2010–2019
“Tsy izao va no fifadian-[kanina] izay ankasitrahako?”
Aprily 2015


“Tsy izao va no fifadian-[kanina] izay ankasitrahako?”

Mahavita mihoatra noho ny manampy amin’ny famahanana sy fanafiana vatana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina omenareo. Hanasitrana sy hanova fo izany.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala isany, fifaliana ho ahy ny maneho ny fitiavako ho anareo amin’ity fihaonambe maneran-tany an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ity. Izany fifaliana izany dia avy amin’ny fijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona fa ny fitiavan’ny Mpamonjy dia mipaka hatrany aminareo tsirairay avy sy hatrany amin’ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra. Maniry ny hitahy ireo zanany ara-panahy sy ara-batana ny Raintsika any An-danitra. Mahatakatra ny zavatra ilain’izy ireo sy ireo fangirifiriany ary ireo fanantenany Izy.

Rehefa manampy olona iray isika dia tsapan’ny Mpamonjy izany, toy ny hoe manolo-tanana hanampy Azy isika.

Nolazainy tamintsika fa marina izany rehefa nilazalaza momba ny fotoana iray any aoriana Izy izay fotoana hiainantsika rehetra rehefa hahita Azy isika aorian’ny fiafaran’ny fiainantsika eto amin’ity tontolo ity. Nihanazava kokoa ny fahitako ao an-tsaiko io andro io nandritra ireo andro vitsivitsy izay nivavahako sy nifadiako hanina mba hahafantarako ny zavatra holazaina amin’ity maraina ity. Nilazalaza tamin’ireo mpianany ny amin’io dinidinika amin’ny ho avy io ny Tompo ary izany dia filazalazana ny zavatra izay iriantsika amin’ny fontsika manontolo mba ho marina ho antsika ihany koa:

“Ary amin’izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe: Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao:

“Fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;

“Tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-trano-maizina Aho, dia novangianareo.

“Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?

“Oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay?

“Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-trano-maizina, ka novangianay?

“Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.”1

Te hahazo izany fandraisana feno fitiavana avy amin’ny Mpamonjy izany izaho sy ianao. Fa ahoana ary no ahafahantsika ho mendrika izany? Mihoatra noho izay mba azontsika ampiana ireo zanaky ny Ray any An-danitra izay noana sy tsy manan-kialofana ary manirery. Ary mitombo hatrany ny isany mihoatra lavitra noho izay azontsika hanoloran-tanana.

Noho izany dia nanome antsika zavatra azontsika tsirairary hatao ny Tompo. Didy tena tsotra izany hany ka na ankizy aza dia afaka mahatakatra azy. Izany dia didy misy fampanantenana mahafinaritra ho an’ireo izay sahirana sy ho antsika.

Ny lalàn’ny fifadian-kanina izany. Ireo teny ao amin’ny bokin’i Isaia no ilazalazan’ny Tompo ny amin’ilay didy sy ireo fitahiana afaka hirotsaka amintsika ao amin’ny Fiangonany:

“Tsy izao va no [fifadian-kanina] izay ankasitrahako: dia ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra?

“Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin’ny namanao?

“Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao ary ny voninahitr’i Jehovah ho vodi-lalanao.

“Ary amin’izany dia hiantso hianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao hianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan’ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy;

“Ary afoinao ho an’ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory hianao, dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana:

“Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin’ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano hianao sy ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra.”2

Araka izany dia nomen’ny Tompo didy tsotra isika miaraka amin’ny fampanantenana mahatalanjona. Ao amin’ny Fiangonana isika ankehitriny dia manana fahafahana hifady hanina indray mandeha isam-bolana sy hanome fanatitra amin’ny fifadian-kanina nomena tamin-kalalahan-tanana amin’ny alalan’ny evekantsika na ny filohan’ny sampantsika mba ho tombontsoan’ireo mahantra sy sahirana. Ny ampahany amin’izay omenao dia ho ampiasaina hanampiana ireo manodidina anao, mety hoe olona ao amin’ny fianakavianao. Hivavaka sy hifady hanina ireo mpanompon’ny Tompo mba hahazoany fanambarana hahafantarany hoe iza no tokony hampiana ary inona no fanampiana tokony homena azy. Ny ampahany izay tsy ilaina hanampiana ny olona ao amin’ny vondrona an’ny Fiangonana eo an-toerana izay misy anao dia manjary azo ampiasaina mba hitahiana ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao izay sahirana.

