2010–2019
Ny Fisoronana Fiomanana
Okt 2014


Ny Fisoronana Fiomanana

Eo amin’ny fiomanana ao amin’ny fisoronana dia manan-danja kokoa ny “fanehoana ohatra tsara” noho ny “fanomezana torolalana tsara.”

Feno fankasitrahana aho tafavory miaraka amin’ ireo mpihazona ny fisoronan’Andriamanitra, izay manenika an’izao tontolo izao. Mankasitraka ny finoanareo sy ny fanompoanareo ary ny vavakareo aho.

Mikasika ny Fisoronana Aharôna ny hafatro anio hariva. Natao ho antsika rehetra koa izay manampy amin’ny fanatontosana ireo fampanantenan’ny Tompo ho an’ireo izay mihazona ilay faritan’ny soratra masina hoe ilay “fisoronana ambany”1 izany. Antsoina ihany koa hoe ny fisoronana “fiomanana” izany. Izany no ilay fiomanana be voninahitra izay horesahiko anio hariva.

Henika fiomanana ny drafitry ny Tompo ho an’ny asany. Nanomana ny tany ho antsika Izy mba hiainantsika ireo fitsapana sy fahafahana manao zavatra eto an-tany. Raha mbola eto isika dia ao amin’ilay antsoin’ny soratra masina hoe “toetra fiomanana.”2

Ny mpaminany Almà dia namaritra ny tena maha-manan-danja izany fiomanana izany ho an’ny fiainana mandrakizay, izay toerana ahafahantsika miaina mandrakizay miaraka amin’ny fianakaviana, miaraka amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy.

Izao no fomba nanazavany ny antony ilana fiomanana: “Ary hitantsika fa tonga amin’ ny olombelona ny fahafatesana, eny, ny fahafatesana izay efa notenenin’ i Amioleka, izay fahafatesan’ ny nofo; na dia eo aza izany dia nisy ny fotoana nomena ny olona izay hahazoany mibebaka ao anatin’ izany; noho izany ity fiainana ity dia nanjary fotoana fizahan-toetra; fotoana hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra; fotoana hiomanana ho amin’ ilay toetra tsisy fiafarany izay efa nolazainay, izay aorian’ ny fitsanganan’ ny nodimandry amin’ ny maty.”3

Tsy misy hafa amin’ny hoe entina hiomanana hihaona amin’Andriamanitra ny fotoana nomena antsika mba hiainana eto an-tany, ny fotoana nomena antsika mba hanompoana ao amin’ny Fisoronana Aharôna, izay fotoana ahafahana manomana antsika mba hianatra ny fomba hanolorana fanampiana goavana ho an’ny hafa. Tahaka ny anomezan’ny Tompo ny fanampiana takina mba handresena ireo fitsapana eo amin’ny fiainana an-tany dia mandefa fanampiana ho antsika ihany koa Izy eo amin’ny fiomanantsika ao amin’ny fisoronana.

Ny hafatro dia sady ho an’ireo izay irahin’ny Tompo hanolotra fanampiana hanomana ireo hihazona ny Fisoronana Aharôna no ho an’ireo izay mihazona ny Fisoronana Aharôna. Miresaka amin’ireo ray aho. Miresaka amin’ireo eveka aho. Ary miresaka amin’ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka izay atokisana ho namana sy mpampianatra an’ireo zatovolahy ao amin’ny fisoronana fiomanana.

Miresaka amim-piderana sy amim-pankasitrahana ho an’ny marobe aminareo manerana izao tontolo izao aho sy ho anareo izay mbola mety hamaky na hijery ity any aoriana any.

Diso aho raha toa ka tsy hiresaka momba ny filohan’ny sampana iray sy ny eveka iray nandritra ny fahazazako. Lasa diakona tao amin’ny sampana kely iray tany amin’ny ilany atsinanan’i Etazonia aho tamin’ny faha 12 taonako. Kely dia kely tokoa ilay sampana hany ka izaho sy ny zokiko lahy ihany no mpihazona ny Fisoronana Aharôna tao mandra-panasan’ny raiko, izay filohan’ny sampana tamin’izany, lehilahy zokinjokiny iray mba hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana.

