2010–2019
Maroa fara sy mihabetsaha, ary mampanompoa ny tany
Aprily 2015


Maroa fara sy mihabetsaha, ary mampanompoa ny tany

Nandidy sy nitsodrano antsika ny Ray any An-danitra mba ho maro fara, hihabetsaka ary hampanompo ny tany mba hahatonga antsika ho tahaka Azy.

Misaotra anareo Amboarampeon’ny Tabernakely amin’izany fanomezam-boninahitra tamim-pitiavana ho an’ny Mpamonjy izao tontolo izao izany.

Tamin’ny andro izay niantsoan’ Andriamanitra Ray ny Zanany Lahitokana mba hanamboatra olona tahaka ny endriny sy ny tarehiny, dia nitsodrano ireo zanany Izy ka niteny hoe: “Maroa fara sy mihabetsaha, ary mamenoa ny tany ka mampanompoa azy, ary manjakà … amin’ ny biby rehetra izay mihetsika ambonin’ny tany.”1 Noho izany dia nanomboka tamin’ny alalan’ny didy avy amin’ Andriamanitra niaraka tamin’ny fitahiana iray ny fiainantsika eto an-tany. Nanome didy sy fitahiana ny ho maro fara sy hihabetsaka ary hanjaka ny Ray be fitiavana mba hahafahantsika mivoatra sy ho lasa toa Azy.

Ry rahalahy sy anabavy, mangataka ny finoanareo sy ny vavakareo aho amin’ity tolakandro ity raha hizara aminareo ny eritreritro mikasika ireo toetra fototra telo ananantsika araka an’ Andriamanitra. Mivavaka aho mba hahazoantsika rehetra mahafantatra sy manatanteraka feno kokoa ny andraikitra masina sahanintsika—ilay didy nomen’ Andriamanitra antsika—hampitombo ny toetrantsika araka an’ Andriamanitra mba hahafahantsika mamakivaky ny fiainana amim-pahombiazana kokoa ary mahazo ny anjara araka an’ Andriamanitra.

Voalohany, nandidy antsika ho maro fara Andriamanitra

Zavatra iray manan-danja amin’ny hoe maro fara, izay matetika no odian’ny olona tsy hita ny fampiorenana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Nampianatra ny Mpamonjy nanao hoe:

“Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. …

“Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.

“Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.”2

Ho maro fara isika rehefa miray amin’i Kristy sy rehefa “[Mitondra] ny anara[ny eo amintsika] … [manompo] Azy hatramin’ny farany”3 amin’ny fanampiana ny hafa hanatona Azy.

Amin’izao androntsika izao ireo mpaminany velona sy ny apôstôly dia mbola manohy manandratra ny feony manasa antsika hirotsaka tanteraka amin’ny asa famonjena araka ny fahaiza-manaontsika sy ny fahafahantsika.

Ny voalohany indrindra amin’ny valin’izany izay manome vokatra betsaka indrindra dia ny manao “malemy fanahy sy mietry am-po.”4 Afaka ny hanatona bebe kokoa an’i Kristy isika avy eo rehefa manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy mitandrina ireo fanekempihavanana rehetra izay nataontsika.5 Afaka ny hikatsaka sy handray ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana isika ary hanana ny hery hanasana ireo fianakaviantsika, ireo razambentsika, ary ireo mpiara-monina sy namantsika mpikambana sy tsy mpikambana mba handray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Tsy adidy akory ny fiasana ao anatin’ny fanahin’ny fiantrana fa fifaliana. Lasa fahafahana hanorina finoana ireo fotoan-tsarotra. Lasa “vavolombelon ‘[ny hatsaran’] Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra izay mety hisy [antsika], na dia hatramin’ny fahafatesana aza” isika.6

Afaka ary tokony hirotsaka tanteraka amin’ny asa famonjena isika rehetra. Nanome antsika izao andraikitra narahana fampanantenana izao ny Mpamonjy: “Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona.”7

Faharoa, nandidy antsika hihabetsaka Andriamanitra

Fitahiana avy amin’ Andriamanitra ny vatantsika. Nomeny antsika izany mba hanatanterahana ny asan’ny Ray any An-danitra dia “ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”8 Ny vatana no fitaovana ahafahantsika mahatratra ny tanjona ho tonga tahaka an’ Andriamanitra.

