2010–2019
“Moa izaho va izany, Tompoko?”
Okt 2014


“Moa izaho va izany, Tompoko?”

Tokony hanaisotra ny avonavontsika sy tsy hitoetra ao anatin’ny fieboeboantsika isika, ka hanontany amim-panetrentena hoe: “Moa izaho va izany, Tompoko?”

Alina farany niainan’ilay Mpamonjy malalantsika teto an-tany tamin’izay, hariva talohan’ny nanolorany ny tenany ho onitra hisolo ny olona rehetra. Rehefa namaky ny mofo teo anivon’ny mpianany Izy dia nilaza zavatra izay tsy maintsy tena nampitebitety sy nampalahelo mafy azy ireo tokoa. “Ny iray aminareo hamadika Ahy,” hoy Izy tamin’izy ireo.

Tsy niahiahy ny fahamarinan’ny zavatra nolazainy ireo mpianatra na koa nitoditodika dia nanondro olona iray ary nanontany hoe: “Moa izy va izany?”

Fa “nalahelo indrindra [izy ireo], ka samy nanontany Azy hoe: Moa izaho va izany, Tompoko?1

Manontany tena aho hoe inona no ho nataontsika tsirairay raha toa ka niteny an’izany tamintsika ny Tompo? Mety ho nitoditodika ve isika ary niteny tao anakampontsika hoe: “Rahalahy Rakoto angamba izany olona tiany holazaina izany. Efa nampiahiahy ahy foana izy io,” na “Faly aho fa ato Rahalahy Rabe. Mila maheno izany hafatra izany mihitsy izy” sa ve isika nanao tahaka an’ireo mpianatra fahiny ireo ka nandinika ny tenantsika ary nametraka fanontaniana lalina hoe: “Moa izaho va izany?”

Ao anatin’ireo teny tsotra ireo hoe: “Moa izaho va izany?” no ahitana ny fiandoham-pahendrena ary ny lalana mitondra any amin’ny fiovampon’ny tena manokana sy ny fiovana maharitra.

Fanoharana mikasika ny Voninkazo Pisanilia

Indray mandeha nisy lehilahy iray tia mandeha an-tongotra isan-kariva manodidina ny toeram-ponenany. Tsy andriny tokoa izay handalovana eo amin’ny tranon’ilay mpifanolobodirindrina aminy. Voatapak’io mpifanolobodirindrina aminy io tsara tokoa ilay bozaka eo an-tokotaniny, dia mandrombona tsara foana ny voninkazo ary salama tsara sy manome aloka ny hazo. Mazava ho azy fa nanao ezaka mafy ilay mpifanobodirindrina aminy mba hahazoana izany izay tsara tarehy misy bozaka sy zavamaniry izany.

Saingy indray andro rehefa nandalo ny tranon’ilay mpifanolobodirindrina aminy ilay lehilahy dia nahatsikaritra pisanilia mavo iray lehibe izay ahi-dratsy teo afovoan’izany tokotany tsara tarehy misy bozaka sy zavamaniry izany.

Hita hoe tsy tokony ho eo izany ka dia tena nanaitra azy. Nahoana no tsy nongotan’ilay mpifanolobodirindrina taminy izany? Moa ve tsy hitany ilay izy? Tsy fantany angaha fa afaka mamoa voa ny pisanilia ka hampitsiry ahi-dratsy fanampiny maro hafa?

Tena nanelingelina ny sainy tokoa io pisanilia iray io ary te hanao zavatra izy teo anatrehan’izany. Tokony hongotany fotsiny ve ilay izy? Sa hofafazany ranom-panafody mamono ahi-dratsy? Raha mandeha amin’ny alina tsy misy mahita iny izy angamba dia afaka manongotra izany mangingina.

Nibahana tanteraka tao an-tsainy ireo zavatra ireo rehefa nandeha an-tongotra nody izy. Niditra ny tranony izy ary tsy nanopy maso akory ilay tokotaniny manoloana ny tranony—izay feno pisanilia mavo an-jatony.

Andry sy Sombin-kazo

Tsy mampahatsiahy antsika ny tenin’ny Mpamonjy ve izany?

