2010–2019
Ireo fitahiana avy amin’ny tempoly
Aprily 2015


Ireo fitahiana avy amin’ny tempoly

Rehefa mandeha any amin’ny tempoly isika dia mety hitranga amintsika ny fisian’ny fatran’ny fiainam-panahy sy fahatsapana fiadanana lehibe.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, tena feno fankasitrahana aho tafaraka aminareo amin’izao marainan’ny Paska mahafinaritra izao izay ampitodihantsika ny saintsika any amin’ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao. Manolotra ny fitiavako sy ny fiarahabako anareo rehetra aho ary mivavaka aho mba hitantana izay holazaiko ny Ray any An-danitra.

Feno fito taona tamin’ity fihaonambe ity ny nanohanana ahy ho Filohan’ny Fiangonana. Nisehoan-javatra maro dia maro ireo taona ireo, izay nahitana olana vitsivitsy ihany saingy nahitana fitahiana tsy hay isaina koa. Anisan’ireo fitahiana tena tsara sy masina ireo ny fahafahako nanokana sy namerina nanokana tempoly.

Nanana fahafahana aho vao haingana, tamin’ny nôvambra lasa teo, nanokana ilay tempoly vaovao sy tsara tarehin’i Phoenix Arizona. Niaraka tamiko tany ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, ny Loholona Dallin H. Oaks, ny Loholona Richard J. Maynes, ny Loholona Lynn G. Robbins ary ny Loholona Kent F. Richards. Nisy fampisehoana ara-kolontsaina tena nahafinaritra ny hariva talohan’ny fanokanana, izay nahitana ny filalaovan’ny zatovo mihoatra ny 4.000 avy amin’ny tempolin’ny distrika an-tsehatra tamin’ny fomba kanto. Notokanana tao anatin’ny fivoriana fanokanana in-telo izay masina sy nanentana ny fanahy ny tempoly.

Marika tena mazava maneho ny fitombon’ny Fiangonana ny fanorenana tempoly. Manana tempoly efa miasa izay miisa 144 isika maneran-tany, miaraka amin’ny tempoly miisa 5 izay havaozina ary 13 fanampiny izay mbola eo an-dalam-pitsanganana. Ankoatra izany dia misy tempoly 13 izay efa nambara tany aloha no mandalo ambaratongam-panomanana maro alohan’ny hanombohan’ny fananganana. Mikasa ny hamerina hanokana tempoly 2 sy hanokana tempoly 5 vaovao izay ho vita izahay amin’ity taona ity.

Nandritra ny roa taona lasa farany teo, raha nifantoka tamin’ny famitana ireo tempoly izay nambara fa haorina ny ezaka nataonay, dia naato aloha ireo drafitra hanorina tempoly fanampiny. Amin’ity maraina ity anefa, dia faly aho manambara tempoly telo vaovao izay haorina amin’ireto toerana manaraka ireto: Abidjan, Côte d’Ivoire; Port-au-Prince, Haiti; ary Bangkok, Thaïland. Endrey ireo fitahiana voatahiry ho an’ireo mpikambana mahatoky any amin’ireo faritra ireo, ary izany tokoa no mitranga na aiza na aiza misy tempoly manerana izao tontolo izao.

Mitohy ny dingan’ny famantarana ny zavatra ilaina sy ny fitadiavana toerana mba hanorenana tempoly fanampiny, satria maniry ny hananan’ny mpikambana faran’izay maro fahafahana hiditra ny tempoly tsy hanaovana fihafiana be loatra ara-potoana sy ara-bola izahay. Homenay fampahalalana ianareo rehefa misy fanapahan-kevitra raisina mikasika izany toy ny nataonay taloha.

Rehefa mieritreritra ny tempoly aho dia mitodika any amin’ireo fitahiana maro azontsika ao anatin’izany ny saiko. Avelantsika any aoriantsika any ireo zavatra mahavarimbariana sy mampisafotofoto eto amin’izao tontolo izao rehefa miditra ny varavaran’ny tempoly isika. Mahita hatsarana sy filaminana isika ao anatin’izany toerana masina izany. Miala sasatra ny fanahintsika ary mitsahatra amin’ny fanaovana ireo adidy eo amin’ny fiainantsika isika.