Nandray ny Fisoronana Aharôna ilay mpikambana vaovao, ary niaraka tamin’izany ny antso mba hanara-maso ireo izay mihazona ny Fisoronana Aharôna. Mbola tsaroako ohatran’ny hoe vao omaly izany. Tadidiko ny ravinkazo tsara tarehin’ny fararano rehefa niaraka tamiko sy ny rahalahiko hanao zavatra ho an’ny mananotena iray io mpikambana vaovao io. Tsy tadidiko hoe inona ilay asa nataonay saingy tsaroako aho nahatsapa fa ny herin’ny fisoronana dia nanampy anay hanao ilay zavatra izay nianarako taty aoriana fa nambaran’ny Tompo hoe tsy maintsy ataontsika rehetra mba ho voavela heloka ka dia ho vonona hahita Azy.

Rehefa mahatsiaro izany zava-nitranga izany aho ankehitriny dia mahatsapa fankasitrahana ho an’ny filohan’ny sampana iray izay niantso mpikambana vaovao mba hanampy ny Tompo hanomana zazalahy roa izay aty aoriana ho lasa eveka nodidiana hikarakara ny mahantra sy ny sahirana ary hiahy ihany koa ny mpihazona ny fisoronana fiomanana.

Mbola diakona aho tamin’ny fotoana nifindran’ny fianakaviako ho any amin’ny paroasy lehibe iray teto Utah. Izany no fotoana voalohany nahatsapako ny herin’ny kôlejy iray manontolo tao amin’ny Fisoronana Aharôna. Raha ny marina dia izay aho vao nahita anankiray toy izany hatrizay. Ary taty aoriana dia izany no fotoana voalohany nahatsapako ny hery sy fitahiana avy amin’ny fananana eveka iray izay miahy ny kôlejin’ny mpisorona.

Nantsoin’ny eveka aho ho mpanampy voalohany azy ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona. Tsaroako fa izy mihitsy no nampianatra ny kôlejy—na dia be atao be aza izy niaraka tamin’ireo lehilahy manan-talenta maro izay tokony ho azony nantsoina mba hampianatra anay. Nasainy nalahatra mba hanome faribolana ny seza tao amin’ny kilasy. Nasainy nipetraka teo amin’ilay seza teo akaikiny aho, teo ankavanany.

Afaka nitsirika ny tarehiny aho rehefa nampianatra izy. Niondrika izy indraindray nijery ireo soratra voakaly tao anatin’ilay fitoeran-taratasy kely voafono hoditra teo ambonin’ny feny anankiray sy tao amin’ireo soratra masina efa tonta sy voamarimarika izay nisokatra teo amin’ny feny ilany. Tsaroako ny fientanentanana rehefa nitantara ireo tantara maneho herimpo ao amin’ny bokin’i Daniela izy sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany mikasika ny Mpamonjy izay i Jesoa Kristy Tompo.

Ho tsaroako hatrany ny fomba hiantsoan’ny Tompo mpiara-mamangy voafidy tamim-pitandremana ho an’ireo mpihazona ny fisoronany izay eo an-dalam-piomanana.

Nanana mpanolotsaina matanjaka ny evekako, ary noho ny antony izay tsy takatro mihitsy tamin’izany dia tsy indray na indroa izy no niantso ahy an-tariby tany an-trano ka niteny hoe: “Hal, mila anao hiaraka amiko ho namako aho mba hanao famangiana vitsivitsy.” Indray mandeha dia nitondra ahy izy ho any amin’ny tranon’ny mananotena iray izay nipetra-drery sy tsy nanan-kohanina tao an-trano. Teny an-dalam-podiana dia najanony ny fiarany, nosokafany ny soratra masiny, ary nolazainy tamiko ny antony nandraisany izany mananotena izany ho toy ny vehivavy izay nanana hery tsy hoe hikarakarana ny tenany fotsiny ihany fa ho afaka hanampy ny hafa koa any aoriana any.