“Ary nahoana hianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, fa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsaroanao? …

“… Esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, ary amin’izay vao hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.”2

Ity tantara mikasika ny andry sy sombin-kazo ity dia misy ifandraisany akaiky amin’ny tsy fahaizantsika mahita mazava tsara ny tenantsika. Tsy azoko hoe ahoana no ahaizantsika mamantatra tsara ny olan’ny olona hafa sy manolotra vahaolana ho an’izany nefa matetika isika sahirana vao mahafantatra ny olan’ny tenantsika manokana.

Nisy tantara iray tao anatin’ny fampahalalam-baovao taona maro lasa izay, mikasika ny lehilahy iray izay nino fa raha hosorany ranom-boasary makirana ny tarehiny dia tsy ho hitan’ireo caméras izy. Dia nasiany ranom-boasary makirana ny endriny iray manontolo, dia lasa nandeha izy, namaky banky roa. Tsy ela akory taorian’izay dia nalefa tamin’ny fampahalalam-baovao ny endriny ny hariva. Rehefa nasehon’ny pôlisy an’ilay lehilahy ireo horonan-tsary avy amin’ireo caméras de surveillance dia tsy nino ny zavatra hitany izy. Niozonozona izy hoe: “Nisy ranom-boasary makirana anie ny tarehiko e!”3

Rehefa henon’ny manam-pahaizana iray momba ny siansa tao Cornell University izany tantara izany, dia variana izy tamin’ny tsy fahatsapan’izany lehilahy izany tanteraka ny tsifahampiam-pahaizany manokana. Mba hamantarana raha toa ka olana iraisan’ny rehetra izany dia, nanasa mpianatra tany amin’ny oniversite ny mpanao fikarohana anankiroa mba handray anjara ao anatin’ny karazana fitsapam-pahaizana vitsivitsy mikasika ireo fahaiza-manao hiatrehana ny fiainana, ary nangatahana izy ireo avy eo mba hanome salanisa ny fahaizan’izy ireo. Ireo mpianatra izay tena nanana salanisa ambany no faran’izay tsy mahay manombantombana ny fahaizan’izy ireo manokana—misy ny sasany amin’izy ireo manome salanisa indimy heny amin’ilay salanisa tokony homena azy.4

Naverimberina tamin’ny fomba maro dia maro io fikarohana io ary voamarina foana ilay zavatra voasintona avy tamin’izany hoe: maro amintsika no manana olana amin’ny famantarana hoe iza marina moa isika ary na ny olona nahita fahombiazana aza dia hita fa manambonimbony ny anjara biriky entiny ary manambanimbany ireo anjara biriky izay entin’ny hafa.5

Mety tsy dia manan-danja loatra ny manambonimbony ny fahaizantsika mamily fiara na ny fahaizantsika mikapoka lavitra ny baolina kely fanaovana golf. Kanefa rehefa isika izay no manomboka mino fa ny anjara biriky entintsika ao an-tokantrano sy any am-piasana ary ao am-piangonana dia lehibe kokoa mihoatra ny tena izy dia manakana ny tenantsika tsy hahazo fitahiana sy tsy hahita ireo fotoana tsara hahafahana mampivoatra ny tenantsika amin’ny fomba lalina sy manan-danja isika.

Ireo Toe-javatra Manimba ny Fiainam-panahy

Nisy olona fantatro anankiray izay, izay zatra nanatrika paroasy iray anisan’ny manana antontan’isa ambony indrindra mikasika ireo karazan-javatra hita ao amin’ny Fiangonana—ambony ny isan’ny mpanatrika fivoriana, ambony ny salanisan’ny fampianarana isan-tokantrano, hendry ireo ankizy ao amin’ny Kilonga, nahitana sakafo mafilotra ny fiaraha-misakafo karakarain’ny paroasy ary zara raha misy latsaka amin’ny tany ao amin’ny trano fiangonana izany ary tsy mba nisy velively araka ny eritreritro izany fifandirana mandritra ny filalaovam-baolina teo anivon’ny Fiangonana izany.

