2010–2019
Ny maha-ray—anjarantsika mandrakizay
Aprily 2015


Ny maha-ray—anjarantsika mandrakizay

Enga anie isika tsirairay mba handray ny fahafenoan’ny fitahian’ny Ray eto amin’ity fiainana ity ary hahatratra ny fahatanterahan’ny asany sy ny voninahiny amin’ny fahatongavana ho ray ho an’ny fianakaviantsika mandrakizay.

Nampianatra lesona iray manan-danja tamiko ny raiko fony aho mbola tanora. Nahatsapa izy fa lasa niraiki-po loatra tamin’ny zavatra ara-nofo aho. Raha vao mahazo vola aho dia tonga dia mandany izany avy hatrany—ary matetika ho ahy irery foana no nandaniako izany.

Sary
Painting of a father talking to son in front of window with a view of the city below

Indray tolakandro dia nentiny aho mba hividy kiraro vaovao. Rehefa tonga tao amin’ny rihana faharoan’ilay trano fivarotana izahay dia nasainy aho hiara-hijery aminy any ivelan’ny varavarankely.

“Inona no hitanao?” hoy izy nanontany.

“Trano, lanitra, olona” hoy aho.

“Firy?”

“Be dia be!”

Dia nisintona vola madinika avy tao am-paosiny izy. Rehefa nanolotra izany tamiko izy dia nanontany hoe: “Inona ity?”

Tonga dia fantatro avy hatrany: “Dôlara volafotsy!”

Hoy izy tamiko nampiasa ny fahaizany simia: “Raha atsonika iny dôlara volafotsy iny ka afangaro amin’ny akora tokony ho izy dia manome nitrate d’argent. Raha rakofana nitrate d’argent ity varavarankely ity, dia inona no ho hitanao?”

Tena tsy fantatro, dia nentiny teo amin’ny fitaratra lehibe iray aho ka nanontaniany hoe: “Ary izao inona no hitanao?”

Sary
Father and son looking in a mirror at a clothing store.

“Izaho no hitako.”

“Tsia,” hoy ny navaliny, “volafotsy izay mitaratra ny sarinao no hitanao. Raha mifantoka eo amin’ilay volafotsy ianao, dia ny tenanao ihany no ho hitanao, ary tahaka ny voaly ihany, dia hanakana anao tsy hahita mazava tsara ilay anjara mandrakizay izay efa nomanin’ny Ray any An-danitra ho anao izany.”

“Larry,” hoy izy nanohy ny teniny, “‘aza mikatsaka ny zavatr’ izao tontolo izao fa [katsaho] aloha ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny hampitoetra ny fahamarinany dia hanampy ho [anao] ireo zavatra rehetra ireo’” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 6:38 [ao amin’ny Matio 6:33, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy a]).

Nasainy notazoniko ho ahy ilay dôlara ary noteneniny aho mba tsy hanary izany mihitsy. Isaky ny mijery izany aho dia tokony hieritreritra momba ilay anjara mandrakizay izay efa nomanin’ny Ray any An-danitra ho ahy.

Tena tiako ny raiko sy ny fomba fampianarany. Naniry ny ho tahaka azy aho. Namboleny tato am-poko ny faniriana ho lasa ray tsara, ary ny fanantenako lalina indrindra dia ny miaina mifanaraka amin’ny ohatra nasehony.

Ny mpaminany malala antsika, ny Filoha Thomas S. Monson, dia niteny matetika hoe ny fanapahan-kevitra raisintsika no mamaritra ny hoavintsika ary misy fiantraikany mandrakizay (jereo ny “Decisions Determine Destiny” [takariva amorom-patana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 6 nôv. 2005], 2, lds.org/broadcasts).

Koa tsy tokony hanana fomba fijery mazava ny amin’ny anjarantsika mandrakizay ve izany isika, indrindra fa ilay tian’ny Ray any An-danitra ho tratrarintsika—dia ny maha-ray mandrakizay antsika? Aoka ny anjarantsika mandrakizay no hamaritra ny fanapahan-kevitsika rehetra. Na manao ahoana na manao ahoana ny mety ho fahasarotan’izany fanapahan-kevitra izany, dia hanohana antsika ny Ray.

Nianatra momba ny herin’izany fomba fijery izany aho rehefa niaraka tamin’ireo zanako lahy 12 sy 13 taona nandray anjara tamin’ny fifaninanana 50/20. Ny 50/20 dia fandehanana an-tongotra 80 km izay vitaina ao anatin’ny latsaky ny 20 ora. Nanomboka tamin’ny 9:00 alina izahay ary nandeha nandritra ny alin’iny manontolo sy ny ampahany betsaka tamin’ny andro manaraka. Adiny 19 tena nahavalaka no nanaovanay izany, saingy vitanay ihany.

Teo am-piverenana, dia nandady ara-bakiteny mihitsy izahay raha niditra tao an-trano, dia vady sy reny mahafinaritra no nikarakara sakafo hariva mafilotra tokoa ho anay, izay tsy nokasihanay akory. Nidaraboka teo amin’ny seza lava ilay zanako lahy zandriny, valaka tanteraka, ary ilay zokiny kosa nandady nankany ambany rihana any amin’ny efitrano fatoriany.