Maro ny fitahiana mifamatotra amin’ny didy nomena mba hifady hanina ho an’ny mahantra. Fahotana vokatry ny tsy fahavitana, izay miteraka sazy mavesa-danja, no niantsoan’ny Filoha Spencer W. Kimball ny tsy fanarahana io didy io. Nanoratra izy hoe: “Fampanantenana mitafotafo no nataon’ny Tompo ho an’ireo izay mifady hanina sy manampy ireo sahirana. … Fitaomam-panahy sy fitarihana ara-panahy no ho azo amin’ny fahamarinana sy ny fanatonana ny Raintsika any An-danitra. Ny tsy fahavitana ny fanaovana io asa marin’ny fifadian-kanina io dia hanakana antsika tsy hahazo ireo fitahiana ireo.”3

Nahazo ny iray tamin’ireo fitahiana ireo aho herinandro vitsivitsy monja izay. Koa satria ny fihaonamben’ny fiangonana maneran-tany dia atao mandritra ny faran’ny herinandro izay hanaovana ny fivoriana ifadian-kanina sy ijoroana ho vavolombelona raha ny mahazatra, dia nifady hanina sy nivavaka aho mba hahafantarako hoe ahoana no ahafahako mbola mankatò ihany ilay didy hoe tokony hikarakara ireo izay sahirana.

Ny sabotsy, raha mbola nifady hanina aho, dia nifoha tamin’ny 6:00 ary nivavaka indray. Nahatsapa fitaomana aho hijery ny vaovao maneran-tany. Tao no namakiako ity tatitra ity:

“Ilay Rivo-doza antsoina hoe Pam dia nandrava trano maro raha namakivaky ny Port Vila, izay renivohitr’i Vanuatu. Namono olona enina izy io farafahakeliny tao Vanuatu, izany no tatitra voalohany voamarina momba ny fahafatesana nateraky ny tafio-drivotra izay anisan’ny mahery indrindra amin’ireo izay tafiditra an-tanety hatrizay.

“Zara raha afaka nijoro mahitsy ny hazo rehefa nitsoka mafy ilay rivo-doza namakivaky” ilay firenena izay nosy any Pasifika.”4

“Ireo mpiandraikitra ny tombantombana ny amin’ny vonjy taitra mila apetraka ao amin’ny “World Vision” dia nanao drafitra hijery ny fahasimbana aorian’ny fitonian’ny tafio-drivotra.

“Nanoro hevitra ireo mponina izy ireo mba hamonjy fialofana any amin’ny trano mafy tsara toy ny oniversite sy fianarana.

Avy eo dia hoy izy ireo hoe: “‘Ny zavatra mafy indrindra ananan’izy ireo dia fiangonana vita simenitra’, hoy i Inga Mepham avy ao amin’ny CARE International. … ‘Tsy manana izany ny sasany amin’izy ireo. Sarotra ny mahita trano izay eritreretinao hoe afaka mahatohitra (rivo-doza) Sokajy 5).’”5

Rehefa namaky an’izany aho, dia nahatsiaro ny famangiana tokantrano kely maromaro tany Vanuatu. Afaka naka sary an-tsaina ireo olona mifaneritery ao anatin’ny trano izay ravan’ny rivotra aho. Avy eo dia tsaroako ny fandraisana feno fitiavana izay nataon’ny olona tany Vanuatu ho ahy. Nieritreritra azy ireo sy ireo mpiara-monina aminy aho hoe nandositra ho any amin’ny trano fivoriantsika vita simenitra izy ireo mba ho voaro.

Avy eo dia azoko sary an-tsaina ny eveka sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana mandeha eo anivon’izy ireo, manome fampaherezana, bodofotsy, sakafo hohanina, ary rano hosotroina. Azoko sary an-tsaina ireo ankizy feno tahotra izay miara-mitampify.

