry namana zandriko, na aiza na aiza no misy anareo eo amin’ny “hazakazaka efatra minitra ataonareo” dia miangavy anareo aho hisaintsaina hoe: “Inona indray izao no tokony hataoko manaraka mba hahazoako antoka fa ho azoko ny medaliko?” Angamba nandritra ity fihaonambe ity dia efa nobitsihin’ny Fanahy Masina taminareo hoe inona no tokony hataonareo: ny hiomana am-piheverana kokoa ho amin’ny ôrdônansy iray amin’ny andronareo ho avy na handray ôrdônansy iray izay tokony efa noraisinareo fotoana maro lasa izay. Na inona izany na inona dia ataovy izao ankehitriny izao. Aza miandry. Handalo faingana ireo efatra minitranareo, ary ho mandrakizay no fotoana hieritreretanareo ny zavatra nataonareo teto amin’ity fiainana ity.8

Ilaina ny fifehezan-tena. Tsy maintsy fototry ny fanazaran-tenanareo ny vavaka isan’andro sy ny fandalinana soratra masina ary ny fanatrehana fivoriam-piangonana. Takiana ny fanarahana tsy tapaka ny lamin’ny fankatoavana ny didy sy ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataonareo ary ny fanarahana ny fitsipiky ny Tompo izay hita ao amin’ny Ry Tanora, Mahereza.

Angamba fantatrareo ireo zavatra eo amin’ny fiainanareo izay mitady hampihena na hampijanona ny fivoaranareo ara-panahy. Raha izany no izy dia araho ny torohevitra ao amin’ny soratra masina hoe: “Aoka isika hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao.”9

Mbola tsy tara loatra izao raha hibebaka. Fa mety kely sisa dia ho tara loatra, satria tsy misy mahafantatra mihitsy hoe rahoviana no ho tapitra ny efatra minitranareo.

Mety hieritreritra ny amin’ny tenanareo ianareo izao hoe: “Efa nosimbaiko izany. Efa loza be ny efatra minitrako. Dia afaka milavo lefona aho noho izany.” Raha izany no izy dia ajanony ny fieritreretana izany, ary aza mieritreritra izany intsony. Afaka manova ireo tsy fahatanterahana eo amin’ny fanatanterahantsika ny hazakazaka ataontsika ny fahagagan’ny Sorompanavotana. Araka ny nampianarin’ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe:

“Ho anareo … izay mbola misalasala, … mijoro ho vavolombelona aho mikasika ny herin’ ny fitiavan’ Andriamanitra izay manavao sy ny fahagagana avy amin’ ny fahasoavany. …

“… Tsy hisy mihitsy izany hoe tara loatra izany raha toa ka mbola miteny ny Tompo … hoe misy ny fotoana. … Aza ahemotra izany.”10

Tsarovy fa tsy irery ianareo. Nampanantena ny Mpamonjy fa tsy hamela anareo ho kamboty Izy.11 Manana fianakaviana sy namana ary mpitarika hanohana anareo ihany koa ianareo.

Na dia nivantana ho an’ny tanoran’ny Fiangonana aza ny teny nataoko dia atolotro ho an’ireo ray aman-dreny sy ny ray aman-drenibe izao manaraka izao:

Vao haingana ny Loholona David A. Bednar no namariparitra fomba tsotra iray hanaovana tomban’ezaky ny fianakaviana mba hanamarihana ny fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana amin’ny alalan’ireo ôrdônansy tena ilaina. Ny hany zavatra ilaina dia taratasy iray asiana tsanganana roa: “anarana” sy “drafitra amin’ny ôrdônansy manaraka na tena ilaina.” Nanao izany aho tsy ela akory izay, nitanisa ny anaran’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviako. Nosoratako tao anatin’izy ireo ny zafikely lahy iray mbola mena vava, izay hotsofin-drano tsy ho ela, ny zafikely lahy iray 6 taona, izay tena ilaina ny fiomanany ho amin’ny batisa; ary ny zanakalahy iray izay ho feno 18 taona, izay antomotra ny fiomanany ho amin’ny fisoronana sy ny fanafiana masina any amin’ny tempoly. Ary ny tsirairay tao amin’ilay lisitra dia samy nila ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo. Ity fampiharana tsotra ity dia nanampy ahy sy Lesa hanatanteraka ny anjara asanay mba hanampiana ny olona tsirairay ao amin’ny fianakavianay eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, miaraka amin’ny drafitr’asa iray ho an’ny tsirairay amin’izy ireo. Angamba mety ho hevitra iray ho anareo izany, izay hitarika ny dinidiniky ny mpianakavy, ny lesona mandritra ny takarivan’ny mpianakavy, ny fiomanana na koa aza fanasana ho amin’ireo ôrdônansy tena ilaina ao amin’ny fianakavianareo.12