Voantso hanao asa fitoriana ilay namako sy ny vadiny taty aoriana. Rehefa niverina avy any izy mivady telo taona taty aoriana dia taitra rehefa nahafantatra fa fanambadiana miisa 11 no nifarana tamin’ny fisaraham-panambadiana nandritra ny fotoana nanompoan’izy ireo tany lavitra tany.

Na dia hita tety ivelany aza ny fahatokiana sy ny tanjaky ny olona tao amin’ilay paroasy dia nisy zavatra nampalahelo nitranga tao anatin’ireo mpikambana ireo sy teo amin’ny fiainany. Ary ny zavatra manahirana ny saina dia tsy hoe tao amin’io paroasy io ihany io toe-javatra io no nitranga. Mitranga ny zavatra mampalahelo ary matetika tsy ilaina toy izany rehefa tsy miraharaha ireo fitsipiky ny filazantsara ny mpikamban’ny Fiangonana. Mety hita ho toy ny mpianatr’i Jesoa Kristy izy ireo ety ivelany saingy efa nampisaraka ny fony tamin’ny Mpamonjiny sy ny fampianariny izy ireo any anatiny any. Nanalavitra tsikelikely ireo zavatry ny Fanahy izy ireo ary nifindra nankany amin’ireo zavatr’izao tontolo.

Misy ireo mpihazona ny fisoronana izay efa mba nanana ny fahamendrehany no manomboka milaza hoe zavatra tsara ho an’ny vehivavy sy ny ankizy ny Fiangonana fa tsy tsara ho azy ireo. Misy mpikambana sasany koa lasa resy lahatra fa noho ny fahafenoan’ny fandaharam-potoan’izy ireo sy ny toe-javatra manokana iainan’izy ireo dia mahazo tsy mandray anjara amin’ireo asa fanehoana fahafoizantena sy asa fanompoana izay hihazona azy ireo mba ho akaikin’ny Fanahy izy ireo. Ao anatin’izao vanim-potoana hihanahan’ny fanamarinan-tena sy ny fankafizan-tena izao dia mora ny mamorona fialan-tsiny amin’ny tsy fanaovana vavaka tsy tapaka amin’Andriamanitra, amin’ny fanemorana ny fandalinana ny soratra masina na amin’ny tsy fanatrehana fivoriam-piangonana sy tsy fanaovana takarivan’ny mpianakavy na amin’ny tsy fandoavana fahafolonkarena sy fanatitra marina.

Ry rahalahy malalako, aoka ianareo mba handinika ny ao anatinareo ary hametraka ilay fanontaniana tsotra hoe: “Moa izaho va izany, Tompoko?”

Moa ve ianareo efa nanomboka tsy niraharaha—na dia kely fotsiny aza—“ilay … filazantsaran’ny voninahitr’Andriamanitra izay natolotra ho adidi[nareo]?”6 Moa ve efa navelanareo hanamaizina ny sainareo ny “andriamanitr’izao tontolo izao” mba “tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy”?7

Ry namako malala, ry rahalahiko malala, manontania tena hoe: “Aiza no itoeran’ny harenako?”

Moa ve ny fonao mirona any amin’ireo zavatra tsaran’izao tontolo izao sa mifantoka amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy izay nazoto tokoa? “Fa izay itoeran’ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo.”8

Moa ve mitoetra ao am-ponareo ny Fanahin’Andriamanitra? Moa ve ianareo “mamaka sy miorina mafy” amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminareo? Moa ve ianareo manokana fotoana ampy sy manao zava-baovao mba hitondrana fifaliana eo amin’ny fanambadianareo sy ny fianakavianareo? Moa ve ianareo manokana hery entina manatratra ilay tanjona ambony indrindra mba hahatakatra sy hiaina “izay sakany sy lavany ary haavony sy halalin’ny”9 filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny?

