2010–2019
Manatona ny Seza Fiandriana-n’Andriamanitra Amim-pahatokiana
Okt 2014


Manatona ny Seza Fiandriana-n’Andriamanitra Amim-pahatokiana

Rehefa mampihatra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ianao dia afaka manomboka mampitombo ny fahatokianao tena ara-panahy anio raha toa ianao ka vonona ny hihaino sy hanatanteraka.

Raha mampiasa maridrefy iray eo anelanelan’ny 1 sy 10, dia omenao firy eo ho eo ny fahatokianao tena ara-panahy eo anatrehan’Andriamanitra? Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona manokana fa ny fandraisanao anjara sy ny zavatra ataonao ankehitriny amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany anao dia ampy handovanao ny fiainana mandrakizay? Afaka miteny ve ianao hoe faly aminao ny Ray any An-danitra? Inona no mety ho tonga ao an-tsaina raha toa ianao ka hanao tafa sy dinika manokana amin’ny Mpamonjy anao afaka iray minitra aorian’izao? Moa ve ho fahotana sy nenina ary fahalemena no hibahana eo amin’ny fomba fijerinao ny tenanao, sa ve ianao hiaina fanantenana feno fifaliana tsotra izao. Moa ve ianao hiatrika sa handositra ny fijeriny. Moa ve ianao hisalasala eo am-baravarana sa hanatona Azy amim-pahatokiantena?

Isaky ny tsy mahavita mandresy lahatra ireo Olomasina tsy tonga lafatra nefa miezaka tahaka anao ilay fahavalo mba handà ny finoanao an’ilay Andriamanitra iray tena ho anao manokana sy feno fitiavana, dia mampiasa tetikady feno hafetsena izy mba hanisy elanelana lehibe araka izay azo atao eo aminao sy Andriamanitra. Fantatr’ilay fahavalo fa ny finoana an’i Kristy—ilay karazana finoana izay miteraka famindrampo tsy tapaka sy fahagagana lehibe mihitsy aza—dia mifandray amin’ny fahatokiantena fa miezaka misafidy ny tsara ianao. Noho io antony io no hikatsahany hiditra ao anatinao mba hilazana lainga aminao—lainga toy ny hoe diso fanantenana aminao ny Ray any An-danitra, tsy ho azonao ireo fitahian’ny Sorompanavotana, tsy misy antony akory ny hiezahana, tsara noho ianao ny olona hafa rehetra, tsy mendrika ianao, sy ny karazan-javatra an’arivony mifandray amin’io lohahevitra ratsy io ihany.

Raha mbola avelanao koa ireo feo ireo hihaodihaody eo amin’ny fanahinao, dia tsy ho afaka hanatona ny seza fiandrianan’Andriamanitra ao anatin’ny tena fahatokiantena marina ianao. Na inona na inona ataonao, na inona na inona angatahinao amim-bavaka, na inona na inona fanantenana fahagagana mety anananao, dia mbola hisy hatrany ampahana fiahiahiana izay ampy handrava tsikelikely ny finoanao—tsy ny finoanao an’Andriamanitra ihany, fa ny fahatokianao tena ihany koa. Ny fiainana ny filazantsara amin’izany fomba izany dia tsy mahafinaritra sady tsy dia mahasoa loatra. Ary ambonin’izany dia tsy misy ilana izany mihitsy! Anao ny fanapahan-kevitra ny hiova—ary anao samirery.

Te hizara sosokevitra tsotra miisa enina aho izay raha arahana dia handroaka ireo feo ratsy ireo ary hamerina ao aminao ilay karazana fananan-toky mampilamin-tsaina sy ilay fahatokiantena ara-panahy izay azonao ananana raha toa ka tianao hananana. Na manao ahoana na manao ahoana ny fomba nitsaranao ny tenanao teo amin’ilay maridrefy 1 ka hatramin’ny 10, rehefa mampihatra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ianao dia afaka manomboka mampitombo ny fahatokianao tena ara-panahy izao anio izao raha toa ianao ka vonona ny hihaino sy hanatanteraka. Hiteny amim-pahasahiana aho, sady manantena ny hanazava ny saina amam-panahy fa tsy ny hanafintohina.

