2010–2019
Mpiaro ilay Fanambarana momba ny Fianakaviana
Aprily 2015


Mpiaro ilay Fanambarana momba ny Fianakaviana

Andeha isika hanampy amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fijoroana amim-pahasahiana sy ho tonga mpiaro ny fanambadiana, ny maha-ray aman-dreny ary ny tokantrano.

Tombontsoa lehibe sy fifaliana ho ahy ny miaraka amin’ity vondrona mahafinaritra ahitana ankizivavy sy vehivavy maro ity. Voatahy tokoa isika vehivavy tafavory ao anatin’ny firaisankina sy ny fitiavana izao hariva izao.

Sary
Old portrait of Marie Madeleine Cardon

Vao haingana aho no namaky ny tantaran’i Marie Madeleine Cardon, izay nandray niaraka tamin’ny fianakaviany ny hafatra momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, avy tamin’ireo misiônera nantsoina hanompo tany Italia tamin’ny taona 1850. Tovovavy 17 na 18 taona teo izy tamin’ny fotoana nanaovana batisa azy ireo. Indray alahady, raha teo am-panaovana fotoam-bavaka izy ireo tao an-tranony, izay avo toerana teny amin’ireo vondron-tendrombohitra Alpes tany amin’ny faritra avaratr’i Italia, dia nisy andian-dehilahy feno fahatezerana, tao anatin’izany ny sasany tamin’ireo mpitandrina teo an-toerana, izay nitangorona nanodidina ilay trano, ka nanomboka nitabataba sy nivazavaza ary nangataka ny hamoahana ireo misiônera. Tsy mino aho hoe dodona ny ho ampianarina ny filazantsara fotsiny izy ireo—nikasa hampihatra fampijaliana ara-batana izy ireo. I Marie kely no nivoaka avy ao amin’ilay trano mba hiatrika ilay andian’olona.

Nanohy nivazavaza sy nitaky tamin-karatsiam-panahy izy ireo ny hamoahana ireo misiônera. Nanainga ny Baiboliny i Marie ka nandidy azy ireo hiala teo. Nolazainy azy ireo fa teo ambany fiarovany ireo misiônera ka tsy afaka hikasika na ny singam-bolon’izy ireo aza ireto andian’olona. Henoy anie ny nolazainy:” Gaga daholo ny rehetra. … Niaraka tamiko Andriamanitra. Izy no nanome ireo teny ireo hiloaka ny vavako, fa raha tsy izany dia tsy afaka niteny an’izany aho. Gina tampoka teo ny rehetra. Ity andian-dehilahy natanjaka sy feno fahasiahana ity dia tsy nahavita na inona na inona teo anoloan’ny zazavavy iray izay nalemy sy nangovitra, kanefa tsy natahotra mihitsy.” Nasain’ireo mpitandrina niala teo ilay andian-dehilahy, ka nandeha tamim-pahanginana izy ireo, feno henatra sy tahotra ary nenina. Namita ny fiarahany mivory tamim-pilaminana i Marie sy ny fianakaviany.1

Azonareo an-tsaina ve io tovovavy be herimpo io, mitovy taona amin’ny maro aminareo, ary nijoro teo anatrehan’ny andian’olona ka niaro tamin-kerimpo sy faharesen-dahatra ny finoana izay vao tsy ela no fantany?

Ry Rahavavy, vitsy amintsika no tsy maintsy hifanehitra amin’ny andian’olona feno hatezerana, kanefa misy ady mitranga eto amin’ity fiainana ity izay hanafihana ireo fotopampianarana fototra izay lalaintsika indrindra. Ny fotopampianarana momba ny fianakaviana no resahiko manokana eto. Hametraham-panontaniana sy tsikeraina ary hozongozonina amin’ny fomba rehetra azo atao ny fahamasinan’ny tokantrano sy ireo tanjona manan-danja nampisiana ny fianakaviana.

