2010–2019
Tonga Soa eto amin’ny Fihaonambe
Okt 2014


Tonga Soa eto amin’ny Fihaonambe

Eo am-pihainoantsika dia enga anie mba ho voakasika ny fontsika ary hitombo ny finoantsika.

Ry rahalahy sy anabaviko isany, amin’ny fo feno fifaliana no hiarahabako anareo tonga soa eto amin’ity fihaonambe maneran-tany goavana ity. Miara-mivory amin’ny toerana maro manerana izao tontolo izao isika mba hihaino sy hianatra avy amin’ireo rahalahy sy rahavavy izay notohanantsika ho Manampahefana Ambony sy mpiandraikitra ambony ato amin’ny Fiangonana. Nikatsaka fanampiana avy any an-danitra izy ireo mikasika ireo hafatra izay hatolony antsika, ary nahatsapa fitaomam-panahy izy ireo mikasika izay horesahana eto.

Manamarika ny faha 90 taonan’ny fampitana ny fihaonamben’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny onjam-peo ity fihaonambe ity. Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana natao tamin’ny volana Oktôbra 1924 dia nampitaina voalohany tamin’ny onjam-peo ireo fivoriana tamin’ny alalan’ny KSL izay an’ny Fiangonana. Ity fihaonambe ity koa dia manamarika ny faha 65 taonan’ny fampitana ny fihaonambe tamin’ny alalan’ny fahitalavitra. Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana natao tamin’ny volana Oktôbra 1949 no nampitana voalohany an’ireo fivoriana tamin’ny fahitalavitra nanerana ny faritr’i Salt Lake tamin’ny alalan’ny televiziona KSL.

Tsikaritsika ireo fitahiana avy amin’ny haino aman-jery maoderina izay mamela ny mpikamban’ny Fiangonana an-tapitrisany maro hijery na hihaino ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ireo fivoriana mandritra ity faran’ny herinandro ity dia ampitaina amin’ny alalan’ny televiziona, onjam-peo, câble sy fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana ary ny Internet, ka anisan’izany ny fampitana amin’ireo fitaovana entina mandehandeha.

Nandritra ny enim-bolana lasa izay nihaonantsika farany, dia nisy tempoly vaovao iray notokanana sy anankiray izay naverina notokanana. Tamin’ny volana Mey dia notokanan’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ny Tempolin’i Fort Lauderdale Floride. Nisy fankalazana ara-kolontsaina mahafinaritra nataon’ny tanora izay naseho tamin’ny andro nialoha ny fanokanana. Ny ampitson’io, tamin’ny Alahady 4 Mey dia notokanana nandritra ny fivoriana telo ilay tempoly.

Vonihahitra ho ahy, vao roa herinandro lasa izay, ny nanokana indray ny Tempolin’i Ogden Utah, izay notokanan’ny Filoha Joseph Fielding Smith tany am-boalohany tamin’ny 1972, niaraka tamin’ny tanora maro dia maro nandray anjara ka fampisehoana roa niavaka tsara no natao, ary andian-tanora samy hafa no nandray anjara tamin’ny tsirairay tamin’izany. Raha atambatra dia tanora 16.000 no nandray anjara. Ny ampitson’io andro io no nanaovana ny famerenana ny fanokanana, niaraka tamin’ny fandraisana anjaran’ireo Mpitarika maro ato amin’ny Fiangonana sy ireo mpitarika ao amin’ireo vondrona fanampiny sy ny filohan’ny tempoly ary ireo mpanolotsaina azy miaraka amin’ny vadin’izy ireo avy.

Miroso amim-kery ny fananganantsika tempoly. Amin’ny volana ambony dia hotokanana ny Tempolin’i Phoenix Arizona, ary amin’io taona ho avy io, amin’ny 2015 dia miandry ny fanokanana na famerenana ny fanokanana ny tempoly miisa dimy farafahakeliny isika, na mihoatra izany aza, miankina amin’ny fahavitan’ny fanamboarana azy.

Araka ny nambarako tamin’ny volana Aprily lasa teo, rehefa voavoatra sy voatokana avokoa ireo tempoly rehetra izay nambara dia hanana tempoly am-perinasa miisa 170 isika manerana izao tontolo izao. Noho isika mampiompana ny ezaka ataontsika amin’ny famitana ireo tempoly izay nambara tany aloha dia tsy manambara tempoly vaovao isika amin’izao fotoana izao. Amin’ny fotoana manaraka anefa, rehefa mahafantatra ny filàna izany sy mahita toerana izahay, dia hanao fambarana ny amin’ireo tempoly fanampiny.

Mitohy ny fitomboan’ny Fiangonana. Ankehitriny isika dia 15 tapitrisa mahery, izay sady matanjaka no tsy mitsaha-mitombo. Mandroso tsy voasakantsana ny ezaka ataontsika amin’ny asa fitoriana. Manana misiônera maherin’ny 88.000 isika, izay manompo sy mizara ny hafatry ny filazantsara manerana izao tontolo izao. Mamerina milaza indray izahay fa adidin’ny fisoronana ny asa fitoriana, ary mamporisika ireo zatovolahy mendrika rehetra sy afaka manao izany izahay mba hanompo. Feno fankasitrahana izahay amin’ireo zatovovavy izay manompo ihany koa. Mitondra anjara biriky goavana izy ireo, na dia tsy eo ambanin’ilay didy mba hanompo tahaka ireo zatovolahy aza izy ireo.

Izao aho dia manasa anareo mba hihaino tsara ireo rahalahy sy rahavavy izay handray anjara amin’ireo fivorian’ny fihaonambentsika anio sy rahampitso. Mahatsapa andraikitra lehibe mba hanao izany ireo izay nangatahina handahateny. Eo am-pihainoantsika dia enga anie mba ho voakasika ny fontsika ary hitombo ny finoantsika, izany no vavaka ataoko amim-panetrentena amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.