Rehefa avy niala sasatra kelikely tao anatin’ny fanaintainana aho dia nankeo amin’ilay zanako lahy zandriny mba hakana antoka raha toa ka mbola velona soa aman-tsara izy.

“Ao tsara ve ialahy?” hoy aho.

“Dada ô, iny no zavatra sarotra indrindra nataoko hatrizay, ary tsy te hiverina hanao an’iny intsony aho.”

Tsy nieritreritra ny hiteny aminy aho hoe izaho koa dia tsy mba hanao an’iny intsony. Nolazaiko azy kosa fa tena nampirehareha ahy ny nahavitany zavatra sarotra toy izany. Fantatro fa hanomana azy hiatrika ireo zava-tsarotra hafa amin’ny hoaviny izany. Teo am-pieritreretana izany no nilazako taminy hoe: “Anaka, ataoko aminao izao fampanantenana izao. Rehefa handeha hanao asa fitoriana ianao, dia tsy hasaina handeha tongotra 80 km mihitsy ao anatin’ny indray andro.”

“Tsara izany ry Dada! Dia handeha aho izany.”

Tena nahafeno fankasitrahana sy fifaliana ny foko izany teny tsotra izany.

Avy eo aho dia nidina tany ambany ho any amin’ilay zokiny. Nipetraka teo akaikiny aho—dia nikitika azy. “Anaka, salama tsara ve ialahy?”

“Dada a!, iny no zavatra farany sarotra indrindra nataoko teo amin’ny fiainako hatrizay, ary tena tsy hamerina hanao an’iny intsony aho.” Nikimpy ny masony—dia nisokatra avy teo—ary niteny izy hoe: “Raha tsy hoe tian’ny zanako lahy ny hanaovako izany.”

Nilatsaka ny ranomasoko teo am-panehoako ny fankasitrahako azy. Nolazaiko azy fa fantatro fa ho lasa raim-pianakaviana tsaratsara kokoa noho izaho izy. Feno ny foko satria tao anatin’ny fahatanorany sy tamin’ny naha mbola zaza azy dia efa nahafantatra sahady izy fa anisan’ny andraikitra masina indrindra ao amin’ny fisoronana izay tokony hosahaniny ny maha-ray. Tsy nanana fahatahorana an’izany andraikitra sy anaram-boninahitra izany izy—ilay anaram-boninahitra tian’ Andriamanitra hampiasaintsika rehefa miresaka Aminy isika. Fantatro fa nanana andraikitra aho hikolokolo ilay afon’ny faniriana ho lasa ray izay nirehitra tao amin’ny zanako lahy.

Nanana heviny lalina kokoa tamiko ireto tenin’ny Mpamonjy ireto amin’ny maha-ray ahy:

“Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray; fa na inona na inona no ataon’ny Ray dia toy izany koa no ataon’ny Zanaka” (Jaona 5:19).

“Tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy” (Jaona 8:28).

Tiako ny maha-vady sy ray ahy—manambady zanakavavy iray nofinidin’ny ray aman-dreny any an-danitra. Tiako izy. Anisan’ny zavatra tena mamelombelona ny fiainako izany. Ny fanantenako tamin’io hariva io dia ny mba hahitan’ireo zanako lahy dimy sy ny zanako vavy ato amiko ny fifaliana izay azo avy amin’ny fanambadiana mandrakizay, sy ny maha-ray ary ny fianakaviana.

Ry ray isany, mino aho fa efa henonareo ilay fitenenana hoe: “Torio amin’ny fotoana rehetra ny filazantsara, ary raha ilaina dia mampiasà teny” (voalaza fa tenin’i François d’Assise). Mampianatra ny zanakareo momba ny hoe ray ianareo isan’andro. Eo am-pametrahana fototra ho an’ny taranaka manaraka ianareo. Ny fandinihana ny fomba fanatanterahanareo ny andraikitra maha-vady sy ray anareo no fomba hianaran’ny zanakareo lahy ireo andraikitra ireo koa. Ohatra:

Fantatr’izy ireo ve hoe hatraiza ny fitiavanareo ny renin’izy ireo sy hoe hatraiza ny fitiavanareo ny maha-rain’izy ireo anareo?

Hianatra ny fomba hitondrany izay ho vadiny sy ny ho zanany rahatrizay izy ireo amin’ny alalan’ny fandinihana ny fitondranareo ny tsirairay amin’izy ireo tsy misy hafa amin’izay ataon’ny Raintsika any An-danitra.

Ny ohatra asehonareo no hahafahan’izy ireo hianatra ny fomba fanajana, sy ny fanomezana voninahitra ary ny fiarovana ny vehivavy.

Afaka mianatra ny fomba fitarihana ny fianakaviany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana izy ireo eo anivon’ny tokantranonareo. Afaka mianatra ny fanomezana izay ilaina eo amin’ny fiainana izy ireo sy ny fiarovana ny fianakaviany—ara-nofo sy ara-panahy (jereo ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,”Liahona, nôv. 2010, 129).