Rehefa mandeha any amin’ny tempoly isika dia mety hitranga amintsika ny fisian’ny fatran’ny fiainam-panahy sy fahatsapana fiadanana lehibe lavitra noho izay fahatsapana hafa mety ho tonga ao am-pon’olombelona. Ho azontsika ny tena dikan’ilay tenin’ny Mpamonjy manao hoe: “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo. … Aza malahelo na matahotra ny fonareo.”1

Afaka mameno ny fon’olona rehetra ny fiadanana toy izany—fo ianjadian’ny olana, fo vesaran’alahelo, fo misafotofoto, fo mangataka fanampiana.

Vao haingana aho no nahafantatra mivantana mikasika ny tovolahy iray izay nandeha tany amin’ny tempoly niaraka tamin’ny fo nangataka fanampiana. Naharay ny antsony hanompo any amin’ny misiôna iray any Amerika Atsimo izy volana maro talohan’izany. Nihemotra nandritra fotoana lava dia lava anefa ny fahazoany visa ka dia nasaina nanompo tany amin’ny misiôna hafa iray tao Etazonia izy. Na dia diso fanantenana aza izy fa tsy afaka nanompo tany amin’ilay faritra tao anatin’ny antso nomena azy voalohany dia niasa mafy izy tao amin’ilay toerana vaovao nanirahana azy, vonona ny hanompo tsara faran’izay vitany. Lasa kivy anefa izy noho ny zavatra ratsy niainany niaraka tamin’ireo misiônera izay toa liana bebe kokoa amin’ny fialamboly noho ny fizarana ny filazantsara.

Nianjadian’ny aretina tena henjana io tovolahy io volana vitsivitsy taty aoriana izay nampalemy ny ampahan’ny vatany, ka dia nalefa nody izy noho ny filany fitsaboana.

Sitrana soa aman-tsara io tovolahy io volana vitsy taty aoriana ary tsy nalemy intsony. Nampahafantarina azy fa afaka miverina ho misiônera indray izy, izay fitahiana nangatahany tamim-bavaka isan’andro. Ny hany vaovao nandiso fanantenana azy dia ny fiverenany any amin’ilay misiôna efa nialany, izay toerana nahitany fitondrantena sy fihetsiky ny misiônera sasany izay tsy araka ny tokony ho izy.

Nandeha tany amin’ny tempoly izy mba hitady fampaherezana sy fanamafisana fa afaka ny hiaina zavatra tsara amin’ny maha-misiônera azy. Nivavaka koa ny ray aman-dreniny mba hitondra ilay fanampiana nilain’ny zanany izany fandehanana any amin’ny tempoly izany.

Rehefa niditra ny efitrano selestialy ilay tovolahy taorian’ny fivoriana natrehana, dia nipetraka teo amin’ny seza iray ary nanomboka nivavaka mba hahazo fitarihana avy amin’ny Rainy any An-danitra.

Nisy tovolahy iray hafa nantsoina hoe Landon niditra ny efitrano selestialy fotoana fohy taorian’izay. Rehefa niditra ilay efitrano izy dia tonga dia nitopy teny amin’ilay tovolahy nipetraka teo amin’ny seza, izay nanakimpy ny masony sy nivavaka mazava ho azy, ny masony. Naharay bitsika mazava i Landon fa tokony hiresaka amin’io tovolahy io. Nanapa-kevitra ny hiandry anefa izy fa tsy te hanelingelina ilay tovolahy eo am-pivavahana. Raha mbola teo am-pivavahana ihany ilay tovolahy minitra maro taty aoriana dia fantatr’i Landon fa tsy afaka ny hanemotra intsony ilay bitsika azony izy. Nanatonany ilay tovolahy ary nokasihiny moramora ny sorony. Nosokafan’ilay tovolahy ny masony ary gaga izy hoe nisy nanelingelina. Niteny moramora i Landon hoe: “Nisy zavatra nanosika ahy hoe mila miresaka aminao aho na dia tsy fantatro tsara aza ny antony.