1. Mandraisa andraikitra mikasika izay mahasoa anao ara-panahy. Atsaharo ny fanomezana tsiny ny hafa na ny toe-javatra iainanao, atsaharo ny fanamarinan-tena, ary atsaharo ny fialantsiny mikasika izay antony mahatonga anao tsy hiezaka tanteraka ny ho mpankatò. Ekeo fa “afaka [ianao] araka ny nofo” ary “afaka […] hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay” (2 Nefia 2:27). Fantatry ny Tompo tsara ny toe-javatra iainanao, kanefa fantany tsara ihany koa raha hoe misafidy fotsiny ny tsy hiaina tanteraka ny filazantsara ianao. Raha izany no izy dia aoka ianao ho marin-toetra ka hiaiky izany, ary hikatsaka ny mba ho lavorary ao anatin’ny toe-javatra manokana iainanao. Mitombo ny fahatokiantena ara-panahy rehefa raisinao ny andraikitra mikasika izay mahasoa ny tenanao manokana ara-panahy amin’ny alalan’ny fampiharana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isan’andro.

2. Mandraisa andraikitra mikasika izay mahasoa anao ara-batana. Ny vatanao sy ny fanahinao no mandrafitra ny maha-olombelona anao (jereo ny F&F 88:15). Ny famahanana ny fanahy kanefa manao tsinontsinona ny vatana, izay tempoly, dia mazàna miteraka fifandroritana ara-panahy sy fihenan’ny lanjan’ny tena manokana. Raha tsy metimety ianao ara-batana, raha tsy mahazo aina tsara ianao ao anatin’ny vatanao ka afaka manao zavatra mikasika izany dia ataovy izany! Ny Loholona Russell M. Nelson dia nampianatra fa isika dia tokony “handray ny vatantsika ho toy ny tempolin’ny tenantsika mihitsy” ary tokony “hifehy ny sakafo hohanintsika ary hanao fampiasam-batana mba hahatomombana izany [isika]” (“We Are Children of God,” Liahona, Jan. 1999, 103).

Ny Filoha Boyd K. Packer dia nampianatra fa “ny fanahintsika sy ny vatantsika dia natambatra amin’ny fomba iray mba hahatongavan’ny vatantsika ho lasa fitaovana ho an’ny saintsika ary fototry ny toetrantsika” (“The Instrument of Your Mind and the Foundation of Your Character,” Fampaherezam-panahy an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, Feb. 2, 2003], 2; speeches.byu.edu). Noho izany dia aoka ianao handanjalanja ny zavatra hohaninao ary indrindra indrindra ny habetsany, ary atolory ny vatanao ilay fampiasam-batana izay ilainy sy mendrika azy. Raha vitanao, eo amin’ny lafiny ara-batana izany dia manapaha hevitra anio ny ho mpifehy ny vatanao ihany, ary hanomboka drafitra hanaovana fampiasam-batana tsy tapaka sy maharitra, mifanaraka amin’ny fahafahanao ary ampiarahana amin’ny sakafo ara-pahasalamana kokoa. Mitombo ny fahatokianao tena ara-panahy rehefa ny fanahinao miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy, no tena mpifehy marina an’ilay maha-olona araka ny nofo anao.

3. Ekeo ka omeo toerana eo amin’ny fiainanao ny fankatoavana an-tsitrapo tanteraka. Ekeo fa tsy afaka ny ho tia an’Andriamanitra ianao raha tsy tia ihany koa ireo didiny. Mazava ary tsotra ny fenitry ny Mpamonjy: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko” (Jaona 14:15). Rehefa ny didy sasantsasany ihany no ankatoavina dia fitahiana sasantsasany ihany no azo, ary raha zavatra ratsy iray no safidina fa tsy ilay zavatra ratsy kokoa dia mbola safidy ratsy ihany izany. Tsy afaka ny hijery horonan-tsary ratsy ianao ka hanantena hahatsiaro ho feno fahamendrehana satria hoe tsy horonan-tsary tena ratsy be no nojerenao. Ny fankatoavana amim-pahatokiana ny didy sasany dia tsy manamarina ny tsy firaharahiana ireo didy hafa. Marina ny voalazan’i Abraham Lincoln hoe: “Rehefa manao ny tsara aho, dia mahazo aina tsara. Rehefa manao ny ratsy aho, dia tsy mahazo aina tsara” (tao amin’ny William H. Herndon sy Jesse William Weik, Herndon’s Lincoln: The True Story of a Great Life, 3 vols. [1889], 3:439).