Manome fahafahana ireo fanahy mpankatò zanaky ny Ray any An-danitra hiaina ny fiainana an-tany ny vatana.9 Manome fahafahana ny fanahy hafa izay zanak’ Andriamanitra hankafy koa ny fiainana an-tany ny fiterahana zanaka. Manana fahafahana hivoatra sy hasandratra ireo rehetra izay teraka ety an-tany raha toa ka mankatò ny didin’ Andriamanitra izy ireo.

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray no rafitra voatendrin’ Andriamanitra hanatanterahana ilay didy hoe mihabetsaha. Tsy manana fahafahana ny hihabetsaka ny samy lahy na ny samy vavy miaraka.

Ny fanambadiana ara-dalàna sy ara-panjakana nofehezina tany amin’ny tempoly sy manaja ny fanekempihavanan’ilay famehezana dia manome fahafahana ireo ray aman-dreny sy ny zanany hahatsapa amin’ny fomba tsara indrindra ny fitiavana sy ny fiomanana ho amin’ny fiainana ahazoam-bokatra. Manome azy ireo ilay tontolo tena lafatra indrindra izay ahafahan’izy ireo miaina ny fanekempihavanana nataony tamin’ Andriamanitra izany.

Noho ny fitiavany antsika, dia nomen’ny Ray any An-danitra fahafahana ny zanany mahatoky rehetra izay tsy nandray na tsy afaka nandray ny fitahian’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana sy tsy nahazo zanaka na ny fahafenoan’ireo fitahiana ireo noho ny antony tsy miankina aminy mba handray ireo fitahiana ireo, amin’ny fotoana voatondron’ny Tompo.10

Nanoro hevitra ireo rehetra izay manana fahafahana ny hiditra ao amin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay ireo mpaminany velona sy ny apôstôly mba hirotsaka ao anatin’izany amim-pahendrena sy amim-pinoana. Tsy tokony hanemotra ny fotoan’izany andro masina izany isika noho ny fikatsahana ny zavatra ara-nofo na ny fiandrasantsika namana sahaza manana lenta miavaka ka mahatonga ireo hafa tokony ho azo safidiana tsy ahafeno ho azy ny fepetra.

Ny fampanantenana ho an’ireo rehetra izay nofehezina tao amin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay sy izay mihabetsaka amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataony dia tsy hanan-kery hanimbana ny fototry ny fifandraisana mandrakizay misy eo amin’izy ireo velively ny fahavalo.

Fahatelo, nandidy antsika hampanompo ny tany Andriamanitra

Ny dikan’ny hoe mampanompo ny tany sy manjaka amin’ny biby rehetra dia mifehy ireo zavatra ireo mba hahatanterahan’izy ireo ny sitrapon’ Andriamanitra11 rehefa miasa mba ho tombontsoan’ireo zanany izy ireo. Tafiditra amin’ny hoe mampanompo ny fahazoantsika ny fifehezana ny tenantsika.12 Tsy tafiditra ao anatin’izany ny maha-voagejan’ireo zavatra ireo antsika ka tsy manana hery hanoherana izany na ny fampiasana azy ireo mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra.13

Ny fahaizana mampanompo ny zavatry ny tany dia manomboka amin’ny fanetrentena hiaiky ny fahalemena amin’ny maha-olombelona antsika sy ny hery azontsika amin’ny alalan’i Kristy sy ny Sorompanavotany. Fa “efa niteny i Kristy hoe: Raha manam-pinoana Ahy ianareo dia hanana ny fahefana hanao na inona na inona zavatra mahasoa ao Amiko.”14 Azontsika io hery io rehefa misafidy ny hanao zavatra amim-pankatoavana ny didiny isika. Mampitombo ny fahaizantsika isika amin’ny fikatsahana ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy sy amin’ny fampiroboroboana ny talentantsika.