Ny famangiana iray hafa nataonay dia ho an’ny lehilahy iray izay efa ela be no tsy nanatrika fivoriam-piangonana. Nanasa azy hiverina hiaraka amin’ny Olomasina ny evekako. Tsapako ny fitiavan’ilay evekako olona izay toa fahavalo saro-tiavina sy mpikomy teo imasoko.

Tamin’ny fotoana hafa indray dia namangy tokantrano iray izahay ka nirahin’ireo ray aman-dreniny mamo mba hitsena anay teny am-baravarana ireto zanany roa vavy kely. Nambaran’ireo zazavavy roa ireo teo amin’ny varavarana kiloadoaka fa matory ny reniny sy ny rainy. Nanohy niresaka tamin’izy ireo ny eveka, nitsiky sy nidera azy ireo noho ny hatsarany sy ny herimpo nananany nandritra ny 10 minitra na mihoatra teo. Rehefa nandao io tokantrano io ka niara-nandeha teny an-dalana izahay dia hoy izy niteny moramora hoe: “Famangiana tsara ilay teo. Tsy hohadinoin’ireo zazavavy kely roa ireo na oviana na oviana fa nandalo teto isika.”

Ny roa amin’ireo fitahiana azon’ny mpiara-mamangy zokiny ao amin’ny fisoronana omena dia fahatokiana sy ohatra amin’ny fikarakarana. Hitako izany rehefa nahazo namana hiaraka hanao fampianarana isan-tokantrano izay nanana traikefa bebe lavitra kokoa tao amin’ny fisoronana noho ny tenany ny zanako lahy. Efa filohan’ny misiona in-droa sy nanompo tamin’ny toeran’ny mpitarika imbetsaka ilay mpiara-mamangy aminy.

Nialohan’ny hamangian’izy ireo ny fianakaviana voatondro hovangiany dia nangataka mba hamangy ny zanako lahy aloha io mpitarika ao amin’ny fisoronana be traikefa io. Navelan’izy ireo hihaino aho. Nanokatra tamin’ny vavaka ilay mpiara-mamangy zokiny, nangataka fanampiana. Dia niteny toy izao tamin’ny zanako lahy izy: “Mieritreritra aho hoe tokony hampianatra lesona iray izay ho toy ny fanentanana ity fianakaviana ity hibebaka isika. Mety tsy dia horaisiny tsara izany raha avy amiko. Mieritreritra aho hoe handray tsara kokoa ny lesona izy ireo raha avy aminao izany. Ahoana no fahitanao izany?”

Tsaroako ny tahotra teny amin’ny mason’ilay zanako lahy. Mbola tsapako foana ny hafaliana tamin’izany fotoana izany rehefa nanaiky ilay andraikitra ny zanako lahy.

Tsy kisendrasendra no nampiarahan’ny eveka ireto mpiara-mamangy ireto. Tamin’ny fanomanana feno fitandremana no nahafantaran’ilay mpiara-mamangy zokiny ny fahatsapana nananan’ilay fianakaviana ho ampianarin’izy ireo. Tamin’ny alalan’ny fitaomam-panahy no nahatsapany fa tsy tokony ho izy no hizara ny hafatra ka hahatoky zatovo tsy manan-traikefa iray mba hiantso zanak’Andriamanitra efa lehibe mba hibebaka sy handray fiarovana.

Tsy fantatro ny vokatry ny famangian’izy ireo saingy fantatro fa ny eveka iray sy ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray ary ny Tompo dia nanomana zazalahy iray ho tonga lehilahin’ny fisoronana ary ho lasa eveka indray andro any.

Ankehitriny dia mahazatra anareo ny tantaram-pahombiazana mikasika ny fiomanana ao amin’ny fisoronana toy izany noho ireo zavatra hitanareo sy niainanareo teo amin’ny fiainanareo manokana. Nahafantatra eveka, sy mpiara-mamangy ary ray aman-dreny toy izany ianareo ary efa avy toy izany. Nahita ny tanan’ny Tompo ianareo teo amin’ny fiomananareo ho amin’ireo adidin’ny fisoronana izay fantany fa miandry anareo.