Tamin’ny Filoha Gordon B. Hinckley namaky voalohany ny “Ny Fianakaviana: fanambarana ho an’izao tontolo izao,” feno 20 taona lasa izay amin’ity taona ity, dia feno fankasitrahana isika ary nanome lanja ny fahazavan’io taratasy azo tamin’ny alalan’ny fanambarana io, sy ny fahatsorany, ary ny fahamarinany. Tsy dia nahatakatra firy isika tamin’izany fotoana izany hoe hatraiza no hilantsika mafy an’ireo fanambarana fototra ireo amin’izao fiainana ankehitriny izao mba hatao fenitra handrefesantsika izay fampianarana vaovao tsirairay izay aroso eo amintsika avy amin’ny haino aman-jery, ny Internet, ireo manam-pahaizana, ny fahitalavitra sy ny horonan-tsary, eny fa na dia ireo mpanao lalàna aza. Ny fanambarana mikasika ny fianakaviana no lasa fenitra handrefesantsika ireo fotokevitr’izao tontolo izao, ary mijoro ho vavolombelona aho fa ireo fitsipika aroso ao anatin’io fanambarana io dia mbola marina amin’izao fotoana izao, tahaka ny naha-marina izany tamin’ny fotoana nanomezan’ny mpaminanin’ Andriamanitra izany antsika efa ho 20 taona lasa izay.

Afaka manazava zavatra marina iray ve aho? Mahalana ny fiainana vao mizotra araka ny drafitra natao na ho an’iza izany na iza, ary tena fantatsika tsara fa tsy ny vehivavy rehetra akory no miaina ireo zavatra resahin’ilay fanambarana. Mbola zava-dehibe ny mahatakatra sy mampianatra ny lamin’ny Tompo ary ny miezaka manao izay tratran’ny herintsika mba hahatanteraka izany lamina izany.

Isika tsirairay dia samy manana anjara asa ao amin’ilay drafitra ary mitovy ny hasarobidintsika tsirairay avy eo imason’ny Tompo. Tokony hotadidiantsika fa misy Ray any An-danitra be fitiavana izay mahafantatra ny faniriana marina ananantsika ary vonona hanaja ny fampanantenana nomeny fa tsy hisy na inona na inona holavina amin’ireo izay manaja amim-pahatokiana ny fanekempihavanana nataony. Manana iraka sy drafitra ho antsika tsirairay ny Ray any An-danitra, saingy manana ny fandaharam-potoany koa Izy. Anisan’ireo fanamby sarotra indrindra eto amin’ity fiainana ity ny mino ny fandaharan’ny Tompo. Hevitra tsara ny manana drafitra iray hafa ao an-tsaina, izay manampy antsika ho tonga vehivavy mpanaja fanekempihavanana, be fiantrana, ary marina, izay manangana ny fanjakan’ Andriamanitra na mandeha araka ny drafitra nataontsika ny fiainantsika na tsia. Mila mampianatra ireo zanatsika vavy isika mba hiezaka ny hanatratra ny fiainana lafatra indrindra, kanefa hiomana ho amin’ny zava-miseho tsy ampoizina.

Mandritra ity faha 20 taonan’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana ity dia tiako ny hanolotra fanamby ho antsika rehetra amin’ny maha-vehivavin’ny Fiangonana antsika mba ho mpiaro an’ilay “Ny fianakaviana: fanambarana ho an’izao tontolo izao.” Tsy misy hafa amin’ny niarovan’i Marie Madeleine Cardon tamin-kerimpo ireo misiônera sy ny finoana vaovao vao fantany no ilantsika hiarovana amim-pahasahiana ireo fotopampianaran’ny Tompo izay nambara, izay mamariparitra ny fanambadiana, ny fianakaviana, ny anjara asa masin’ny lehilahy sy ny vehivavy, ary ny lanjan’ny tokantrano amin’ny maha-toerana masina izany—eny fa na dia rehefa mitabataba ao an-tsofitsika aza izao tontolo izao hoe efa lany andro sy mametra antsika ary tsy mitombina intsony ireo fitsipika ireo. Ny olona tsirairay, na manambady na tsy manambady na manan-janaka na tsia, dia afaka ny ho tonga mpiaro ny drafitry ny Tompo izay voafaritra ao anatin’ny fanambarana momba ny fianakaviana. Raha io no drafitry ny Tompo dia io ihany koa no tokony ho drafitsika!