Tena lavitra ny tranoko izay namakiako ilay tatitra izy ireo, kanefa nahafantatra ny zavatra ho nataon’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpanompony aho. Nahafantatra aho hoe ny nahatonga azy ireo ho afaka nanampy ireo zanaky ny Ray any An-danitra ireo dia ireo fanatitra amin’ny fifadian-kanina, izay nomena malalaka avy amin’ireo mpianatry ny Tompo izay tena lavitra azy ireo kanefa akaiky ny Tompo.

Noho izany dia tsy niandry ny Alahady aho. Nanatitra ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina tany amin’ny evekako aho. Fantatro fa mety ho ampiasain’ny eveka sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana hanampiana olona manodidina ahy io fanatitra io. Ilay fanatitra kely nomeko dia mety tsy ilaina ao amin’ny toerana akaikin’ny fonenanay sy ny fianakaviako, saingy ny ambin’ny fanatitra nataoko dia mety ho tafapaka lavitra hatrany amin’ny toerana toa an’i Vanuatu mihitsy.

Hisy tafio-drivotra sy zava-doza hafa hitranga manerana izao tontolo izao amin’ny olona izay tian’ny Tompo ary tsapany ny alahelon’izy ireo. Ny ampahany amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina omenareo sy omeko amin’ity volana ity dia ho ampiasaina mba hanampiana olona, any ho any, ary hahatsapa ny Tompo fa toy ny ho Azy ny fanampiana omena izany olona izany.

Mahavita mihoatra noho ny manampy amin’ny famahanana sy fanafiana vatana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina omenareo. Hanasitrana sy hanova fo izany. Ny vokatry ny fanatitra nomena an-tsitrapo dia mety ho faniriana ao am-po hanampy ny hafa izay mitsiry ao amin’ilay olona nahazo ny fanatitra. Mitranga manerana izao tontolo izao izany.

Izany dia nitranga teo amin’ny fiainan’i Abie Turay, izay monina any Sierra Leone. Nisy adim-poko izay niantomboka tamin’ny taona 1991. Nandrava ilay firenena nandritra ny taona maro izany. Sierra Leone dia efa anisan’ny firenena mahantra indrindra eran-tany. “Tsy nazava tsara hoe iza no nifehy ny firenena nandritra ilay ady—nikatona ireo banky, nanidy varavarana ireo biraom-panjakana, tsy nanan-kery nanoloana ireo miaramila mpioko ireo mpitandro ny filaminana, … ary nisy korontana sy famonoana ary alahelo. An’aliny maro ny olona namoy ny ainy, ary mihoatra ny roa tapitrisa ny olona voatery niala ny fonenany mba hialana amin’ny famonoana mahatsiravina.”6

Na dia tao anatin’ny fotoana toy izany aza, dia nitombo Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Ny iray tamin’ireo sampana voalohany dia natsangana tao amin’ny tanàna nonenan’ny Rahavavy Turay. Ny vadiny no filohan’ny sampana voalohany. Filohan’ny distrika izy nandritra ilay ady an-trano.

“Rehefa misy vahiny mamangy ny tokantranon’ny Rahavavy Turay ankehitriny, dia tiany ny mampiseho zava-tsarobidy roa avy amin’ilay ady ho an’ireo vahiny: ambonin’akanjo manga sy fotsy misy tsipika mitsoriadriaka izay azony tamin’ny antontan’akanjo efa nampiasaina izay nomen’ireo mpikamban’ny Fiangonana ary koa bodofotsy iray, izay efa tonta sy misy goaka amin’izao fotoana izao.”7

Hoy izy: “Ity ambonin’akanjo ity no fitafy … voalohany azoko. … Fentiko mandeha miasa izy ity, tsara erỳ izy ity tamin’izany. Nanendrika ahy ery izy ity. Tsy mba nanana akanjo hafa aho.

