2010–2019
Miaro ny fahafahana misafidy, miaro ny zom-pahafahana misafidy ny finoana
Aprily 2015


Miaro ny fahafahana misafidy, miaro ny zom-pahafahana misafidy ny finoana

Ny fampiasana amim-pahatokiana ny fahafahantsika misafidy dia miankina amin’ny fananantsika zom-pahafahana misafidy ny finoana.

Alahadin’ny Paska androany: andro hanehoana fankasitrahana sy fahatsiarovana hanomezana voninahitra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty ho an’ny olona rehetra. Mitsaoka Azy isika, ary feno fankasitrahana ny zom-pahafahana misafidy ny finoana, ny zom-pahafahana mivory, ny zom-pahafahana maneho hevitra izay ananantsika ary ilay zom-pahafahana misafidy nomen’ Andriamanitra antsika.

Araka ny efa nolazain’ny mpaminany mialoha mikasika izao andro farany iainantsika izao dia misafotofoto ny sain’ny olona maro mikasika ny hoe iza isika ary inona no inoantsika. Ny sasany “mpanendrikendrika … [sy] tsy tia ny tsara.”1 Ny hafa “milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy; [ary] manao ny maizina ho mazava ary ny mazava ho maizina.”2

Rehefa misafidy ny fihetsika tiany haseho eo anatrehan’ny finoantsika ireo olona manodidina antsika dia tokony hotsaroantsika fa ny fahafahana misafidy ara-pitondrantena dia lafin-javatra iray tena ilaina ao anatin’ny drafir’ Andriamanitra ho an’ny zanany rehetra. Ao anatin’izany drafitra mandrakizay izany izay novelabelarina tamintsika nandritra ilay filankevitra talohan’ny nahaterahana dia ahitana ny fanomezana ny fahafahana misafidy.3

Nampiasa ny fahafahany misafidy mba hanoherana ny drafitr’ Andriamanitra i Losifera, izay fantatra amin’ny anarana hoe Satana, tao anatin’izany Filankevitra Lehibe izany. Hoy Andriamanitra hoe: “Koa satria … nikomy tamiko i Satana ary nikatsaka ny handrava ny safidin’ny olona, izay efa nomeko, Izaho Tompo Andriamanitra azy, … dia nasaiko nazera etỳ ambany izy.”4

Notohizany hoe: “Ary ny ampahatelon’ny miaramilan’ny lanitra koa dia naodiny hiala Tamiko noho ny safidin’izy ireo.”5

Namoy ny anjarany araka an’ Andriamanitra noho izany ireo fanahy zanaky ny Ray any an-danitra izay nisafidy ny handà ny drafiny ary hanaraka an’i Losifera.

Hoy i Jesoa Kristy raha nampiasa ny fahafahany misafidy hoe:

“Inty Aho, iraho Aho.”6

“Hatao anie ny sitraponao ary ho Anao ny voninahitra mandrakizay.”7

I Jesoa Kristy izay nampiasa ny fahafahany misafidy hanohana ny drafitry ny Ray any an-danitra dia hitan’ny Ray ka notendreny ho Mpamonjy, voatendry mialoha hanatanteraka sorompanavotana ho an’ny rehetra. Torak’izany koa, ny fampiasansika ny fahafahantsika misafidy mba hitandrina ny didy no ahafahantsika mahatakatra tanteraka hoe iza isika sy ahafahantsika mahazo ireo fitahiana rehetra ananan’ny Raintsika any An-danitra—tafiditra ao anatin’izany ny tombontsoa hanana vatana, hivoatra, hiaina fifaliana, hanana fianakaviana ary handova ny fiainana mandrakizay.

Mila mahafantatra ny fotopampianarana ôfisialin’ny Fiangonana isika raha hitandrina ny didin’ Andriamanitra mba tsy hihalavitra ny fitarihan’i Kristy isika noho ilay toetra miangetsangetsana miova lava ananan’ny olona.