Misy fitsipika telo ampianarina ao amin’ilay fanambarana, izay heveriko fa tena mila mpiaro mahatoky indrindra. Ny voalohany dia ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray. Ampianarina antsika ao amin’ny soratra masina hoe: “Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”2 Mba hahatratraran’ny olona rehetra na iza na iza ny fahafenoan’ireo fitahian’ny fisoronana dia tsy maintsy misy lehilahy iray sy vehivavy iray mpivady nofehezina ao amin’ny tranon’ny Tompo, miara-miasa amim-pahamarinana sy mijanona ho mahatoky amin’ny fanekempihavanana nataon’izy ireo. Izany no drafitry ny Tompo ho an’ireo zanany, ka tsy misy ady hevitra na fitsikerana ataon’ny olona, na betsaka toy ny ahoana aza, ka ho afaka hanova izay nambaran’ny Tompo. Mila manohy maneho ohatra tsara isika amin’ny fananana fanambadiana marina, mikatsaka izany fitahiana izany eo amin’ny fiainantsika ary manam-pinoana raha miadam-piavy izany. Aoka isika mba ho mpiaro ny fanambadiana araka ny fomba namaritan’ny Tompo izany sady manohy maneho fitiavana sy fangorahana amin’ireo izay tsy mitovy hevitra amintsika.

Ny fitsipika manaraka izay mila ny feontsika mba hiaro azy dia ny fanajana ny anjara asa masin’ny reny sy ny ray. Maika ery isika mampianatra ireo zanatsika hanana tanjona ambony eto amin’ity fiainana ity. Tiantsika indrindra indrindra ny haka antoka fa fantatr’ireo zanakavavintsika fa manana ny hery anaty izy ireo hanatratrarana sy hahatongavana ho na inona na inona azon’izy ireo heverina. Manantena isika fa ho tia mianatra izy ireo, hahavita handranto fianarana, hanan-talenta, ary angamba ho lasa Marie Curie na Eliza R. Snow vaovao mihitsy aza.

Moa ve isika mampianatra ihany koa ireo zanakalahy sy zanakavavintsika fa tsy misy voninahitra lehibe kokoa, tsy misy anaram-boninahitra ambony kokoa, ary tsy misy anjara asa manan-danja kokoa eto amin’ity fiainana ity mihoatra noho ny an’ny reny sy ny ray? Manantena aho fa rehefa mamporisika ireo zanatsika isika mba hanatratra izay tsara indrindra eto amin’ity fiainana ity dia mampianatra azy ireo koa isika mba hanaja sy hanandratra ny anjara asa sahanin’ireo reny sy ray ao anatin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra.

I Abby, zanakay faravavy dia nanana fahafahana miavaka nijoroana ho mpiaro ny anjara asan’ny reny. Indray andro dia naharay filazana avy amin’ny sekolin’ireo zanany izy fa hisy Andro hampahafantarana mikasika ny asa tany am-pianarana. Nasaina ireo ray aman-dreny mba handefa fangatahana raha naniry ny ho any am-pianarana mba hampianatra ny ankizy mikasika ny asan’izy ireo, ary nahatsapa i Abby fa tokony handefa fangatahana mba hahafahany mankany sy miresaka mikasika ny maha-reny. Tsy nahazo valiny avy tamin’ilay sekoly izy, ka rehefa nihananakaiky ilay Andro hampahafantarana momba ny asa dia niantso an’ilay sekoly ihany izy nony farany, nihevitra fa mety hoe tsy hitan’ireo mpikarakara izay nalehan’ilay fangatahana nataony. Nanezakezaka nitady ireo mpikarakara ka dia nahita mpampianatra roa izay nanaiky ny hampianaran’i Abby ny kilasin’izy ireo amin’ny fiafaran’ilay Andro hampahafantarana momba ny asa.

Tamin’ny famelabelarana mahafinaritra nataony tamin’ireo ankizy dia nampianatra azy ireo i Abby, tao anatin’ireo zavatra maro nolazainy, fa amin’ny maha-reny azy dia nilainy ny ho tonga karazarazana manam-pahaizana manokana momba ny fitsaboana, ny fomba fisainana sy ny fihetsehampo, ny fivavahana, ny fampianarana, ny hira, ny haisoratra, ny zava-kanto, ny fitantanam-bola, ny fandravahana, ny taovolo, ny fanaterana amin’ny fiara, ny fanatanjahantena, ny fandrahoan-tsakafo, ary zavatra maro hafa. Talanjona ireo ankizy. Nofaranany izany tamin’ny alalan’ny fanasana ny ankizy tsirairay mba hahatsiaro ny renin’izy ireo amin’ny alalan’ny fanoratana teny fisaorana izay maneho fankasitrahana noho ireo asa fanompoana natao tamim-pitiavana izay raisin’izy ireo isan’andro. Tsapan’i Abby fa nahita ireo reniny tamin’ny fomba fijery vaovao ireo ankizy ary zavatra tena sarobidy izany hoe reny na ray izany. Nanao fangatahana indray izy tamin’ity taona ity mandritra ny Andron’ny Asa ka dia nasaina hanao famelabelarana ho an’ny kilasy miisa enina.