“Nandritra ny ady, dia nanafana ahy sy ireo zanako ity bodofotsy ity. Rehefa tonga hanafika anay ireo mpioko, dia ity no hany voarain’ny tanako rehefa nandositra niafina tany anaty ala izahay. Ary dia nentinay nanaraka anay ilay bodofotsy. Nanafana anay ilay izy ary niaro anay tamin’ny moka.”8

“Niresaka momba ny fankasitrahany ny filohan’ny misiôna izay nandeha tany amin’ny firenena ravan’ny ady niaraka tamin’ny vola tao am-paosiny ny Rahavavy Turay.” Ireo vola ireo, izay avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina nomen’ny olona toa anareo, no nahafahan’ireo Olomasina nividy sakafo izay tsy afaka novidian’ny ankamaroan’ny mponina tany Sierra Leone.9

Hoy ny Rahavavy Turay momba ireo izay ampy falalahan-tanana ka nanome azy ireo izay hivelomany: “Rehefa mieritreritra momba ny olona izay nanao izany aho … dia tsapako hoe nalefan’Andriamanitra izy ireo, satria olona tsotra no nanao izany fihetsika feno hatsaram-panahy izany ho anay.”10

Nisy mpamangy avy any Etazonia nipetraka niaraka tamin’i Abie vao tsy ela izay. Nandritra ny fotoana niarahany taminy dia “nitopy teny amin’ny bokin’ny soratra masina iray teo ambony latabatra ny masony.” Afaka nilaza izy fa harena sarobidy izy io, “nisy fanamarihana voamarika tsara eo amin’ny tsanganana. Efa tonta ireo pejy; ny sasany rovitra. Niendaka ny fonony.”

Nohazoniny tamin’ny “tanany ilay soratra masina ary navadiny moramora ireo pejy. Rehefa nanao izany izy dia nahita ravin-taratasy mavo fandoavana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina iray. Nahita izy fa tany amin’ny firenena iray izay saro-tadiavina sy misanda ambony ny iray dolara, i Abie Turay dia nandoa iray dolara ho fahafolonkarena sy iray dolara ho an’ny kitapom-bola ho an’ny asa fitoriana ary iray dolara ho an’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina ho an’ireo izay “tena mahantra” araka ny teny nampiasainy.

Nakombon’ilay mpamangy ilay soratra masin’ny Rahavavy Turay ary raha nijoro niaraka tamin’ity reny Afrikanina mahatoky ity izy dia nieritreritra hoe teo amin’ny tany masina izy.11

Ny mandray ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina izay omenareo sy omeko dia afaka manova fo ary toy izany koa ny fifadian-kanina mba hahasoa ny olona iray hafa. Afaka mahatsapa izany na ny ankizy aza.

Mety ho sarotra amin’ny ankizy maro, eny na ho an’ny olon-dehibe sasany ihany koa aza, ny mifady hanina mandritra ny 24 ora. Ilay fifadian-kanina dia mety ho tsapa toy ny hoe “[n]ampahory ny tena[ny]” raha ny teny nampiasain’i Isaia. Ireo ray aman-dreny hendry dia mahafantatra ny mety hitrangan’izany ka noho izany dia mitandrina amin’ny fanarahana ny torohevitry ny Filoha Joseph F. Smith: “Tsara kokoa ny mampianatra azy ireo ilay fitsipika ary mamela azy ireo hitandrina izany rehefa mihalehibe izy ireo ka hahay hisafidy amim-pahendrena.”12

Nahita ny fitahiana entin’izany torohevitra izany aho vao haingana. Ny iray tamin’ireo zafikeliko lahy dia nahita fa tsy tratry ny heriny ny mifady hanina mandritra ny 24 ora. Kanefa nataon’ireo ray aman-dreniny izay feno fahendrena ihany izay hahalalim-paka io fitsipika io ao anatiny. Nisy namany iray any am-pianarana namoy vao haingana ny havany iray mbola tanora, izay zanaky ny nenitoany, noho ny fahafatesana tampoka. Tamin’ny fotoana iray nandritra ny andro fifadian-kanina izay, raha ny mahazatra, dia hitenenan’ilay zafikeliko hoe sarotra aminy ny manohy mifady hanina, dia nanontany ny reniny izy hoe hahatonga ilay namany feno fahoriana ho tonga maivamaivana kokoa ve raha toa izy manohy ny fifadian-kanina.