Ireo fitahiana azontsika amin’izao fotoana izao dia vokatry ny fanaovantsika safidy hanaraka ny Mpamonjy talohan’ity fiainana ity. Ho anareo rehetra izay mihaino na mamaky izao teny izao izao, na iza na iza ianareo ary na inona na inona mety ho lasanareo, dia tsarovy izao: tsy tara loatra izao hanaovana izany safidy izany indray ary hanarahana Azy.

Amin’ny alalan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy, ny finoana ny Sorompanavotany sy ny fibebahana amin’ny fahotantsika ary ny fanaovana batisa dia afaka mahazo ilay fanomezana ny Fanahy Masina izay avy amin’ Andriamanitra isika avy eo. Io fanomezana io dia manome fahalalana, fahatakarana, fitarihana, tanjaka ahafahana mianatra sy mahazo fijoroana ho vavolombelona, hery ary fanadiovana mba handresena ny fahotana, fampaherezana sy famporisihana mba ho mahatoky ao anatin’ny fitsapana. Mampitombo ny fahafahana sy ny hery ananantsika mba hanaovana ny marina ireo fitahiana tsy manam-paharoa avy amin’ny Fanahy ireo, satria “izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana.”8

Rehefa mandeha eo amin’ilay lalan’ny fahafahana malalaka ara-panahy isika amin’izao andro farany izao dia tsy maintsy takatsika fa ny fampiasana amim-pahatokiana ny fahafahantsika misafidy dia miankina amin’ny fananantsika zom-pahafahana misafidy ny finoana. Efa fantatsika fa tsy tian’i Satana ny hananantsika io zom-pahafahana io. Nanandrana namotika ny safidim-pitondrantena izy tany an-danitra ary izy amin’izao fotoana izao eto an-tany dia manozongozona sy manohitra amim-pahasiahana ny zom-pahafahana misafidy ny finoana ary mampiely zavatra mampisafotofoto mikasika izany—ny votoatin’izany sy ny antony ilana izany eo amin’ny fiainam-panahintsika sy ny famonjena antsika mihitsy.

Misy vato efatra ifaharan’ny zom-pahafahana misafidy ny finoana izay tsy maintsy ianteherantsika sy arovantsika amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika.

Voalohany ny zom-pahafahana mino. Tsy misy na iza na iza azo tsikeraina na azo henjehin’ny olona na ny governemanta noho ny zavatra inoany mikasika an’ Andriamanitra. An’ny tena manokana sy tena manan-danja izany. Ny fanambarana iray tany am-piandohana momba ny zavatra inoantsika mahakasika ny zom-pahafahana misafidy ny finoana dia milaza hoe:

“Tsy misy governemanta afaka miaina amim-piadanana raha tsy arafitra sady tanana ho tsy azo dikaina ny lalàna izay hiantoka ho an’ny olona tsirairay ny fananana fieritreretana malalaka. …

“… Ny mpitsara tsotra dia tokony hanafay ny meloka fa tsy hanery na oviana na oviana ny eritreritra [na hanafoana] ny fahalalahan’ny fanahy.”9

Taorian’izay, io zom-pahafahana misafidy ny finoana izay tena manan-danja io dia neken’ny Firenena Mikambana ao anatin’ny Universal Declaration of Human Rights (Fanambarana ho an’izao tontolo izao mikasika ny zon’olombelona) sy ao anatin’ireo taratasy ôfisialy hafa avy amin’ny firenena iray na iraisam-pirenena mikasika ny zon’olombelona.10

Ny vato faharoa ifaharan’ny zom-pahafahana misafidy ny finoana dia ny fahafahana mizara ny finoantsika amin’ny hafa. Nandidy antsika ny Tompo hoe: “Ary ampianaro ny zanakareo [ny filazantsara] … [rehefa] mipetraka ao an-tranonao hianao.”11 Nilaza tamin’ireo mpianany koa Izy hoe: “Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olona rehetra.”12 Miantehitra amin’ny zom-pahafahana misafidy ny finoana isika amin’ny maha-ray aman-dreny, misiônera manompo amin’ny fotoana feno ary mpikambana manao asa fitoriana antsika mba hampianarana ny fotopampianaran’ny Tompo ao amin’ny fianakaviantsika sy manerana an’izao tontolo izao.