Ankoatra izany, manaova ny tsara noho ny antony tsara. Ny Tompo, izay “mitaky ny fo sy saina marisika” (F&F 64:34) sy “mpamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo” (F&F 33:1), dia mahafantatra ny antony andehananao any am-piangonana—hoe ny vatanao fotsiny ve no manatrika eo sa ve hoe tena midera marina ianao. Tsy afaka ny hihira ianao ny Alahady hoe: “O Babylone, ô Babylone, à toi [mes] adieux” ary fotoana fohy avy eo dia hikatsaka na hanaiky ny hiaraka aminy indray (“Anciens d’Israël,” Cantiques, no. 202). Tsarovy fa ny fanaovana an-tselika ny zavatra ara-panahy dia tsy nitondra fahasambarana velively hatramin’izay. Ataovy lasa fiainanao manontolo ny Fiangonana sy ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, fa tsy hoe ampahan’ny fiainanao hita ety ivelany na eo amin’ny fiarahamonina fotsiny. Ny fisafidiananao anio izay hotompoinao dia fanompoana eo imolotra fotsiny ihany—raha tsy tena miaina mifanaraka amin’izany ianao (jereo ny Josoa 24:15). Mitombo ny fahatokiantena ara-panahy rehefa mifofotra mafy noho ny antony marina ianao, mba hanana fiainana masina, na dia eo aza ireo tsy fahatanterahanao!

4. Aoka ianao ho lasa hahay mibebaka lalina sy haingana. Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy tena azo tsapain-tanana dia tokony hampiharinao andro aman’alina izany, satria tsy mety ritra ny fitahiana entiny. Raiso ho toy ny zavatra izay ankasitrahana sy ampiharina isan’andro ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana, araka ny torolalan’ilay Mpitsabo Lehibe. Manàna toe-panahy tia mibebaka tsy tapaka sy amim-pifaliana ka ataovy ho toy ny fomba fiainana tena tsara ho anao izany. Eo am-panaovanao izany dia tandremo ny fakam-panahy hanemotra, ary aza manantena an’izao tontolo izao hanohana anao. Afantohy amin’ny Mpamonjy ny masonao ka asio lanjany kokoa ny fomba fijeriny anao, ary avelao hitranga izay ho vokany. Mitombo ny fahatokiantena ara-panahy rehefa mibebaka amin-kitsimpo sy amim-pifaliana ianao noho ireo fahotana kely na lehibe ary eo no ho eo, amin’ny alalan’ny fampiharana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

5. Aoka ianao ho lasa tena mahay mamela heloka. “Izaho Tompo dia hamela izay tiako havela heloka, fa takiana aminareo kosa ny hamela ny olon-drehetra” (F&F 64:10). Mamelà ny olon-drehetra, ny zava-drehetra, amin’ny fotoana rehetra, na farafaharatsiny miezaha hahavita izany, mba hahafahanao mampiditra ny famelan-keloka eo amin’ny fiainanao manokana. Aza mitahiry lolom-po, aza mora tafintohina, mamelà ary mahaiza manadino haingana, ary aza mieritreritra velively hoe tsy mihatra aminao io didy io. Mitombo ny fahatokiantena ara-panahy rehefa mahafantatra ianao fa fantatry ny Tompo ianao hoe tsy manana alahelo amin’olon-kafa.