Teraka sy lehibe tao anatin’ny toe-piainana ambany tahaka ny ankamaroan’ny fianakaviana ao Afrika aho. Nahazo fahafahana nandresy ireo toe-piainana ireo aho tamin’ny fikatsahako sy ny fahazoako fanabeazana tsara niaraka tamin’ny fikarakarana sy ny fanampian’ireo ray aman-dreniko. Tena nilaina tamin’ny fivoarako ny fanatsarana ny fomba fahitana ny hoaviko. Taty aoriana, raha mbola mpivady vao herotrerony izaho sy i Gladys vadiko, dia nahita ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izahay, izay mbola mitahy hatrany ny fiainanay miaraka amin’ny fitarihana ara-panahy. Miatrika fitsapana sy fanamby toy ny fianakaviana rehetra izahay, kanefa rehefa mikatsaka ny fanampian’ny Tompo izahay dia nahazo valiny izay nitondra fiadanana sy fampiononana ho anay ary tsy mahatsiaro ho tototr’ireo fahasahiranana ireo izahay.

Tsy mitsaha-mitombo ny zava-tsarotra atrehin’ny fiaraha-monina amin’izao fotoana izao, toy ny fahalotoam-pitondrantena, pôrôgrafia, ady mitam-piadiana, fandotoana ny tontolo iainana, fidorohana zava-mahadomelina, ary ny fahantrana satria betsaka amin’izao tontolo izao no misafidy hampitodika ny tenany “amin’ny sitrapon’ny devoly sy ny nofo”15 toy izay ny sitrapon’ Andriamanitra. “Tsy mikatsaka ny Tompo izy ireo mba hanorina ny fahamarinany, fa samy mandeha amin’ny lalany avy ny olona tsirairay, ary manaraka ny endriky ny andriamaniny avy, izay manam-pitoviana amin’ izao tontolo izao ny endriny”16

Na izany aza dia manasa ny zanany rehetra Andriamanitra handray ny fanampiany mba handresena sy hiaretana ireo zava-tsarotra eto amin’ity fiainana ity amin’ny alalan’ireto teny ireto:

“Izaho no Andriamanitra; Izaho no nanao izao tontolo izao sy ny olona talohan’ny nahatongavany ho nofo.

“… Raha mitodika Amiko ianao ary mihaino ny feoko sy mino ary mibebaka amin’ ny fandikanao lalàna rehetra sy atao batisa amin’ ny rano, amin’ny anaran’ny Zanaka Lahitokako , … dia handray ny fanomezana ny Fanahy Masina ianao, ka hangataka ny zava-drehetra amin’ny Anarany, ary na inona na inona hangatahinao, dia homena anao izany.”17

Ireo olomasin’ny andro farany mahatoky izay mahazo an-tsaina ny hery anaty ananany ho lasa tahaka an’ Andriamanitra sy miantehitra amin’ny fony manontolo amin’ny hery azo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo dia hahazo hery ao amin’ny fahalemen’izy ireo ary afaka “manao ny zava-drehetra.”18 Omena fahafahana izy ireo ny handresy ny fitaoman’ny ratsy izay efa nanandevozan’ny fahavalo ny olona maro. Nampianatra i Paoly hoe:

“Mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.”19

“Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin’ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy.”20

Nandidy sy nitsodrano antsika ny Ray any An-danitra mba ho maro fara, hihabetsaka ary hampanompo ny tany mba hahatonga antsika ho tahaka Azy. Nanome fanampiana Izy mba hahazoantsika tsirairay mivoatra, amin’ny alalan’ny safidintsika, ka ho tonga tahaka Azy. Mivavaka aho mba hahafahantsika rehetra miaina ny fiainantsika ka ho voatarika amin’ny alalan’ny fahitantsika ny toetrantsika araka an’ Andriamanitra, hitaky ny tombontsoa masina rehetra tokony ho azontsika ary hahatratra ny anjarantsika araka an’ Andriamanitra.

Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny fahavelomana sy ny fisian’ Andriamanitra Ray sy ny Zanaka Malalany, i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika; ny drafitry ny fahasambarany be voninahitra; ary ny fanalahidy izay nomeny ny mpaminany velona ankehitriny, dia i Thomas S. Monson, izay tiantsika sy tohanantsika. Mivavaka aho mba hananantsika hery handray ny fahafenoan’ny fitahiany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.