Ry rahalahy, raha toa ka fanirianareo lehibe ny hampitombo ao anatinareo ny “finoana, ny fahatsaran-toetra, ny fahalalana, ny fahononam-po, ny faharetana, ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, ny toetra araka an’Andriamanitra, ny fiantrana, ny fanetren-tena, [ary fanompoana],”10 izay toetra tahaka ny an’i Kristy dia hanao izay hahatonga anareo ho fitaovana eo an-tanany ho famonjena fanahy maro ny Ray any an-danitra.11

Fiainana Voadinika

Ry rahalahy, tsy misy amintsika te hiaiky rehefa tsapatsika fa manomboka mivily lalana isika. Matetika no ialantsika ny fandinihana lalina ny ao anatintsika sy ny fiatrehana mivantana ireo fahalementsika sy ny fetra tsy azo ihoarantsika ary ny tahotsika. Vokatr’izany, rehefa mandinika ny fiainantsika isika dia lasa mampiasa hevitry ny tenantsika manokana sy fialan-tsiny ary tantara foronintsika ho an’ny tenantsika mba hanamarinana ireo eritreritra sy fihetsika tsy mendrika.

Zava-dehibe ho an’ny fivoarantsika sy ny fahombiazantsika ara-panahy anefa ny fahafahana mahita mazava ny tenantsika. Raha toa ka mitoetra ao anatin’ny faritra maizin’ny aloka ireo fahelementsika, dia tsy afaka hanasitrana azy ireo sy hamadika azy ireo ho tanjaka ilay hery manavotry ny Mpamonjy.12 Dia toa mahatsikaiky fa ny tsy fahitantsika ireo fahelementsika amin’ny maha-olombelona antsika dia hahatonga antsika koa tsy hahita ny hery masina ananantsika izay tian’ny Raintsika mba hokolokoloina ao anatintsika tsirairay ao.

Ahoana izany no ahafahantsika mampiasa ilay hazavana madion’ny fahamarinan’Andriamanitra mba handinihana ny ao anatintsika sy mba hahitantsika ny tenantsika araka ny ahitany azy?

Mamela ahy ianareo mba hanoro hevitra fa ny soratra masina sy ireo lahateny zaraina mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana dia fitaratra mahomby azontsika tazonina mba handinihan-tena.

Rehefa mihaino sy mamaky ireo tenin’ny mpaminany fahiny sy maoderina ianareo dia aoka mba tsy hieritreritra hoe olona hafa no iantefan’izany teny izany fa mametraha fanontaniana tsotra hoe: “Moa izaho va izany, Tompoko?”

Tokony hanatona ny Raintsika any an-danitra amin’ny fo torotoro sy saina manaiky ampianarina isika. Tokony ho vonona ny hianatra sy hiova isika. Ary tena hahazo tombontsoa maro isika rehefa manolo-tena ny hiaina ilay fiainana tian’ny Raintsika any an-danitra hiainantsika.

Ireo izay tsy maniry ny hianatra sy hiova dia mety tena tsy hianatra sy hiova ary tena hanomboka hanontany tena raha toa ka manana zavatra azo atolotra azy ireo ny Fiangonana.

Saingy ireo izay maniry ny hihatsara sy hivoatra, ireo izay mianatra momba ny Mpamonjy sy maniry ny ho toa Azy, ireo izay manetry ny tenany toa ny zaza madinika ary mikatsaka ny hampifanaraka ny eritreriny sy ny fihetsiny amin’ny sitrapon’ny Raintsika any an-danitra—dia hahita ny fahagagana avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Azo antoka fa hahatsapa ilay Fanahin’Andriamanitra izay tena tsara izy ireo. Hiaina fifaliana tsy hay faritana izay vokatry ny fo malemy paika sy mietry izy ireo. Hanana faniriana sy hanana fifehezan-tena mba ho lasa mpianatra marin’i Jesoa Kristy izy ireo.

Ny Herin’ny Hatsarana

Nanana fahafahana nifanerasera tamin’ny lehilahy sy vehivavy sasany faran’izay mahay sy mahiran-tsaina nonina teto amin’ity tany ity aho nandritra ny fiainako. Variana tamin’ireo olona manam-pahaizana, manan-talenta sy nahita fahombiazana ary nahazo doka avy amin’izao tontolo izao aho fony mbola tanora. Saingy rehefa nandeha ny taona dia tsapako fa mahavariana ahy lavitra kokoa ireo fanahy mahagaga sy voatahy izay tena feno hatsarana ary tsy mba mamitaka.

Ary tsy izay ve moa no votoatin’ny filazantsara sy zavatra omeny antsika? Vaovao mahafaly izay manampy antsika ho lasa tsara izany.