Isika rehetra ato amin’ny fisoronana dia manana adidy hanampy ny Tompo hanomana ny hafa. Misy zavatra sasantsasany izay azontsika atao ka mety ho tena manan-danja. Mbola mahery vaika kokoa noho ny fampiasana teny ao anatin’ny fampianarantsika ny fotopampianarana ny ohatra asehontsika amin’ny fiainana ny fotopampianarana.

Tena manan-danja indrindra ao anatin’ny fanompoantsika ao amin’ny fisoronana ny fanasana ny olona mba hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny finoana, ny fibebahana, ny batisa ary ny fandraisana ny Fanahy Masina. Ny Filoha Thomas S. Monson, ohatra, dia nanao toriteny mba hampientanentana ny fo sy fanahy mikasika ireo fotopampianarana rehetra ireo. Kanefa mandrisika ahy hanao asa ny zavatra fantatro fa nataony tamin’ny olona sy ny misiônera ary ireo naman’ny Fiangonana tamin’izy niahy ny misionan’i Toronto.

Eo amin’ny fiomanana ao amin’ny fisoronana dia manan-danja kokoa ny fanehoana ohatra tsara noho ny fanomezana torolalana tsara.

Izany no antony maha-manan-danja tokoa ny soratra masina eo amin’ny fanomanana antsika ao amin’ny fisoronana. Feno ohatra izy ireny. Tsapako toa ireny afaka mahita an’i Almà ireny aho manaraka ny didin’ilay anjely sy miverina faingana mba hampianatra ny vahoaka ratsy fanahin’i Amônihà izay nandà azy.4 Tsapako ny hatsiaka tao anatin’ny fonja rehefa notenenin’Andriamanitra i Joseph Smith mba tsy hatahotra fa momba azy Izy.5 Rehefa ao an-tsaina ireo sary ao amin’ny soratra masina ireo dia afaka ny ho vonona haharitra ao anatin’ny asa fanompoantsika isika rehefa toa sarotra izany.

Ny ray iray na eveka iray na mpiara-manao fampianarana isan-tokantrano zokiny iray izay mampiseho fa matoky mpihazona ny fisoronana zandriny iray dia afaka manova ny fiainany. Nangatahin’ny mpikambana iray ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba hanoratra taratasy fohy mikasika ny siansa sy ny fivavahana ny raiko indray andro. Mpahay siansa malaza sy mpihazona ny fisoronana mahatoky ny raiko. Saingy mbola tsaroako ilay fotoana nanolorany ahy ilay taratasy nosoratany ka nitenenany hoe: “Inty, mialohan’ny handefasako ity any amin’ny Roambinifololahy dia tiako hamaky izany ianao. Ho fantatrao raha toa ka marina izany.” Zokiko 32 taona izy ary tena hendry sy maranin-tsaina lavitra.

Mbola mampatanjaka ahy foana izany fahatokiana avy amin’ny ray tsara sady lehilahin’ny fisoronana izany. Fantatro fa tsy dia amiko loatra no mipetraka ny fahatokiany fa amin’ny hoe Andriamanitra dia afaka milaza ary hilaza amiko hoe inona no marina. Ianareo namana mpiara-mamangy efa ela netezana dia afaka mitahy mpihazona fisoronana zandrinareo izay eo am-piomamana isaky ny mampiseho azy io karazana fahatokiana io. Hanampy azy izany hatoky ilay fahatsapana malefaky ny fitaomam-panahy an’ny tenany manokana rehefa tonga izany raha hametraka ny tanany izy indray andro any mba hamehy ny tsodrano hanasitranana zaza iray izay lazain’ireo dokotera fa ho faty. Nanampy ahy mihoatra noho ny indray mandeha io fahatokiana io.

Ny fahombiazantsika eo amin’ny fanomanana ny hafa ao amin’ny fisoronana dia ho tonga arakaraka ny fatran’ny fitiavantsika azy ireo. Tena ho marina izany indrindra rehefa tsy maintsy manitsy azy ireny isika. Eritrereto ny fotoana iray izay hanaovan’ny mpihazona fisoronana Aharôna iray fahadisoana eo amin’ny fanatanterahana ôrdônansy iray, mety hoe eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo. Olana lehibe izany. Indraindray dia mitaky fanitsiana ampahibemaso ilay fahadisoana ka mety hisy fananana lolom-po, sy fahatsapana ho afa-baraka na ho voailika mihitsy aza.

