2010–2019
Safidio ny hino
Aprily 2015


Safidio ny hino

Manolotra ny filazantsarany ho fahazavana hitarika ireo izay misafidy ny hino sy hanaraka Azy ny Mpamonjy.

Nisidina avy tany Florida ho any Illinois tamin’ny fiaramanidina manokana i Sailor Gutzler, izay fito taona, sy ny fianakaviany. Ny rain’i Sailor no nanamory. Nanana olana ara-teknika ilay fiaramanidina raha vao nanomboka ny alina ka nianjera tao amin’ny vohitra maizin-kitrok’i Kentucky, nitsimbadika ambony ambany tao amin’ny tany malalaka nikintoantoana. Maty tao anatin’ilay loza avokoa ny olona rehetra ankoatra an’i Sailor. Tapaka tao anatin’ilay fianjerana ny hatotanany. Feno tataka sy kiaka ny vatany ary very ny kirarony. 3 degrée Celsius ny mari-pana—alin’ny ririnina nangatsiaka sy nanorana tao Kentucky tamin’izay—kanefa pataloha fohy sy ambonin’akanjo iray ary ba kiraro iray ihany no nanaovan’i Sailor.

Niantsoantso ny reniny sy ny rainy izy saingy tsy nisy namaly. Nampiasa ny herimpo rehetra nananany izy, namakivaky tsy nanao kiraro ny ambanivohitra hitady fanampiana, niampita sakelidrano, lavaka, ary namakivaky tamim-pahasahiana ireo alana voaroihazo. Nahatsikaritra hazavana kely teny lavidavitra teo amin’ny roa kilaometatra teo i Sailor avy teny ambonin’ny havoana iray. Rehefa avy namakivaky tao anatin’ny haizina sy nihazakazaka nankeny amin’ilay hazavana izy dia tonga ihany teny amin’ilay tranon’ny lehilahy tsara fanahy iray tsy fantany izay nanomboka nikarakara azy faingaina. Avotra i Sailor. Nentina tany amin’ny hôpitaly tsy ela izy ary nampiana mba ho sitrana.1

Velon’aina soa aman-tsara i Sailor satria nahita fahazavana teny lavidavitra izy ka nitolona mba hahatongavana teny na dia teo aza ny tany haolon’ambanivohitra, ny halalin’ny voina natrehiny, ary ny ratra niaretany. Sarotra ny maka sary an-tsaina ny fomba nanaovan’i Sailor ny zavatra nataony tamin’izay alina izay. Fa ny fantatsika dia hoe fantany fa ho famonjena ho azy ny fahitany ilay hazavana teny amin’ilay trano lavitra iray. Nisy ny fanantenana. Ny fanantenany fa ho hitany ao amin’izany fahazavana izany ny famonjena azy no nahatonga azy nanana herimpo, na ratsy toy ny inona aza ny zavatra nahazo azy.

Vitsy amintsika no hiaritra toe-javatra tena mampivarahontsana tahaka ny an’i Sailor. Saingy isika rehetra dia tsy maintsy hamakivaky ny tany haolo ara-panahintsika sy hanao ilay dia sarotra ara-pihetsehampontsika na rahoviana izany na rahoviana. Amin’ireny fotoana ireny, na maizina toy ny ahoana na toa tsy misy fanantenana toy ny ahoana izany, dia hisy foana ny hazavana ara-panahy izay miantso antsika, izay manome fanantenana sy fanampiana antsika, raha mitady izany isika. Mamiratra avy amin’ny Mpamonjy ny olombelona rehetra izany, izay Fahazavan’Izao Tontolo Izao.

Tsy mitovy amin’ny mahita fahazavana ara-batana ny fahitana fahazavana ara-panahy. Manomboka amin’ny fahavononantsika hino ny famantarana ilay fahazavana ara-panahin’ny Mpamonjy. Takin’ Andriamanitra amintsika voalohany indrindra ny mba hananantsika faniriana ny hino aloha farafahakeliny. “Raha te hamoha sy hanaitra ny faharanitan’ ny sainareo ianareo… ary hampihatra sombiny amin’ny finoana,” hoy ny nampianarin’ny mpaminany Almà: “eny, na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry ny hino aza ianareo, dia avelao izany faniriana izany hiasa ao aminareo, ambara-pinoanareo amin’ ny fomba izay hahafahanareo manisa toerana ho an’ ny ampahany amin’ ny tenin’[ny Mpamonjy].”2

Ny fiantsoan’i Almà antsika mba haniry ny hino sy “hanome toerana” ao am-pontsika ho an’ny tenin’ny Mpamonjy dia mampahatsiahy antsika fa mitaky ny safidy sy ny asantsika manokana ny fahatokiana sy finoana. Tsy maintsy “mamoha sy manaitra ny faharanitan-tsaintsika isika.” Mangataka isika mialoha ny hanomezana antsika; mitady isika mialoha ny hahitantsika; mandondona isika mialoha ny hamohana antsika. Dia omena izao fampanantenana izao isika avy eo: “Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondona no hovohana.”3

Tsy mbola nisy fitalahoana mahery vaika be kokoa mba hino mihoatra noho ilay avy tamin’ny Mpamonjy Tenany mihitsy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany rehefa nanao antso avo tamin’ny mpihaino azy izay tsy nino Izy:

“Raha tsy manao ny asan’ny Raiko aho, dia aza mino Ahy.

“Fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino Ahy aza hianareo, dia minoa ny asa, mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato Amiko.”4

Miatrika fitsapana ny tsirairay amintsika isan’andro. Izany no fitsapana eo amin’ny androm-piainantsika: hisafidy ny hino Azy sy hamela ny fahazavan’ny filazantsarany hitombo ao anatintsika ve isika, sa handà ny hino Azy sy hikiry handeha irery ao anatin’ny haizina? Manolotra ny filazantsarany ho fahazavana hitarika ireo izay misafidy ny hino sy hanaraka azy ny Mpamonjy.

Nanana safidy iray i Sailor taorian’ilay voina. Afaka nisafidy ny hijanona teo akaikin’ilay fiaramanidina tao anatin’ny haizina izy, irery sy natahotra. Kanefa mbola ho lava ny alina, ary hihamangatsiaka hatrany izany. Nisafidy fomba hafa izy. Nihanika havoana i Sailor ka avy eny izy no nahita hazavana teny amin’ny faravodilanitra.

Nanatona tsikelikely ilay hazavana izy nandritra ny alina ary nihanazava izany. Mbola tsy maintsy nisy ihany fotoana tsy nahafahany nahita izany. Angamba mety tsy nahita izany izy rehefa tao anaty hady na tao ambadiky ny hazo na kirihitra, kanefa nandroso hatrany izy. Isaky ny nahita ilay fahazavana i Sailor dia nanana porofo fa teo amin’ny lalana marina izy. Tsy mbola fantany mazava anefa hoe inona ilay hazavana, saingy nanohy nanatona izany izy nifototra tamin’izay fantany—natoky sy nanantena fa hahita izany indray izy raha toa ka manohy mandroso amin’ny lalana tokony hizorana. Mety ho voavonjy ny ainy amin’ny fanaovana izany.

Mety hitovy amin’izany koa ny fiainantsika. Mety nisy ireo fotoana nampaharatra antsika, nahareraka antsika, ary toa maizina sy nangatsiaka ny fiainantsika. Mety misy fotoana tsy ahitantsika fahazavana eny amin’ny faravodilanitra, ka mety hahatsapa ho te hilavo lefona isika. Raha toa ka vonona ny hino isika, raha toa ka maniry ny hino isika, raha toa ka misafidy ny hino isika dia hampiseho antsika ny lalana irosoana ireo fampianaran’ny Mpamonjy sy ny ohatra nasehony.

Misafidiana ny Hino

Tahaka an’i Sailor izay tsy maintsy nino fa hahita fiarovana ao amin’izany hazavana lavitra izany izy, dia tsy maintsy misafidy ny hanokatra ny fontsika ihany koa isika hidiran’ny maha-tena misy ny Mpamonjy—hidiran’ilay fahazavany mandrakizay sy ny famindrampony manasitrana. Namporisika antsika sy niangavy antsika aza ireo mpaminany tao anatin’ny vanimpotoana rehetra mba hino an’i Kristy. Mampiseho zava-misy fototra iray ny famporisihana ataon’izy ireo: tsy manery antsika hino Andriamanitra. Fa manasa antsika kosa Izy mba hino, amin’ny alalan’ny fandefasany mpaminany sy apôstôly velona mba hampianatra antsika, amin’ny alalan’ny fanomezana ny soratra masina ho antsika, ary amin’ny alalan’ny fiantsoana antsika amin’ny alalan’ny Fanahiny. Isika no ireo izay tsy maintsy misafidy ny hanaiky ireo fanasana ara-panahy ireo, hisafidy ny hijery amin’ny masom-panahy ilay hazavana ara-panahy izay entiny iantsoana antsika. Ny fanapahan-kevitra mba hino no tena safidy tsara indrindra mihoatra noho izay safidy hafa nataontsika. Mamolavola ireo fanapahan-kevitra hafa rehetra horaisintsika izany.

Tsy manery antsika hino tahaka ny tsy hanereny antsika mba hitandrina na didy inona na didy inona Andriamanitra, na dia eo aza ny faniriany tonga lafatra mba hitahy antsika. Mbola mijanona ho manan-kery ihany anefa ankehitriny ny antso ataony amintsika mba hino Azy—mba hampiasa izany finoana kely izany ka hanome toerana ho an’ny teniny. Araka ny nolazain’ny Mpamonjy hoe: “Izaho dia vavolombelona fa mandidy ny olona rehetra ny Ray, na aiza na aiza, hibebaka sy hino Ahy.”5

Tsy fitsipika iharana ny zavatra inoana sy ny fijoroana ho vavolombelona ary ny finoana. Tsy mitranga fotsiny amintsika izany. Ny zavatra inoana dia zavatra safidiantsika—manantena izany isika, miasa ho amin’izany, ary manolo-tena ho amin’izany. Tsy hino tsy nahy ny Mpamonjy sy ny filazantsarany isika tahaka ny tsy hivavahantsika na handoavantsika ny fahafolonkarena tsy nahy. Misafidy amim-pahazotoana ny hino isika, tahaka ny hisafidiantsika ny hitandrina ireo didy hafa.