Miantefa amintsika amin’izao fotoana izao ny tenin’i Jakoba Apôstôly hoe:

“Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena. …

“Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo dia hanandratra anareo Izy.”13

Ry rahalahy, tokony hanaisotra ny avonavontsika sy tsy hitoetra ao anatin’ny fieboeboantsika isika, ka hanontany amim-panetrentena hoe: “Moa izaho va izany, Tompoko?”

Ary raha toa izao no valintenin’ny Mpamonjy hoe: “Eny ry zanako lahy, misy zavatra izay tokony hatsarainao, zavatra izay azoko hanampiana ny fandresena azy,” dia mivavaka aho mba hanaiky izany valiny izany isika, hanaiky amim-panetrentena ny fahotantsika sy ny fahelementsika ka hanova ny fombantsika avy eo, amin’ny alalan’ny fahatongavana ho vady tsaratsara kokoa, ray tsaratsara kokoa ary zanakalahy tsaratsara kokoa. Enga anie isika manomboka izao mba hikatsaka amin’ny herintsika rehetra ny handeha tsy tapaka amin’ilay lalana masin’ny Mpamonjy—satria ny fahitantsika mazava tsara ny tenantsika no fiandoham-pahendrena.

Rehefa ataontsika izany dia hitarika antsika amin’ny tanana ilay Andriamanitra be fitiavana ary hohatanjahina sy tahina avy any ambony14 isika.

Ry rahalahy malalako, manomboka amin’ny fametrahantsika ity fanontaniana tsotra ity ny dingana voalohany raisina eo amin’ilay lalan’ny maha-mpianatra marina izay tena tsara ary mitondra fahafahampo:

“Moa izaho va izany, Tompoko?”

Izany no ijoroako ho vavolombelona ary apetrako aminareo ny tsodranoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Matio 26:21–22; nampiana fanamafisana.

  2. Matio 7:3, 5.

  3. Jereo ny Errol Morris, “The Anosognosic’s Dilemma: Something’s Wrong but You’ll Never Know What It Is,” New York Times, Jona 20, 2010, opinionator.blogs.nytimes.com/2010/06/20/the-anosognosics-dilemma-1.

  4. Jereo ny Justin Kruger sy David Dunning, “Unskilled and Unaware of It: How Difficulties in Recognizing One’s Own Incompetence Lead to Inflated Self-Assessments,” Journal of Personality and Social Psychology, Des. 1999, 1121–34. “Vokatry ny fikarohana miisa 4 natao, dia hitan’ny mpanoratra fa ireo mpandray anjara izay nahazo ny salanisa tany amin’ny 25 isan-jato faran’izay ambany indrindra teo amin’ny fitsapam-pahaizana mikasika ny toe-tsaina amam-panahy, ny fitsipi-panoratana sy fitenenana ary ny rafipisainana dia nanambony loatra ny zava-bitany sy ny fahaiza-manaony tao anatin’ilay fitsapam-pahaizana nataony. Na dia ambany aza ny salanisan’izy ireo dia nihevitra izy ireo fa nahavita zavatra tsara nandritra ilay fitsapam-pahaizana” (ny famintinana ny valin’ity fikarohana ity dia hita ao amin’ny psycnet.apa.org/?&fa=main.doiLanding&doi=10.1037/0022–3514.77.6.1121).

  5. Jereo ny Marshall Goldsmith, What Got You Here Won’t Get You There (2007), toko 3. Nangatahan’ilay mpanao fikarohana ny mpiara-miasa telo mba hanombantombana ny anjara biriky nentin’izy ireo mba hampahomby ilay orinasa. Tafakatra tany amin’ny 150 isan-jato ny valin’ny tombantombana nataon’izy ireo mikasika ny fandraisan’ny tenan’izy ireo anjara tamin’izay.

  6. 1 Timoty 1:11.

  7. 2 Korintiana 4:4.

  8. Lioka 12:34.

  9. Efesiana 3:18.

  10. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:6.

  11. Jereo ny Almà 17:11.

  12. Jereo ny Etera 12:27.

  13. Jakoba 4:6, 10.

  14. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:28.