6. Ekeo ireo fitsapana sy ireo tsy fahombiazana ary ireo “zavatra tsy ampoizina” ho isan’ny zavatra iainanao eto an-tany. Tsarovy fa tonga eto ianao mba hosedraina sy hotsapaina, “hahitana raha toa [ianao] ka hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamani[trao anao]” (Abrahama 3:25)—ary andeha ampiako fotsiny hoe: “na manao ahoana na manao ahoana toe-java-misy.” Rahalahy sy anabavintsika an-tapitrisany no nosedraina na mbola sedraina toa izany, koa nahoana ianao no haningana? Ny fitsapana sasany dia tonga noho ny tsy fankatoavanao na noho ny tsy fitandremanao ihany. Ny fitsapana hafa dia tonga noho ny tsy fitandreman’ny hafa na fotsiny hoe noho ity izao tontolo izao efa lavo ity. Rehefa tonga ireny fitsapana ireny dia manomboka aelin’ireo mpanaradia an’ilay fahavalo ny hoe nanao zavatra tsy nety ianao, hoe famaizana izao, fambara fa tsy tia anao ny Ray any An-danitra. Aza raharahiana izany! Fa miezaha kosa hitsiky ihany, ary mitodiha any amin’ny lanitra ka lazao hoe “Takatro izao ry Tompo. Fantatro hoe inona izao. Fotoana hisedrana ahy, sa tsy izany?” Avy eo dia miaraha miasa Aminy mba haharetana tsara hatramin’ny farany. Mitombo ny fahatokiantena ara-panahy rehefa manaiky ianao fa “matetika avela hitranga eo amin’ny fiaina[nao] ny fitsapana sy ny fahoriana noho ny zavatra izay atao[nao] tsara” (Glenn L. Pace, “Crying with the Saints” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young, 13 Des. 1987], 2; speeches.byu.edu).

Fony aho nitantana ny Misionan’i Kiev, Ukraine, dia nanontaniako indray mandeha ny iray tamin’ireo rahavavy mahatoky indrindra notarihiko mikasika ny antony mahatonga azy hanome tsiny be tokoa ny tenany, sy ho be fanakianana ny tenany amin’ny zavatra faran’izay bitika. Ny valinteniny dia ohatra mahazatra maneho olona iray izay mihaino feo tsy izy, raha namaly izy hoe: “Mba tsy hisy hanakina ahy momba izany.”

Ry rahalahy sy anabavy, ny torohevitro nomeko an’io rahavavy misiônera io no torohevitro omeko anareo: ekeo ary atreho ireo fahalemenao, fa aza ireny no atao hanakana anao tsy handroso, satria ny sasany amin’izy ireny dia tsy ho afaka aminao mandra-pandaozanao ity fiainana an-tany ity. Na manao ahoana na manao ahoana toerana misy anao ankehitriny, raha vantany vao misafidy an-tsitrapo ianao ny hibebaka amin-kitsimpo sy amim-pifaliana isan’andro, amin’ny alalan’ny fiezahana ny hanao izay tsara indrindra sy ny ho tonga amin’izay tsara indrindra tratran’ny herinao, dia ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, no hanenika sy hanaraka anao araka izany na aiza na aiza alehanao. Raha izany no fomba fiainanao, dia ho afaka marina tokoa ianao “hitana mandrakariva ny famelana ny fahota[nao]” (Môsià 4:12) amin’ny ora rehetra anatin’ny andro tsirairay, amin’ny segondra rehetra ao anatin’ny minitra tsirairay, ka ho tonga madio tanteraka sy ankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra.

Manana tombontsoa manokana ianao, raha tianao, ny ho afaka hahafantatra amin’ny herin’ny tenanao ihany, anio na atsy ho atsy, fa mahafaly an’Andriamanitra ianao na dia eo aza ny tsy fahatanterahanao. Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny Mpamonjy iray izay manantena antsika hiaina ireo didy. Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny Mpamonjy iray feno fitiavana izay tsindrindaona tokoa handrotsaka ny fahasoavany sy ny famindrampony. Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny Mpamonjy iray izay mifaly rehefa mampihatra isan’andro ny Sorompanavotany isika, omban’ilay fananana toky mifono fahatoniana sy fifaliana fa mitodika any amin’ilay làlana marina isika. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ilay Mpamonjy iray aho izay miandrandra ny “[hampahery] ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’Andriamanitra” (F&F 121:45). Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.