Namboraka ny tao am-pony tamin’i Landon ilay tovolahy rehefa nanomboka niresaka izy ireo, ka nohazavainy ny toe-javatra niainany ary nofaranany tamin’ny filazany ilay faniriany hahazo fampaherezana sy famporisihana mikasika ny fanaovany asa fitoriana izany. Notantarain’i Landon, izay vao niverina avy nanao asa fitoriana tamim-pahombiazana herintaona lasa izay, ny zavatra niainany manokana nandritra ny fanaovana asa fitoriana, ny fanamby sy ny olana natrehany, ny fomba nitodihany tany amin’ny Tompo mba hahazoana fanampiana ary ireo fitahiana azony. Nampahery sy nampitony ny teniny ary nifindra tany amin’ilay tovolahy ny fahavitrihany nanompo. Nisy fahatsapana fiadanana tonga tao aminy tamin’ny farany rehefa nanjavona ny tahotr’ilay tovolahy. Feno fankasitrahana lalina izy rehefa tsapany fa voavaly ny vavaka nataony.

Niara-nivavaka ireo tovolahy anankiroa ireo, dia niomana ny handeha i Landon, faly fa nihaino ilay aingam-panahy tonga tao aminy. Rehefa nitsangana izy dia nanontany an’i Landon ilay tovolahy hoe: “Taiza ianao no nanompo?” Hatramin’io fotoana io aloha dia samy mbola tsy nisy nilaza izay misiôna nanompoany izy ireo. Nipatrapatraka ny ranomason’ilay tovolahy rehefa nolazain’i Landon ny anaran’ny misiôna nanompoany. Nanompo tany amin’ilay misiôna izay hiverenan’ilay tovolahy i Landon!

Nozarain’i Landon tao anatin’ny taratasy nalefany ho ahy ny teny nolazain’ilay tovolahy talohan’ny nisarahan’izy ireo: “Nanana finoana aho fa hitahy ahy ny Ray any An-danitra, saingy tsy noheveriko velively hoe handefa olona iray hanampy ahy Izy izay nanompo tany amin’ny misiôna nisy ahy. Fantatro amin’izao fotoana izao fa hilamina ny zava-drehetra.”2 Nohenoina sy novaliana ny vavaka feno fanetrentena nataon’olona mahitsy fo iray.

Ry rahalahiko sy anabaviko, hiatrika fakam-panahy, fitsapana ary olana isika eo amin’ny fiainantsika. Ho afaka ny handresy tsara kokoa ireo fakam-panahy ireo isika sy hahazaka ny fitsapana mahazo antsika rehefa mandeha any amin’ny tempoly sy mahatsiaro ireo fanekempihavanana natao tany. Afaka mahita fiadanana isika any amin’ny tempoly.

Tsy voavidy vola ireo fitahiana avy amin’ny tempoly. Ny iray amin’izany izay maha-feno fankasitrahana ahy isan’andro eo amin’ny fiainako dia ilay azonay sy i Frances vady malalako rehefa nandohalika teo amin’ny alitara masina izahay ary nanao fanekempihavanana izay mamehy anay hiaraka mandrakizay. Tsy misy fitahiana sarobidy kokoa noho ny fiadanana sy ny fampaherezana azoko avy amin’ny fahalalako fa ho tafaraka indray izahay.

Enga anie hotahian’ny Ray any An-danitra isika mba hanana ilay toetra tokony hananana mahakasika ny fitsaohana any amin’ny tempoly, mba hankatò ny didiny ary mba hanaraka soa aman-tsara ny dian’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjintsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa Mpanavotra antsika Izy. Zanak’ Andriamanitra Izy. Izy ilay nivoaka avy ao am-pasana tamin’ilay marain’ny Paska, ka nentiny niaraka taminy ilay fanomezana ny fiainana mandrakizay ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Eo am-pankalazantsika izany zava-niseho manan-danja izany amin’izao andro mahafinaritra izao, dia enga anie isika hanolotra vavaka feno fankasitrahana noho ireo fanomezana lehibe sy tena tsara nomeny antsika. Mivavaka amim-panetrentena amin’ny anarany masina aho mba ho tanteraka izany, amena.

Fanamarihana

  1. Jaona 14:27.

  2. Taratasy eo an-tanan’i Thomas S. Monson.