Hotsaroanareo ny torohevitry ny Tompo hoe: “Manitsy eo no ho eo amin’ny fomba henjana rehefa entanin’ny Fanahy Masina; ary rehefa izany dia maneho fitiavana sesehena amin’ilay nitsinao, fandrao heveriny ho fahavalony ianao.”6

Ny teny hoe sesehena dia manana heviny miavaka eo amin’ny fanomanana ny mpihazona ny fisoronana rehefa mila fanitsiana izy ireo. Milaza fitiavana sesehena izay efa nisy ilay teny. Ny ilaina aseho dia ilay fitiavana sesehena. Ireo izay manomana mpihazona ny fisoronana aminareo dia tena hahita hadisoana hataon’izy ireo. Mialohan’ny handraisan’izy ireo ny fanitsiana ataonao dia tsy maintsy efa nahatsapa ny fitiavanao mialoha ary tsy tapaka aloha izy ireo. Tsy maintsy efa nahatsapa ny fandokafanao marina azy aloha izy ireo mialohan’ny hanekeny ny fanitsianao.

Ny Tompo mihitsy no nandray ireo mpihazona ny fisoronana ambany tamin’ny fomba fijery izay nanome voninahitra ny maha-izy azy ireo sy ny lanjan’izy ireo eo imasony. Henoy ireto teny ireto izay nambaran’i Jaona Mpanao Batisa rehefa naverina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna: “Ianareo ry mpiara-manompo amiko, amin’ny anaran’ny Mesia no tolorako ny Fisoronan’i Aharôna, izay mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny filazantsaran’ny fibebahana ary an’ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana; ary na oviana na oviana dia tsy hoesorina eto an-tany intsony izany, ambara-panatitry ny zanakalahin’i Levy fanatitra amim-pahamarinana ho an’ny Tompo indray.”7

Fanampin’ilay Fisoronana Melkizedeka ambony kokoa ny Fisoronana Aharôna.8 Amin’ny maha-filohan’ny fisoronana rehetra azy ny Filohan’ny Fiangonana dia mpiahy ny fisoronana fiomanana ihany koa. Ny hafany nandritra ny taona maro mikasika ny fandehanana manavotra olona dia mifanaraka tsara amin’ilay didy hoe hitondra ny filazantsaran’ny fibebahana sy ny batisa ho ao amin’ny fiainan’ny hafa.

Mifampidinika tsy tapaka ireo kôlejin’ny diakona sy mpampianatra ary mpisorona mba hitondrana ny mpikambana rehetra ao amin’ny kôlejy ho any amin’ny Tompo. Manondro mpikambana ireo olona ao amin’ny fiadidiana mba hanolo-tanana amim-pinoana sy amim-pitiavana. Ireo diakona dia mizara ny fanasan’ny Tompo amim-panajana sy amim-pinoana fa hahatsapa ny fiantraikan’ny Sorompanavotana ireo mpikambana ka hanapa-kevitra hitandrina ny didy eo am-pandraisany ireo tandindona masina ireo.

Mivavaka miaraka amin’ny mpiara-mamangy aminy ireo mpampianatra sy mpisorona mba hanatontosana ilay andraikitra hoe hiambina ny fiangonana, ny olona tsirairay. Ary miara-mivavaka ireo mpiara-mamangy ireo rehefa mahafantatra zavatra ilain’ireo loham-pianakaviana ireo sy antenainy. Rehefa manao izany izy ireo dia miomana ho amin’ilay andro lehibe izay hiahian’izy ireo amim-pinoana ny fianakavian’izy ireo manokana amin’ny maha-ray azy ireo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ireo rehetra izay miara-manompo ao amin’ny fisoronana dia manomana vahoaka iray ho amin’ny fiavian’ny Tompo ao amin’ny Fiangonany. Velona Andriamanitra Ray. Fantatro—tena fantatro—fa i Jesoa no Kristy ary tia antsika Izy. Mpaminany velon’ny Tompo ny Filoha Thomas S. Monson. Mijoro ho vavolombelona amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.