Ny vato fahatelo ifaharan’ny zom-pahafahana misafidy ny finoana dia ny fahafahana manorina antokom-pinoana, fiangonana, mba hitsaohana amim-pilaminana miaraka amin’ny hafa. Manambara izao ny fanekem-pinoana faha iraika ambin’ny folo: “Isika dia mitaky ny zo hanompo an’ Andriamanitra Tsitoha araka ny baikon’ny fieritreretantsika ary miaiky fa manana izany zo izany ny olon-drehetra, ka aoka izy hanompo, na manao ahoana na manao ahoana, na aiza na aiza, ary na inona na inona sitrany.” Manohana io fitsipika io ireo taratasy iraisam-pirenena miaro ny zon’olombelona sy ireo lalam-panorenan’ny firenena maro.

Ny vato fahaefatra ifaharan’ny zom-pahafahana misafidy ny finoana dia ny fahafahana miaina ny finoantsika—fampiharana malalaka ny finoantsika izay tsy any an-trano fotsiny na any am-piangonana fa any amin’ireo toerana ifaneraseran’ny besinimaro. Nandidy antsika ny Tompo mba tsy hivavaka mitokana fotsiny13 fa mba handeha koa “[hamela ny tenantsika] hazava eo imason’ny olona … mba hahitany ny asa soa atao[ntsika] ka hankalazany ny Rai[ntsika] any an-danitra.”14

Misy olona sasany tafintohina rehefa entintsika ampahibemaso ny finoantsika, kanefa ireo olona ireo ihany izay mikiry mafy ny mba handeferan’ny fiarahamonina ny hevitra ijoroany sy ny zavatra ataony no matetika tena mitaredretra amin’ny fanehoana io fandeferana io amin’ireo mpino izay maniry koa ny mba handeferana ny hevitra ijoroany sy ny zavatra ataony. Ny tsy fisian’ny fanajana ny hevitra ijoroana ara-pinoana dia miteraka tsy fifandeferan-tsaina ara-piarahamonina sy ara-pôlitika ho an’ireo olona mivavaka sy ny fanjakana.

Rehefa miatrika ny fanerena mihamitombo mba hanaraka ireo fitsipika iainan’izao tontolo isika sy hanary ilay zontsika ahafahana misafidy ny finoana, ary hamoy ny fahafahantsika misafidy dia diniho ny zavatra ampianarin’ny Bokin’i Môrmôna mikasika ny andraikitsika. Hitantsika ao amin’ny bokin’i Almà ny momba an’i Amlisia, “lehilahy tena fetsy” ary “olon-dratsy” izay nitetika ho lasa mpanjaka teo amin’ny vahoaka ka “hanaisotra aminy ny zony sy ny tombontsoany” izay “nampivadi-po ny vahoakan’ny fiangonana.”15 Nampianarin’i Môsià Mpanjaka izy ireo mba hanambara amin’ny alalan’ny feony ny zavatra tsapany fa marina.16 Noho izany dia “niara-nivory nanerana ny tany manontolo ny vahoaka, ny olona tsirairay dia samy araka ny sainy avy, na izy mpomba an’i Amlisia, na izy mpanohitra azy, tamina antoko nisaratsaraka, noho ny fisian’ny … fifandirana nampitolagaga teo amin’izy samy izy.”17

Tao anatin’ireo fifampiresahana ireo dia nanana fahafahana ny mpikamban’ny Fiangonana sy ireo olona hafa mba hiara-hihaona sy hiaina ilay fahatsapana firaisankina ary hotarihin’ny Fanahy Masina. “Ary ny zava-nitranga dia nanohitra an’i Amlisia ny feon’ny vahoaka, ka tsy natao mpanjaka teo amin’ny vahoaka izy.”18