Avadiho ho asa ny finoana

Tsy afaka nahafantatra i Sailor tamin’ny voalohany rehefa nandroso niditra ilay kirihitra izy fa handaitra ny zavatra nataony. Very sy naratra izy; maizina sy nangatsiaka tamin’izany. Kanefa nilaozany ilay fiaramanidina nianjera ka nandeha tamim-pahasahiana izy nanam-panantenana fa ho voavonjy, nandady sy nijalijaly teny an-dalana mandra-pahitany hazavana iray teny lavitra teny. Raha vantany vao hitany izany dia nanao ny tsara indrindra vitany izy mba handrosoana mankany amin’izany, sady nahatsiaro foana ny zavatra hitany.

Tsy maintsy manome toerana ho an’ny fanantenana torak’izany koa isika, fa hahita hazavana ara-panahy isika amin’ny alalan’ny fifikirana amin’ ny finoana fa tsy hisafidy ny hisalasala. Porofon’izay inoantsika sy manjary ho fototry ny finoantsika ny asantsika. Misafidy ny hino isika rehefa mivavaka sy rehefa mamaky ny soratra masina. Misafidy ny hino isika rehefa mifady hanina, rehefa mitandrina ny Sabata ho masina, ary rehefa mitsaoka any amin’ny tempoly. Misafidy ny hino isika rehefa atao batisa sy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo. Misafidy ny hino isika rehefa mibebaka sy mikatsaka famelan-keloka sy fitiavana manasitrana avy amin’ Andriamanitra.

Aza milavo lefona na oviana na oviana

Mety ho toa miadana sy mielanelana ny fivoarana amin’ny zavatra ara-panahy indraindray. Mety hahatsapa isika indraindray fa resy, nanao fahadisoana na tsy mandaitra ny ezaka tsara indrindra ataontsika mba hahita ny Mpamonjy. Raha mahatsapa izany ianareo dia miangavy anareo aho mba tsy hilavo lefona—na oviana na oviana. Tohizo hatrany ny finoana Azy sy ny filazantsarany ary ny Fiangonany. Ampifanaraho amin’izany finoana izany ny asanareo. Amin’ireo fotoana izay mampitsilopilopy ny finoanareo dia ataovy mandresy ny ahiahinareo ny fanantenanareo ny fitiavana sy ny famindram-pon’ny Mpamonjy hita ao amin’ny filazantsarany ary ny Fiangonany. Mampanantena aho fa vonona handray anareo Izy. Rehefa mandeha ny fotoana dia ho hitanareo fa nanao ny safidy tsara indrindra azonareo natao ianareo. Hitahy anareo tsy misy fetra sy mandrakizay ny fanapahan-kevitra feno risipo nataonareo mba hino Azy.

Ireo fitahian’ny finoana

Nahatsapa ny fitiavana feno famindrampon’ny Mpamonjy aho teo amin’ny fiainako. Nitady Azy aho tao anatin’ireo fotoana nandalovako haizina manokana ary nanolo-tanana ahy Izy niaraka tamin’ilay hazavany izay manasitrana. Anisan’ireo fifaliana lehibe teo amin’ny fiainako ny nanao dia niaraka tamin’i Kathy vadiko mba hihaona amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany amin’ny faritra maro manerana an’izao tontolo izao. Nampianatra ahy sy nampianatra anay momba ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany ireny fihaonana mahafinaritra ireny. Nampiseho ahy ny fahafahana tsy misy fetra hahazo fahasambarana ireny izay lasa fitahiana ho an’ireo izay misafidy ny hanaraka ireo fampianaran’ny Tompo Jesoa Kristy. Nianatra aho fa ny finoana Azy sy ny heriny manavotra no “fiadanana eo amin’ ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ ny tontolo ho avy.”6

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no loharanon’ny fahazavana sy fanantenana ho antsika rehetra. Mivavaka aho mba hisafidy ny hino Azy isika rehetra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Lindsey Bever, “How 7-Year-Old Sailor Gutzler Survived a Plane Crash,” Washington Post, 5 jan. 2015, washingtonpost.com “Girl Who Survived Plane Crash Hoped Family ‘Was Just Sleeping,’” 4 jan. 2015, myfox8.com; “Kentucky Plane Crash: Four Killed, Little Girl Survives” 4 jan. 2015, news.com.au; “Young Girl, Sole Survivor of Kentucky Plane Crash,” Associated Press, 3 jan. 2015, jems.com.

  2. Almà 32:27; nampiana fanamafisana.

  3. 3 Nefia 14:8; jereo ihany koa ny andininy 7.

  4. Jaona 10:37–38.

  5. 3 Nefia 11:32.

  6. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23.