Sary
Sister Oscarson's daughter, Abby, holding a portrait of her children

Izao no nolazain’i Abby mikasika ny zavatra niainany: “Tsapako fa mety ho mora tokoa, mandritra ity fiainana ity, ho an’ny ankizy iray, ny manana fahatsapana fa ambinkambin’asa izany hoe ray aman-dreny izany na zavatra manahirana tsy maintsy hatao mihitsy aza. Tiako ny hahatsapan’ny ankizy tsirairay fa izy ireo no laharampahamehana manan-danja indrindra amin’ireo ray aman-dreniny, ary angamba ny filazako amin’izy ireo ny maha-manan-danja ny maha-ray aman-dreny amiko dia hanampy azy ireo hahatsapa ny zavatra rehetra ataon’ireo ray aman-dreniny ho azy ireo sy ny antony hanaovan’izy ireo izany.”

Ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Thomas S. Monson, dia ohatra mahatalanjona eo amin’ny fanajana ny vehivavy sy ny maha-reny, indrindra fa ny reniny. Raha niresaka momba ny renintsika ety an-tany izy dia nilaza hoe: “Enga anie isika tsirairay hanome lanja lehibe ity fahamarinana ity: tsy misy afaka manadino ny reniny ka hoe hahatsiaro an’ Andriamanitra. Tsy misy afaka mahatsiaro ny reniny ka hanadino an’ Andriamanitra. Nahoana? Satria ireo olona roa sarobidy ireo, Andriamanitra sy ny reni[ntsika eto an-tany], izay mpiara-miasa eo amin’ny fahariana, sy ny fitiavana, sy ny fahafoizantena ary ny asa fanompoana, dia toy ny iray ihany.”3

Ny fitsipika farany tokony hijoroantsika sy harovantsika dia ny fahamasinan’ny tokantrano. Mila maka fomba fiteny iray izay resahina indraindray amin’ny alalan’ny fanesoana isika ka manome lanja izany. Izany dia ilay fomba fiteny hoe mpikarakara tokantrano. Afaka miezaka ny ho mpikarakara tokantrano avokoa isika rehetra vehivavy, lehilahy, zatovo ary ankizy, na mpitovo na manambady. Tokony “hokarakaraintsika ny tokantranontsika” mba ho lasa toerana fialofana, sy toerana masina ary fiarovana. Tokony ho toerana hahatsapana mitafotafo ny Fanahin’ny Tompo ny tokantranontsika ary hianarana sy hampianarana ary hiainana ny soratra masina sy ny filazantsara. Hisy fiovana lehibe eto amin’izao tontolo izao raha mihevitra ny tenany ho toy ny mpanorina tokantrano marina avokoa ny olona rehetra. Aoka isika hiaro ny tokantrano mba ho toerana faharoa avy hatrany amin’ny fahamasinana aorian’ny tempoly.

Ry Rahavavy, feno fankasitrahana aho fa vehivavy amin’izao andro farany izao. Manana fahafaha-manao izay tsy mbola nananan’ireo vehivavy tao anatin’ny taranaka hafa nifandimby teo aloha isika. Andeha isika hanampy amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fijoroana amim-pahasahiana sy ho tonga mpiaro ny fanambadiana, ny maha-ray aman-dreny ary ny tokantrano. Ilain’ny Tompo isika mba ho lasa miaramila be herimpo, sy mahatoky ary tsy voahozongozona, izay hiaro ny drafiny sy hampianatra ireo fahamarinana avy Aminy amin’ireo taranaka vao misondrotra.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona ny Ray any An-danitra ary tia antsika tsirairay. Mpamonjy sy Mpanavotra antsika i Jesoa Kristy Zanany. Izany no fijoroana ho vavolombelona apetrako aminareo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Marie Madeline Cardon Guild, “Marie Madeline Cardon Guild: An Autobiography,” cardonfamilies.org/Histories/MarieMadelineCardonGuild.html; jereo koa ny Marie C. Guild autobiography, circa 1909, Church History Library, Salt Lake City, Utah.

  2. 1 Korintiana 11:11.

  3. Thomas S. Monson, “Behold Thy Mother,” Ensign, jan. 1974, 32.