Manana andraikitra isika amin’ny maha-mpanara-dian’i Jesoa Kristy antsika mba hiaraha-hiasa amin’ireo mpino mitovy hevitra amintsika mba hanambara amin’ny alalan’ny feontsika ny zavatra marina. Na dia tsy tokony hilaza tena velively na hanisi-kevitra akory aza hoe miteny amin’ny anaran’ny Fiangonana isika, dia asaina isika rehetra amin’ny maha-olom-pirenena antsika mba hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika manokana omban’ny finoana sy fitiavana—“ny lehilahy [sy ny vehivavy] tsirairay samy araka ny sainy [manokana].”19

Hoy ny Mpaminany Joseph Smith:

“Amim-pahasahiana no hanambarako eo anoloan’ny Lanitra fa tena vonona ny ho faty mba hiarovana ny zon’ny Presbiterianina iray na Batista iray na olona tsara iray avy amin’izay mety ho antokom-pinoana hafa aho [raha ny maha-Môrmôna] satria ilay fitsipika izay hanitsakitsahana ireo zon’ny Olomasin’ny Andro Farany ihany no hanitsakitsahana ireo zon’ny Katôlika Rômana na antokom-pinoana hafa izay mety tsy malaza na marefo loatra ka tsy afaka miaro ny tenany.

“Ny fitiavana fahafahana no manosika ny fanahiko—zom-pahafahana amin’ny maha-olon-tsotra sy zom-pahafahana misafidy ny finoana ho an’ny olombelona rehetra.”20

Ry rahalahy sy rahavavy, tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ireo fahafahana sy zo masina ireo isika ho an’ny tenantsika sy ny taranatsika. Inona no azontsika sy ianao atao?

Voalohany, afaka maka vaovao isika. Fantaro izay olana miseho eo amin’ny fiarahamonina misy anao ka mety hisy fiantraikany eo amin’ilay zom-pahafahana misafidy ny finoana.

Faharoa, amin’ny anaran’ny tenanao manokana dia miaraha amin’ireo olona hafa izay manohana koa ny fanolorantenantsika hiaro ny zom-pahafahana misafidy ny finoana. Miaraha-miasa mba hiarovana ny zom-pahafahana misafidy ny finoana.

Fahatelo dia aoka ny fiainana iainanao ho toy ny ohatra tsara maneho ny zavatra inoanao—eo amin’ny teny sy fihetsika. Ny fomba iainantsika ny finoantsika dia manan-danja lavitra bebe kokoa noho izay mety holazaintsika mikasika ny finoantsika.

Efa manakaiky ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Aoka isika tsy ho tara ao anatin’ny fanaovana ity asa lehibe ity. Tsarovy ny Kapiteny Môrônia izay nanangana ny fanevan’ny fahafahana ahitana ny soratra hoe “Ho fahatsiarovana ny Andriamanitray, ny fivavahanay sy ny fahafahanay ary ny fiadananay, ny vadinay sy ny zanakay.”21 Aoka hotsaroantsika ny fihetsika nasehon’ny vahoaka: nampiasa ny fahafahany misafidy izy ireo ka “niara-nirohotra” niaraka tamin’ny fanaovana fanekempihavanana fa handray andraikitra.22

Ry rahalahy sy anabavy malalako, aza mandeha tsotra fotsiny fa mihazakazaha! Mihazakazaha mba handray ireo fitahian’ny fahafahana misafidy amin’ny alalan’ny fanarahana ny Fanahy Masina sy ny fampiasana ireo fahafahana nomen’ Andriamanitra antsika mba hanaovana ny sitrapony.

Mijoro ho vavolombelona aho amin’izao andron’ny Paska manokana izao fa nampiasa ny fahafahany misafidy i Jesoa Kristy mba hanaovana ny sitrapon’ny Raintsika .

Hiraintsika ny momba ny Mpamonjy hoe: “Nalatsany ny rany soa; Nomeny ny ainy.”23 Ary noho ny fanaovany izany dia manana tombontsoa sarobidy isika “hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay” amin’ny alalan’ny hery sy ny fitahian’ny Sorompanavotana.24 Enga anie isika ka hisafidy malalaka ny hanaraka Azy androany ary hanaraka Azy foana. Izany no vavaka ataoko amin’ny anarany masina, dia i Jesoa Kristy, amena.