Ry rahalahy isany, amin’ny herin’ny fanahiko manontolo, no angatahako anareo mba handinika ity fanontaniana ity: Moa ve ny zanakareo lahy mahita anareo miezaka mafy manao izay angatahin’ny Ray any An-danitra mba hataon’izy ireo?

Mivavaka aho mba ho eny ny valiny. Raha tsia ny valiny, dia mbola tsy tara izao hiovàna, saingy tsy maintsy manomboka izao ianareo. Ary mijoro ho vavolombelona aho fa hanampy anareo ny Ray any An-danitra.

Ary izao, ianareo zatovolahy, izay tena lalaiko tokoa, fantatrareo fa eo am-piomanana ny handray ny Fisoronana Melkizedeka ianareo, ny handray ireo ôrdônansy masina an’ny tempoly, ny hanatanteraka ny andraikitrareo sy ny adidinareo hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno, ary avy eo, tsy miandry fotoana ela loatra, hanambady zanakavavin’ Andriamanitra any amin’ny tempoly ary hanana fianakaviana. Avy eo dia hitarika ny fianakavianareo amin’ny zavatra ara-panahy araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina (jereo ny F&F 20:44; 46:2; 107:12).

Efa nanontany zatovolahy maromaro aho manerana izao tontolo izao hoe: “Inona no antony mahatonga anao etỳ?”

Hatreto aloha dia tsy mbola nisy ny namaly hoe: “Mba hianatra ny ho lasa ray, ka ho vonona sy hahafeno ny fepetra ilaina ahafahana mandray izay rehetra ananan’ny Ray any An-danitra.”

Andeha hodinihintsika ireo andraikitry ny Fisoronana Aharôna izay sahaninareo araka ny voalaza ao amin’ny fizarana 20 amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Mahaiza mihaino tsara ny zavatra tsapanareo rehefa ampiantefako amin’ny fanompoanareo ny fianakavianareo ireo andraikitra ireo.

“[M]anasa ny rehetra [ao amin’ny fianakavianareo] hanatona an’i Kristy” (andininy 59).

“Mitandrina mandrakariva [azy ireo], ary … miaraka amin’ izy ireo sy … manatanjaka azy” (andininy 53).

“Mitory, mampianatra, manazava, manentana ary … manao batisa” ny mpikambana ao amin’ny fianakavianareo (andininy 46).

“Manentana azy hanao tonom-bavaka sy hivavaka mangina ary hiatrika ny adidy rehetra ao amin’ ny fianakaviana” (andininy 47).

“Mijery mba tsy hisy heloka ao amin’ ny [fianakavianareo], na fifanamafisam-po, na fandaingana, na fifosana, na fitenenan-dratsy” (andininy 54).

“Manao izay hiarahan’ ny [fianakavianareo] mivory matetika” (andininy 55).

Ampio ny rainareo amin’ny andraikiny amin’ny maha-patriarika azy. Tohano ny reninareo amin’ny herin’ny fisoronana rehefa tsy eo ny ray (jereo ny andininy 52, 56).

Rehefa angatahina hanao izany dia “manokana koa ireo mpisorona, mpampianatra, ary diakona hafa” ao amin’ny fianakavianareo (andininy 48).

Tsy hitanareo ho toy ny asa sy andraikitry ny ray ve izany?

Sary
A young man reading a a Church publication.

Ny fanatanterahanareo ny andraikitry ny Fisoronana Aharôna izay sahaninareo dia manomana anareo zatovolahy ho lasa ray. Ny bokikely Devoirs envers Dieu dia afaka manampy anareo hianatra sy hanao drafitra manokana mba hanatanterahana ny andraikitrareo. Afaka mitari-dalana sy mpanampy anareo izany rehefa mikatsaka ny sitrapon’ny Ray any An-danitra ianareo sy mametraka tanjona hanatanterahana izany.

Nitondra anareo tety ny Ray any An-danitra amin’izao fotoana manokana izao mba hanao asa voatokana ary noho ny tanjona mandrakizay. Tiany ianareo mba hahita mazava tsara sy hahatakatra hoe inona io tanjona io. Rainareo Izy ary afaka mitodika any Aminy foana ianareo raha mila fitarihana.

Fantatro fa miraharaha antsika tsirairay ny Ray any An-danitra ary manana drafitra ho antsika manokana Izy mba hahatratrarantsika ny tanjontsika mandrakizay. Naniraka ny Zanany Lahitokana Izy, dia i Jesoa Kristy, mba hanampy antsika handresy ny tsy fahalavorariantsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotana. Nomeny antsika ny Fanahy Masina mba ho vavolombelona sy namana ary mpanorolalana mikasika ny toeran-kalehantsika mandrakizay raha toa ka miantehitra Aminy isika. Enga anie isika tsirairay mba handray ny fahafenoan’ny fitahian’ny Ray eto amin’ity fiainana ity ary hahatratra ny fahatanterahan’ny asany sy ny voninahiny amin’ny fahatongavana ho ray ho an’ny fianakaviantsika mandrakizay (jereo ny Mosesy 1:39). Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.