Manamafy ilay torohevitry ny Filoha Joseph F. Smith ny fanontaniana napetrany. Tonga teo amin’ny dingana iray ilay zafikeliko izay tsy vitan’ny hoe nahatakarany ilay fitsipiky ny fifadian-kanina fotsiny fa nahatonga izany ho latsa-paka tao am-pony koa. Lasa nahatsapa ny zafikeliko fa ny fifadian-kanina sy vavaka ataony dia afaka mitondra fitahiana avy amin’Andriamanitra ho amin’ny olona iray izay sahirana. Raha ampy ny famerimberenany miaina ilay fitsipika, dia hitondra ireo vokany mahatalanjona eo amin’ny fiainany izany, araka ny efa nampanantenain’ny Tompo. Ho azony ny fitahiana ara-panahy amin’ny fananana hery handray fitaomam-panahy sy ny fananana fahafahana bebe kokoa hanohitra ny fakam-panahy.

Tsy fantatsika avokoa ireo antony nandehanan’i Jesoa Kristy tany an’efitra mba hifady hanina sy hivavaka. Saingy fantatsika ny iray amin’ireo vokany farafahakeliny: Notoherin’ny Mpamonjy tanteraka ireo fakam-panahy nataon’i Satana mba hampiasany amin’ny tsy tokony ho izy ny heriny avy amin’Andriamanitra.

Ny fotoana fohy hifadiantsika hanina isam-bolana sy ny vola kely atolotsika ho an’ny mahantra dia mety hanome antsika ampahany kely fotsiny ihany amin’ny fiovan’ny toetrantsika izay hahatonga antsika tsy hanana intsony faniriana hanao ratsy. Kanefa misy fampanantenana lehibe kokoa azontsika rehefa manao izay vitantsika isika mba hivavaka sy hifady hanina ary hanome ho an’ireo izay sahirana:

“Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr’i Jehovah ho vodi-lalanao.

“Ary amin’izany dia hiantso hianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao hianao, ary Izy hanao hoe; Inty Aho.”13

Mivavaka aho ny mba hanaovantsika izay hahazoantsika ireo fitahiana lehibe ireo ho antsika sy ho an’ny fianakaviantsika.

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa no Kristy, ary ao amin’ny Fiangonany isika dia asaina hanampy Azy amin’ny fikarakarana ireo mahantra amin’ny fombany, ary mampanantena Izy fa fitahiana maharitra mandrakizay no hirotsaka noho ny fanampiantsika Azy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Matio 25:34–40.

  2. Isaia 58:6–11.

  3. Spencer W. Kimball, The Miracle of Forgiveness (Le Miracle du Pardon) (1969), 98.

  4. Jereo ny Steve Almasy, Ben Brumfield, ary Laura Smith-Spark, “Cleanup begins in Vanuatu after cyclone batters islands,” 14 mar. 2015, edition.cnn.com.

  5. Jereo ny Sean Morris, Steve Almasy, ary Laura Smith-Spark, “‘Unbelievable destruction’ reported in Tropical Cyclone Pam’s Wake,” sy “Cleanup begins in Vanuatu after cyclone batters islands,” 14 mar. 2015, edition.cnn.com.

  6. Peter F. Evans, “Sister Abie Turay’s Story,” lahatsoratra nosoratan-tanana tsy natonta.

  7. Peter F. Evans, “Sister Abie Turay’s Story.”

  8. Abie Turay, voalaza ao amin’ny Evans, “Sister Abie Turay’s Story.”

  9. Peter F. Evans, “Sister Abie Turay’s Story.”

  10. Abie Turay, voalaza ao amin’ny Evans, “Sister Abie Turay’s Story.”

  11. Peter F. Evans, “Sister Abie Turay’s Story”; horonan-tsary momba ny Rahavavy Turay, “We Did Not Stand Alone,” hita ao amin’ny lds.org/media-library.

  12. Joseph F. Smith, “Editor’s Table,” Improvement Era, des. 1903, 149.

  13. Isaia 58:8–9.