Amin’ny maha-mpilalao korisa an-dranomandry ny tenako dia tena nanaitra ahy tokoa ilay hazakazaka “efatra minitra” nahazoana medaly volafotsy vitan’i Torah Bright izay atleta Olomasin’ny Andro Farany Aostralianina mpanao snowboard, teo amin’ny fifaninanana lalao half-pipe. Nanaitra an’izao tontolo izao izy rehefa nahavita ilay fikorisana saika tonga lafatra ka nisidina avo nitsimbadika nankany aoriana nahavita nihodina hatrany amin’ny 720 degré. Kanefa, mbola nanaitra kokoa sy tsy nampoizin’izao tontolo izao ny fomba nanampiany sy nampisehoany fitiavana tahaka ny an’i Kristy tamin’ireo mpifaninana taminy. Nahatsikaritra izy fa i Kelly Clark, ilay amerikana mpilalao snowboard, izay tsy nahomby tamin’ny fihodinana voalohany tamin’ny fifaninanany farany dia toa nitebiteby be talohan’ny fihodinana faharoa. “Nofihininy aho” hoy i Clark mitadidy izany. “Nofihininy fotsiny aho mandra-pitoniako tsara ka tsy nisefosefo be intsony. Nahafinaritra izany misy namana mamihina izany.” Taty aoriana dia tafaraka tamin’i Torah Bright teny amin’ny lampihazon’ny mpandresy i Kelly Clark tamin’ny nandrombahany ny medaly alimo.

Raha nanontaniana i Torah momba ity fihetsika tsy mahazatra feno hatsaram-panahy nataony tamin’ny mpifaninana taminy ity, izay mety ho nahatonga azy tsy nahazo ilay medaly volafotsiny, dia niteny fotsiny izy hoe: “Mpifaninana te hanao ny tsara indrindra vitako aho kanefa tiako hanao ny tsara indrindra vitany koa ireo mpifaninana namako.”13

Rehefa mahatsiaro izany ianareo dia moa ve misy olona mila ny famporisihanareo? Olona iray ao amin’ny fianakaviana? Namana iray? Mpiara-mianatra na olona iray ao amin’ny kôlejy misy anao? Ahoana no fomba ahafahanao manampy azy ireo ao anatin’ny efatra minitran’izy ireo?

Ry namana malala isany, eo anivon’ny dia tena mahavelom-bolo ianareo. Azo lazaina hoe mikorisa midina amin’ilay lavaka rakotra ranomandry ianareo na amin’ny lalana teritery, ary mety ho sarotra ny manatanteraka ny fihetsika tsirairay na ny fihodinana amin’ny fiolahana tsirairay eny amin’ilay lalana. Tsarovy anefa fa niomana ho amin’izany nandritra ny arivotaona maro ianareo. Izao no fotoana hanaovanareo ny hazakazaka. Izao no efatra minitranareo! Izao no fotoanareo!

Maneho ny fahatokiako tanteraka aho amin’ny fahafahanareo manao zavatra. Eo anilanareo ny Mpamonjin’izao tontolo izao. Raha toa ka mikatsaka ny fanampiany sy manaraka ny fitarihany ianareo dia amin’ny fomba ahoana no tsy hahombiazanareo?

Faranako izany amin’ny fijoroako ho vavolombelona ny amin’ny fitahiana ananantsika ao amin’ny mpaminany velona, ny Filoha Thomas S. Monson; sy ny amin’i Jesoa Kristy; ary ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Azy, amin’ny anarany masina, dia Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Christine Rappleye, “Mormons in the Olympics: 3 Medals for LDS Athletes at the Winter Games,” deseretnews.com/article/865597546/Mormons-in-the-Olympics-3-medals-for-LDS-athletes-at-the-Winter-Games.html.

  2. Jereo ny Christine Rappleye, “Mormons in the Olympics.”

  3. Jereo ny Sarah Petersen, “Noelle Pikus-Pace Wears LDS Young Women Necklace throughout Olympics,” deseretnews.com/article/865596771/Noelle-Pikus-Pace-wears-LDS-Young-Women-necklace-throughout-Olympics.html.

  4. Jereo ny Amy Donaldson, “Army, Faith Helped Push Mormon Bobsledder Chris Fogt to Olympic Success,” deseretnews.com/article/865597390/Army-faith-helped-push-Mormon-bobsledder-Chris-Fogt-to-Olympic-success.html.

  5. Almà 34:32.

  6. Jereo ny 1 Korintiana 9:24.

  7. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20.

  8. Jereo ny Almà 34:31–33.

  9. Hebreo 12:1.

  10. Jeffrey R. Holland, “Ireo Mpiasa ao amin’ny Tanimboaloboka,” Liahona, Mey 2012, 33.

  11. Jereo ny Jaona 14:18.

  12. David A. Bednar, fifampiresahana tamin’ny mpanoratra.

  13. Vidya Rao, “Snowboarder Kelly Clark: Hug from Competitor Helped Me Win Bronze,” today.com/sochi/snowboarder-kelly-clark-hug-competitor-helped-me-win-bronze-2D12108132.